1 ULB Izao no teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: This is the word that came to Jeremiah from the LORD:
2 ULB "Henoy ireo tenin'ity fifanekena ity, ary ambarao amin'ny olona tsirairay ao Joda sy ireo mponin'i Jerosalema izany. BSB BSB: “Listen to the words of this covenant and tell them to the men of Judah and the residents of Jerusalem.
3 ULB Mitenena amin'izy ireo hoe: 'Yaveh, Andriamanitr'Israely no miteny izao: voaozona izay tsy mihaino ireo tenin'ity fanekena ity. BSB BSB: You must tell them that this is what the LORD, the God of Israel, says: Cursed is the man who does not obey the words of this covenant,
4 ULB Ity no fanekena izay nandidiko hotandreman'ireo razambenareo tamin'ny andro nitondrako azy ireo hivoaka ny tany Egypta, amin'ny lafaoro lehibe fandrendrehana vy. Dia niteny aho hoe: "Henoy ny feoko ary tanteraho ireo zavatra rehetra arak'izay nandidiako anareo, fa ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo." BSB BSB: which I commanded your forefathers when I brought them out of the land of Egypt, out of the iron furnace, saying, ‘Obey Me, and do everything I command you, and you will be My people, and I will be your God.’
5 ULB Mankatoava Ahy mba ahafahako manamafy ny fianianana izay nianianako tamin'ireo razambenareo, ny fianianana fa hanome azy ireo tany tondra-dronono sy tantely Aho, izay honenanareo ankehitriny." Ary izaho, Jeremia, namaly ka niteny hoe: "Eny, ry Yaveh!" BSB BSB: This was in order to establish the oath I swore to your forefathers, to give them a land flowing with milk and honey, as it is to this day.” “Amen, LORD,” I answered.
6 ULB Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Ambarao any amin'ireo tanin'i Joda sy eny amin'ny lalan'i Jerosalema ireo zavatra rehetra ireo. Lazao hoe: 'Henoy ireo tenin'izao fanekena izao ary tanteraho ireo. BSB BSB: Then the LORD said to me, “Proclaim all these words in the cities of Judah and in the streets of Jerusalem, saying: Hear the words of this covenant and carry them out.
7 ULB Fa efa nanome didy manetriketrika ho an'ireo razambenareo aho nanomboka tamin'ny andro nitondrako azy amin'ny tany Egypta ka mandraka-ankehitriny, nampitandrina azy ireo amim-pikirizana ka nanao hoe: "Henoy ny feoko."' BSB BSB: For from the time I brought your fathers out of the land of Egypt until today, I strongly warned them again and again, saying, ‘Obey My voice.’
8 ULB Fa tsy nihaino na nihevitra ahy akory izy ireo. Samy nandeha araka ny hamafisan'ny fo ratsiny ny olona tsirairay. Ka nitondra ireo voaozona tao amin'ny fanekena izay nandidiako aho mba ho avy hanohitra azy ireo. Fa mbola tsy nankatò ihany ny vahoaka." BSB BSB: Yet they would not obey or incline their ears, but each one followed the stubbornness of his evil heart. So I brought on them all the curses of this covenant I had commanded them to follow but they did not keep.”
9 ULB Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Nahitana teti-dratsy teo amin'ireo olon'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema. BSB BSB: And the LORD told me, “There is a conspiracy among the men of Judah and the residents of Jerusalem.
10 ULB Niverina tamin'ireo helok'ireo razany teo aloha izy ireo, izay nandà hihaino ny teniko, fa naleon'izy ireo kosa manaraka ireo andriamanin-kafa mba hanompo azy ireo. Nivadika tamin'ny fifanekena izay napetrako niaraka tamin'ny razan'izy ireo ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Jerosalema. BSB BSB: They have returned to the sins of their forefathers who refused to obey My words. They have followed other gods to serve them. The house of Israel and the house of Judah have broken the covenant I made with their fathers.
11 ULB Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: "Indro, hitondra loza ho amin'izy ireo Aho, loza izay tsy ahafahan'izy ireo mandositra. BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: ‘I am about to bring upon them a disaster that they cannot escape. They will cry out to Me, but I will not listen to them.
12 ULB Dia hiantso Ahy izy ireo, fa tsy hihaino azy ireo Aho. Handeha sy hiantso ireo andriamanitra izay notoloran'izy ireo fanatitra ny tanànan'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, nefa azo antoka fa tsy hahavonjy azy ireo amin'ny andron'ny loza izy ireo. BSB BSB: Then the cities of Judah and the residents of Jerusalem will go and cry out to the gods to which they have been burning incense, but these gods certainly will not save them in their time of disaster.
13 ULB Ho anao ry Joda, dia nitombo ho tahaka ny isan'ireo tanànanao ny isan'ireo andriamanitrao. Ianao no nanao ny isan'ireo alitara mahamenatra tao Jerosalema, alitaran'ny ditin-kazo manitra ho an'i Bala, hitovy isa amin'ireo lalany. BSB BSB: Your gods are indeed as numerous as your cities, O Judah; the altars of shame you have set up—the altars to burn incense to Baal—are as many as the streets of Jerusalem.’
14 ULB Ka ianao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity. Aza midradradradra na mivavaka amin'ny anaran'izy ireo. Ary tsy hihaino azy ireo aho rehefa miantso ahy anatin'ny lozany izy ireo. BSB BSB: As for you, do not pray for these people. Do not raise up a cry or a prayer on their behalf, for I will not be listening when they call out to Me in their time of disaster.
15 ULB Nahoana ny malalako, ilay iray izay nanana fikasana ratsy maro be, no ao an-tranoko? Tsy afaka manampy anao ny henan'ireo fanatitrao. Mifaly ianao noho ireo asa ratsinao. BSB BSB: What right has My beloved in My house, having carried out so many evil schemes? Can consecrated meat avert your doom? When you are wicked, then you rejoice.
16 ULB Hazo oliva miravina no niantsoan'i Yaveh anao taloha, tsara tarehy miaraka amin'ny voany maha-te hizaha. Fa handrehitra afo eo amin'izany izy izay ahoraka tahaka ny fiheron'ny kotroka; ho tapaka ireo rantsany. BSB BSB: The LORD once called you a flourishing olive tree, beautiful with well-formed fruit. But with a mighty roar He will set it on fire, and its branches will be consumed.
17 ULB Fa Yaveh Tompon'ny maro, izay namboly anao, nandidy loza taminao noho ireo asa ratsy izay nataon'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda—Nahatezitra ahy izy ireo tamin'ny nanomezana ireo fanatitra ho an'i Bala."' BSB BSB: The LORD of Hosts, who planted you, has decreed disaster against you on account of the evil that the house of Israel and the house of Judah have brought upon themselves, provoking Me to anger by burning incense to Baal.”
18 ULB Nampahafantarin'i Yaveh ahy izany zavatra izany, ka fantatro ireo. Ianao, ry Yaveh, nampahita ahy ireo asan'izy ireo. Dia tahaka ny zanak'ondry malemy fanahy BSB BSB: And the LORD informed me, so I knew. Then You showed me their deeds.
19 ULB izay nentina eny amin'ny mpivaro-kena aho. Tsy nahafantatra aho fa namorona fikasana ratsy hanohitra ahy izy ireo hoe: "Andeha haringantsika ny hazo sy ny voany! Andeha ho tapahitsika hiala amin'ny tany amin'ny fitoerany izy ka tsy ho tsaroina intsony ny anarany." BSB BSB: For I was like a gentle lamb led to slaughter; I did not know that they had plotted against me: “Let us destroy the tree with its fruit; let us cut him off from the land of the living, that his name may be remembered no more.”
20 ULB Fa Yaveh Tompon'ny maro no mpitsara marina izay mandinika ny fo sy saina. Ho vavolombelon'ny famalianao hanohitra azy ireo aho, fa nampiseho ny momba ahy taminao aho. BSB BSB: O LORD of Hosts, who judges righteously, who examines the heart and mind, let me see Your vengeance upon them, for to You I have committed my cause.
21 ULB Noho izany Yaveh dia niteny izao mahakasika ny vahoakan'i Anatota izay mifofo ny ainao: "Hoy izy ireo: 'Aza maminany amin'ny anaran'i Yaveh ianao, fandrao ho faty amin'ny alalan'ny tananay. BSB BSB: Therefore this is what the LORD says concerning the people of Anathoth who are seeking your life and saying, “You must not prophesy in the name of the LORD, or you will die by our hand.”
22 ULB 'Dia hoy Yaveh Tompon'ny maro: 'Indro, efa hanafay azy ireo aho. Ireo tovolahy maherin'izy ireo dia ho fatin'ny sabatra. Ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo dia ho fatin'ny mosary. BSB BSB: So this is what the LORD of Hosts says: “I will punish them. Their young men will die by the sword, their sons and daughters by famine.
23 ULB Tsy hisy na iray aza ho tavela amin'izy ireo, satria hitondra loza hanohitra ny vahoakan'i Anatota aho, taona iray ho an'ny famaizana azy ireo. BSB BSB: There will be no remnant, for I will bring disaster on the people of Anathoth in the year of their punishment.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.