1 ULB Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zekedia zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, dia tonga tamin'i Jeremia ity teny avy amin'i Yaveh ity. BSB BSB: At the beginning of the reign of Zedekiah son of Josiah king of Judah, this word came to Jeremiah from the LORD.
2 ULB Izao no nolazain'i Yaveh tamiko hoe: "Manamboara famatorana sy zioga ho an'ny tenanao. Apetraho eo amin'ny hatokao ireo. BSB BSB: This is what the LORD said to me: “Make for yourself a yoke out of leather straps and put it on your neck.
3 ULB Avy eo dia alefaso any amin'ny mpanjakan'i Edoma, mpanjakan'i Moaba, mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, mpanjakan'i Tyro, ary amin'ny mpanjakan'i Sidona ireo. Alefaso amin'ny alalan'ny tanan'ireo masoivohon'ny mpanjaka izay tonga tao Jerosalema ho any amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ireo. BSB BSB: Send word to the kings of Edom, Moab, Ammon, Tyre, and Sidon through the envoys who have come to Jerusalem to Zedekiah king of Judah.
4 ULB Omeo baiko izy ireo ho an'ireo tompon'izy ireo ary lazao hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nanambara izao: Izao no tsy maintsy ho lazainareo amin'ireo tomponareo: BSB BSB: Give them a message from the LORD of Hosts, the God of Israel, to relay to their masters:
5 ULB "Izaho tenako dia nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriko lehibe sy ny sandriko nitsangana. Izaho ihany koa no nanao ny olona sy ireo biby eo ambonin'ny tany, ary nomeko an'izay marina teo imasoko izany. BSB BSB: By My great power and outstretched arm, I made the earth and the men and beasts on the face of it, and I give it to whom I please.
6 ULB Koa ankehitriny, Izaho tenako dia hanome ireo tany rehetra ireo ho eo am-pelan-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko. Omeko azy ihany koa ireo zava-manan'aina eny an-tsaha mba hanompo azy. BSB BSB: So now I have placed all these lands under the authority of My servant Nebuchadnezzar king of Babylon. I have even made the beasts of the field subject to him.
7 ULB Fa ny firenena rehetra dia hanompo azy, ireo zanany lahy, ary ireo zafikeliny mandra-pihavin'ny fotoanan'ny taniny. Ary hisy firenena maro sy mpanjaka lehibe handresy azy. BSB BSB: All nations will serve him and his son and grandson, until the time of his own land comes; then many nations and great kings will enslave him.
8 ULB Noho izany ny firenena sy ny fanjakana izay tsy manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona—dia ho saziako amin'ny sabatra, mosary, ary aretin-mandringana izany firenena izany—izany no fanambaran'i Yaveh—mandra-paharavako azy ireo amin'ny alalan'ny tanany. BSB BSB: As for the nation or kingdom that does not serve Nebuchadnezzar king of Babylon and does not place its neck under his yoke, I will punish that nation by sword and famine and plague, declares the LORD, until I have destroyed it by his hand.
9 ULB Koa aza mihaino an'ireo mpilaza ny ho avy, ireo mpisikidinareo, ireo mpahitanareo, ireo mpijery ny ho avy, ary ireo mpamosavy, izay niresaka taminareo ary nilaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylon.' BSB BSB: But as for you, do not listen to your prophets, your diviners, your interpreters of dreams, your mediums, or your sorcerers who declare, ‘You will not serve the king of Babylon.’
10 ULB Fa izy ireo dia maminany lainga aminareo mba handefasana anareo lavitra ny taninareo, fa ho roahiko ianareo, ary ho faty ianareo. BSB BSB: For they prophesy to you a lie that will serve to remove you from your land; I will banish you and you will perish.
11 ULB Fa ireo firenena izay mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ka manompo azy, dia ho avelako hijanona eo amin'ny taniny izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamboly eo amin'izany izy ireo ary hanorina ny tranon'izy ireo eo amin'izany."" BSB BSB: But the nation that will put its neck under the yoke of the king of Babylon and serve him, I will leave in its own land, to cultivate it and reside in it, declares the LORD.”
12 ULB Koa niresaka tamin'i Zedekia mpanjakan'i joda Aho ary nanome azy izao hafatra izao: "Apetraho ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny hatokareo ary manompoa azy sy ny vahoakany, ary ho velona ianareo. BSB BSB: And to Zedekiah king of Judah I spoke the same message: “Put your necks under the yoke of the king of Babylon; serve him and his people, and live!
13 ULB Nahoana ianareo no ho faty—ianao sy ny vahoakanao—amin'ny alalan'ny sabatra, mosary, sy ny aretin-mandringana, tahaka ny efa nambarako momban'ny firenena izay mandà ny hanompo ny mpanjakan'i Babylona? BSB BSB: Why should you and your people die by sword and famine and plague, as the LORD has decreed against any nation that does not serve the king of Babylon?
14 ULB Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay miresaka aminareo ary milaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylona,' satria maminany lainga aminareo izy ireo. BSB BSB: Do not listen to the words of the prophets who say, ‘You must not serve the king of Babylon,’ for they are prophesying to you a lie.
15 ULB 'Fa tsy nandefa azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa izy ireo dia maminany fitaka amin'ny anarako mba handroahako anareo ka ho faty ianareo, ianareo sy ireo mpaminany izay naminany taminareo.'" BSB BSB: For I have not sent them, declares the LORD, and yet they are prophesying falsely in My name; therefore I will banish you, and you will perish—you and the prophets who prophesy to you.”
16 ULB Nambarako tamin'ireo mpisorona sy ny olona rehetra izany ary nanao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminaninareo izay maminany aminareo ary manao hoe: 'Indro! Ireo zavatra tao an'ny tranon'i Yaveh dia naverina tany Babylona ankehitriny!' Maminany lainga aminareo izy ireo. BSB BSB: Then I said to the priests and to all this people, “This is what the LORD says: Do not listen to the words of your prophets who prophesy to you, saying, ‘Look, very soon now the articles from the house of the LORD will be brought back from Babylon.’ They are prophesying to you a lie.
17 ULB Aza mihaino azy ireo. Tokony hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo ary ho velona. Nahoana no tokony ho rava ity tanàna ity? BSB BSB: Do not listen to them. Serve the king of Babylon and live! Why should this city become a ruin?
18 ULB Raha mpaminany izy ireo, ary raha tonga tamin'izy ireo marina ny tenin'i Yaveh, dia aoka izy ireo hitalao amin'i Yaveh tompon'ny maro mba tsy handefa amin'i Babylona ireo zavatra izay tavela ao an-tranony, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema. BSB BSB: If they are indeed prophets and the word of the LORD is with them, let them now plead with the LORD of Hosts that the articles remaining in the house of the LORD, in the palace of the king of Judah, and in Jerusalem, not be taken to Babylon.
19 ULB Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao momban'ireo andry, ny tavin-drano lehibe, sy ny fitoeran'ny tavin-drano, ary ny ambin'ireo zavatra izay tavela ao amin'io tanàna io— BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts says about the pillars, the sea, the bases, and the rest of the articles that remain in this city,
20 ULB ireo zavatra izay tsy noraisin'i Nebokadnezara rehefa nilanja an'i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ho babo avy any Jerosalema ho any Babylona niaraka tamin'ireo manan-kajan'i Joda sy Jerosalema. BSB BSB: which Nebuchadnezzar king of Babylon did not take when he carried Jeconiah son of Jehoiakim king of Judah into exile from Jerusalem to Babylon, along with all the nobles of Judah and Jerusalem.
21 ULB Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao momban'ireo zavatra izay tavela ao amin'ny tranon'i Yaveh, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema hoe: BSB BSB: Yes, this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says about the articles that remain in the house of the LORD, in the palace of the king of Judah, and in Jerusalem:
22 ULB 'Ho entina any Babylona ireo, ary hipetraka any mandra-pahatongan'ny andro hiaviako ho azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—avy eo Aho hitondra ireo hiakatra ary hamerina ireo any amin'io toerana io.'" BSB BSB: ‘They will be carried to Babylon and will remain there until the day I attend to them again,’ declares the LORD. ‘Then I will bring them back and restore them to this place.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.