1 ULB Tsy olona maro no tokony ho lasa mpampianatra, ry rahalahiko. Fantantsika fa handray fitsarana mafy kokoa isika. BSB BSB: Not many of you should become teachers, my brothers, because you know that we who teach will be judged more strictly.
2 ULB Fa isika rehetra dia tafintohina amin'ny fomba maro. Raha misy tsy tafintohina amin'ireo teny, dia lehilahy matotra tanteraka izy, afaka mifehy na dia ny tenany iray manontolo aza. BSB BSB: We all stumble in many ways. If anyone is never at fault in what he says, he is a perfect man, able to control his whole body.
3 ULB Ary raha asiantsika lamboridy eo ambavan'ireo soavaly mba hankatoavan'izy ireo antsika, dia afaka mitondra ny vatan'izy ireo iray manontolo ihany koa isika. BSB BSB: When we put bits into the mouths of horses to make them obey us, we can guide the whole animal.
4 ULB Jereo ihany koa fa ireo sambo, na dia lehibe tokoa aza izy ireny ary entin'ny rivo-mahery, dia voavilin'ny familiana tena kely any amin'izay rehetra tian'ny mpanamory. BSB BSB: Consider ships as well. Although they are so large and are driven by strong winds, they are steered by a very small rudder wherever the pilot is inclined.
5 ULB Toy izany koa ny lela dia rantsana kely amin'ny vatana, kanefa izy dia mihambo zavatra betsaka. Jereo ihany koa ny hakelin'ny afo izay mandoro ala be. BSB BSB: In the same way, the tongue is a small part of the body, but it boasts of great things. Consider how small a spark sets a great forest ablaze.
6 ULB Ny lela ihany koa dia afo, tontolon'ny fahotana napetraka teo amin'ny ratsam-batantsika. Izany dia manisy pentipentina ny vatana iray manontolo ary mandoro ny lalam-piainana. Arehitrin'ny helo ny tenany. BSB BSB: The tongue also is a fire, a world of wickedness among the parts of the body. It pollutes the whole person, sets the course of his life on fire, and is itself set on fire by hell.
7 ULB Fa ny karazam-bibidia rehetra, vorona, biby mandady, ary zava-boaharin-dranomasina dia folaka ary nofolahin'ny olombelona. BSB BSB: All kinds of animals, birds, reptiles, and creatures of the sea are being tamed and have been tamed by man,
8 ULB Fa momban'ny lela, tsy misy olona mahavita mamolaka izany. Io dia ratsy tsy hay fehezina, feno poizina mahafaty. BSB BSB: but no man can tame the tongue. It is a restless evil, full of deadly poison.
9 ULB Amin'io no hiderantsika ny Tompo sy ny Ray, ary amin'io no hanozonantsika olona, izay natao nitovy tamin'Andriamanitra. BSB BSB: With the tongue we bless our Lord and Father, and with it we curse men, who have been made in God’s likeness.
10 ULB Avy amin'izany vava izany ihany no hivoahan'ny fitahiana sy fanozonana. Ry rahalahiko, tsy tokony hitranga ireo zavatra ireo. BSB BSB: Out of the same mouth come blessing and cursing. My brothers, this should not be!
11 ULB Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy avy amin'ny fivoahany? BSB BSB: Can both fresh water and salt water flow from the same spring?
12 ULB Moa ny hazon'ny aviavy va, ry rahalahiko, mamoa oliva? Na ny voaloboka, mamoa aviavy? Ny rano masira koa dia tsy afaka hanome rano mamy. BSB BSB: My brothers, can a fig tree grow olives, or a grapevine bear figs? Neither can a salt spring produce fresh water.
13 ULB Iza no hendry sy mahalala eo anivonareo? Avelao izany olona izany hampiseho fiainana tsara amin'ny asany amin'ny fanetren-tenan'ny fahendrena. BSB BSB: Who is wise and understanding among you? Let him show it by his good conduct, by deeds done in the humility that comes from wisdom.
14 ULB Fa raha manana fialonana mangidy ianareo ary fanirian-daza ao am-ponareo, dia aza mihambo na mandainga manohitra ny marina. BSB BSB: But if you harbor bitter jealousy and selfish ambition in your hearts, do not boast in it or deny the truth.
15 ULB Izany dia tsy fahendrena izay nidina avy any ambony. Fa kosa, avy amin'ny tany, ny tsy ara-panahy, ny demoniaka izany. BSB BSB: Such wisdom does not come from above, but is earthly, unspiritual, demonic.
16 ULB Fa any amin'izay misy fialonana sy fanirian-daza, dia misy fifanjevona sy fanaovana ny ratsy rehetra. BSB BSB: For where jealousy and selfish ambition exist, there will be disorder and every evil practice.
17 ULB Fa ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, avy eo feno fiadanana, malemy fanahy, mihevitra ny hafa, feno famindram-po sy vokatra tsara, tsy malemy, ary tsotra. BSB BSB: But the wisdom from above is first of all pure, then peace-loving, gentle, accommodating, full of mercy and good fruit, impartial, and sincere.
18 ULB Ny vokatry ny fahamarinana dia voafafy am-piadanana eo anivon'ireo izay mampihavana. BSB BSB: Peacemakers who sow in peace reap the fruit of righteousness.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.