1 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Midìna any an-tranon'ny mpanjakan'i Joda ary ambarao any izao teny izao. BSB BSB: This is what the LORD says: “Go down to the palace of the king of Judah and proclaim this message there,
2 ULB Lazao hoe: 'Ry mpanjakan'i Joda, henoy ny tenin'i Yaveh—ianao izay mitoetra eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida—ianao, sy ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao izay mandalo eo amin'ireo vavahady ireo. BSB BSB: saying, ‘Hear the word of the LORD, O king of Judah, who sits on the throne of David—you and your officials and your people who enter these gates.
3 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Manaova ny rariny sy fahamarinana, ary izay voaroba—vonjeo eny an-tanan'ny mpampahory izy. Aza manao fomba ratsy amin'ireo vahiny, na kamboty, na mpitondratena eo amin'ny taninao. Aza manao herisetra na mandatsaka ny ràn'ny tsy manan-tsiny amin'ity toerana ity. BSB BSB: This is what the LORD says: Administer justice and righteousness. Rescue the victim of robbery from the hand of his oppressor. Do no wrong or violence to the foreigner, the fatherless, or the widow. Do not shed innocent blood in this place.
4 ULB Fa raha manao ireo zavatra ireo tokoa ianao, dia hiditra eo amin'ireo vavahadin'ity trano ity hitaingina kalesy sy soavaly ireo mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, izy, ireo mpanompony, ary ny vahoakany! BSB BSB: For if you will indeed carry out these commands, then kings who sit on David’s throne will enter through the gates of this palace riding on chariots and horses—they and their officials and their people.
5 ULB Fa raha tsy mihaino ireo teny avy amiko izay efa nambarako ireo ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga faharavana ity tranon'ny mpanjaka ity.'" BSB BSB: But if you do not obey these words, then I swear by Myself, declares the LORD, that this house will become a pile of rubble.’”
6 ULB Fa izao no lazain'Yaveh mahakasika ny tranon'ny mpanjakan'i Joda: 'Ianao dia tahaka an'i Gileada, na tahaka ny tendron'i Libanona amiko. Na izany aza ho avadiko tany efitra ianao, ho tanàna tsy misy mponina. BSB BSB: For this is what the LORD says concerning the house of the king of Judah: “You are like Gilead to Me, like the summit of Lebanon; but I will surely turn you into a desert, like cities that are uninhabited.
7 ULB Fa efa nanendry ireo mpandrava ho avy hanohitra anao Aho! Hanapaka ireo sederanao tsara indrindra ireo lehilahy miaraka amin'ny fitaovam-piadiany ary hamela azy ireo hianjera anaty afo. BSB BSB: I will appoint destroyers against you, each man with his weapons, and they will cut down the choicest of your cedars and throw them into the fire.
8 ULB Ary firenena maro no handalo amin'ity tanàna ity. Hifampilaza amin'ny eo akaikiny ny tsirairay hoe: 'Nahoana no nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity Yaveh?" BSB BSB: And many nations will pass by this city and ask one another, ‘Why has the LORD done such a thing to this great city?’
9 ULB Ary hamaly ny hafa hoe: "Satria nahafoy ny faneken'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, ary niankohoka tamin'ireo andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo." BSB BSB: Then people will reply, ‘Because they have forsaken the covenant of the LORD their God and have worshiped and served other gods.’”
10 ULB Aza mitomany izay maty, na misaona ho azy; fa mitomania ho azy izay handeha alavitra, satria tsy hiverina intsony izy ary tsy hahita ny tanindrazany intsony.' BSB BSB: Do not weep for him who is dead; do not mourn his loss. Weep bitterly for him who is exiled, for he will never return to see his native land.
11 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh momba an'i Jehoaza zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, izay nanompo tahaka ny mpanjaka raha tokony ho Josia rainy: 'Niala teto amin'ity toerana ity izy ary tsy hiverina. BSB BSB: For this is what the LORD says concerning Shallum son of Josiah, king of Judah, who succeeded his father Josiah but has gone forth from this place: “He will never return,
12 ULB Ho faty any amin'ilay toerana izay nanaovan'izy ireo sesitany azy izy, ary tsy hahita ity tany ity intsony.' BSB BSB: but he will die in the place to which he was exiled; he will never see this land again.”
13 ULB Loza ho an'izay manorina ny tranony amin'ny tsy fahamarinana, ny efitranony ambony amin'ny tsy rariny, izay mampiasa maina ny mpiara-belona aminy, ary tsy manome ny karamany; BSB BSB: “Woe to him who builds his palace by unrighteousness, and his upper rooms without justice, who makes his countrymen serve without pay, and fails to pay their wages,
14 ULB hoy izy hoe: 'Hanorina trano lehibe sy efitrano ambony malalaka ho ahy aho.' Koa manapàha varavarankely lehibe ho izany, ary nasiany valin-drihana sedera izany, ary nolokoiny mena.' BSB BSB: who says, ‘I will build myself a great palace, with spacious upper rooms.’ So he cuts windows in it, panels it with cedar, and paints it with vermilion.
15 ULB Mahatonga anao ho mpanjaka tsara ve ny fanirianaono hanana takelaka sedera? Moa ve tsy nihinana sy nisotro ihany koa ny rainao, fa kosa nanao ny rariny sy fahamarinana? Ary nandeha tsara ny zava-drehetra ho azy. BSB BSB: Does it make you a king to excel in cedar? Did not your father have food and drink? He administered justice and righteousness, and so it went well with him.
16 ULB Nanome rariny ny ory sy fadiranovana izy. Ary dia tsara izany. Moa ve izany tsy midika ny fahafantarana Ahy? —izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: He took up the cause of the poor and needy, and so it went well with him. Is this not what it means to know Me?” declares the LORD.
17 ULB Fa tsy misy na inona na inona ankoatran'ny tahotra eo amin'ny masonao sy ny fonao noho ny amin'ny tombony tsy ara-drariny sy ny amin'ny fandatsahan-dràn'ny tsy manan-tsiny, ny fampahoriana sy fanorotorona ny hafa. BSB BSB: “But your eyes and heart are set on nothing except your own dishonest gain, on shedding innocent blood, on practicing extortion and oppression.”
18 ULB Noho izany dia hoy i Yaveh mahakasika an'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda: Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry rahalahiko!' na 'loza, ry rahavaviko!' Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry tompo!' na 'loza, ry be voninahitra!' BSB BSB: Therefore this is what the LORD says concerning Jehoiakim son of Josiah king of Judah: “They will not mourn for him: ‘Alas, my brother! Alas, my sister!’ They will not mourn for him: ‘Alas, my master! Alas, his splendor!’
19 ULB Ho alevina toy ny fandevenam-boriky izy, ho taritarihina sy hatsipy any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema izy. BSB BSB: He will be buried like a donkey, dragged away and thrown outside the gates of Jerusalem.
20 ULB Miakara any an-tendrombohitr'i Libanona ka miantsoa mafy. Asandrato ao Basana ny feonao. Miantsoa mafy avy eny amin'ireo tendrombohitr'i Abarima, fa ho ringana ireo namanao rehetra. BSB BSB: Go up to Lebanon and cry out; raise your voice in Bashan; cry out from Abarim, for all your lovers have been crushed.
21 ULB Niresaka taminao Aho fony nandry ampilaminana ianao, nefa hoy ianao hoe: 'Tsy hihaino aho.' Izany no fombanao hatramin'ny fahatanoranao satria tsy nihaino ny feoko ianao. BSB BSB: I warned you when you were secure. You said, ‘I will not listen.’ This has been your way from youth, that you have not obeyed My voice.
22 ULB Hiandry ireo mpiandry ondrinao rehetra ny rivotra, ary ireo namanao dia ho lasan-ko babo. Ary dia ho menatra sy hangahiahy tokoa ianao nohon'ny asa ratsinao rehetra. BSB BSB: The wind will drive away all your shepherds, and your lovers will go into captivity. Then you will be ashamed and humiliated because of all your wickedness.
23 ULB Ianao izay monina any 'Libanona,' izay manorina akany amin' ny sedera, endrey ny hamindrana fo aminao rehefa tonga aminao ny fanaintainan'ny asa, fanaintainana izay tahaka ny an'ny vehivavy miteraka!" BSB BSB: O inhabitant of Lebanon, nestled in the cedars, how you will groan when pangs of anguish come upon you, agony like a woman in labor.”
24 ULB "Raha velona koa Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—na dia peratra tombokasen'ny tanako ankavanana aza ianao ry Jekonia, zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, dia ho viraviraiko ianao. BSB BSB: “As surely as I live,” declares the LORD, “even if you, Coniah son of Jehoiakim king of Judah, were a signet ring on My right hand, I would pull you off.
25 ULB Fa efa nomeko ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainao ianao ary ho eo an-tanan'ireo izay atahoranao, na ho eny an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo Kaldeana koa aza. BSB BSB: In fact, I will hand you over to those you dread, who want to take your life—to Nebuchadnezzar king of Babylon and to the Chaldeans.
26 ULB Hanary anao sy ny reninanao niteraka anao any amin'ny tany hafa Aho, tanàna izay tsy nahaterahanao, ary ao ianao no ho faty. BSB BSB: I will hurl you and the mother who gave you birth into another land, where neither of you were born—and there you both will die.
27 ULB Raha ny momba ity tany izay hirian'izy ireo hiveranana ity, dia tsy hiverina aty izy ireo. BSB BSB: You will never return to the land for which you long.”
28 ULB Moa ve tsy fanaka notsinontsinoavina sy notorotoroina izany? Moa ve tsy vilany izay tsy nahafaly an'iza na iza izany lehilahy Jekonia izany? Nahoana izy sy ny taranany no narian'izy ireo, ka natsipiny tany amin'ny tany izay tsy fantatr'izy ireo? BSB BSB: Is this man Coniah a despised and shattered pot, a jar that no one wants? Why are he and his descendants hurled out and cast into a land they do not know?
29 ULB Ry tany, ry tany, ry tany! Henoy ny tenin'i Yaveh! BSB BSB: O land, land, land, hear the word of the LORD!
30 ULB Izao no lazain'i Yaveh: 'Manorata mahakasika ity lehilahy Jekonia ity: tsy hanan-taranaka izy. Tsy ho ambinina mandritra ny androm-piainany izy, ary tsy hisy na iray amin'ireo taranany ahita fahombiazana na hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida indray ka hanapaka an'i Joda.'" BSB BSB: This is what the LORD says: “Enroll this man as childless, a man who will not prosper in his lifetime. None of his descendants will prosper to sit on the throne of David or to rule again in Judah.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.