1 ULB "Henoy ny teny izay ambaran'i Yaveh anareo, ry ankohonan'Israely. BSB BSB: Hear the word that the LORD speaks to you, O house of Israel.
3 ULB Fa ny fomba fanao ara-pivavahan'ireo olona ireo dia tsy misy dikany. Nanapaka hazo tany an'ala izy ireo, ary ny mpanao asa-tanana misokitra ny hazo. BSB BSB: For the customs of the peoples are worthless; they cut down a tree from the forest; it is shaped with a chisel by the hands of a craftsman.
4 ULB Avy eo dia haigon'izy ireo amin'ny volafotsy sy volamena izany. Hamafisiny amin'ny tantanana sy fantsika mba tsy hianjera izany. BSB BSB: They adorn it with silver and gold and fasten it with hammer and nails, so that it will not totter.
5 ULB Ny amboarin'ny tanan'izy ireo dia zavatra tahaka ireo kaly mampatahotra eny an-tsahan-kaonkaombira, satria ireo koa, dia tsy afaka miteny na inona na inona, ary tsy maintsy lanjain'izy ireo satria tsy afaka mandeha. Aza matahotra ireo, fa tsy afaka mitondra ratsy, na koa zavatra tsara ireo.'" BSB BSB: Like scarecrows in a cucumber patch, their idols cannot speak. They must be carried because they cannot walk. Do not fear them, for they can do no harm, and neither can they do any good.”
6 ULB Tsy misy olona tahaka Anao, ry Yaveh. Lehibe Ianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao. BSB BSB: There is none like You, O LORD. You are great, and Your name is mighty in power.
7 ULB Iza no tsy matahotra Anao, ry Mpanjakan'ireo firenena? Fa izany no mendrika Anao, satria tsy misy tahaka Anao eo amin'ireo lehilahy hendry rehetran'ireo firenena na ireo fanjakan'ny mpanjaka rehetra. BSB BSB: Who would not fear You, O King of nations? This is Your due. For among all the wise men of the nations, and in all their kingdoms, there is none like You.
8 ULB Mitovy avokoa izy ireo, ketrina sy adala izy ireo, mpianatr'ireo sampy izay tsinontsinona fa hazo. BSB BSB: But they are altogether senseless and foolish, instructed by worthless idols made of wood!
9 ULB Izy ireo dia mitondra tantanana volafotsy avy any Tarsisy, sy volamena avy any Ofaza nataon'ireo mpanao asa-tanana, dia ny tananan'ireo mpandrendrika. Ny ankanjon'izy ireo dia lamba manga sy voloparasy. Ireo lehilahy mahain'izy ireo no nanao ireo zavatra rehetra ireo. BSB BSB: Hammered silver is brought from Tarshish, and gold from Uphaz—the work of a craftsman from the hands of a goldsmith. Their clothes are blue and purple, all fashioned by skilled workers.
10 ULB Kanefa Yaveh no Andriamanitra marina. Andriamanitra velona sy mpanjaka mandrakizay Izy. Mihorohoro amin'ny fahatezarany ny tany, ary tsy afaka miaritra ny fahatezerany ireo firenena. BSB BSB: But the LORD is the true God; He is the living God and eternal King. The earth quakes at His wrath, and the nations cannot endure His indignation.
11 ULB Hiresaka amin'izy ireo tahaka izao ianao: "Ireo andriamanitra izay tsy nanao ny lanitra sy ny tany dia ho faty amin'ny tany sy ny amban'io lanitra io." BSB BSB: Thus you are to tell them: “These gods, who have made neither the heavens nor the earth, will perish from this earth and from under these heavens.”
12 ULB Fa Izy no nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriny, sy nametraka izao tontolo izao tamin'ny fahendreny, ary tamin'ny alalan'ny fahazavan-tsainy no namelarany ny lanitra. BSB BSB: The LORD made the earth by His power; He established the world by His wisdom and stretched out the heavens by His understanding.
13 ULB Ny feony no mampiraondraona ny rano eny amin'ny lanitra, ary Izy no mampiakatra ireo zavona avy any amin'ny faran'ny tany. Manao ny tselatra ho an'ny orana Izy ary mandefa ny rivotra avy amin'ny trano fitehirizana. BSB BSB: When He thunders, the waters in the heavens roar; He causes the clouds to rise from the ends of the earth. He generates the lightning with the rain and brings forth the wind from His storehouses.
14 ULB Lasa tsy ampy fahalalana ny olona rehetra, tsy misy fahalalana. Nalain'ireo sampiny baraka ireo mpiasa vy rehetra. Fa fitaka ireo sarin-javatra voasokiny; tsy misy fiainana ao amin'ireo. BSB BSB: Every man is senseless and devoid of knowledge; every goldsmith is put to shame by his idols. For his molten images are a fraud, and there is no breath in them.
15 ULB Tsy misy ilàna azy ireo, asan'ireo mpaneso; ho foana ireo amin'ny fotoanan'ny famaizany. BSB BSB: They are worthless, a work to be mocked. In the time of their punishment they will perish.
16 ULB Nefa Andriamanitra, ilay ampahan'i Jakoba, dia tsy tahaka ireny, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely dia fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. BSB BSB: The Portion of Jacob is not like these, for He is the Maker of all things, and Israel is the tribe of His inheritance—the LORD of Hosts is His name.
17 ULB Angony ny fanananareo ary mialà amin'ny tany, ianareo olona mitoetra ambanin'ny fahirano. BSB BSB: Gather up your belongings from this land, you who live under siege.
18 ULB Fa izao no lazain'Yaveh: "Indro, efa handroaka ireo mponin'ilay tany Aho amin'izao fotoana izao. Hahatonga fahoriana amin'izy ireo Aho, ary ho itan'izy ireo tokoa izany." BSB BSB: For this is what the LORD says: “Behold, at this time I will sling out the inhabitants of the land and bring distress upon them so that they may be captured.”
19 ULB Loza ho ahy! Noho ireo taolako tapaka, dia manonitra ny feriko. Ka hoy aho: "Fahoriana tokoa izao, nefa tsy maintsy zakaiko." BSB BSB: Woe to me because of my brokenness; my wound is grievous! But I said, “This is truly my sickness, and I must bear it.”
20 ULB Rava ny laiko, ary ireo tadin'ny laiko rehetra dia nizara roa. Efa nanala ireo zanako tamiko izy ireo, ka tsy nisy intsony izy ireo. Tsy misy olona hamelatra ny laiko na hanangana ny lamban-daiko intsony. BSB BSB: My tent is destroyed, and all its ropes are snapped. My sons have departed from me and are no more. I have no one left to pitch my tent or set up my curtains.
21 ULB Fa adala ireo mpiandry ondry ary tsy mitady an'i Yaveh izy ireo; koa tsy nambinina izy ireo, ary ny ondrin'izy ireo rehetra dia niparitaka. BSB BSB: For the shepherds have become senseless; they do not seek the LORD. Therefore they have not prospered, and all their flock is scattered.
22 ULB Efa tonga ny tatitry ny vaovao: "Indro, tonga, tonga avy any avaratra ny horohoron-tany lehibe. Mba hamotika ireo tanànan'i Joda, fiafenana ho an'ny ambodia." BSB BSB: Listen! The sound of a report is coming—a great commotion from the land to the north. It will make the cities of Judah a desolation, a haunt for jackals.
23 ULB Fantatro, ry Yaveh, fa ny lalan'ny olona iray dia tsy avy aminy. Tsy misy olona mandeha mahitsy amin'ny famindrany. BSB BSB: I know, O LORD, that a man’s way is not his own; no one who walks directs his own steps.
24 ULB Ampianaro, amin'ny fahamarinanao aho, ry Yaveh, fa tsy amin'ny fahatezeranao ka hamotika ahy Ianao. BSB BSB: Correct me, O LORD, but only with justice—not in Your anger, or You will bring me to nothing.
25 ULB Arotsaho eo amin'ireo firenena izay tsy mahalala Anao sy ireo fianakaviana izay tsy miantso ny Anaranao ny fahatezeranao. Fa efa nandrapaka an'i Jakoba sy nitelina azy mba handrava azy tanteraka sy handrodana ny fonenany izy ireo. BSB BSB: Pour out Your wrath on the nations that do not acknowledge You, and on the families that do not call on Your name. For they have devoured Jacob; they have consumed him and finished him off; they have devastated his homeland.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.