1 ULB Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tamin'ny andron'i Joiakima zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, nanao hoe: BSB BSB: This is the word that came to Jeremiah from the LORD in the days of Jehoiakim son of Josiah king of Judah:
2 ULB "Mandehana any amin'ny fianakavian'ireo Rekabita ary miresaha amin'izy ireo. Avy eo ento ho aty amin'ny tranoko izy ireo, ao amin'ny iray amin'ireo efitra ao, ary omeo divay ho sotroina izy ireo." BSB BSB: “Go to the house of the Rechabites, speak to them, and bring them to one of the chambers of the house of the LORD to offer them a drink of wine.”
3 ULB Koa nalaiko Jazania zanaka lahin'i Jeremia zanaka lahin'i Habazinia sy ireo rahalahiny, ny zanany lahy rehetra, ary ny fianakavian'ireo Rekabita. BSB BSB: So I took Jaazaniah son of Jeremiah, the son of Habazziniah, and his brothers and all his sons—the entire house of the Rechabites—
4 ULB Nentiko tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, tao amin'ny efitr'ireo zanaka lahin'i Hanana zanaka lahin'i Jigdalia, ilay lehilahin'Andriamanitra. Ireo efitra ireo dia teo anilan'ny efitr'ireo mpitarika, izay ambonin'ny efitr'i Mahaseia zanaka lahin'i Saloma, ilay mpiandry vavahady. BSB BSB: and I brought them into the house of the LORD, to a chamber occupied by the sons of Hanan son of Igdaliah, a man of God. This room was near the chamber of the officials, which was above the chamber of Maaseiah son of Shallum the doorkeeper.
5 ULB Ary napetrako teo anoloan'ireo Rekabita ireo siny sy kapoaka ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Misotroa divay." BSB BSB: Then I set pitchers full of wine and some cups before the men of the house of the Rechabites, and I said to them, “Drink some wine.”
6 ULB Saingy hoy izy ireo hoe: "Tsy hisotro divay izahay, satria ny razambenay, i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, no nandidy anay hoe: "Aza misotro divay mandrakizay, na ianareo na ny taranakareo. BSB BSB: “We do not drink wine,” they replied, “for our forefather Jonadab son of Rechab commanded us, ‘Neither you nor your descendants are ever to drink wine.
7 ULB Aza manangana trano, mamafy voa, na mamboly tanim-boaloboka ihany koa; tsy ho anareo izany. Fa ianareo dia tsy maintsy hipetraka anaty lay mandritry ny andronareo rehetra, mba hipetrahanareo ela eo amin'ilay tany izay itoeranareo toy ny vahiny.' BSB BSB: Nor are you ever to build a house or sow seed or plant a vineyard. Those things are not for you. Instead, you must live in tents all your lives, so that you may live a long time in the land where you wander.’
8 ULB Efa nankatoa ny tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, razambenay izahay, tamin'izay rehetra nandidiany anay, mba tsy hisotro divay mandritra ny androm-piainanay manontolo, izahay, ireo vadinay, ireo zanakay lahy, ary ireo zanakay vavy. BSB BSB: And we have obeyed the voice of our forefather Jonadab son of Rechab in all he commanded us. So we have not drunk wine all our lives—neither we nor our wives nor our sons and daughters.
9 ULB Tsy hanangana trano hipetrahana mihintsy izahay, ary tsy hisy tanim-boaloboka, saha, na voa ho fanananay. BSB BSB: Nor have we built houses in which to live, and we have not owned any vineyards or fields or crops.
10 ULB Efa niaina tanaty lay izahay ary efa nankatoa sy nahavita izay rehetra nandidian'i Jonabada razambenay. BSB BSB: But we have lived in tents and have obeyed and done exactly as our forefather Jonadab commanded us.
11 ULB Saingy rehefa nanafika ilay tany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay hoe: 'Avia, tsy maintsy ho any Jerosalema isika mba handositra ireo tafiky ny Kaldeana sy Syriana.' Koa nipetraka tao Jerosalema izahay." BSB BSB: So when Nebuchadnezzar king of Babylon marched into the land, we said: ‘Come, let us go into Jerusalem to escape the armies of the Chaldeans and the Arameans.’ So we have remained in Jerusalem.”
12 ULB Avy eo dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Jeremiah:
13 ULB "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Mandehana ary lazao ireo lehilahin'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema hoe: "Tsy handray fanitsiana sy hihaino ireo teniko ve ianareo? —izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: Go and tell the men of Judah and the residents of Jerusalem: ‘Will you not accept discipline and obey My words?’ declares the LORD.
14 ULB Ireo tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba izay nomeny ny zanany lahy ho didy, tsy hisotro divay, dia hita hatramin'izao andro izao. Nankatoa ny didin'ny razambeny izy ireo. Fa raha ny amiko, izaho tenako dia efa nanao fanambarana mandrakariva taminareo, saingy tsy mihaino ahy ianareo. BSB BSB: The words of Jonadab son of Rechab have been carried out. He commanded his sons not to drink wine, and they have not drunk it to this very day because they have obeyed the command of their forefather. But I have spoken to you again and again, and you have not obeyed Me!
15 ULB Naniraka ireo mpanompoko rehetra, ireo mpaminany taminareo Aho. Entitra Aho tamin'ny fandefasana azy ireo hiteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny ka hanao ny asa tsara; aoka tsy hisy hanaraka andriamanitra hafa ary hanompo azy ireo intsony. Fa miverena kosa any amin'ilay tany izay nomeko anareo sy ny razambenareo.' Na izany aza mbola tsy hihaino ahy na hifantoka amiko ianareo. BSB BSB: Again and again I have sent you all My servants the prophets, proclaiming: ‘Turn now, each of you, from your wicked ways, and correct your actions. Do not go after other gods to serve them. Live in the land that I have given to you and your fathers.’ But you have not inclined your ear or listened to Me.
16 ULB Nefa ireo taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba dia efa nintandrina ireo didin'ireo razamben'izy ireo izay nomeny azy ireo, saingy mandà ny hihaino Ahy ireo vahoaka ireo.'" BSB BSB: Yes, the sons of Jonadab son of Rechab carried out the command their forefather gave them, but these people have not listened to Me.
17 ULB Koa niteny izao Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely hoe: 'Indro, entiko eo amin'i Joda sy ny olona rehetra miaina ao Jerosalema ireo loza rehetra notononiko satria niresaka tamin'izy ireo Aho, saingy tsy nihaino izy ireo; niantso azy ireo Aho, saingy tsy namaly izy ireo.'" BSB BSB: Therefore this is what the LORD God of Hosts, the God of Israel, says: ‘Behold, I will bring to Judah and to all the residents of Jerusalem all the disaster I have pronounced against them, because I have spoken to them but they have not obeyed, and I have called to them but they have not answered.’”
18 ULB Hoy Jeremia tamin'ny taranak'ireo Rekabita hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia mialaza izao: Nihaino ireo didin'i Jonadaba razambenareo ianareo ary nitandrina azy rehetra—nankatoa izay rehetra nandidiany ho ataonareo ianareo— BSB BSB: Then Jeremiah said to the house of the Rechabites: “This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘Because you have obeyed the command of your forefather Jonadab and have kept all his commandments and have done all that he charged you to do,
19 ULB ka Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Tsy maintsy hisy olona avy amin'ny taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba hanompo Ahy mandrakariva.'" BSB BSB: this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: Jonadab son of Rechab will never fail to have a man to stand before Me.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.