1 ULB Izao no teny tonga tamin'ny Jeremia mahakasika ny olon'i Joda rehetra. Tonga izany tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda. Taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona izany. BSB BSB: This is the word that came to Jeremiah concerning all the people of Judah in the fourth year of Jehoiakim son of Josiah king of Judah, which was the first year of Nebuchadnezzar king of Babylon.
2 ULB Jeremia mpaminany nanambara izao tamin'ny olona rehetra tao Joda sy ny mponin'i Jerosalema rehetra. BSB BSB: So the prophet Jeremiah spoke to all the people of Judah and all the residents of Jerusalem as follows:
3 ULB Hoy izy hoe: "Nandritra ny telo amby roapolo taona, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda mandrak'ankehitriny, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh ary efa nolazaiko anareo hatrany hatrany, fa tsy nihaino ianareo. BSB BSB: “From the thirteenth year of Josiah son of Amon king of Judah until this very day—twenty-three years—the word of the LORD has come to me, and I have spoken to you again and again, but you have not listened.
4 ULB Nandefa ireo mpaminany mpanompony rehetra ho eo aminareo hatrany hatrany i Yaveh, fa tsy nihaino azy ianareo na niraharaha. BSB BSB: And the LORD has sent all His servants the prophets to you again and again, but you have not listened or inclined your ear to hear.
5 ULB Ireo mpaminany niteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny sy ny kolikoly fanaony ary hiverena any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh ny razambenareo tamin'ny andro fahiny sy ho anareo, ho fanomezana maharitra. BSB BSB: The prophets told you, ‘Turn now, each of you, from your evil ways and deeds, and you can dwell in the land that the LORD has given to you and your fathers forever and ever.
6 ULB Ka aza manaraka amin'ireo andriamanitra hafa mba hanompo na hiankohoka amin'izy ireo, ary aza miantsy Azy amin'ireo asan'ny tananareo mba tsy hanisiany ratsy anareo.' BSB BSB: Do not follow other gods to serve and worship them, and do not provoke Me to anger with the works of your hands. Then I will do you no harm.’
7 ULB Kanefa tsy nohenoinareo Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—koa efa niantsy Ahy ianareo amin'ny asan'ny tananareo mba hanisy ratsy anareo. BSB BSB: ‘But to your own harm, you have not listened to Me,’ declares the LORD, ‘so you have provoked Me to anger with the works of your hands.’
8 ULB Koa Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: 'Satria tsy nihaino ireo teniko ianareo, BSB BSB: Therefore this is what the LORD of Hosts says: ‘Because you have not obeyed My words,
9 ULB indro, handefa didy hanangonana ny olona rehetra avy any avaratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—miaraka amin'i Nebokadnezara mpanompoko, mpanjakan'i Babylona, ary hitondra azy ireo hanohitra izao tany izao sy ireo mponiny Aho, ary hanohitra ireo firenena rehetra manodidina anareo. Fa ho atokako izy ireo amin'ny fandringanana. Ho avadiko ho horohoro, sy zavatra mampisiotsioka, ary faharavana tsy misy fahataperana izy ireo. BSB BSB: behold, I will summon all the families of the north, declares the LORD, and I will send for My servant Nebuchadnezzar king of Babylon, whom I will bring against this land, against its residents, and against all the surrounding nations. So I will devote them to destruction and make them an object of horror and contempt, an everlasting desolation.
10 ULB Hatsahatro ny feon'ny fifaliana ary ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra ary ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro. BSB BSB: Moreover, I will banish from them the sounds of joy and gladness, the voices of the bride and bridegroom, the sound of the millstones, and the light of the lamp.
11 ULB Dia ho tonga faharavana sy horohoro ity tany rehetra ity, ary ireo firenena ireo hanompo ny mpanjakan'i Babylona mandritra ny fitopolo taona. BSB BSB: And this whole land will become a desolate wasteland, and these nations will serve the king of Babylon for seventy years.
12 ULB Ary rehefa feno ny fitopolo taona, dia ho faiziko ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany, dia ny tanin'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—noho ny helok'izy ireo ary ho ataoko ho faharavana tsy misy fahataperana izany. BSB BSB: But when seventy years are complete, I will punish the king of Babylon and that nation, the land of the Chaldeans, for their guilt, declares the LORD, and I will make it an everlasting desolation.
13 ULB Koa ho tanterahiko amin'izany tany izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko, ary ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ity boky izay naminanian'i Jeremia hanoherana ireo firenena rehetra ity. BSB BSB: I will bring upon that land all the words I have pronounced against it, all that is written in this book, which Jeremiah has prophesied against all the nations.
14 ULB Fa hamoaka ireo andevo ao amin'ireo firenena ireo koa ny firenena maro hafa sy ireo mpanjaka lehibe maro hafa. Ho valiako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tanany avy izy ireo. BSB BSB: For many nations and great kings will enslave them, and I will repay them according to their deeds and according to the work of their hands.’”
15 ULB Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, nilaza izany tamiko manao hoe: "Raiso ety an-tanako ity kapoakan-divain'ny fahatezerana ity ary aoka ireo firenena rehetra izay anirahako anao hisotro izany. BSB BSB: This is what the LORD, the God of Israel, said to me: “Take from My hand this cup of the wine of wrath, and make all the nations to whom I send you drink from it.
16 ULB Fa hisotro izy ireo sy ho tafintohina noho izany ary hivembena toy ny adala anoloan'ny sabatra izay alefako eo amin'izy ireo." BSB BSB: And they will drink and stagger and go out of their minds, because of the sword that I will send among them.”
17 ULB Koa dia noraisiko avy teo an-tanan'i Yaveh ny kapaoka, ary nampisotroiko izany ny firenena rehetra izay nalefan'i Yaveh ahy: BSB BSB: So I took the cup from the LORD’s hand and made all the nations drink from it, each one to whom the LORD had sent me,
18 ULB dia i Jerosalema, ireo tanàn-dehiben'i Joda sy ny mpanjakany ary ireo manam-pahefana—mba hamadika azy ireo ho faharavana sy zavatra mampatahotra, sy zavatra mampisiotsioka sy fanozonana, tahaka azy ireo amin'izao andro izao. BSB BSB: to make them a ruin, an object of horror and contempt and cursing, as they are to this day—Jerusalem and the cities of Judah, its kings and officials;
19 ULB Tsy maintsy nisotro izany koa Ireo firenena hafa: Farao mpanjakan'i Egypta sy ireo mpanompony; ireo manam-pahefany sy ny vahokany; BSB BSB: Pharaoh king of Egypt, his officials, his leaders, and all his people;
20 ULB ny olona rehetra samy hafa fiaviana sy ireo mpanjaka rehetra avy amin'ny tanin'i Oza; ireo mpanjaka avy amin'ny tanin'ny Filistia rehetra—Askelona, Gaza, Ekron, ary ny sisa any Asdoda; BSB BSB: all the mixed tribes; all the kings of Uz; all the kings of the Philistines: Ashkelon, Gaza, Ekron, and the remnant of Ashdod;
21 ULB Edoma sy Moaba ary ny vahoakan'i Amona. BSB BSB: Edom, Moab, and the Ammonites;
22 ULB Ireo mpanjakan'i Tyro sy Sidona, ireo mpanjakan'ny moron-tsiraka eny ampitan'ny ranomasina, BSB BSB: all the kings of Tyre and Sidon; the kings of the coastlands across the sea;
23 ULB Dedana, Tema, ary Boza miaraka amin'ireo olona rehetra izay nanapaka ny sisin'ny volondohan'izy ireo, tsy maintsy nisotro izany ihany koa izy ireo. BSB BSB: Dedan, Tema, Buz, and all who cut the corners of their hair;
24 ULB Ireto olona ireto dia tsy maintsy nisotro izany ihany koa: ny mpanjakan'i Arabia rehetra ary ny mpanjakan'ny vahoaka samy hafa fiaviana rehetra izay monina any an'efitra; BSB BSB: all the kings of Arabia, and all the kings of the mixed tribes who dwell in the desert;
25 ULB ny mpanjakan'i Zimry rehetra, ny mpanjakan'i Elama rehetra, ary ny mpanjakan'i Media rehetra; BSB BSB: all the kings of Zimri, Elam, and Media;
26 ULB ny mpanjakan'ny avaratra rehetra, na ny akaiky ary na ny lavitra—ny olona tsirairay miaraka amin'ny rahalahiny ary ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao izay eo ambonin'ny tany. Tao aorian'izy rehetra ireo dia ny mpanjakan'i Babylona no hisotro farany. BSB BSB: all the kings of the north, both near and far, one after another—all the kingdoms on the face of the earth. And after all of them, the king of Sheshach will drink it too.
27 ULB Nilaza tamiko Yaveh hoe: "Ankehitriny tsy maintsy hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, nilaza izao: misotroa ary mimamoa, ary mandoava, mianjerà, ary aza mitsangana manoloana ny sabatra izay nalefako eo aminareo.' BSB BSB: “Then you are to tell them that this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘Drink, get drunk, and vomit. Fall down and never get up again, because of the sword I will send among you.’
28 ULB Ary raha mandà tsy handray ilay kapoaka ho sotroina eny an-tananao izy ireo, dia lazao izy ireo hoe: 'nilaza izao Yaveh tompon'ny maro hoe: tsy maintsy misotro izany tokoa ianareo. BSB BSB: If they refuse to take the cup from your hand and drink it, you are to tell them that this is what the LORD of Hosts says: ‘You most certainly must drink it!
29 ULB Fa indro, hitondra loza eo amin'ilay tanàna izay nantsoina tamin'ny anarako Aho, dia tokony ho afaka amin'ny famaizana ve ianareo? Tsy ho afaka ianareo, satria hiantso ny sabatra hanohitra ny mponina rehetra amin'ilay tany Aho! —izany no fanambaran' i Yaveh Tompon'ny maro.' BSB BSB: For behold, I am beginning to bring disaster on the city that bears My Name, so how could you possibly go unpunished? You will not go unpunished, for I am calling down a sword upon all the inhabitants of the earth, declares the LORD of Hosts.’
30 ULB Tsy maintsy maminany ireo teny rehetra amin'izy ireo ianao, ary lazao azy ireo hoe: 'Hierona avy any amin'ny avo i Yaveh ary hanandratra ny feony avy eny amin'ny fitoerany masina, ary hierona mafy amin'ny fiforetany Izy; ary hihiaka Izy, tahaka ireo izay manitsakitsaka ny voaloboka manohitra ireo rehetra izay miaina eto tany. BSB BSB: So you are to prophesy all these words against them and say to them: ‘The LORD will roar from on high; He will raise His voice from His holy habitation. He will roar loudly over His pasture; like those who tread the grapes, He will call out with a shout against all the inhabitants of the earth.
31 ULB Ny feon'ady hanakoako hatrany amparan'ny tany, fa Yaveh mitondra fiampangana amin'ireo firenena, ary mitondra fitsarana eo amin'ny nofo rehetra Izy. Hanolotra ireo ratsy fanahy eo amin'ny sabatra Izy—izany no fanambaran'i Yaveh.' BSB BSB: The tumult will resound to the ends of the earth because the LORD brings a charge against the nations. He brings judgment on all mankind and puts the wicked to the sword,’” declares the LORD.
32 ULB Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao hoe: 'Indro, hivoaka hitety firenena ny loza, ary miala avy any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ny tafio-drivotra mahery. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “Behold! Disaster is spreading from nation to nation; a mighty storm is rising from the ends of the earth.”
33 ULB Ary ireo izay novonoin'i Yaveh amin'izany andro izany dia hihitatra hatrany amin'ny fiafaran'ny tany iray ka hatramin'ny ilany hafa; tsy hisaonana izy ireo, na hoangonina, na ho alevina. Ho tahaka ny zezika eo ambonin'ny tany izy ireo. BSB BSB: Those slain by the LORD on that day will be spread from one end of the earth to the other. They will not be mourned, gathered, or buried. They will be like dung lying on the ground.
34 ULB Midradradradrà, ry mpiandry ondry, ary miantsoa vonjy! Mihodikodina eo amin'ny vovoka, ianareo ry mpitarika ny ondry, fa efa tonga ny andro famonoana anareo; hiparitaka toy ny vilany manify ianareo rehefa mianjera. BSB BSB: Wail, you shepherds, and cry out; roll in the dust, you leaders of the flock. For the days of your slaughter have come; you will fall and be shattered like fine pottery.
35 ULB Tsy misy fialofana ho an'ireo mpiandry ondry, tsy ho afa-mandositra ireo mpitarika ny ondry. BSB BSB: Flight will evade the shepherds, and escape will elude the leaders of the flock.
36 ULB Henoy ny tomanin'ireo mpiandry ondry sy ny fidradradradran'ireo mpitarik'ondry, fa simbain'i Yaveh ny ahitr'izy ireo. BSB BSB: Hear the cry of the shepherds, the wailing of the leaders of the flock, for the LORD is destroying their pasture.
37 ULB Koa ho ravarava ireo ahitra noho fasiahan'ny fahatezeran'i Yaveh. BSB BSB: The peaceful meadows have been silenced because of the LORD’s burning anger.
38 ULB Tahaka ny liona tanora, nandao ny zohiny izy, satria ny tanin'izy ireo dia ho tonga horohoro noho ny fahatezeran'ny mpampahory, noho ny firehetan'ny fahatezerany." BSB BSB: He has left His den like a lion, for their land has been made a desolation by the sword of the oppressor, and because of the fierce anger of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.