1 ULB "Tamin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'i Yaveh—ho Andriamanitrin'ny fianakavian'ny Israely rehetra Aho, ary ho vahoakako izy ireo." BSB BSB: “At that time,” declares the LORD, “I will be the God of all the families of Israel, and they will be My people.”
2 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Ny olona izay tsy matin'ny sabatra dia nahita sitraka tany an'efitra; hivoaka Aho mba hanome fitsaharana ho an'ny Israely." BSB BSB: This is what the LORD says: “The people who survived the sword found favor in the wilderness when Israel went to find rest.”
3 ULB Niseho tamiko Yaveh tany aloha ary niteny hoe: "Nitia anao Aho, ry Israely, tamin'ny fitiavana maharitra mandrakizay. Koa nisarika anao hanatona Ahy tamin'ny fanekena mahatoky Aho. BSB BSB: The LORD appeared to us in the past, saying: “I have loved you with an everlasting love; therefore I have drawn you with loving devotion.
4 ULB Hanangana anao indray Aho ka hitsangana ianao, ry Israely virijiny. Handray ny ampongatapakareo ianareo ary hivoaka amin'ny dihim-pifaliana. BSB BSB: Again I will build you, and you will be rebuilt, O Virgin Israel. Again you will take up your tambourines and go out in joyful dancing.
5 ULB Hamboly tanim-boaloboka indray eo amin'ireo tendrombohitr'i Samaria ianareo; ireo mpamboly dia hamboly ary hametraka ny vokatra amin'ny tokony ampiasana azy. BSB BSB: Again you will plant vineyards on the hills of Samaria; the farmers will plant and enjoy the fruit.
6 ULB Fa ho avy ny andro hanambaran'ireo mpiambina eo amin'ireo tendrombohitr'i Efraima hoe: 'Mitsangàna, andeha isika hiakatra any Ziona any amin'i Yaveh Andriamanitsika.' BSB BSB: For there will be a day when watchmen will call out on the hills of Ephraim, ‘Arise, let us go up to Zion, to the LORD our God!’”
7 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh: "Mihikà am-pifaliana ho an'i Jakoba! Mihikà am-piravoravoana ho an'ireo lehiben'ny vahoakan'ireo firenena! Aoka ho re ny fiderana. Lazao hoe: 'Efa namonjy ny vahoakany Yaveh, ny ireo sisa tavela tamin'ny Israely.' BSB BSB: For this is what the LORD says: “Sing with joy for Jacob; shout for the foremost of the nations! Make your praises heard, and say, ‘O LORD, save Your people, the remnant of Israel!’
8 ULB Indro, efa hitondra azy ireo avy ao amin'ireo tany avaratra Aho. Hanangona azy ireo avy amin'ireo faritra lavitry indrindra ny tany Aho. Ho anisan'izy ireo ny jamba sy ny malemy; hiaraka amin'izy ireo ny vehivavy bevohoka sy ireo izay efa ho teraka. Hisy fiangonana lehibe hiverina eto. BSB BSB: Behold, I will bring them from the land of the north and gather them from the farthest parts of the earth, including the blind and the lame, expectant mothers and women in labor. They will return as a great assembly!
9 ULB Ho tonga am-pitomaniana izy ireo; hitarika azy ireo araka izay fangatahany Aho. Hampandehaniko any amin'ny rian-drano any amin'ny lalana mahitsy izy ireo. Tsy ho tafintohina eo amin'izany izy ireo, fa ho rain'ny Israely Aho, ary ho lahimatoako i Efraima." BSB BSB: They will come with weeping, and by their supplication I will lead them; I will make them walk beside streams of waters, on a level path where they will not stumble. For I am Israel’s Father, and Ephraim is My firstborn.”
10 ULB "Henoy ny tenin'i Yaveh, ry firenena. Tatero manerana ny faritany lavitra any. Ianareo firenena dia tsy maintsy hilaza hoe: 'Ilay nanamparitaka an'Israely dia nanangona azy ary miandry azy tahaka ny mpiandry ondry mitandrina ny ondriny.' BSB BSB: Hear, O nations, the word of the LORD, and proclaim it in distant coastlands: “The One who scattered Israel will gather them and keep them as a shepherd keeps his flock.
11 ULB Fa efa nandoa ny vidim-panavotanan'i Jakoba Yaveh ary nanavotra azy teny amin'ny tanana izay mafy loatra ho azy. BSB BSB: For the LORD has ransomed Jacob and redeemed him from the hand that had overpowered him.
12 ULB Ary ho avy izy ireo ka hifaly eo an-tampon'i Ziona. Hamiratra noho ny fahatsaran'i Yaveh ny tavan'izy ireo, amin'ny tandroka sy divay vaovao, amin'ny menaka sy ny zanakin'ny ondry aman'osy ary ireo omby. Fa ho tonga tahaka ny zaridaina voatondraka ny fianan'izy ireo, ary tsy hahatsapa alahelo intsony izy ireo. BSB BSB: They will come and shout for joy on the heights of Zion; they will be radiant over the bounty of the LORD—the grain, new wine, and oil, and the young of the flocks and herds. Their life will be like a well-watered garden, and never again will they languish.
13 ULB Dia hifaly amin'ny dihy ireo virijiny, ary hiaraka ny zatovo sy ny lahy antitra. Fa ho avadiko ho fankalazana ny fisaonan'izy ireo. Hangoraka azy ireo Aho ka hampifaly azy ireo fa tsy ampalahelo. BSB BSB: Then the maidens will rejoice with dancing, young men and old as well. I will turn their mourning into joy, and give them comfort and joy for their sorrow.
14 ULB Dia hanototra be tokoa ny fiainan'ireo mpisorona Aho. Hameno ny tenan'izy ireo amin'ny fahatsarako ny vahoakako—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: I will fill the souls of the priests abundantly, and will fill My people with My goodness,” declares the LORD.
15 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Nisy feo re tany Rama, fidradradradrana sy fitomaniana mafy. Rahely mitomany ireo zanany izany. Nandà tsy ampiononina ny amin'izy ireo izy, satria efa tsy miaina intsony izy ireo." BSB BSB: This is what the LORD says: “A voice is heard in Ramah, mourning and great weeping, Rachel weeping for her children and refusing to be comforted, because they are no more.”
16 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Atsaharo amin'ny fitomaniana ny feonao ary amin'ny ranomaso ny masonao; satria misy valiny ny fijalianao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireo zanakao. BSB BSB: This is what the LORD says: “Keep your voice from weeping and your eyes from tears, for the reward for your work will come, declares the LORD. Then your children will return from the land of the enemy.
17 ULB Misy fanantenana ny amin'ny ho avinao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina ao amin'ny faritanin'izy ireo ny taranakao." BSB BSB: So there is hope for your future, declares the LORD, and your children will return to their own land.
18 ULB Efa reko nalahelo tokoa i Efraima hoe: 'Nanasazy ahy Ianao, ary efa nosaziana tahaka ny zanak'omby tsy nozarina aho. Ento miverina aho dia ho tafaverina, fa Ianao no Yaveh Andriamanitro. BSB BSB: I have surely heard Ephraim’s moaning: ‘You disciplined me severely, like an untrained calf. Restore me, that I may return, for You are the LORD my God.
19 ULB Fa tao aorian'ny niverenako taminao, dia nanenina aho; tao aorian'ny nanazarana ahy, dia namelaka ny feko aho. Afa-baraka sy menatra aho, fa efa niteraka ny heloky ny fahatanorako.' BSB BSB: After I returned, I repented; and after I was instructed, I struck my thigh in grief. I was ashamed and humiliated because I bore the disgrace of my youth.’
20 ULB Moa tsy menakin'ny aiko ve i Efraima? Moa ve tsy malalako izy, zanaka tiako? Fa na oviana na oviana hiresahako azy, dia mbola hahatsiaro am-pitiavana azy tokoa Aho. Izany no alahelovan'ny foko azy. Hangoraka azy tokoa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: Is not Ephraim a precious son to Me, a delightful child? Though I often speak against him, I still remember him. Therefore My heart yearns for him; I have great compassion for him,” declares the LORD.
21 ULB Mametraha famantaran-dalana ho anareo. Mametraha takela-by tari-dalana ho an'ny tenanareo. Saino ny lala-marina, dia ny lalana izay tokony alehanao. Miverena, ry Israely virijiny! Miverena any amin'ireo tanànanao ireo. BSB BSB: “Set up the road markers, put up the signposts. Keep the highway in mind, the road you have traveled. Return, O Virgin Israel, return to these cities of yours.
22 ULB Mandra-pahoviana no hihozongozona ianao, ry zanakavavy tsy manam-pinoana? Fa efa namorona zava-baovao ho an'ny tany Yaveh—dia vehivavy manodidina lehilahy matanjaka. BSB BSB: How long will you wander, O faithless daughter? For the LORD has created a new thing in the land—a woman will shelter a man.”
23 ULB Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'i Israely, dia milaza hoe: "Rehefa mitondra ny vahoaka miverina amin'ny tanin'izy ireo Aho, dia hilaza izany any amin'ny tanin'ny Joda sy ireo tanàn-dehibeny izy ireo hoe: 'Hitahy anao anie Yaveh, ianao ry toerana marina izay itoerany, ianao ry tendrombohitra masina.' BSB BSB: This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: “When I restore them from captivity, they will once again speak this word in the land of Judah and in its cities: ‘May the LORD bless you, O righteous dwelling place, O holy mountain.’
24 ULB Fa hiara-hipetraka any i Joda sy ireo tanànany rehetra, tahaka ireo mpamboly sy ireo mpiandry ondry miaraka amin'ireo ondry aman'osy. BSB BSB: And Judah and all its cities will dwell together in the land, the farmers and those who move with the flocks,
25 ULB Fa hanome rano ho sotroin'ireo olona reraka Aho, ary hampisotro ireo izay matin'ny hetaheta Aho." BSB BSB: for I will refresh the weary soul and replenish all who are weak.”
26 ULB Tao aorian'izany dia nifoha Aho, ary nahatsapa fa nahavelombelona ny torimasoko. BSB BSB: At this I awoke and looked around. My sleep had been most pleasant to me.
27 ULB "Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamafazako ireo ankohonan'Israely sy Joda mbamin'ireo taranak'olombelona sy bibidia. BSB BSB: “The days are coming,” declares the LORD, “when I will sow the house of Israel and the house of Judah with the seed of man and of beast.
28 ULB Tany aloha, dia narahako maso izy ireo mba hanongotana azy ireo sy hanimbana azy ireo, mba handravana, hamotehana, ary hanasiana ratsy azy ireo. Fa amin'ny andro ho avy, dia hiambina azy ireo Aho, mba hanangana azy ireo sy hamboly azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Just as I watched over them to uproot and tear down, to demolish, destroy, and bring disaster, so I will watch over them to build and to plant,” declares the LORD.
29 ULB Amin'ireo andro ireo dia tsy hisy na iza na iza hiteny intsony hoe: "Nihinana voaloboka marikivy ireo ray aman-dreny, kanefa ny nifin'ireo zaza no nadilo.' BSB BSB: “In those days, it will no longer be said: ‘The fathers have eaten sour grapes, and the teeth of the children are set on edge.’
30 ULB Fa ny olona tsirairay dia ho fatin'ny helony ihany; ny olon-drehetra izay mihinana voaloboka marikivy, dia hadilo ny nifiny. BSB BSB: Instead, each will die for his own iniquity. If anyone eats the sour grapes, his own teeth will be set on edge.
32 ULB Tsy ho tahaka ny fanekena izay naoriko tamin'ireo rain'izy ireo tamin'ny andro izay nitantanako azy ireo mba hamoahana azy ireo tao amin'ny tany Egypta. Ireo no andro izay nandravan'izy ireo ny fanekeko, na dia vady tamin'izy ireo aza Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: It will not be like the covenant I made with their fathers when I took them by the hand to lead them out of the land of Egypt—a covenant they broke, though I was a husband to them,” declares the LORD.
33 ULB Fa izao no fanekena izay haoriko miaraka amin'ny ankohonan'ny Israely aorian'ireo andro ireo—izany no fanambaran'i Yaveh: Hametraka ny lalàko ao anatin'izy ireo Aho ary hanoratra izany ao am-pon'izy ireo, fa ho Andriamaniny Aho, ary ho vahoakako izy ireo. BSB BSB: “But this is the covenant I will make with the house of Israel after those days, declares the LORD. I will put My law in their minds and inscribe it on their hearts. And I will be their God, and they will be My people.
34 ULB Dia tsy hampianatra ny mpiara-monina aminy intsony ny lehilahy tsirairay, na hampianatra ny rahalahiny ny lehilahy iray ka hiteny hoe: 'Fantaro Yaveh!' Fa izy rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra amin'izy ireo ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia hahafantatra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamela ny helok'izy ireo Aho ary tsy hahatsiaro ny fahotan'izy ireo intsony." BSB BSB: No longer will each man teach his neighbor or his brother, saying, ‘Know the LORD,’ because they will all know Me, from the least of them to the greatest, declares the LORD. For I will forgive their iniquities and will remember their sins no more.”
35 ULB Izao no lazain'i Yaveh—Yaveh, no Ilay mampibaliaka ny masoandro amin'ny andro ary mandamina ny volana sy ireo kintana hamiratra ny alina. Izy Ilay mampihetsika ny ranomasina mba hierona ny onjan'izany. Yaveh Tompon'ny maro no anarany. Izao no lazainy: BSB BSB: Thus says the LORD, who gives the sun for light by day, who sets in order the moon and stars for light by night, who stirs up the sea so that its waves roar—the LORD of Hosts is His name:
36 ULB "Raha mba manjavona eto imasoko ireo zavatra maharitra ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hitsahatra mandrakizay tsy ho firenena eo anatrehako ny taranak'Israely." BSB BSB: “Only if this fixed order departed from My presence, declares the LORD, would Israel’s descendants ever cease to be a nation before Me.”
37 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Raha mba azo refesina ny lanitra avo indrindra, ary raha mba hita ny fanambanin'ny tany, dia hanary ireo taranak'Israely rehetra noho izay rehetra nataony Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: This is what the LORD says: “Only if the heavens above could be measured and the foundations of the earth below searched out would I reject all of Israel’s descendants because of all they have done,” declares the LORD.
38 ULB "Indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanamboarana indray ny tanàna ho Ahy, manomboka ao amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ny Vavahady An-jorony. BSB BSB: “The days are coming,” declares the LORD, “when this city will be rebuilt for Me, from the tower of Hananel to the Corner Gate.
39 ULB Dia hivoaka hatrany lavitra indray ny tsipika fandrefesana, hatrany amin'ny havoan'i Gareba sy manodidina an'i Goa. BSB BSB: The measuring line will once again stretch out straight to the hill of Gareb and then turn toward Goah.
40 ULB Ny lohasahan'ireo faty sy lavenona manontolo, ary ny faritry ny saha rehetra mivoaka mankany amin'ny Lohasahan'i Kidrona ka hatrany lavitra any amin'ireo zoron'ny Vavahadin-tsoavaly any atsinanana, dia ho atokana ho an'i Yaveh. Tsy hongotana ny tanàna na ho ravàna indray, mandrakizay." BSB BSB: The whole valley of the dead bodies and ashes, and all the fields as far as the Kidron Valley, to the corner of the Horse Gate to the east, will be holy to the LORD. It will never again be uprooted or demolished.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.