1 ULB Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, dia tonga avy amin'i Yaveh izao teny izao, nanao hoe: BSB BSB: At the beginning of the reign of Jehoiakim son of Josiah king of Judah, this word came from the LORD:
2 ULB "Yaveh niteny hoe: "Mitsangàna eo amin'ny kianjan'ny tranoko ary lazao amin'ny tanànan'i Joda rehetra izay tonga hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranoko. Ambarao ny teny rehetra izay nandidiko anao ho lazainao amin'izy ireo. Aza misy teny hanalana! BSB BSB: “This is what the LORD says: Stand in the courtyard of the house of the LORD and speak all the words I have commanded you to speak to all the cities of Judah who come to worship there. Do not omit a word.
3 ULB Angamba mba hihaino izy ireo, ka hiala amin'ireo lalan-dratsiny ny olona tsirairay, ka hihazona ny loza izay efa nokasaiko ho entina eo amin'izy ireo nohon'ny faharatsian'ny fomba fanaon'izy ireo Aho. BSB BSB: Perhaps they will listen and turn—each from his evil way of life—so that I may relent of the disaster I am planning to bring upon them because of the evil of their deeds.
4 ULB Koa tsy maintsy milaza amin'izy ireo ianao hoe:'Izao no nambaran'i Yaveh: Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anatrehanareo— BSB BSB: And you are to tell them that this is what the LORD says: ‘If you do not listen to Me and walk in My law, which I have set before you,
5 ULB raha tsy mihaino ny tenin'ireo mpaminany mpanompoko ianareo izay nikirizako nalefa taminareo ianareo— fa tsy nihaino ianareo!— BSB BSB: and if you do not listen to the words of My servants the prophets, whom I have sent you again and again even though you did not listen,
6 ULB dia ho ataoko tahaka an'i Silo ity trano ity; ho ataoko ozona eo imason'ireo firenena rehetra eran'ny tany ity tanàna ity.'" BSB BSB: then I will make this house like Shiloh, and I will make this city an object of cursing among all the nations of the earth.’”
7 ULB Ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra dia naheno an'i Jeremiah nanambara izany teny izany tao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: Now the priests and prophets and all the people heard Jeremiah speaking these words in the house of the LORD,
8 ULB Ary raha vao nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra izay nandidin'i Yaveh azy ho lazainy tamin'ny olona rehetra, dia nisambotra azy ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra ka nanao hoe: "tena ho faty ianao! BSB BSB: and as soon as he had finished telling all the people everything the LORD had commanded him to say, the priests and prophets and all the people seized him, shouting, “You must surely die!
9 ULB Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Yaveh ary nilaza fa ity trano ity dia ho tonga tahaka an'i Silo ary ity tanàna ity dia ho lao, ary tsy hisy mponina? Fa ny vahoaka rehetra nitangorona nanohitra an'i Jeremia tao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: How dare you prophesy in the name of the LORD that this house will become like Shiloh and this city will be desolate and deserted!” And all the people assembled against Jeremiah in the house of the LORD.
10 ULB Ary naheno izany teny izany ireo manam-pahefan'i Joda ary niakatra avy any an-tranon'ny mpanjaka ho any an-tranon'i Yaveh. Nipetraka teo am-bavahady teo amin'ny Vavahady Vaovaon'ny tranon'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: When the officials of Judah heard these things, they went up from the king’s palace to the house of the LORD and sat there at the entrance of the New Gate.
11 ULB Ireo mpisorona sy ireo mpaminany niresaka tamin'ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra. Hoy izy ireo: "Rariny ho an'ity lehilahy ity ny ho faty, fa naminany nanohitra ity tanàna ity izy, araka izay renareo tamin'ny sofinareo!" BSB BSB: Then the priests and prophets said to the officials and all the people, “This man is worthy of death, for he has prophesied against this city, as you have heard with your own ears!”
12 ULB Koa niresaka tamin'ireo manam-pahefana rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia ka nilaza hoe: "Yaveh no nandefa ahy haminany hanohitra ity trano sy tanàna ity, mba hilaza ny teny rehetra izay efa renareo. BSB BSB: But Jeremiah said to all the officials and all the people, “The LORD sent me to prophesy against this house and against this city all the words that you have heard.
13 ULB Koa ankehitriny, hatsarao ny lalanareo sy ny fanaonareo, ary mihainoa ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanenenany ny mahakasika ny loza izay nambarany hanoherana anareo. BSB BSB: So now, correct your ways and deeds, and obey the voice of the LORD your God, so that He might relent of the disaster He has pronounced against you.
14 ULB Izaho mihintsy no eo an-tananareo_jereo aho! Ataovy amiko izay tsara sy marina eo imasonareo. BSB BSB: As for me, here I am in your hands; do to me what you think is good and right.
15 ULB Fa tokony ho fantatrareo tokoa fa raha mamono ahy ianareo, dia hitondra rà marina ho an'ny tenanareo sy ho an'ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, fa Yaveh tokoa no nandefa ahy teo aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo. BSB BSB: But know for certain that if you put me to death, you will bring innocent blood upon yourselves, upon this city, and upon its residents; for truly the LORD has sent me to speak all these words in your hearing.”
16 ULB Ary ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra niteny tamin'ireo mpisorona sy ireo mpaminany hoe: "Tsy mendrika ny ho faty ity lehilahy ity satria nanambara zavatra tamintsika tamin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika izy." BSB BSB: Then the officials and all the people told the priests and prophets, “This man is not worthy of death, for he has spoken to us in the name of the LORD our God!”
17 ULB Koa dia nitsangana ireo loholon'ny tany ka niteny tamin'ny fiangonan'ny olona manontolo. BSB BSB: Some of the elders of the land stood up and said to the whole assembly of the people,
18 ULB Hoy izy ireo hoe: "Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'ny Joda. Niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda rehetra izy ka nanao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: ho hasaina tahaka ny saha i Ziona, ho tonga korontam-bato iJerosalema, ary ny tendrombohitrin'ny tempoly dia ho tonga havoana rakotra kirihitrala.' BSB BSB: “Micah the Moreshite prophesied in the days of Hezekiah king of Judah and told all the people of Judah that this is what the LORD of Hosts says: ‘Zion will be plowed like a field, Jerusalem will become a heap of rubble, and the temple mount a wooded ridge.’
19 ULB Namono azy ve i Hezekia mpanjakan'ny Joda sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Yaveh ve izy ka nampitony ny tavan'i Yaveh mba hanajanonan'i Yaveh ny loza izay efa nambarany azy ireo? Koa hanao zava-dratsy lehibe amin'ny aintsika ihany ve isika?" BSB BSB: Did Hezekiah king of Judah or anyone else in Judah put him to death? Did Hezekiah not fear the LORD and seek His favor, and did not the LORD relent of the disaster He had pronounced against them? But we are about to bring great harm on ourselves!”
20 ULB Teo anilan'izany ihany koa dia nisy lehilahy hafa izay naminany tamin'ny anaran'i Yaveh—Oria zanaka lahin'i Semaia avy amin'i Kiriata Jearima—izy koa dia naminany hanohitra ity tanàna sy tany ity, nifanaraka tamin'ny tenin'i Jeremia rehetra. BSB BSB: Now there was another man prophesying in the name of the LORD, Uriah son of Shemaiah from Kiriath-jearim. He prophesied against this city and against this land the same things that Jeremiah did.
21 ULB Fa rehefa ren'i Joiakima mpanjaka sy ny miaramilany rehetra sy ny manam-pahefany ny teniny, dia niezaka ny hamono azy ny mpanjaka, saingy nandre izany i Oria ka natahotra, dia nandositra ary lasa nankany Egypta. BSB BSB: King Jehoiakim and all his mighty men and officials heard his words, and the king sought to put him to death. But when Uriah found out about it, he fled in fear and went to Egypt.
22 ULB Ary nandefa lehilahy ho any Egypta ny mpanjaka Joiakima—Elnatana zanaka lahin'i Akbora sy lehilahy handeha ho any Egypta hanaraka an'i Oria. BSB BSB: Then King Jehoiakim sent men to Egypt: Elnathan son of Achbor along with some other men.
23 ULB Nalain'izy ireo hivoaka avy tao Egypta i Oria ary nentina teo amin'i Joiakima mpanjaka izy. Ary dia novonoin'i Joiakima tamin'ny sabatra izy ary nalefany tany amin'ireo fasan'ny olon-tsotra ny fatiny. BSB BSB: They brought Uriah out of Egypt and took him to King Jehoiakim, who had him put to the sword and his body thrown into the burial place of the common people.
24 ULB Fa ny tanan'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia niaraka tamin'i Jeremia, ka tsy natolotra teo ampelan-tanan'ny vahoaka mba ho vonoina izy. BSB BSB: Nevertheless, Ahikam son of Shaphan supported Jeremiah, so he was not handed over to the people to be put to death.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.