1 ULB Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy tamin'i Yaveh taorian'ny nanafahan'i Nebozaradana ilay mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka azy tany Rama. Nahita an'i Jeremia nifatotra rojo teo amin'ireo babon'i Jerosalema rehetra sy Joda izay nentina natao sesitany tany Babylona. BSB BSB: This is the word that came to Jeremiah from the LORD after Nebuzaradan captain of the guard had released him at Ramah, having found him bound in chains among all the captives of Jerusalem and Judah who were being exiled to Babylon.
2 ULB Ny lehiben'ny mpiambina naka an'i Jeremia ary nanao taminy hoe: "Nandidy izao loza izao ho an'ity toerana ity i Yaveh Andriamanitrao. BSB BSB: The captain of the guard found Jeremiah and said to him, “The LORD your God decreed this disaster on this place,
3 ULB Koa nanatanteraka izany i Yaveh. Nanao araka izay nambarany Izy, satria ianareo ry vahoaka dia nanota taminy ary tsy nankatò ny feony. Izany no antom-pisian'izao zavatra izao aminareo ry vahoaka. BSB BSB: and now the LORD has fulfilled it; He has done just as He said. Because you people have sinned against the LORD and have not obeyed His voice, this thing has happened to you.
4 ULB Fa indro ankehitriny, manafaka anao amin'ny rojo izay eny an-tananao aho anio. Raha sitrakao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia andao, ary hikarakara anao aho. Fa raha tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia aza atao izany. Jereo ny tany rehetra manoloana anao. Ka mandehana amin'izay tsara izay mety eo imasona." BSB BSB: But now, behold, I am freeing you today from the chains that were on your wrists. If it pleases you to come with me to Babylon, then come, and I will take care of you. But if it seems wrong to you to come with me to Babylon, go no farther. Look, the whole land is before you. Wherever it seems good and right to you, go there.”
5 ULB Rehefa tsy namaly Jeremia, dia hoy Nebozaradana hoe: "Mandehana any amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana, izay nampiandraiketin'ny mpanjakan'i Babylona ny tanànan'i Joda. Miaraha mipetraka aminy eo amin'ireo vahoaka na mandehana any amin'izay sitrakao andehanana." Nanome sakafo sy fanomezana ho azy ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, ary avy eo dia nandefa azy. BSB BSB: But before Jeremiah turned to go, Nebuzaradan added, “Return to Gedaliah son of Ahikam, the son of Shaphan, whom the king of Babylon has appointed over the cities of Judah, and stay with him among the people, or go anywhere else that seems right.” Then the captain of the guard gave him a ration and a gift and released him.
6 ULB Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, tany Mizpa i Jeremia. Niara-nipetraka taminy teo amin'ireo vahoaka izay sisa velona tamin'ilay tany izy. BSB BSB: So Jeremiah went to Gedaliah son of Ahikam at Mizpah and stayed with him among the people who were left in the land.
7 ULB Ary raha mbola tany ambanivohitra ny mpifehin'ireo miaramila Jodeana—izy ireo sy ireo olony—dia nahare fa efa nanao an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, ho governoran'ny tany ny mpanjakan'i Babylona. Ren'izy ireo ihany koa fa efa nampiandraiketiny azy ireo lehilahy, ireo vehivavy, ary ireo zaza izay olona mahantra indrindra teo amin'ilay tany, ireo izay tsy natao sesitany tany Babylona. BSB BSB: When all the commanders and men of the armies in the field heard that the king of Babylon had appointed Gedaliah son of Ahikam over the land and that he had put him in charge of the men, women, and children who were the poorest of the land and had not been exiled to Babylon,
8 ULB Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireo lehilahy ireo dia Ismaela zanaka lahin'i Netania; Johanana sy Jonatana, zanaka lahin'i Karea; Seraia zanaka lahin'i Tanometa; ireo zanaka lahin'i Efay Neofatita; ary Jazania zanaka lahin'ilay Makatita_izy ireo sy ny olony. BSB BSB: they came to Gedaliah at Mizpah—Ishmael son of Nethaniah, Johanan and Jonathan the sons of Kareah, Seraiah son of Tanhumeth, the sons of Ephai the Netophathite, and Jezaniah son of the Maacathite—they and their men.
9 ULB Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia nanao fianianana tamin'izy ireo sy ny olony ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ny hanompo ny manam-pahefan'ny Kaldeana. Mitoera eo amin'ilay tany ka tompoy ny mpanjakan'i Babylona, ary hahita soa ianareo. BSB BSB: Gedaliah son of Ahikam, the son of Shaphan, swore an oath to them and their men, assuring them, “Do not be afraid to serve the Chaldeans. Live in the land and serve the king of Babylon, and it will go well with you.
10 ULB Indro, honina any Mizpa aho mba hihaona amin'ireo Kaldeana izay tonga teto amintsika. Koa mamokara divay, voka-pahavaratra, sy diloilo ary tehirizo ao amin'ny fitehirizanareo ireo. Mitoera amin'ny tanàna izay efa nisy anareo." BSB BSB: As for me, I will stay in Mizpah to represent you before the Chaldeans who come to us. As for you, gather wine grapes, summer fruit, and oil, place them in your storage jars, and live in the cities you have taken.”
11 ULB Ary ny Jiodeana rehetra tany Moaba, teo amin'ireo vahoakan'i Amona, sy ny tao Edoma, ary izay tao amin'ny tany rehetra dia nandre fa namela ny Joda sisa tavela hijanona ny mpanjakan'i Babylona, izay nanendreny an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana teo amin'izy ireo. BSB BSB: When all the Jews in Moab, Ammon, Edom, and all the other lands heard that the king of Babylon had left a remnant in Judah and had appointed Gedaliah son of Ahikam, the son of Shaphan, over them,
12 ULB Koa dia niverina avy tany amin'ny toerana izay nanaparitahany avy ny Jodeana rehetra, ho any Gedalia tany Mizpa. Namokatra divay sy voka-pahavaratra maro dia maro izy ireo. BSB BSB: they all returned from all the places to which they had been banished and came to the land of Judah, to Gedaliah at Mizpah. And they gathered an abundance of wine grapes and summer fruit.
13 ULB Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo mpifehy tafika rehetra tany an-tsaha tonga tao amin'i Gedalia tany Mizpa. BSB BSB: Meanwhile, Johanan son of Kareah and all the commanders of the armies in the field came to Gedaliah at Mizpah
14 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Moa fantatrao ve fa i Balisa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona no nandefa an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania mba hamono anao?" Kanefa i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama tsy nino azy ireo. BSB BSB: and said to him, “Are you aware that Baalis king of the Ammonites has sent Ishmael son of Nethaniah to take your life?” But Gedaliah son of Ahikam did not believe them.
15 ULB Koa dia niteny mangina tamin'i Gedalia i Johanana zanaka lahin'i Karea ary nanao taminy hoe: "Mamelà ahy handeha hamono an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania. Tsy hisy hiahiahy ahy. Nahoana izy no hamono anao? Nahoana no navela hiparitaka ny Joda rehetra izay efa niangona teo aminao ary ireo sisa tavela tao Joda rehetra ho rava?" BSB BSB: Then Johanan son of Kareah spoke privately to Gedaliah at Mizpah. “Let me go and kill Ishmael son of Nethaniah,” he said. “No one will know it. Why should he take your life and scatter all the people of Judah who have gathered to you, so that the remnant of Judah would perish?”
16 ULB Fa Gedalia zanaka lahin'i Ahikama niteny tamin'i Johanana zanaka lahin'i Karea hoe: "Aza manao izany zavatra izany, fa miampanga lainga momba an'i Ismaela ianao." BSB BSB: But Gedaliah son of Ahikam said to Johanan son of Kareah, “Do not do such a thing! What you are saying about Ishmael is a lie.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.