1 ULB Tamin'izany taona izany, tamin'ny fiantombohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahefa-taona sy fahadimin'ny volana, Hanania zanaka lahin'i Azora mpaminany, izay avy any Gibeona, dia niteny tamiko tao an-tranon'i Yaveh teo anatrehan'ireo mpaminany sy ny vahoaka rehetra. Hoy izy hoe: BSB BSB: In the fifth month of that same year, the fourth year, near the beginning of the reign of King Zedekiah of Judah, the prophet Hananiah son of Azzur, who was from Gibeon, said to me in the house of the LORD in the presence of the priests and all the people:
2 ULB "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Efa novakiako ny zioga izay napetraky ny mpanjakan'i Babylona. BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘I have broken the yoke of the king of Babylon.
3 ULB Ao anatin'ny roa taona dia haveriko eto amin'ity toerana ity ireo zavatra rehetra tao an-tranon'i Yaveh izay nalain'i Nebokadnezara mpanjaka an'i Babylona teto amin'ity toerana ity ka notaominy nankany Babylona. BSB BSB: Within two years I will restore to this place all the articles of the house of the LORD that Nebuchadnezzar king of Babylon removed from here and carried to Babylon.
4 ULB Ary dia ho entiko miverina amin'ity toerana ity i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ary ireo babo rehetra izay nirahina nankany Babylona—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamotika ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona aho." BSB BSB: And I will restore to this place Jeconiah son of Jehoiakim king of Judah, along with all the exiles from Judah who went to Babylon,’ declares the LORD, ‘for I will break the yoke of the king of Babylon.’”
5 ULB Koa niteny tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay nijoro tao an-tranon'Yaveh i Jeremia mpaminany. BSB BSB: Then the prophet Jeremiah replied to the prophet Hananiah in the presence of the priests and all the people who were standing in the house of the LORD.
6 ULB Hoy Jeremia mpaminany hoe: "Hanao izany anie Yaveh! Yaveh anie hanamafy ireo teny izay naminanianao ka hamerina ireo zavatrin'ny tranon'i Yaveh eto amin'ity toerana ity, sy ireo babo rehetra avy any Babylona. BSB BSB: “Amen!” Jeremiah said. “May the LORD do so! May the LORD fulfill the words you have prophesied, and may He restore the articles of His house and all the exiles back to this place from Babylon.
7 ULB Na izany aza, mihainoa izao teny izay ambarako eo an-tsofinao sy eo an-tsofin'ny vahoaka rehetra. BSB BSB: Nevertheless, listen now to this message I am speaking in your hearing and in the hearing of all the people.
8 ULB Ireo mpaminany izay nisy teo alohako sy teo alohanao taloha ela be ihany koa dia naminany mahakasika ireo firenena maro sy hanohitra ireo fanjakana lehibe, momban'ny ady, mosary, ary ny areti-mandringana. BSB BSB: The prophets of old who preceded you and me prophesied war, disaster, and plague against many lands and great kingdoms.
9 ULB Fa ny mpaminany izay maminany fa hisy fiadanana—raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra fa mpaminany nirahan'i Yaveh tokoa izy." BSB BSB: As for the prophet who prophesies peace, only if the word of the prophet comes true will the prophet be recognized as one the LORD has truly sent.”
10 ULB Fa noraisin'i Hanania mpaminany ilay zioga teny an-tendan'i Jeremia mpaminany ary novakiany izany. BSB BSB: Then the prophet Hananiah took the yoke off the neck of Jeremiah the prophet and broke it.
11 ULB Avy eo dia niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra i Hanania ka nanao hoe: "izao no tenin'Yaveh: Tahaka izany koa, ao anatin'ny roa taona dia ho vakiako avokoa ireo zioga izay napetrak'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona teo an-tendan'ny firenena rehetra." Dia nizotra tamin'ny lalany i Jeremia mpaminany. BSB BSB: And in the presence of all the people Hananiah proclaimed, “This is what the LORD says: ‘In this way, within two years I will break the yoke of Nebuchadnezzar king of Babylon off the neck of all the nations.’” At this, Jeremiah the prophet went on his way.
12 ULB Taorian'ny namotehan'i Hanania mpaminany ny zioga teo amin'ny tendan'i Jeremia mpaminany, dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: But shortly after Hananiah the prophet had broken the yoke off his neck, the word of the LORD came to Jeremiah:
13 ULB "Mandehana ary miresaha amin'i Hanania ary lazao hoe: 'izao no lazain'i Yaveh: namaky zioga hazo Ianao, fa Izaho kosa hanao zioga vy.' BSB BSB: “Go and tell Hananiah that this is what the LORD says: ‘You have broken a yoke of wood, but in its place you have fashioned a yoke of iron.’
14 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Efa nametraka zioga vy tamin'ny tendan'ireo firenena rehetra izay manompo an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo Aho, ka hanompo azy izy ireo. Efa nanome azy bibidia ihany koa Aho mba hanapaka eo aminy." BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘I have put a yoke of iron on the neck of all these nations to make them serve Nebuchadnezzar king of Babylon, and they will serve him. I have even given him control of the beasts of the field.’”
15 ULB Taorian'izany i Jeremia mpaminany dia niteny tamin'i Hanania mpaminany hoe: "Mihainoa ry Hanania! Tsy naniraka anao i Yaveh, fa ianao tenanao no nahatonga ireo vahoaka hino lainga. BSB BSB: Then the prophet Jeremiah said to the prophet Hananiah, “Listen, Hananiah! The LORD did not send you, but you have persuaded this people to trust in a lie.
16 ULB Koa izao no lazain'i Yaveh: Indro, hanala anao eto an-tany Aho. Ho faty amin'ity taona ity ianao, satria nanambara fikomiana an'i Yaveh ianao." BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: ‘I am about to remove you from the face of the earth. You will die this year because you have preached rebellion against the LORD.’”
17 ULB Tamin'ny fahafiton'ny volan'izany taona izany ihany, dia maty i Hanania mpaminany. BSB BSB: And in the seventh month of that very year, the prophet Hananiah died.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.