2 ULB "Yaveh nilaza izao: Izay rehetra mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana. Fa izay rehetra mandeha mankany amin'ireo Kaldeana dia ho velona. Hanavotra ny ainy izy, ary ho velona. BSB BSB: “This is what the LORD says: Whoever stays in this city will die by sword and famine and plague, but whoever surrenders to the Chaldeans will live; he will retain his life like a spoil of war, and he will live.
3 ULB Izao no lazain'Yaveh: Ity tanàna ity dia ho atolotra eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary hisambotra izany izy." BSB BSB: This is what the LORD says: This city will surely be delivered into the hands of the army of the king of Babylon, and he will capture it.”
4 ULB Koa hoy ireo manam-pahefana tamin'ny mpanjaka: "Aoka ho faty ity lehilahy ity, fa tamin'izany fomba izany no nanalefahany ny tanan'ireo lehilahy mpiady tavela ato amin'ity tanàna ity, ary ny tanan'ny vahoaka rehetra. Manambara ireto teny ireto izy, fa tsy niasa hiaro ny vahoakany ity lehilahy ity, fa ho an'ny loza." BSB BSB: Then the officials said to the king, “This man ought to die, for he is discouraging the warriors who remain in this city, as well as all the people, by speaking such words to them; this man is not seeking the well-being of these people, but their ruin.”
5 ULB Ka hoy i Zedekia Mpanjaka: "Indro, eo an-tananao izy satria tsy misy mpanjaka afaka manohitra anao." BSB BSB: “Here he is,” replied King Zedekiah. “He is in your hands, since the king can do nothing to stop you.”
6 ULB Ary nalain'izy ireo i Jeremia ka natsipiny tao amin'ny famorian-dranon'i Malkia, zanaky lahin'ny mpanjaka. Tao ankianjan'ny mpiambina ilay famorian-drano. Nampidinin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin'ny famorian-drano, fa namotaka izany, ka niletika tao amin'ny fotaka izy. BSB BSB: So they took Jeremiah and dropped him into the cistern of Malchiah, the king’s son, which was in the courtyard of the guard. They lowered Jeremiah with ropes into the cistern, which had no water but only mud, and Jeremiah sank down into the mud.
7 ULB Ary Ebeda-Meleka Kosita dia iray tamin'ireo tandapa tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. Henony fa nataon'izy ireo tao anaty famorian-drano i Jeremia. Ary nipetraka teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina ny mpanjaka. BSB BSB: Now Ebed-melech the Cushite, a court official in the royal palace, heard that Jeremiah had been put into the cistern. While the king was sitting at the Gate of Benjamin,
8 ULB Koa nandeha avy tao amin'ny tranon'ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ary niresaka taminy. Hoy izy: BSB BSB: Ebed-melech went out from the king’s palace and said to the king,
9 ULB "Ry mpanjaka tompoko, ireto lehilahy ireto dia efa nanao ratsy tamin'ny fomba nitondrany an'i Jeremia mpaminany. Natsipin'izy ireo tao anaty famorian-drano izy mba ho fatin'ny hanoanana ao, satria tsy misy sakafo intsony ao amin'ny tanàna." BSB BSB: “My lord the king, these men have acted wickedly in all that they have done to Jeremiah the prophet. They have dropped him into the cistern, where he will starve to death, for there is no more bread in the city.”
10 ULB Dia nanome baiko an'i Ebeda-Meleka Etiopiana ny mpanjaka. Hoy izy: "Mitondrà lehilahy telopolo avy eto ary avohay avy tao amin'ny famorian-drano i Jeremia alohan'ny hahafatesany." BSB BSB: So the king commanded Ebed-melech the Cushite, “Take thirty men from here with you and pull Jeremiah the prophet out of the cistern before he dies.”
11 ULB Koa nitondra ireo lehilahy ireo izy ary nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka, tany amin'ny trano fitehirizana akanjo tao ambanin'ny trano. Tao izy no naka lamba rovitra sy vorodamba ary nampidina azy ireo tamin'ny tady nankao amin'i Jeremia tao amin'ny famorian-drano. BSB BSB: Then Ebed-melech took the men with him and went to the king’s palace, to a place below the storehouse. From there he took old rags and worn-out clothes and lowered them with ropes to Jeremiah in the cistern.
12 ULB Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia: "Ataovy eo ambanin'ny sandrinao sy eo amin'ny lohan'ny tady ny lamba rovitra sy ny vordamba." Ka nataon'i Jeremia izany. BSB BSB: Ebed-melech the Cushite cried out to Jeremiah, “Put these worn-out rags and clothes under your arms to pad the ropes.” Jeremiah did so,
13 ULB Dia nosintomin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Izany no fomba namoahan'izy ireo azy tao amin'ny famorian-drano. Ka nijanona teo teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia. BSB BSB: and they pulled him up with the ropes and lifted him out of the cistern. And Jeremiah remained in the courtyard of the guard.
14 ULB Nandefa teny i Zedekia Mpanjaka ary nitondra an'i Jeremia mpaminany nankany aminy, ho any amin'ny fidirana fahatelo ao amin'ny tranon'i Yaveh. Hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: "Te hanontany zavatra anao aho. Aza afenina ahy ny valiny." BSB BSB: Then King Zedekiah sent for Jeremiah the prophet and received him at the third entrance to the house of the LORD. “I am going to ask you something,” said the king to Jeremiah. “Do not hide anything from me.”
15 ULB Hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Raha mamaly anao aho, dia tsy hamono ahy tokoa ve ianao? Kanefa raha manome torohevitra anao aho, dia tsy hihaino ahy ianao." BSB BSB: “If I tell you,” Jeremiah replied, “you will surely put me to death. And even if I give you advice, you will not listen to me.”
16 ULB Saingy nianiana manokana tamin'i Jeremia ny mpanjaka ary niteny hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nahary antsika, dia tsy hamono anao aho na hanolotra anao eo an-tanan'ireo lehilahy izay mifofo ny ainao ireo." BSB BSB: But King Zedekiah swore secretly to Jeremiah, “As surely as the LORD lives, who has given us this life, I will not kill you, nor will I deliver you into the hands of these men who are seeking your life.”
17 ULB Ka hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely nilaza izao: "Raha miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao dia ho velona, ary tsy ho may ity tanàna ity. Ho velona ianao sy ny ankohonanao. BSB BSB: Then Jeremiah said to Zedekiah, “This is what the LORD God of Hosts, the God of Israel, says: ‘If you indeed surrender to the officers of the king of Babylon, then you will live, this city will not be burned down, and you and your household will survive.
18 ULB Fa raha tsy miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, dia ho atolotra eo an-tanan'ireo Kaldeana ity tanàna ity. Ho doran'izy ireo izany, ary tsy ho afa-mandositra eo an-tanan'izy ireo ianao." BSB BSB: But if you do not surrender to the officers of the king of Babylon, then this city will be delivered into the hands of the Chaldeans. They will burn it down, and you yourself will not escape their grasp.’”
19 ULB Hoy i Zedekia Mpanjaka tamin'i Jeremia: "Kanefa matahotra ny vahoakan'i Joda izay nitsoaka nankany amin'ireo Kaldeana aho, satria mety ho atolotra eo an-tanan'izy ireo aho mba ho viravirain'izy ireo." BSB BSB: But King Zedekiah said to Jeremiah, “I am afraid of the Jews who have deserted to the Chaldeans, for the Chaldeans may deliver me into their hands to abuse me.”
20 ULB Hoy i Jeremia: "Izy ireo dia tsy hanolotra anao eo amin'izy ireo. Ankatoavy ny hafatr'i Yaveh izay lazaiko anao, mba handeha tsara ny zava-drehetra ho anao, ary mba ho velona ianao. BSB BSB: “They will not hand you over,” Jeremiah replied. “Obey the voice of the LORD in what I am telling you, that it may go well with you and you may live.
21 ULB Fa raha mandà ny hiala ianao, dia izao no efa nasehon'i Yaveh tamiko. BSB BSB: But if you refuse to surrender, this is the word that the LORD has shown me:
22 ULB Indro! Ny vehivavy rehetra izay tavela ao an-tranonao, ry mpanjakan'i Joda, dia ho entina hiala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona. Hiteny aminao ireo vehivavy ireo hoe: 'Voafitak'ireo namanao ianao; efa nanimba anao izy ireo. Ankehitriny dia milentika anaty fotaka ny tongotrao, ary ireo namanao dia hitsoak.' BSB BSB: All the women who remain in the palace of the king of Judah will be brought out to the officials of the king of Babylon, and those women will say: ‘They misled you and overcame you—those trusted friends of yours. Your feet sank into the mire, and they deserted you.’
23 ULB Fa ho entina hiala eo amin'ireo Kaldeana ny vady aman-janakao rehetra, ary ny tenanao dia tsy ho afaka hitsoaka eny an-tanan'izy ireo. Ho voasambotry ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, ary ity tanàna ity dia ho may." BSB BSB: All your wives and children will be brought out to the Chaldeans. And you yourself will not escape their grasp, for you will be seized by the king of Babylon, and this city will be burned down.”
24 ULB Dia hoy i Zedekia tamin'i Jeremia: "Aza ampahafantarina an'iza na iza ny mahakasika ireo teny ireo, mba tsy ho faty ianao." BSB BSB: Then Zedekiah warned Jeremiah, “Do not let anyone know about this conversation, or you will die.
25 ULB Raha henon'ny manam-pahefana fa niresaka taminao aho, ary raha tonga izy ireo ka milaza aminao hoe: 'Lazao aminay izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, ary aza afenina anay izany, raha tsy izany dia ho vonoinay ianao', BSB BSB: If the officials hear that I have spoken with you, and they come and demand of you, ‘Tell us what you said to the king and what he said to you; do not hide it from us, or we will kill you,’
26 ULB dia tsy maintsy hiteny azy ireo ianao hoe: 'Nanao fangatahana teo anatrehan'ny mpanjaka aho mba tsy hamerenany ahy any an-tranon'i Jonatana ka ho faty any."' BSB BSB: then tell them, ‘I was presenting to the king my petition that he not return me to the house of Jonathan to die there.’”
27 ULB Dia tonga teo amin'i Jeremia ireo manam-pahefana rehetra ary nanontany azy, ka namaly azy ireo araka izay natoron'ny mpanjaka azy izy. Ka nijanona niresaka taminy izy ireo, satria tsy nahare ny resak'i Jeremia sy ny mpanjaka. BSB BSB: When all the officials came to Jeremiah and questioned him, he relayed to them the exact words the king had commanded him to say. So they said no more to him, for no one had overheard the conversation.
28 ULB Noho izany dia nijanona teo ankianjan'ny mpiambina i Jeremia nandra-pahatongan'ny andro nisamborana an'i Jerosalema. BSB BSB: And Jeremiah remained in the courtyard of the guard until the day Jerusalem was captured.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.