1 ULB Ireto no tenin'i Jeremia zanak'i Hilkia, iray amin'ireo mpisorona tao Anatota tao amin'ny tanin'i Benjamina. BSB BSB: These are the words of Jeremiah son of Hilkiah, one of the priests in Anathoth in the territory of Benjamin.
2 ULB Tonga taminy ny tenin'i Yaveh tamin'andron'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakany. BSB BSB: The word of the LORD came to Jeremiah in the thirteenth year of the reign of Josiah son of Amon king of Judah,
3 ULB Tonga ihany koa izany tamin'ny andron'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, hatramin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, rehefa nalaina ho gadra ny vahoakan'i Jerosalema. BSB BSB: and through the days of Jehoiakim son of Josiah king of Judah, until the fifth month of the eleventh year of Zedekiah son of Josiah king of Judah, when the people of Jerusalem went into exile.
4 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: The word of the LORD came to me, saying:
5 ULB "Talohan'ny nanaovako anao tao am-bohoka, dia efa nifidy anao Aho; talohan'ny nivoahanao tao am-bohoka dia efa natokako ianao; dia efa nanao anao ho mpaminany amin'ireo firenena Aho." BSB BSB: “Before I formed you in the womb I knew you, and before you were born I set you apart and appointed you as a prophet to the nations.”
6 ULB "Oh, ry Yaveh Tompo!" Hoy aho hoe: "Tsy mahay miresaka aho, fa mbola tanora loatra." BSB BSB: “Ah, Lord GOD,” I said, “I surely do not know how to speak, for I am only a child!”
7 ULB Fa i Yaveh nilaza tamiko hoe: "Aza manao hoe 'tanora loatra aho.' Fa tsy maintsy mandeha ianao na aiza na aiza hanirahako anao, ary tsy maintsy milaza izay rehetra handidiako anao ianao! BSB BSB: But the LORD told me: “Do not say, ‘I am only a child.’ For to everyone I send you, you must go, and all that I command you, you must speak.
8 ULB Aza matahotra azy ireo, fa momba anao mba hamonjy anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: Do not be afraid of them, for I am with you to deliver you,” declares the LORD.
9 ULB Koa dia naninjitra ny tanany i Yaveh, nikasika ny vavako, ary nilaza tamiko hoe: "Ankehitriny, efa napetrako eo am-bavanao ny teniko. BSB BSB: Then the LORD reached out His hand, touched my mouth, and said to me: “Behold, I have put My words in your mouth.
10 ULB Anio Aho dia manendry anao eo amin'ireo firenena sy eo amin'ireo fanjakana, mba hanongotra sy handrodana, mba handringana sy handrava, mba hanorina ary hamboly. BSB BSB: See, I have appointed you today over nations and kingdoms to uproot and tear down, to destroy and overthrow, to build and plant.”
11 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Mahita rantsan-kazo amygdala aho." BSB BSB: And the word of the LORD came to me, asking, “Jeremiah, what do you see?” “I see a branch of an almond tree,” I replied.
12 ULB Hoy i Yaveh tamiko: "Efa nahita tsara ianao, fa mitandrina ny teniko Aho mba hanatanteraka izany." BSB BSB: “You have observed correctly,” said the LORD, “for I am watching over My word to accomplish it.”
13 ULB Tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao?" Ary hoy aho: "Vilany mahamay no hitako, izay mangotraka ny tampony, mitongilana mianavaratra." BSB BSB: Again the word of the LORD came to me, asking, “What do you see?” “I see a boiling pot,” I replied, “and it is tilting toward us from the north.”
14 ULB Hoy i Yaveh tamiko hoe: "Hisokatra avy any avaratra amin'izay rehetra monina ao amin'io tany io ny loza. BSB BSB: Then the LORD said to me, “Disaster from the north will be poured out on all who live in the land.
15 ULB Ambaran'i Yaveh, fa hiantso ny foko rehetra avy any avaratran'ny fanjakana Aho. Ho tonga izy ireo, ary ny rehetra dia hametraka ny seza fiandrianany eo amin'ny vavahady fidirana ao Jerosalema, hanohitra ireo manda rehetra manodidina izany, ary hanohitra ireo tanàn'i Joda rehetra. BSB BSB: For I am about to summon all the clans and kingdoms of the north,” declares the LORD. “Their kings will come and set up their thrones at the entrance of the gates of Jerusalem. They will attack all her surrounding walls and all the other cities of Judah.
16 ULB Izaho dia hanonona didim-pitsarana hanohitra azy ireo noho ny faharatsian'izy ireo rehetra tamin'ny fahafoizana Ahy, amin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-kafa, ary amin'ny fanompoana ireo izay namboarin'ny tanan'izy ireo ihany. BSB BSB: I will pronounce My judgments against them for all their wickedness, because they have forsaken Me, and they have burned incense to other gods and worshiped the works of their own hands.
17 ULB Aoka ho vonona ny tenanao! Mitsangàna ary lazao azy ireo izay rehetra nandidiako anao. Aza torotoro manoloana azy ireo, sao hanorotoro anao manoloana azy ireo Aho! BSB BSB: Get yourself ready. Stand up and tell them everything that I command you. Do not be intimidated by them, or I will terrify you before them.
18 ULB Indro! Anio Aho dia efa nanao tanàna voaaro mafy, sy andry vy, ary manda varahina hanohitra ny tany manontolo ho anao— hanohitra ny mpanjakan'i Joda, ireo manam-pahefany, ireo mpisorony, ary ireo olona amin'ny tany. BSB BSB: Now behold, this day I have made you like a fortified city, an iron pillar, and bronze walls against the whole land—against the kings of Judah, its officials, its priests, and the people of the land.
19 ULB Hiady hanohitra anao izy ireo, fa tsy haharesy anao, fa homba anao Aho mba hamonjy anao—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: They will fight against you but will never overcome you, since I am with you to deliver you,” declares the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.