1 ULB Nohon'ny amin'i Ziona dia tsy hangina aho, ary nohon'ny amin'i Jerosalema dia tsy hikombom-bava aho, mandra-pivoahan'ny fahamarinana mamirapiratra, ary ny famonjeny toy ny fanilo mirehitra. BSB BSB: For Zion’s sake I will not keep silent, and for Jerusalem’s sake I will not keep still, until her righteousness shines like a bright light, her salvation like a blazing torch.
2 ULB Hahita ny fahamarinanao ireo firenena, ary ny mpanjaka rehetra ny voninahitrao. Ho antsoina amin'ny anarana vaovao ianao izay ho safidian'i Yaveh. BSB BSB: Nations will see your righteousness, and all kings your glory. You will be called by a new name that the mouth of the LORD will bestow.
3 ULB Ho satro-boninahitry ny hatsarana eo an-tanan'i Yaveh ihany koa ianao, ary satroky ny fanjakana eo an-tanan'ny Andriamanitrao. BSB BSB: You will be a crown of glory in the hand of the LORD, a royal diadem in the palm of your God.
4 ULB Tsy ho lazaina ny aminao intsony ny hoe: "Nafoy"; na ho lazaina amin'ny taninao intsony ny hoe: "Lao." Fa kosa, ho antsoina hoe: "Ilay sitrako," ary ny taninao hoe: "Manambady," satria sitrak'i Yaveh ianao, ary hanambady ny taninao. BSB BSB: No longer will you be called Forsaken, nor your land named Desolate; but you will be called Hephzibah, and your land Beulah; for the LORD will take delight in you, and your land will be His bride.
5 ULB Tahaka ny tovolahy manambady tovovavy tokoa, no hanambadian'ireo zanakao anao, ary toy ny mpampakatra mifaly amin'ny ampakariny, no hifalian'ny Andriamanitrareo aminareo. BSB BSB: For as a young man marries a young woman, so your sons will marry you; and as a bridegroom rejoices over his bride, so your God will rejoice over you.
6 ULB Nametrahako mpiambina teo amin'ireo mandanao, ry Jerosalema; tsy mangina izy ireo andro sy alina. Ianareo izay mampatsiahy an'i Yaveh, aza mitsahatra. BSB BSB: On your walls, O Jerusalem, I have posted watchmen; they will never be silent day or night. You who call on the LORD shall take no rest for yourselves,
7 ULB Aza avela hiala sasatra Izy mandra-pametrahany an'i Jerosalema indray sy mandra-panaovany izany ho fiderana eto an-tany. BSB BSB: nor give Him any rest until He establishes Jerusalem and makes her the praise of the earth.
8 ULB Nianiana tamin'ny tanany an-kavanana sy tamin'ny sandrin'ny heriny Yaveh hoe: "Azo antoka fa tsy hanome ny varinareo ho sakafo ho an'ireo fahavalonareo intsony Aho. Ireo vahiny dia tsy hisotro ny divay vaovaonareo, izay niasanareo. BSB BSB: The LORD has sworn by His right hand and by His mighty arm: “Never again will I give your grain to your enemies for food, nor will foreigners drink the new wine for which you have toiled.
9 ULB Fa ireo izay mijinja ny vary dia hihinana izany sy hidera an'i Yaveh, ary ireo izay mioty ny voaloboka dia hisotro ny divay ao amin'ny fitsaràn'ny fitoerako masina." BSB BSB: For those who harvest grain will eat it and praise the LORD, and those who gather grapes will drink the wine in My holy courts.”
10 ULB Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady! Homano ny lalana ho an'ny olona! Hamboary izany, hamboary ny lalam-be! Angony ireo vato! Manangàna saina famantarana ho an'ireo firenena! BSB BSB: Go out, go out through the gates; prepare the way for the people! Build it up, build up the highway; clear away the stones; raise a banner for the nations!
11 ULB Indro, manambara amin'ny faran'ny tany Yaveh hoe: "Lazao amin'ny zanakavavin'i Ziona hoe: Indro, tonga ny mpanavotra anareo! Jereo, miaraka aminy ny valisoany, ary mandeha eo anoloany ny valin-kasasarany." BSB BSB: Behold, the LORD has proclaimed to the ends of the earth, “Say to Daughter Zion: See, your Savior comes! Look, His reward is with Him, and His recompense goes before Him.”
12 ULB Hiantso anareo izy ireo hoe: "Ilay vahoaka masina; ilay navotan'i Yaveh," ary ianao dia ho antsoina hoe: "Notadiavina; tanàna tsy nafoy." BSB BSB: And they will be called the Holy People, the Redeemed of The LORD; and you will be called Sought Out, A City Not Forsaken.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.