1 ULB Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'i Yaveh tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekiah mpanjakan'i Joda, ny faha valo ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara. BSB BSB: This is the word that came to Jeremiah from the LORD in the tenth year of Zedekiah king of Judah, which was the eighteenth year of Nebuchadnezzar.
2 ULB Tamin'izany fotoana izany, dia nanao fahirano an'i Jerosalema ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary i Jeremia mpaminany dia nogadraina tao amin'ny kianjan'ny fiambenana tao an-tranon'ny mpanjakan'i Joda. BSB BSB: At that time the army of the king of Babylon was besieging Jerusalem, and Jeremiah the prophet was imprisoned in the courtyard of the guard, which was in the palace of the king of Judah.
3 ULB Nogadrain'i Zedekia mpanjakan'i Joda izy ka niteny hoe: "Nahoana ianao no maminany sy miteny hoe: "Yaveh niteny hoe: Indro, andeha homeko ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ary ho baboiny. BSB BSB: For Zedekiah king of Judah had imprisoned him, saying: “Why are you prophesying like this? You claim that the LORD says, ‘Behold, I am about to deliver this city into the hand of the king of Babylon, and he will capture it.
4 ULB Tsy handositra ny tanan'ireo Kaldeana i Zedekia mpanjakan'i Joda, ary azo antoka fa homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona izy. Ny vavany dia hiteny amin'ny vavan'ny mpanjaka, ireo masony hahita ny mason'ny mpanjaka. BSB BSB: Zedekiah king of Judah will not escape from the hands of the Chaldeans, but he will surely be delivered into the hand of the king of Babylon, and will speak with him face to face and see him eye to eye.
5 ULB Haka an'i Zedekia ho any Babylona izy, ary hijanona any izy ambara-piraharahako aminy—Izany no fanambaran'i Yaveh. Na hiady hanohitra ireo Kaldeana aza ianareo, dia tsy hahomby ianareo." BSB BSB: He will take Zedekiah to Babylon, where he will stay until I attend to him, declares the LORD. If you fight against the Chaldeans, you will not succeed.’”
6 ULB Hoy Jeremia: "Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, miteny hoe: BSB BSB: Jeremiah replied, “The word of the LORD came to me, saying:
7 ULB 'Indro, Hanamela zanaka lahin'i Saloma rahalahin-drainao manatona anao ary miteny hoe: "Vidio ho an'ny tenanao ny sahako any Anatota, fa manan-jo hividy an'izany ianao.""' BSB BSB: Behold! Hanamel, the son of your uncle Shallum, is coming to you to say, ‘Buy for yourself my field in Anathoth, for you have the right of redemption to buy it.’
8 ULB Ary, araka ny nambaran'i Yaveh, Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nanatona ahy tao amin'ny kianjan'ny fiambenana, araka ny nolazainy tamiko hoe: "Vidio ny sahako izay any Anatota ao amin'ny tanin'i Benjamina, fa anao ny zo handova izany, ary ny zo hividy dia anao. Vidio ho an'ny tenanao izany. 'Ary fantatro fa tenin'i Yaveh izany. BSB BSB: Then, as the LORD had said, my cousin Hanamel came to me in the courtyard of the guard and urged me, ‘Please buy my field in Anathoth in the land of Benjamin, for you own the right of inheritance and redemption. Buy it for yourself.’” Then I knew that this was the word of the LORD.
9 ULB Ka novidiko ny saha tao Anatota avy amin'i Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nolanjaiko ho azy ny volafotsy, fito ambin'ny folo sekely no lanjany. BSB BSB: So I bought the field in Anathoth from my cousin Hanamel, and I weighed out seventeen shekels of silver.
10 ULB Dia nanoratra horonan-taratasy ary nanisy tombo-kase izany aho, ary nanana vavolombelona nijoro vavolombelona ny amin'izany aho. Ary nandanja ny volafotsy amin'ny fandanjana aho. BSB BSB: I signed and sealed the deed, called in witnesses, and weighed out the silver on the scales.
11 ULB Dia naka ny raharaham-barotra voatombo-kase aho, manaraka ny didy sy ireo lalàna, mbamin'ny raharaha tsy voatombo-kase. BSB BSB: Then I took the deed of purchase—the sealed copy with its terms and conditions, as well as the open copy—
12 ULB Nanome ny horonan-taratasy voatombo-kase an'i Baroka zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia teo anoloan'i Hanamela aho, zanaka lahin'ny dadatoako, sy ireo vavolombelona izay nanoratra ny horonan-taratasy voatombokase, ary teo anoloan'ireo Jiosy izay nipetraka tao an-kianjan'ny fiambenana. BSB BSB: and I gave this deed to Baruch son of Neriah, the son of Mahseiah, in the sight of my cousin Hanamel and the witnesses who were signing the purchase agreement and all the Jews sitting in the courtyard of the guard.
13 ULB Ka nandidy an'i Baroka teo anatrehan'izy ireo aho. Hoy aho: BSB BSB: In their sight I instructed Baruch,
14 ULB "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely no miteny izao: "Alaivo ireo horonan-taratasy ireo, ny rosian'ny varotra izay voatombokase sy ny dika mitovy tsy voatombokase amin'ny raharaham-barotra, ary apetraho anaty siny tanimanga izany mba aharitra fotoana ela. BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: Take these deeds—both the sealed copy and the open copy of the deed of purchase—and put them in a clay jar to preserve them for a long time.
15 ULB Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, miteny hoe: Ireo trano, ireo saha, ireo tanim-boaloboka dia mbola hovidina indray eto amin'ity tany ity." BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: Houses, fields, and vineyards will again be bought in this land.”
16 ULB Taorian'ny nanomezako an'i Baroka zanaka lahin'i Neria ny rosian'ny varotra, ^dia nivavaka tamin'i Yaveh aho ka niteny hoe: BSB BSB: After I had given the deed of purchase to Baruch son of Neriah, I prayed to the LORD:
17 ULB "Loza, ry Tompo Yaveh! Indro! Ianao irery no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny alalan'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nisandratra. Tsy misy zavatra izay teneninao ka sarotra taminao koa ny nanao azy. BSB BSB: “Oh, Lord GOD! You have made the heavens and the earth by Your great power and outstretched arm. Nothing is too difficult for You!
18 ULB Nampiseho fanekena mahatoky tamin'ny arivony Ianao ary mamaly ny fahadison'ireo olona tamin'ireo zanany taorian'izy ireo. Ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery; Yaveh Tompon'ny maro no anaranao. BSB BSB: You show loving devotion to thousands but lay the iniquity of the fathers into the laps of their children after them, O great and mighty God whose name is the LORD of Hosts,
19 ULB Lehibe amin'ny fahendrena Ianao ary mahery amin'ireo asa. Fa misokatra amin'ny lalanan'ny vahoaka rehetra ny masonao, mba hanome ny olona tsirairay izay mendrikan'ny fitondran-tenany sy ny asany. BSB BSB: the One great in counsel and mighty in deed, whose eyes are on all the ways of the sons of men, to reward each one according to his ways and according to the fruit of his deeds.
20 ULB Nanao famantarana sy fahagagana maro tao amin'ny tanin'ny Egypta Ianao. Amin'izao fotoana izao ao Israely ary eo amin'ny olombelona rehetra, dia nampalaza ny anaranao Ianao. BSB BSB: You performed signs and wonders in the land of Egypt, and You do so to this very day, both in Israel and among all mankind. And You have made a name for Yourself, as is the case to this day.
21 ULB Fa nitondra ny Israely vahoakanao hivoaka ny tany Egypta Ianao miaraka amin'ireo famantarana sy fahagagana, miaraka amin'ny tana-mahery, sy miaraka sandry mitsangana, ary miaraka amin'ny fampitahorana lehibe. BSB BSB: You brought Your people Israel out of the land of Egypt with signs and wonders, with a strong hand and an outstretched arm, and with great terror.
22 ULB Dia nomenao azy ireo ity tany ity—Izay nianianao tamin'ireo razambeny fa homena azy ireo—dia tany tondran-dronono sy tantely. BSB BSB: You gave them this land that You had sworn to give their fathers, a land flowing with milk and honey.
23 ULB Ka niditra izy ireo ary naka izany ho fananana. Fa tsy nihaino ny feonao izy ireo na niaina tao anatin'ny fankatoavana ny lalànao. Tsy nanao na inona na inona amin'izay nandidinao azy ireo ho atao izy ireo, noho izany dia nitondra loza teo amin'izy ireo Ianao. BSB BSB: They came in and possessed it, but they did not obey Your voice or walk in Your law. They failed to perform all that You commanded them to do, and so You have brought upon them all this disaster.
24 ULB Indro! Ireo tovon-tany dia tafiakatra teny amin'ny tanàna hisambotra izany. Fa nohon'ny sabatra, mosary, ary ny areti-mandringana, dia natolotra ho eo an-tanan'ny Kaldeana izay miady aminy ny tanàna. Fa izay noteneninao hitranga dia mitranga, ary indro, mijery ianao. BSB BSB: See how the siege ramps are mounted against the city to capture it. And by sword and famine and plague, the city has been given into the hands of the Chaldeans who are fighting against it. What You have spoken has happened, as You now see!
25 ULB Ary dia hoy ianao tamiko: "Mividiana saha ho an'ny tenanao amin'ny volafotsy ary manàna vavolombelona hijoro vavolombelona ny amin'izany, na dia handeha homena ho eo an-tanan'ireo Kaldeana aza ity tanàna ity. BSB BSB: Yet You, O Lord GOD, have said to me, ‘Buy for yourself the field with silver and call in witnesses, even though the city has been delivered into the hands of the Chaldeans!’”
26 ULB Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Jeremiah:
27 ULB "Indro, Izaho no Yaveh, Andriamanitrin'ny olombelona rehetra. Misy zava-tsarotra tsy aiko atao ve? BSB BSB: “Behold, I am the LORD, the God of all flesh. Is anything too difficult for Me?
28 ULB Koa izao no lazain'i Yaveh hoe: "Indro, handeha hanome an'ity tanàna ity ho eo am-pelatanan'ireo Kaldeana sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona Aho. Hambabo izany izy. BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: Behold, I am about to deliver this city into the hands of the Chaldeans and of Nebuchadnezzar king of Babylon, who will capture it.
29 ULB Ireo Kaldeana izay miady amin'ity tanàna ity dia ho avy ary handrehitra afo amin'ity tanàna ity sy handoro izany. Mbamin'ireo trano eo amin'ny tafo izay hivavahan'ireo vahoaka tamin'i Bala ary nandrarahany fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba iantsiana Ahy. BSB BSB: And the Chaldeans who are fighting against this city will come in, set it on fire, and burn it, along with the houses of those who provoked Me to anger by burning incense to Baal on their rooftops and by pouring out drink offerings to other gods.
30 ULB Fa ny vahoakan'Israely sy ny Joda dia vahoaka izay nanao ratsy teo imasoko tokoa hatramin'ny fahatanorany. Fa efa nanafintohina Ahy tamin'ny alalan'ny fanaon'ireo tanany tokoa ny vahoakan'Israely—Izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: For the children of Israel and of Judah have done nothing but evil in My sight from their youth; indeed, they have done nothing but provoke Me to anger by the work of their hands, declares the LORD.
31 ULB Nambaran'i Yaveh fa ity tanàna ity hatramin'ny andro nanorenan'izy ireo azy dia fihantsiana ny fahatezerany sy ny fahavinirany. Dia izany ihany izy mandrak'ankehitriny. Noho izany dia hoesoriko tsy ho eo anoloan'ny tavako izany BSB BSB: For this city has aroused My wrath and fury from the day it was built until now. Therefore I will remove it from My presence
32 ULB noho ireo haratsian'ny vahoakan'Israely sy Joda, ireo zavatra nataon'izy ireo hiantsiana Ahy—izy ireo, ireo mpanjakany, andriany, mpisorony, mpaminaniny, sy ireo olona rehetra ao Joda ary ny mponin'i Jerosalema. BSB BSB: because of all the evil the children of Israel and of Judah have done to provoke Me to anger—they, their kings, their officials, their priests and prophets, the men of Judah, and the residents of Jerusalem.
33 ULB Manome lamosina Ahy izy ireo fa tsy mba ny tavany, na dia nampianatra azy ireo tamim-tsitram-po aza Aho. Niezaka nampianatra azy ireo Aho, fa tsy nisy na iray amin'izy ireo aza ka nihaino mba handray fanintsiana. BSB BSB: They have turned their backs to Me and not their faces. Though I taught them again and again, they would not listen or respond to discipline.
34 ULB Nametraka ireo sampy mahatsiravina tao an-tranoko izay nantsoina tamin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany. BSB BSB: They have placed their abominations in the house that bears My Name, and so have defiled it.
35 ULB Nanorina toerana avo ho an'i Bala tao amin'ny loasahan'i Bena Hinoma izy ireo mba handorana ireo zanany lahy sy zanany vavy ho an'i Molesa. Tsy nandidy azy ireo Aho. Tsy tao an-tsaiko mihintsy hoe hanao izany zavatra maharikoriko izany izy ireo ary dia nampanota an'i Joda. BSB BSB: They have built the high places of Baal in the Valley of Ben-hinnom to make their sons and daughters pass through the fire to Molech—something I never commanded them, nor had it ever entered My mind, that they should commit such an abomination and cause Judah to sin.
36 ULB Koa ankehitriny, Izaho, Yaveh, Andriamanitr'Israely, no milaza izao mahakasika ity tanàna ity, tanàna izay lazainareo hoe: 'Nomena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona izany tanàna izany amin'ny alalan'ny sabatra, mosary ary areti-mandringana. BSB BSB: Now therefore, about this city of which you say, ‘It will be delivered into the hand of the king of Babylon by sword and famine and plague,’ this is what the LORD, the God of Israel, says:
37 ULB Indro, hanangona azy ireo any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo tanatin'ny hatezerako, fahavinirako, ary fahatezerana lehibe Aho. Handeha hampiverina azy ireo amin'izany toerana izany Aho ary ahafahan'izy ireo miaina am-pilaminana. BSB BSB: I will surely gather My people from all the lands to which I have banished them in My furious anger and great wrath, and I will return them to this place and make them dwell in safety.
38 ULB Dia ho oloko izy ireo, ary Izaho ho Andriamaniny BSB BSB: They will be My people, and I will be their God.
39 ULB Hanome fo iray sy lalana iray mba hanomezam-boninahitra Ahy isan'andro ho azy ireo Aho ka ho tsara ho azy ireo sy ny taranany any aoriany izany. BSB BSB: I will give them one heart and one way, so that they will always fear Me for their own good and for the good of their children after them.
40 ULB Dia hanao fanekena mandrakizay miaraka amin'izy ireo Aho, izay tsy hanatsaharako ny fanaovako soa azy ireo. Hametraka ny voninahitra izay Ahy ao am-pon'izy ireo Aho, mba tsy hivadika Amiko mandrakizay izy ireo. BSB BSB: I will make an everlasting covenant with them: I will never turn away from doing good to them, and I will put My fear in their hearts, so that they will never turn away from Me.
41 ULB Dia hifaly amin'ny fanasoavako azy ireo Aho. Hampitoetra azy ireo ao amin'ity tany ity am-pahatokiana Aho amin'ny foko manontolo sy ny aiko rehetra. BSB BSB: Yes, I will rejoice in doing them good, and I will faithfully plant them in this land with all My heart and with all My soul.
42 ULB Fa Yaveh miteny izao: "Tahaka ny nitondrako izao loza rehetra izao eo amin'ireto vahoaka ireto, dia toy izany koa no hitondrako ny zava-tsoa rehetra amin'izy ireo izay nolazaiko fa ho ataoko amin'izy ireo. BSB BSB: For this is what the LORD says: Just as I have brought all this great disaster on this people, so I will bring on them all the good I have promised them.
43 ULB Ary hisy saha hovidiana amin'ity tany ity, izay lazainareo hoe: "Tany simba ity, izay tsy misy na olona na biby. Efa nomena teo an-tanan'ireo Kaldeana ity." BSB BSB: And fields will be bought in this land about which you are saying, ‘It is a desolation, without man or beast; it has been delivered into the hands of the Chaldeans.’
44 ULB Hividy saha amin'ny volafotsy izy ireo ary hanoratra amin'ny horonan-taratasy voatombo-kase. Hamory vavolombelona ao amin'ny tanin'i Benjamina izy ireo, ny manodidina an'i Jerosalema rehetra sy ireo tanànan'i Joda, any amin'ireo tanàna any amin'ny tany havoana sy ireo tany lemaka amorony, ary ao an-tanan'i Negeva. Fa hamerina ireo harenany Aho—Izany no fanambaran'i Yaveh."' BSB BSB: Fields will be purchased with silver, and deeds will be signed, sealed, and witnessed in the land of Benjamin, in the areas surrounding Jerusalem, and in the cities of Judah—the cities of the hill country, the foothills, and the Negev—because I will restore them from captivity, declares the LORD.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.