1 ULB "Loza ho an'ireo mpiandry ondry izay mamotika sy manaparitaka ny ondrin'ny ahitra maitsoko—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: “Woe to the shepherds who destroy and scatter the sheep of My pasture!” declares the LORD.
2 ULB Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia milaza izao mahakasika an'ireo mpiandry ondry izay miandry ny olony: "Naparitakareo ireo ondriko ary noroahinareo. Tsy niraharaha azy ireo ianareo. Koa hanasazy anareo Aho nohon'ny ratsy izay nataonareo—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Therefore this is what the LORD, the God of Israel, says about the shepherds who tend My people: “You have scattered My flock and driven them away, and have not attended to them. Behold, I will attend to you for the evil of your deeds, declares the LORD.
3 ULB Izaho tenako no hanangona ny sisa amin'ireo ondriko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo, ary hamerina azy ireo amin'ny toerana misy ahitra, izay hamokaran'izy ireo sy hitomboan'izy ireo Aho. BSB BSB: Then I Myself will gather the remnant of My flock from all the lands to which I have banished them, and I will return them to their pasture, where they will be fruitful and multiply.
4 ULB Avy eo Aho hanangana mpiandry ondry eo amin'izy ireo izay hiandry azy ireo mba tsy hatahotra na torotoro intsony izy ireo. Tsy hisy ho very izy ireo— izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: I will raise up shepherds over them who will tend them, and they will no longer be afraid or dismayed, nor will any go missing, declares the LORD.
5 ULB Indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hanangana rantsana marina ho an'i Davida Aho. Hanjaka toy ny mpanjaka izy; hiasa am-pahendrena izy ary hampisy rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany. BSB BSB: Behold, the days are coming, declares the LORD, when I will raise up for David a righteous Branch, and He will reign wisely as King and will administer justice and righteousness in the land.
6 ULB Amin'ireo androny dia ho voavonjy i Joda, ary Israely dia hiaina am-pilaminana. Dia izao no anarana hiantsoany azy: Yaveh no fahamarinantsika. BSB BSB: In His days Judah will be saved, and Israel will dwell securely. And this is His name by which He will be called: The LORD Our Righteousness.
7 ULB Noho izany indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy hiteny intsony izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra ny vahoakan'Israely hivoka ny tany Egypta.' BSB BSB: So behold, the days are coming, declares the LORD, when they will no longer say, ‘As surely as the LORD lives, who brought the Israelites up out of the land of Egypt.’
8 ULB Fa hilaza kosa izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra sy nitarika ny taranak'Israely avy tany amin'ny tany avaratra sy ny tany rehetra izay nandroahana azy ireo.' Avy eo dia hiaina any amin'ny tanin'izy ireo ihany izy ireo. BSB BSB: Instead they will say, ‘As surely as the LORD lives, who brought and led the descendants of the house of Israel up out of the land of the north and all the other lands to which He had banished them.’ Then they will dwell once more in their own land.”
9 ULB Raha ny momban'ireo mpaminany, dia maratra ny foko, ary mangovitra ny taolako rehetra. Lasa toy ny olona mamo aho, toy ny olona izay resin'ny divainy, noho Yaveh sy ireo teniny masina. BSB BSB: As for the prophets: My heart is broken within me, and all my bones tremble. I have become like a drunkard, like a man overcome by wine, because of the LORD, because of His holy words.
10 ULB Fa ilay tany dia feno mpijangajanga. Noho ireo dia maina ny tany. Maina ireo tanin'ahitra any an'efitra. Ratsy ireo lalan'ny mpaminany ireo; tsy miasa amin'ny tokony ho izy ny fahefan'izy ireo. BSB BSB: For the land is full of adulterers—because of the curse, the land mourns and the pastures of the wilderness have dried up—their course is evil and their power is misused.
11 ULB "Fa ireo mpaminany sy ireo mpisorona dia samy maloto. Efa nahita ny faharatsian'izy ireo tao an-tranoko mihitsy Aho!— izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: “For both prophet and priest are ungodly; even in My house I have found their wickedness,” declares the LORD.
12 ULB noho izany dia ho toy ny toerana malama ao anaty aizina ny lalan'izy ireo. Ho atosika hidina izy ireo. Hianjera eo amin'izany izy ireo. Fa handefa loza eo amin'zy ireo amin'ny taonan'ny fanasazina azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “Therefore their path will become slick; they will be driven away into the darkness and fall into it. For I will bring disaster upon them in the year of their punishment,” declares the LORD.
13 ULB Fa efa hitako nanao izay maharikoriko ireo mpaminany tany Samaria: naminany tamin'i Bala izy ireo ary nitarika ny vahoakako Israely amin'ny lalan-diso. BSB BSB: “Among the prophets of Samaria I saw an offensive thing: They prophesied by Baal and led My people Israel astray.
14 ULB Nahita zavatra mahatsiravina teo amin'ireo mpaminany tany Jerosalema Aho: Nijangajanga izy ireo ary nandeha tamin'ny fitaka. Nanamafy ny tanan'ireo mpanao ratsy izy ireo; tsy nisy niala tamin'ny ratsy fanaony. Lasa toa an'i Sodoma avokoa izy rehetra amiko ary ny mponiny dia toa an'i Gomora!" BSB BSB: And among the prophets of Jerusalem I have seen a horrible thing: They commit adultery and walk in lies. They strengthen the hands of evildoers, so that no one turns his back on wickedness. They are all like Sodom to Me; the people of Jerusalem are like Gomorrah.”
15 ULB Noho izany Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao mahakasika ireo mpaminany: "Indro, hampihinana zava-mahafaty sy hampisotro rano misy poizina azy ireo Aho, satria ny fahalotoana dia nivoaka tamin'ireo mpaminanin'i Jerosalema nankany amin'ny tany rehetra." BSB BSB: Therefore this is what the LORD of Hosts says concerning the prophets: “I will feed them wormwood and give them poisoned water to drink, for from the prophets of Jerusalem ungodliness has spread throughout the land.”
16 ULB Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: "Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay maminany aminareo. Efa namitaka anareo izy ireo! Izy ireo dia manambara fahitana avy ao an-tsain'izy ireo manokana ihany, fa tsy avy amin'ny vavan'i Yaveh. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “Do not listen to the words of the prophets who prophesy to you. They are filling you with false hopes. They speak visions from their own minds, not from the mouth of the LORD.
17 ULB Milaza foana amin'ireo izay manala baraka Ahy izy ireo hoe: 'Yaveh dia manambara fa hisy fiadanana ho anareo.' Fa ny olona rehetra izay mandeha amin'ny ditran'ny fony dia manao hoe: 'Tsy ho avy aminareo ny loza.' BSB BSB: They keep saying to those who despise Me, ‘The LORD says that you will have peace,’ and to everyone who walks in the stubbornness of his own heart, ‘No harm will come to you.’
18 ULB Nefa iza no nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionan'i Yaveh? Iza no mahita sy mandre ny teniny? Iza no nanongila-tsofina tamin'ny teniny ary nihaino? BSB BSB: But which of them has stood in the council of the LORD to see and hear His word? Who has given heed to His word and obeyed it?
19 ULB Indro, misy rivo-doza ho avy avy any amin'i Yaveh! Mivoaka ny hatezerany, ary misy tafio-drivotra hitsoaka. Mitsoka manodidina ny lohan'ireo ratsy fanahy izany. BSB BSB: Behold, the storm of the LORD has gone out with fury, a whirlwind swirling down upon the heads of the wicked.
20 ULB Tsy hiverina ny hatezeran' Andriamanitra mandra-pahatanterahany sy mandra-pitondrany ny fikasan'ny fony. Amin'ny andro farany, dia ho azonareo izany. BSB BSB: The anger of the LORD will not turn back until He has fully accomplished the purposes of His heart. In the days to come you will understand this clearly.
21 ULB Tsy nandefa ireo mpaminany ireo Aho. Nipoitra fotsiny izy ireo. Tsy nanambara na inona na inona tamin'izy ireo Aho, nefa mbola naminany ihany izy ireo. BSB BSB: I did not send these prophets, yet they have run with their message; I did not speak to them, yet they have prophesied.
22 ULB Fa raha nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionako izy ireo, dia ahatonga ny oloko handre ny teniko izy ireo; nampivily azy ireo tamin'ireo teny ratsiny sy fanaovan'izy ireo kolikoly. BSB BSB: But if they had stood in My council, they would have proclaimed My words to My people and turned them back from their evil ways and deeds.”
23 ULB Moa Andriamanitra eo akaiky eo fotsiny ihany ve Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—fa tsy Andriamanitra alavitra ihany koa? BSB BSB: “Am I only a God nearby,” declares the LORD, “and not a God far away?”
25 ULB Efa reko ny voalazan'ireo mpaminany, ireo izay naminany fitaka tamin'ny anarako. Hoy izy ireo hoe: 'Nanofy aho! Nanofy aho!' BSB BSB: “I have heard the sayings of the prophets who prophesy lies in My name: ‘I had a dream! I had a dream!’
26 ULB Hafiriana no hitohizan'izany, ry mpaminany izay maminany lainga avy ao an-tsain'izy ireo, sy maminany avy amin'ny fitaka ao am-pon'izy ireo? BSB BSB: How long will this continue in the hearts of these prophets who prophesy falsehood, these prophets of the delusion of their own minds?
27 ULB Izy ireo dia mitetika ny hanadinoan'ny oloko ny anarako amin'ireo nofy izay taterin'izy ireo tsirairay avy amin'ny mpiara-monina aminy, tahaka ny nanadinoan'ny razamben'izy ireo ny anarako nohon'ny anaran'i Bala. BSB BSB: They suppose the dreams that they tell one another will make My people forget My name, just as their fathers forgot My name through the worship of Baal.
28 ULB Ny mpaminany izay manana nofy, aoka izy hitatitra ilay nofy. Fa izay nanambarako zavatra, aoka izy hanambara ny teniko am-pahamarinana. Fa inona no idiran'ny mololo amin'ny vary? —izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: Let the prophet who has a dream retell it, but let him who has My word speak it truthfully. For what is straw compared to grain?” declares the LORD.
29 ULB Moa tsy toy ny afo ve ny teniko? —izany no fanambaran'i Yaveh—ary toy ny tatanana izay manorotoro vato ho potipotika? BSB BSB: “Is not My word like fire,” declares the LORD, “and like a hammer that smashes a rock?”
30 ULB Koa indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay rehetra mangalatra teny amin'ny olona hafa ary milaza fa avy amiko ireny. BSB BSB: “Therefore behold,” declares the LORD, “I am against the prophets who steal from one another words they attribute to Me.”
31 ULB Indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mampiasa ny lelan'izy ireo mba haminaniana fanambarana. BSB BSB: “Yes,” declares the LORD, “I am against the prophets who wag their own tongues and proclaim, ‘The LORD declares it.’”
32 ULB Indro, manohitra an'ireo mpaminany izay manofy amim-pitaka Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary avy eo manambara ireo ary amin'izany fomba izany dia mamitaka ny oloko amin'ny alalan'ny fitaka sy fiheboheboan'izy ireo. Manohitra azy ireo Aho, satria tsy naniraka na nanome baiko azy ireo Aho. Noho izany dia azo antoka fa tsy hanampy an'ity vahoaka ity izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “Indeed,” declares the LORD, “I am against those who prophesy false dreams and retell them to lead My people astray with their reckless lies. It was not I who sent them or commanded them, and they are of no benefit at all to these people,” declares the LORD.
33 ULB Rehefa manontany anao ireo olona ireo, na ny mpaminany, na ny mpisorona hoe: 'Inona no entan-mavesatr'i Yaveh?' dia hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Ianareo no entan-mavesatra, ary handroaka anareo Aho'—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “Now when this people or a prophet or priest asks you, ‘What is the burden of the LORD?’ you are to say to them, ‘What burden? I will forsake you, declares the LORD.’
34 ULB Raha ny amin'ireo mpaminany, mpisorona, sy olona izay miteny hoe: 'Ity ny vesatr'i Yaveh' dia hanasazy izany olona izany sy ny ankohonany Aho. BSB BSB: As for the prophet or priest or anyone who claims, ‘This is the burden of the LORD,’ I will punish that man and his household.
35 ULB Tsy mitsahatra milaza ianareo, ny olona tsirairay amin'ny mpiara-belona aminy ary ny olona tsirairay amin'ny rahalahiny hoe: 'Inona no navalin'i Yaveh?' sy hoe: 'Inona no nambaran'i Yaveh?' BSB BSB: This is what each man is to say to his friend and to his brother: ‘What has the LORD answered?’ or ‘What has the LORD spoken?’
36 ULB Kanefa tsy tokony hiresaka momban'ny 'vesatr'i Yaveh' intsony ianareo, satria ilay vesatra dia ny tenin'ny olona tsirairay manokana, ary ianareo dia nametaveta ny tenin'ilay Andriamanitra velona, ilay Yaveh tompon'ny maro, Andriamanintsika. BSB BSB: But refer no more to the burden of the LORD, for each man’s word becomes the burden, so that you pervert the words of the living God, the LORD of Hosts, our God.
37 ULB Izao no ho lazainareo amin'ilay mpaminany hoe: 'Inona no valin-teny nomen'i Yaveh anareo? na hoe: 'Inona no nolazain'i Yaveh' BSB BSB: Thus you are to say to the prophet: ‘What has the LORD answered you?’ and ‘What has the LORD spoken?’
38 ULB Fa raha miteny ianareo hoe: 'Ilay vesatr'i Yaveh,' dia izao no ambaran'i Yaveh: 'Satria niteny ireo teny ireo ianareo hoe: 'Vesatr'i Yaveh,' rehefa naniraka anareo Aho, niteny hoe: 'Aza miteny hoe: "Vesatr'i Yaveh,"' BSB BSB: But if you claim, ‘This is the burden of the LORD,’ then this is what the LORD says: Because you have said, ‘This is the burden of the LORD,’ and I specifically told you not to make this claim,
39 ULB noho izany, dia indro, haka anareo Aho ary hanipy anareo lavitra Ahy, miaraka amin'ilay tanàna izay nomeko anareo sy ireo razambenareo. BSB BSB: therefore I will surely forget you and will cast you out of My presence, both you and the city that I gave to you and your fathers.
40 ULB Avy eo dia hametraka henatra sy faniratsiràna aminareo mandrakizay izay tsy ho adinoina Aho.'" BSB BSB: And I will bring upon you everlasting shame and perpetual humiliation that will never be forgotten.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.