1 ULB Tamin'ny taona fahasivy sy volana fahafolo nanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, dia tonga niaraka tamin'ny tafiny rehetra i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona hanohitra an'i Jerosalema ka hanao fahirano izany. BSB BSB: In the ninth year of Zedekiah king of Judah, in the tenth month, Nebuchadnezzar king of Babylon marched against Jerusalem with his entire army and laid siege to the city.
2 ULB Tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo sy volana fahefatra nanjakan'i Zedekia, tamin'ny andro fahasivin'ny volana, dia voatafika ny tanàna. BSB BSB: And on the ninth day of the fourth month of Zedekiah’s eleventh year, the city was breached.
4 ULB Ary rehefa nahita azy ireo Zedekia, mpanjakan'i Joda, sy ireo lehilahy mpiadiny rehetra, dia nandositra. Nivoaka ny tanàna avy teo amin'ny lalan-kelin'ny zaridaina izy ireo ny alina, teo amin'ny vavahady anelanelan'ireo manda roa. Nivoaka nizotra nankany Araba ny mpanjaka. BSB BSB: When Zedekiah king of Judah and all the soldiers saw them, they fled. They left the city at night by way of the king’s garden, through the gate between the two walls, and they went out along the route to the Arabah.
5 ULB Saingy nanenjika azy ireo ny tafika Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia teo amin'ny lemaky ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana teo akaikin'i Jeriko. Dia nosamborin'izy ireo izy ka nentiny niakatra tany amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tany amin'ny tanin'i Hamata, izay nanomezan'i Nebokadnezara sazy azy. BSB BSB: But the army of the Chaldeans pursued them and overtook Zedekiah in the plains of Jericho. They seized him and brought him up to Nebuchadnezzar king of Babylon at Riblah in the land of Hamath, where he pronounced judgment on him.
6 ULB Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla teo imasony mihitsy ireo zanaka lahin'i Zedekia. Novonoiny ihany koa ireo olona ambonin'i Joda rehetra. BSB BSB: There at Riblah the king of Babylon slaughtered the sons of Zedekiah before his eyes, and he also killed all the nobles of Judah.
7 ULB Dia noloarany ny mason'i Zedekia ary nofatorany gadra varahina mba hitondrany azy any Babylona. BSB BSB: Then he put out Zedekiah’s eyes and bound him with bronze chains to take him to Babylon.
9 ULB Nebozaradana, mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka, nanao an-tsesintany ny vahoaka sisa izay tavela tao an-tanàna. Tao anatin'izany ireo olona izay vaky nankany amin'ireo Kaldeana sy ny vahoaka sisa izay tavela tao an-tanàna. BSB BSB: Then Nebuzaradan captain of the guard carried away to Babylon the remnant of the people who had remained in the city, along with the deserters who had defected to him.
10 ULB Fa navelan'i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka hijanona ao amin'ny tanin'i Joda kosa ireo olona mahantra indrindra tsy nanana na inona na inona ho azy ireo. Nomeny tanim-boaloboka sy saha tamin'io andro io ihany izy ireo. BSB BSB: But Nebuzaradan left behind in the land of Judah some of the poor people who had no property, and at that time he gave them vineyards and fields.
11 ULB Nanome baiko momba an'i Jeremia tamin'i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hoy izy hoe: BSB BSB: Now Nebuchadnezzar king of Babylon had given orders about Jeremiah through Nebuzaradan captain of the guard, saying,
12 ULB "Ento izy ary karakarao. Aza manisy ratsy azy. Ataovy aminy izay rehetra lazainy aminao." BSB BSB: “Take him, look after him, and do not let any harm come to him; do for him whatever he says.”
13 ULB Koa nandefa olona i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka, Nebosazbana ionoka ambony, Negarala-Sarezera manam-pahefana ambony, ary ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'ny Babylona ambony indrindra. BSB BSB: So Nebuzaradan captain of the guard, Nebushazban the Rabsaris, Nergal-sharezer the Rabmag, and all the captains of the king of Babylon
14 ULB Nentin'ireo lehilahiny niala avy teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia ary nankinin'izy ireo tamin'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Safana, mba hitondra azy hody, koa dia nitoetra teo amin'ny vahoaka i Jeremia. BSB BSB: had Jeremiah brought from the courtyard of the guard, and they turned him over to Gedaliah son of Ahikam, the son of Shaphan, to take him home. So Jeremiah remained among his own people.
15 ULB Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh teo am-pisamborana azy teo an-tokotanin'ny mpiambina, nanao hoe: BSB BSB: And while Jeremiah had been confined in the courtyard of the guard, the word of the LORD had come to him:
16 ULB "Miresaha amin'i Ebeda-Meleka Kosita ary ataovy hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: Indro, efa hanatanteraka ny teniko nanohitra ity tanàna ity ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Fa ho tanteraka eo anoloanareo avokoa ireo amin'izany andro izany. BSB BSB: “Go and tell Ebed-melech the Cushite that this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘I am about to fulfill My words against this city for harm and not for good, and on that day they will be fulfilled before your eyes.
17 ULB Fa hamonjy anao Aho amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy ho atolotra eo an-tanan'ny olona izay atahoranao ianao. BSB BSB: But I will deliver you on that day, declares the LORD, and you will not be delivered into the hands of the men whom you fear.
18 ULB Fa hanavotra anao tokoa Aho. Tsy ho lavon-tsabatra ianao. Hanavotra ny ainao ianao, satria matoky Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh."' BSB BSB: For I will surely rescue you so that you do not fall by the sword. Because you have trusted in Me, you will escape with your life like a spoil of war, declares the LORD.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.