1 ULB Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: Now the word of the LORD came to me, saying,
2 ULB "Mandehana ary manambarà amin'i Jerosalema. Milazà hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Nahatsiaro ny anaranao Aho tamin'ny tsy fivadiham-pahatokianao tamin'ny fahatanoranao, ny fitiavanao tamin'ny fotoana nivadiantsika, rehefa nanaraka Ahy tany an'efitra ianao, dia ilay tany izay tsy namafazana. BSB BSB: “Go and proclaim in the hearing of Jerusalem that this is what the LORD says: ‘I remember the devotion of your youth, your love as a bride, how you followed Me in the wilderness, in a land not sown.
3 ULB Israely dia natokana ho an'i Yaveh, ireo voaloham-bokatry ny vokany! Izay rehetra mihinana amin'ireo voaloham-bokatra dia nomelohina; tonga tamin'izy ireo ny loza—izany no fanambaran'i Yaveh."' BSB BSB: Israel was holy to the LORD, the firstfruits of His harvest. All who devoured her were found guilty; disaster came upon them,’” declares the LORD.
4 ULB Henoy ny tenin'i Yaveh, ry fianakavian'i Jakoba sy ry fianakavian'Israely rehetra. BSB BSB: Hear the word of the LORD, O house of Jacob, and all you families of the house of Israel.
5 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Inona no olan'ny razambenareo Amiko, no niala lavitra tamin'ny fanarahana Ahy izy ireo? ka lasa nanaraka sampy tsy misy dikany sy lasa tsy misy dikany izy ireo? BSB BSB: This is what the LORD says: “What fault did your fathers find in Me that they strayed so far from Me? They followed worthless idols, and became worthless themselves.
6 ULB Izy ireo dia tsy niteny hoe: 'Aiza i Yaveh, izay nitondra anay niakatra avy tao amin'ny tany Egypta? Aiza i Yaveh, izay nitarika anay tany an'efitra, tao amin'ny tanin'i Arabaha sy ny lavaka, tao amin'ny tany hay sy ny aizim-pito, tany iray izay tsy misy na iza na iza mandalo ary tsy misy mitoetra?' BSB BSB: They did not ask, ‘Where is the LORD who brought us up from the land of Egypt, who led us through the wilderness, through a land of deserts and pits, a land of drought and darkness, a land where no one travels and no one lives?’
7 ULB Fa nitondra anareo tany amin'ny tany Karmela Aho, mba hihinana ny voany sy ireo zavatra tsara hafa! Fa rehefa tonga ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, nataonareo fahavetavetana ny lovako! BSB BSB: I brought you into a fertile land to eat its fruit and bounty, but you came and defiled My land and made My inheritance detestable.
8 ULB Ny mpisorona dia tsy nilaza hoe: 'Aiza i Yaveh?' ary ireo manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna dia tsy miraraha ny momba Ahy! Ireo mpiandry ondry nanota tamiko. Ireo mpaminany naminany ho an'i Bala ary nanaraka ireo zavatra tsy mahasoa. BSB BSB: The priests did not ask, ‘Where is the LORD?’ The experts in the law no longer knew Me, and the leaders rebelled against Me. The prophets prophesied by Baal and followed useless idols.
9 ULB Koa mbola hiampanga anareo hatrany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hiampanga ireo zanaky ny zanakareo Aho. BSB BSB: Therefore, I will contend with you again, declares the LORD, and I will bring a case against your children’s children.
10 ULB Fa miampità eny amin'ny sisin'i Kitima ka jereo. Mandefasa mpitondra hafatra ho any Kedara ka tadiavo ary jereo raha mbola nisy zavatra tahaka ity taloha. BSB BSB: Cross over to the coasts of Cyprus and take a look; send to Kedar and consider carefully; see if there has ever been anything like this:
11 ULB Nifanakalo andriamanitra ve ny firenena, na dia tsy andriamanitra akory aza ireo? Kanefa ny oloko dia nanakalo ny voninahitr'izy ireo tamin'ny zavatra izay tsy afaka manampy azy ireo. BSB BSB: Has a nation ever changed its gods? (Yet they are not gods at all.) But My people have exchanged their Glory for useless idols.
12 ULB Mihovitrovitra ny lanitra noho izany! Aoka ho tohina sy hihorohoro—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Be stunned by this, O heavens; be shocked and utterly appalled,” declares the LORD.
14 ULB Moa andevo ve Israely? Teraka tao amin'ny tranon'ny tompony ve izy? Koa nahoana izy no lasa mpandroba? BSB BSB: Is Israel a slave? Was he born into slavery? Why then has he become prey?
15 ULB Nierona taminy ny liona tanora. Nitabataba fatratra izy ireo ka nanao ny taniny ho mahatsiravina. Rava ireo tanànany ka tsy nisy mponina. BSB BSB: The young lions have roared at him; they have sounded their voices. They have laid waste his land; his cities lie in ruins, without inhabitant.
16 ULB Ny vahoaka tao Memfisa sy Tapanesa ihany koa dia hanaratra ny karan-dohanao. BSB BSB: The men of Memphis and Tahpanhes have shaved the crown of your head.
17 ULB Moa tsy nanao izany tamin'ny tenanao ve ianao rehefa nahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao, raha mbola nitarika anao tamin'ny lalana Izy? BSB BSB: Have you not brought this on yourself by forsaking the LORD your God when He led you in the way?
18 ULB Koa ankehitriny, nahoana no mandeha amin'ny lalana ho any Egypta sy misotro ny ranon'i Sihora? Nahoana no mandeha amin'ny lalan'i Asyria ary misotro ny ranon'ny Onin'i Eofrata? BSB BSB: Now what will you gain on your way to Egypt to drink the waters of the Nile? What will you gain on your way to Assyria to drink the waters of the Euphrates?
19 ULB Mandatsa anao ny haratsianao, manasazy anao ny fivadihanao. Koa diniho izany ary takaro fa rehefa mahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao ianao dia ratsy sy mangidy izany, ary aza matahotra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo tompon'ny maro. BSB BSB: Your own evil will discipline you; your own apostasies will reprimand you. Consider and realize how evil and bitter it is for you to forsake the LORD your God and to have no fear of Me,” declares the Lord GOD of Hosts.
20 ULB Fa efa nanapaka ny zioganao izay nanananao tamin'ny andro taloha Aho; efa namaha ireo gadranao Aho. Fa mbola milaza hatrany ianao hoe: 'Tsy hanompo aho!' satria mbola miankohoka amin'ny havoana avo rehetra sy eny ambany hazo mandravina rehetra ianao, ry mpijangajanga. BSB BSB: “For long ago you broke your yoke and tore off your chains, saying, ‘I will not serve!’ Indeed, on every high hill and under every green tree you lay down as a prostitute.
21 ULB Tahaka ny voaloboka nosafidiana no namboleko anao, avy amin'ny voa tsara tokoa. Tamin'ny fomba ahoana no nanovànao ny tenanao ho ratsy, ho voaloboka ratsy? BSB BSB: I had planted you like a choice vine from the very best seed. How could you turn yourself before Me into a rotten, wild vine?
22 ULB Fa na manadio ny tenanao amin'ny ony na manasa ny tenanao amin'ny savony mahery aza ianao, dia loto eo anatrehako ny helokao—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo. BSB BSB: Although you wash with lye and use an abundance of soap, the stain of your guilt is still before Me,” declares the Lord GOD.
23 ULB Ahoana no ahafahanao milaza hoe: 'Tsy maloto aho! Tsy nandeha nanaraka an'i Bala aho'? Jereo izay nataonao tao amin'ireo lohasaha! Diniho izay vitanao—rameva vavy haingam-pandeha mihazakazaka etsy sy eroa ianao, BSB BSB: “How can you say, ‘I am not defiled; I have not run after the Baals’? Look at your behavior in the valley; acknowledge what you have done. You are a swift young she-camel galloping here and there,
24 ULB ampondradia zatra tany efitra, izay manimbolo hifoka rivotra! Iza no afaka hanakana ny faniriany? Amin'ny fotoana fahatairana dia tsy misy lahy mila manaraka azy; fa hahita azy ho azy izy ireo. BSB BSB: a wild donkey at home in the wilderness, sniffing the wind in the heat of her desire. Who can restrain her passion? All who seek her need not weary themselves; in mating season they will find her.
25 ULB Tsy maintsy fehezinao ny tongotrao rehefa tsy manao kapa ary ny tendanao rehefa mangetaheta! Fa niteny ianao hoe: 'Tsy misy fanantenana izany! Tsia, tiako ireo vahiny ary mandeha manaraka azy ireny aho!' BSB BSB: You should have kept your feet from going bare and your throat from being thirsty. But you said, ‘It is hopeless! For I love foreign gods, and I must go after them.’
26 ULB Tahaka ny fahafaham-barakan'ny mpangalatra rehefa hita izy, no hahafa-baraka ny ankohonan'Israely—izy ireo, ny mpanjakan'izy ireo, ireo andrian-dahiny, ireo mpisorony ary ireo mpaminaniny! BSB BSB: As the thief is ashamed when he is caught, so the house of Israel is disgraced. They, their kings, their officials, their priests, and their prophets
27 ULB Ireo no miteny amin'ny hazo hoe: 'Ianao no raiko', ary amin'ny vato hoe: 'Ianao no niteraka ahy.' Fa ny lamosin'izy ireo no manatrika ahy fa tsy ny tavan'izy ireo. Na dia izany aza, dia miteny izy ireo amin'ny fotoan'ny olana hoe: 'Mitsangana ary vonjeo izahay!' BSB BSB: say to a tree, ‘You are my father,’ and to a stone, ‘You gave me birth.’ They have turned their backs to Me and not their faces. Yet in the time of trouble, they say, ‘Rise up and save us!’
28 ULB Aiza ireo andriamanitra nataonareo ho an'ny tenanareo? Aoka izy ireo hiarina raha maniry ny hamonjy anareo amin'ny fotoan'ny olanareo, fa ny isan'ny tanànanareo dia mitovy amin'ny isan'ny sampinareo, ry Joda! BSB BSB: But where are the gods you made for yourselves? Let them rise up in your time of trouble and save you if they can; for your gods are as numerous as your cities, O Judah.
29 ULB Koa nahoana ianareo no miampanga Ahy amin'ny fanaovana ny tsy mety? Efa nanota tamiko avokoa ianareo rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Why do you bring a case against Me? You have all rebelled against Me,” declares the LORD.
30 ULB Zava-poana ny namaizako ny vahoakanao. Tsy hanaiky ny fepetra izy ireo. Ny sabatrareo dia nandrapaka ireo mpaminaninareo tahaka ny liona mpandrava! BSB BSB: “I have struck your sons in vain; they accepted no discipline. Your own sword has devoured your prophets like a voracious lion.”
31 ULB Ianareo izay an'ity taranaka ity! Tandremo tsara ny teniko, dia ny tenin'i Yaveh! Efa tany efitra tamin'Israely ve aho? Na tanin'ny haizimpito lalina? Nahoana ny vahoakako no milaza hoe: 'Ndeha isika hirenireny, tsy handeha eo aminao intsony izahay'? BSB BSB: You people of this generation, consider the word of the LORD: “Have I been a wilderness to Israel or a land of dense darkness? Why do My people say, ‘We are free to roam; we will come to You no more’?
32 ULB Hanadino ny firavany ve ny virijiny, ary ny ampakarina ny voaliny? Efa andro tsy hita isaina izay no nanadinoin'izy ireo Ahy! BSB BSB: Does a maiden forget her jewelry or a bride her wedding sash? Yet My people have forgotten Me for days without number.
33 ULB Akory ny hatsaran'ny lalanao hitady fitia. Efa nampianatra ny lalanao tamin'ny vehivavy ratsy fanahy aza ianao. BSB BSB: How skillfully you pursue love! Even the most immoral of women could learn from your ways.
34 ULB Efa hita teny amin'ny akanjonao ny ràn'ny ain'izay tsy manan-tsiny, ny an'ny olona mahantra. Tsy hita nanao asa fandrobana ireo olona ireo. BSB BSB: Moreover, your skirts are stained with the blood of the innocent poor, though you did not find them breaking in. But in spite of all these things
35 ULB Fa hoy kosa ianao hoe: 'Tsy manan-tsiny aho, efa niala tamiko tokoa ny hatezerany.' Kanefa indro! Izaho dia hitsara anao nohon'ny fitenenanao hoe: 'Tsy nanota aho.' BSB BSB: you say, ‘I am innocent. Surely His anger will turn from me.’ Behold, I will judge you, because you say, ‘I have not sinned.’
36 ULB Nahoana no hamaivaninao ity fiovana tamin'ny fombanao ity? Ho diso fanantenana amin'ny Egypta ihany koa ianao, toy ny tamin'i Asyria. BSB BSB: How impulsive you are, constantly changing your ways! You will be disappointed by Egypt just as you were by Assyria.
37 ULB Ho kivy ihany koa ianao hiala avy ao, miaraka amin'ny tananao eo an-dohanao, satria i Yaveh efa nandà ireo izay nitokianao, ka tsy ho ampian'izy ireo ianao." BSB BSB: Moreover, you will leave that place with your hands on your head, for the LORD has rejected those you trust; you will not prosper by their help.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.