1 ULB Izao no lazain'i Yaveh hoe: "Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro, aiza ary ny trano izay haorinao ho Ahy? Aiza ny toerana izay ahafahako miala sasatra? BSB BSB: This is what the LORD says: “Heaven is My throne, and earth is My footstool. What kind of house will you build for Me? Or where will My place of repose be?
2 ULB Ny tanako no nanao ireo zavatra rehetra ireo; izany no nahatonga ireny zavatra ireny hisy_izany no fanambaran'i Yaveh. Izao no olona izay ekeko, izay torotoro sy manenina am-panahy, ary izay mangovitra amin'ny teniko. BSB BSB: Has not My hand made all these things? And so they came into being,” declares the LORD. “This is the one I will esteem: he who is humble and contrite in spirit, who trembles at My word.
3 ULB Izay mamono omby dia mamono olona ihany koa; izay manao sorona ny zanak'ondry dia manapaka ny vozon'alika; izay manolotra fanatitra hoanina dia manolotra ràn-kisoa; izay manolotra ditin-kazo manitra ho fahatsiarovana dia misaotra ny faharatsiana. Nisafidy ireo lalany izy ireo, ary naka fahafinaretana tamin'ireo fahavetavetany. BSB BSB: Whoever slaughters an ox is like one who slays a man; whoever sacrifices a lamb is like one who breaks a dog’s neck; whoever presents a grain offering is like one who offers pig’s blood; whoever offers frankincense is like one who blesses an idol. Indeed, they have chosen their own ways and delighted in their abominations.
4 ULB Tahaka izany koa no hisafidianako ny famaizana azy ireo ihany; hoentiko eo amin'izy ireo izay hatahorany, satria rehefa niantso Aho, dia tsy nisy namaly; rehefa niteny Aho, dia tsy nisy na iray aza ka nihaino. Nanao izay ratsy teo imasoko izy ireo, ary nisafidy ny hanao izay zavatra nampahatezitra Ahy." BSB BSB: So I will choose their punishment and I will bring terror upon them, because I called and no one answered, I spoke and no one listened. But they did evil in My sight and chose that in which I did not delight.”
5 ULB Mihainoa ny tenin'i Yaveh, ianao izay mangovitra amin'ny teniny hoe: "Ireo rahalahinao izay mankahala sy manilika anao nohon'ny anarako niteny hoe: 'Aoka homem-boninahitra i Yaveh, dia ahita ny hafalianao Izy,' fa ho menatra izy ireo. BSB BSB: You who tremble at His word, hear the word of the LORD: “Your brothers who hate you and exclude you because of My name have said, ‘Let the LORD be glorified that we may see your joy!’ But they will be put to shame.”
6 ULB Ny feon'ny ady mitabataba dia avy any amin'ny tanàna, feo avy ao amin'ny tempoly, ny feon'i Yaveh mamaly ireo fahavalony. BSB BSB: Hear the uproar from the city; listen to the voice from the temple! It is the voice of the LORD, repaying His enemies what they deserve!
7 ULB Fony mbola mietsi-jaza izy, dia teraka; mialoahan'ny fanaintainana ho eo aminy, dia niteraka zazalahy izy. BSB BSB: “Before she was in labor, she gave birth; before she was in pain, she delivered a boy.
8 ULB Iza no naheno zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Moa ve ho teraka anaty andro iray ny tany? Afaka hiorina anatin'ny fotoana iray ny firenena? Fony mbola tsy nihetsi-jaza i Ziona, dia efa niteraka ireo zanany. BSB BSB: Who has heard of such as this? Who has seen such things? Can a country be born in a day or a nation be delivered in an instant? Yet as soon as Zion was in labor, she gave birth to her children.
9 ULB Moa ve mitondra zaza amin'ny fahavononan'ny fahaterahana Aho ka tsy mamela ny zaza ho teraka? _nanontany Yaveh. Na nitondra zaza amin'ny fotoanan'ny fiterahana ka hamerina izany? _manontany Andriamanitrao." BSB BSB: Shall I bring a baby to the point of birth and not deliver it?” says the LORD. “Or will I who deliver close the womb?” says your God.
10 ULB Mifalia miaraka amin'i Jerosalema ary mifalia ho azy, ianareo rehetra izay tia azy; mifalia miaraka aminy, ianareo rehetra izay malahelo azy! BSB BSB: Be glad for Jerusalem and rejoice over her, all who love her. Rejoice greatly with her, all who mourn over her,
11 ULB Fa hitaiza ianao ary ho afapo; hampiononina eo amin'ireo nonony ianao; fa hisotro izany amin'ny hafenoana sy fahafinaretanan'ny voninahiny be ianao. BSB BSB: so that you may nurse and be satisfied at her comforting breasts; you may drink deeply and delight yourselves in her glorious abundance.
12 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hampiely fanambinana manerana azy tahaka ny renirano Aho, ary ny haren'ny firenena ho tahaka ny loharano mitondraka. Hinono amin'ny ilany ianao, ho eo an-tsandriny, ary ho ahindrahindra eo amin'ireo lohaliny. BSB BSB: For this is what the LORD says: “I will extend peace to her like a river, and the wealth of nations like a flowing stream; you will nurse and be carried on her arm, and bounced upon her knees.
13 ULB Tahaka ny ankaherezan'ny reny ny zanany, noho hankaherezako anao, ary hankaherezina ianao ao Jerosalema." BSB BSB: As a mother comforts her son, so will I comfort you, and you will be consoled over Jerusalem.”
14 ULB Hahita izany ianao, dia hifaly ny fonao, ary ny taolanao hitsimoka tahaka ny ahi-maitso. Hampahafantarin'i Yaveh ireo mpanompony ny tanany. Fa hampiseho ny hatezerany hanohitra ireo fahavalony Izy. BSB BSB: When you see, you will rejoice, and you will flourish like grass; then the hand of the LORD will be revealed to His servants, but His wrath will be shown to His enemies.
15 ULB Fa indro, tonga miaraka amin'ny afo, ary tonga tahaka ny tafio-drivotra ireo kalesiny mba hitondra ny hafanan'ny fahatezerany sy ny fitenenany mafy miaraka amin'ireo lelan'afo. BSB BSB: For behold, the LORD will come with fire—His chariots are like a whirlwind—to execute His anger with fury and His rebuke with flames of fire.
16 ULB Fa hanao ny fitsarana amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny afo sy ny sabany Izy. Ho maro ireo izay hovoavonon'i Yaveh. BSB BSB: For by fire and by His sword, the LORD will execute judgment on all flesh, and many will be slain by the LORD.
17 ULB Manamasina ny tenany sy manadio ny tenany izy ireo, ka afaka miditra ao an-tsaha, manaraka ny iray izay eo afovoany mihinana nofon-kisoa sy ireo zavatra vetaveta tahaka ny voalavo. "Ho avy amin'ny fiafarana izy ireo_izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: “Those who consecrate and purify themselves to enter the groves—to follow one in the center of those who eat the flesh of swine and vermin and rats—will perish together,” declares the LORD.
18 ULB Fa fantatro ireo asany sy ireo eritreriny. Ho avy ny fotoana rehefa hanangona ireo firenena sy ireo fiteny rehetra Aho. Ho avy izy ireo ary hahita ny voninahitro. BSB BSB: “And I, knowing their deeds and thoughts, am coming to gather all nations and tongues, and they will come and see My glory.
19 ULB Hametraka famantarana mahery eo amin'izy ireo Aho. Avy eo dia handefa ireo sisa tsy maty avy amin'izy ireo any amin'ireo firenena Aho: Any Tarsisy, Pola, ary Lydia, mpandefa zana-tsipìka izay manenjana ireo tsipìkany, Amin'i Tobala, Javana, ary ireo amoron-tsiraka alavitra izay tsy nahenoan'izy ireo Ahy na nahitany ny voninahitro. Hanambara ny voninahitro manerana ny firenena izy ireo. BSB BSB: I will establish a sign among them, and I will send survivors from among them to the nations—to Tarshish, Put, and the archers of Lud; to Tubal, Javan, and the islands far away who have not heard of My fame or seen My glory. So they will proclaim My glory among the nations.
20 ULB Hampiverina ireo rahalainao rehetra hivoaka ireo firenena rehetra izy ireo, tahaka ny fanatitra ho an'i Yaveh. Ho avy amin'ny soavaly, sy anatin'ireo kalesy, anatin'ireo filanjana, ambonin'ireo ampondra, ary ambonin'ireo rameva, ho any amin'i Jerosalema tendrombohitro masina_hoy Yaveh. Fa ny vahoakan'i Israely dia hitondra fanatitra vary anaty lovia madio ho ao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: And they will bring all your brothers from all the nations as a gift to the LORD on horses and chariots and wagons, on mules and camels, to My holy mountain Jerusalem,” says the LORD, “just as the Israelites bring an offering in a clean vessel to the house of the LORD.”
21 ULB Na ny sasany amin' izyireo aza dia hofidiko ho mpisorona sy Levita_hoy Yaveh. BSB BSB: “And I will select some of them as priests and Levites,” says the LORD.
22 ULB Fa tahaka ireo lanitra vaovao sy tany vaovao izay hataoko dia hitoetra eo anatrehako_izao no fanambaran'i Yaveh_ka hitoetra ireo taranakao, ary hitoetra ny anaranao. BSB BSB: “For just as the new heavens and the new earth, which I will make, will endure before Me,” declares the LORD, “so your descendants and your name will endure.
23 ULB Fa amin'ny volana iray ka hatramin'ny manaraka, ary ny Sabata iray ka hatramin'ny manaraka, ho avy hiankohoka Amiko ireo olona rehetra_hoy Yaveh. BSB BSB: From one New Moon to another and from one Sabbath to another, all mankind will come to worship before Me,” says the LORD.
24 ULB Hivoaka izy ireo ary hahita ireo fatin'olona izay nikomy hanohitra Ahy, fa ny kankana izay mihinana azy ireo dia tsy ho faty, ary ny afo izay handevina azy ireo dia tsy ho voavono; ary ho rikoriko ho an'ny nofo rehetra izany." BSB BSB: “As they go forth, they will see the corpses of the men who have rebelled against Me; for their worm will never die, their fire will never be quenched, and they will be a horror to all mankind.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.