1 ULB Ary i Zedekia zanaka lahin'i Josia dia nanjaka tamin'ny toeran'i Jekonia zanak'i Joiakima. Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona no nanao an'i Zedekia ho mpanjaka teo amin'ny tanin'i Joda. BSB BSB: Nebuchadnezzar king of Babylon made Zedekiah son of Josiah the king of Judah, and he reigned in place of Coniah son of Jehoiakim.
2 ULB Fa i Zedekia, ireo mpanompony, sy ny vahoakan'ny tany dia tsy nihaino ireo tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeremia mpaminany. BSB BSB: But he and his officers and the people of the land refused to obey the words that the LORD had spoken through Jeremiah the prophet.
4 ULB Ary tonga i Jeremia ary nankeo amin'ny vahoaka, satria mbola tsy natao an-tranomaizina izy. BSB BSB: Now Jeremiah was free to come and go among the people, for they had not yet put him in prison.
5 ULB Tonga avy tany Egypta ny tafik'i Farao, ary ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema dia nahare ny vaovao momba azy ireo ka niala tao Jerosalema. BSB BSB: Pharaoh’s army had left Egypt, and when the Chaldeans who were besieging Jerusalem heard the report, they withdrew from Jerusalem.
6 ULB Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny Tenin'i Yaveh, manao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Jeremiah the prophet:
7 ULB "Yaveh, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Izao no ho lazainareo amin'ny mpanjakan'i Joda, satria nandefa anareo haka hevitra Amiko Izy, 'Indro, fa efa an-dalana hiverina ho any Egypt, izay taniny ny tafik'i Farao, izay tonga hanampy anao. BSB BSB: “This is what the LORD, the God of Israel, says that you are to tell the king of Judah, who sent you to Me: Behold, Pharaoh’s army, which has marched out to help you, will go back to its own land of Egypt.
8 ULB Ary hiverina ny Kaldeana. Hiady hanohitra ity tanàna ity izy ireo, hisambotra, sy handoro izany. BSB BSB: Then the Chaldeans will return and fight against this city. They will capture it and burn it down.
9 ULB Hoy Yaveh hoe: "Aza mamitaka ny tenanareo amin'ny filazana hoe:' Efa nandao anay tokoa ireo Kaldeana,' fa tsy handao izy ireo. BSB BSB: This is what the LORD says: Do not deceive yourselves by saying, ‘The Chaldeans will go away for good,’ for they will not!
10 ULB Na dia efa naharesy ireo tafiky ny Kaldeana manontolo izay niady taminareo aza ianareo mba ho ireo lehilahiny maratra ihany no havela ao amin'ireo lainy, fa hiarina izy ireo ary handoro ity tanàna ity." BSB BSB: Indeed, if you were to strike down the entire army of the Chaldeans that is fighting against you, and only wounded men remained in their tents, they would still get up and burn this city down.”
11 ULB Ka tamin'ny nandaozan'ny tafikin'ny Kaldeana an'i Jerosalema no nahatongavan'ny tafik'i Farao, BSB BSB: When the Chaldean army withdrew from Jerusalem for fear of Pharaoh’s army,
12 ULB dia nivoaka tao Jerosalema i Jeremia mba ho any amin'ny tanin'i Benjamina. Fa nikasa ny haka ny ampahany amin'ilay tany teo amin'ny vahoakany tao izy. BSB BSB: Jeremiah started to leave Jerusalem to go to the land of Benjamin to claim his portion there among the people.
13 ULB Raha teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina izy, dia teo ny lehiben'ny mpiambina. Jiria zanak'i Selemia zanak'i Hanania no anarany. Nihazona an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: "Mandositra ireo Kaldeana ianao." BSB BSB: But when he reached the Gate of Benjamin, the captain of the guard, whose name was Irijah son of Shelemiah, the son of Hananiah, seized him and said, “You are deserting to the Chaldeans!”
14 ULB Nefa hoy Jeremia: "Tsy marina izany. Tsy mandositra ireo Kaldeana aho." Fa tsy nihaino azy i Jiria. Nalainy i Jeremia ary nentiny teo amin'ireo manam-pahefana. BSB BSB: “That is a lie,” Jeremiah replied. “I am not deserting to the Chaldeans!” But Irijah would not listen to him; instead, he arrested Jeremiah and took him to the officials.
15 ULB Tezitra tamin'i Jeremia ireo manam-pahefana. Novelesin'izy ireo izy ary nampidiriny tao an-tranomaizina, izay tranon'i Jonatana mpanora-dalàna, satria navadik'izy ireo ho tranomaizina izany. BSB BSB: The officials were angry with Jeremiah, and they beat him and placed him in jail in the house of Jonathan the scribe, for it had been made into a prison.
16 ULB Ka natao tao amin'efitra ambanin'ny tany i Jeremia, izay nijanonany andro maromaro. BSB BSB: So Jeremiah went into a cell in the dungeon and remained there a long time.
17 ULB Ary nandefa olona hitondra azy ao an-dapa i Zedekia mpanjaka. Nanontany azy mangingina ny mpanjaka tao an-tranony hoe: "Misy teny avy amin'i Yaveh ve?" Namaly i Jeremia hoe: "Misy teny: ho atolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Babilona ianao." BSB BSB: Later, King Zedekiah sent for Jeremiah and received him in his palace, where he asked him privately, “Is there a word from the LORD?” “There is,” Jeremiah replied. “You will be delivered into the hand of the king of Babylon.”
18 ULB Dia hoy i Jeremia tamin'i Zedekia Mpanjaka: "Ahoana no nanotako taminao, ireo mpanomponao, na ity vahoaka ity ka dia nametrahanao ahy tany an-tranomaizina? BSB BSB: Then Jeremiah asked King Zedekiah, “How have I sinned against you or your servants or these people, that you have put me in prison?
19 ULB Aiza ireo mpaminaninareo, ireo izay naminany ho anao sy nilaza fa tsy ho avy hanohitra anao na ity tany ity ny mpanjakan'i Babilona? BSB BSB: Where are your prophets who prophesied to you, claiming, ‘The king of Babylon will not come against you or this land’?
20 ULB Fa ankehitriny mihainoa, ry mpanjaka tompoko! Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitalahoako. Aza averina any an-tranon'i Jonatana mpanora-dalàna aho, fa ho faty any aho." BSB BSB: But now please listen, O my lord the king. May my petition come before you. Do not send me back to the house of Jonathan the scribe, or I will die there.”
21 ULB Ka nanome baiko i Zedekia Mpanjaka. Notanan'ireo mpanompony teo amin'ny kianjan'ny mpiambina i Jeremia. Nomena mofo isan'andro avy eo amin'ny lalan'ireo mpanao mofo izy, mandra-pahalanin'ny mofo rehetra teo an-tanàna. Ka dia nitoetra teo an-kianjan'ny mpiambina i Jeremia. BSB BSB: So King Zedekiah gave orders for Jeremiah to be placed in the courtyard of the guard and given a loaf of bread daily from the street of the bakers, until all the bread in the city was gone. So Jeremiah remained in the courtyard of the guard.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.