1 ULB "Raha miverina ianao, ry Israely— izao no fanambaran'i Yaveh—dia Amiko no tokony hiverenanao. Raha hesorinao tsy ho eo anoloako ireo zavatra maharikorikonao ary tsy hiala eo amiko indray ianao, BSB BSB: “If you will return, O Israel, return to Me,” declares the LORD. “If you will remove your detestable idols from My sight and no longer waver,
2 ULB dia aoka ianao ho feno fahamarinana, hahitsy, ary ho marina rehefa mianiana hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh.' Dia ho sambatra ao aminy ireo firenena, ary ao aminy no hanomezan'izy ireo voninahitra." BSB BSB: and if you can swear, ‘As surely as the LORD lives,’ in truth, in justice, and in righteousness, then the nations will be blessed by Him, and in Him they will glory.”
3 ULB Fa izao no lazain'i Yaveh amin'ny olona tsirairay tao Joda sy Jerosalema: 'Ny taninao ihany no hasao, ary aza mamafy eny amin'ny tsilo. BSB BSB: For this is what the LORD says to the men of Judah and Jerusalem: “Break up your unplowed ground, and do not sow among the thorns.
4 ULB Forao ho an'i Yaveh ny tenanareo ary esory ny hoditra manarona ny fonareo, ry lehilahin'i Joda sy mponin'i Jerosalema, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy misy hamono azy, nohon'ny faharatsian'ny asanareo. BSB BSB: Circumcise yourselves to the LORD, and remove the foreskins of your hearts, O men of Judah and people of Jerusalem. Otherwise, My wrath will break out like fire and burn with no one to extinguish it, because of your evil deeds.”
5 ULB Tantero any Joda ary aoka izany ho re ao Jerosalema. Lazao hoe: "Tsofy eo amin'ny tany ny trompetra." Torio hoe: "Miangòna. Andeha isika hankany amin'ireo tanàna voaaro." BSB BSB: Announce in Judah, proclaim in Jerusalem, and say: “Blow the ram’s horn throughout the land. Cry aloud and say, ‘Assemble yourselves and let us flee to the fortified cities.’
6 ULB Asandrato ny saina famantarana ary ataovy manondro an'i Ziona izany, ary mitsoaha hitady fiarovana! Aza mijanona, satria hitondra loza avy any avaratra Aho ary fandrodanana lehibe. BSB BSB: Raise a signal flag toward Zion. Seek refuge! Do not delay! For I am bringing disaster from the north, and terrible destruction.
7 ULB Misy liona hivoaka avy ao an-kirihiny ary efa miainga ny olona izay handringana ny firenena. Mandao ny toerany izy mba hitondra horohoro eo amin'ny taninao, hamadika ireo tanànanareo ho faharavana, izay tsy hisy honina. BSB BSB: A lion has gone up from his thicket, and a destroyer of nations has set out. He has left his lair to lay waste your land. Your cities will be reduced to ruins and lie uninhabited.
8 ULB Noho izany, rakofy lamba fisaonana ny tenanao, mitomania ary midradradradrà. Fa tsy niala tamintsika ny herin'ny fahatezeran'i Yaveh. BSB BSB: So put on sackcloth, mourn and wail, for the fierce anger of the LORD has not turned away from us.”
9 ULB Ary hitranga izany amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh—dia ho ketraka ny fon'ny mpanjaka sy ireo mpifehiny. Hihoron-koditra ireo mpisorona, ary hivarahontsana ireo mpaminany."' BSB BSB: “In that day,” declares the LORD, “the king and officials will lose their courage. The priests will tremble in fear, and the prophets will be astounded.”
10 ULB Koa hoy aho hoe: "Oh! Ry Tompo Yaveh. Namitaka ity vahoaka ity sy Jerosalema tokoa Ianao tamin'ny filazana hoe: 'Hisy fiadanana ho anareo.' Kanefa ny sabatra dia mamely ny ain'izy ireo." BSB BSB: Then I said, “Ah, Lord GOD, how completely You have deceived this people and Jerusalem by saying, ‘You will have peace,’ while a sword is at our throats.”
11 ULB Amin'izany fotoana izany dia ho lazaina amin'ity vahoaka ity hoe: "Hisy rivotra mandoro avy any amin'ny lemak'ireo efitra hanao ny lalany ho any amin'ny zanaka vavin'ny oloko. Tsy hikororoka na hanadio azy ireo izany. BSB BSB: At that time it will be said to this people and to Jerusalem, “A searing wind from the barren heights in the desert blows toward the daughter of My people, but not to winnow or to sift;
12 ULB Hisy rivotra mahery lavitra noho izany ho avy amin'ny fibaikoako, ary hanome sazy azy ireo Aho. BSB BSB: a wind too strong for that comes from Me. Now I also pronounce judgments against them.”
13 ULB Indro, mamely tahaka ny rahona izy, ary tahaka ny tafiotra ny kalesiny. Haingan-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika, fa ho rava isika! BSB BSB: Behold, he advances like the clouds, his chariots like the whirlwind. His horses are swifter than eagles. Woe to us, for we are ruined!
14 ULB Diovy hiala amin'ny faharatsiana ny fonao ry Jerosalema mba ho avotra ianao. Ho Mandra-pahoviana ny fihevitrao lalina indrindra no ho amin'ny fahotana? BSB BSB: Wash the evil from your heart, O Jerusalem, so that you may be saved. How long will you harbor wicked thoughts within you?
15 ULB Fa nisy feo nitondra vaovao avy any Dana, ary ny loza ho avy dia re avy any an-tendrombohitr'i Efraima. BSB BSB: For a voice resounds from Dan, proclaiming disaster from the hills of Ephraim.
16 ULB Ataovy sainin'ny firenena izao: Indro, ambarao amin'i Jerosalema fa misy mpanao fahirano ho avy avy any an-tany lavitra mba hihiaka ady amin'ny tanànan'i Joda. BSB BSB: Warn the nations now! Proclaim to Jerusalem: “A besieging army comes from a distant land; they raise their voices against the cities of Judah.
17 ULB Ho tahaka ireo mpiambina manodidina ny saha fambolena izy ireo hanohitra azy, satria efa nikomy nanohitra Ahy izy—izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: They surround her like men guarding a field, because she has rebelled against Me,” declares the LORD.
18 ULB ary ny fitondran-tenanareo sy ny asanareo dia nahatonga ireo zavatra ireo taminareo. Izany no ho famaizana anareo. Hatsiravina tokoa izany! Handona ny fonareo mihitsy izany. BSB BSB: “Your ways and deeds have brought this upon you. This is your punishment; how bitter it is, because it pierces to the heart!”
19 ULB Ry foko! Ry foko! Mitaintaina ny ao am-poko. Mangorohoro ato anatiko ny foko. Tsy afa-mangina aho satria reko ny feon'anjomara, fanairana ho amin'ny ady. BSB BSB: My anguish, my anguish! I writhe in pain! Oh, the pain in my chest! My heart pounds within me; I cannot be silent. For I have heard the sound of the horn, the alarm of battle.
20 ULB Ny loza omban'ny loza; fa mitoetra amin'y faharavana ny tany manontolo. Tampoka teo dia rava ny laiko, sy ny lambako tao anatin'ny fotoana fohy. BSB BSB: Disaster after disaster is proclaimed, for the whole land is laid waste. My tents are destroyed in an instant, my curtains in a moment.
21 ULB Ho mandra-pahoviana no ahitako ny zavatra mitovy amin'izany? No hahenoko ny feon'anjomara? BSB BSB: How long must I see the signal flag and hear the sound of the horn?
22 ULB Fa ny fahadalan'ny oloko—tsy mahalala Ahy izy ireo. Vahoaka adaladala izy ireo ary tsy manana fahazavan-tsaina. Kinga amin'ny ratsy izy ireo, saingy tsy mahay manao ny tsara. BSB BSB: “For My people are fools; they have not known Me. They are foolish children, without understanding. They are skilled in doing evil, but they know not how to do good.”
23 ULB Hitako ilay tany. Indro! Tsy nisy endriny sady foana izany. Fa tsy nisy fahazavana ho an'ny lanitra teo. BSB BSB: I looked at the earth, and it was formless and void; I looked to the heavens, and they had no light.
24 ULB Nitazana ny tendrombohitra Aho. Indro, nangovingovitra ireo, ary ny havoana dia nihovitrovitr. BSB BSB: I looked at the mountains, and behold, they were quaking; all the hills were swaying.
25 ULB Nijery aho. Indro, tsy nisy na iza na iza, ary ny voron'ny lanitra rehetra dia nandositra avokoa. BSB BSB: I looked, and no man was left; all the birds of the air had fled.
26 ULB Nijery aho. Indro, tany efitra ny tanim-boly ary ny tanàna dia voasintona nidina teo anatrehan'i Yaveh, teo anatrehan'ny fisafoaky ny fahatezerany." BSB BSB: I looked, and the fruitful land was a desert. All its cities were torn down before the LORD, before His fierce anger.
27 ULB Izao no lazain'i Yaveh: "Ho tonga faharavana avokoa ny tany manontolo, saingy tsy ho potehiko tanteraka izany. BSB BSB: For this is what the LORD says: “The whole land will be desolate, but I will not finish its destruction.
28 ULB Noho izany antony izany, dia hisaona ny tany, ary ny lanitra any ambony dia hihamaizina. Fa efa nambarako ny fikasako; tsy hihemotra Aho; tsy hivadika amin'ny fanatanterahana azy ireo Aho. BSB BSB: Therefore the earth will mourn and the heavens above will grow dark. I have spoken, I have planned, and I will not relent or turn back.”
29 ULB Handositra amin'ny kotaban'i mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka miaraka amin'ny zana-tsipika ny tanàna rehetra; hihazakazaka ho any an'ala izy ireo. Ny tanàna rehetra dia hianika eny amin'ny toerana feno vatovato; ho foana ireo tanàna, satria tsy hisy olona honina ao amin'ireny. BSB BSB: Every city flees at the sound of the horseman and archer. They enter the thickets and climb among the rocks. Every city is abandoned; no inhabitant is left.
30 ULB Ary ankehitriny rehefa rava ianao, inona no ho ataonao? Fa na dia miakanjo jaky aza ianao, mihaingo firavaka volamena, ary manabe kokoa ny masonao amin'ny loko, ireo lehilahy izay nitsiriritra anao dia efa nandà anao izao. Fa kosa, mitady hifofo ny ainao izy ireo. BSB BSB: And you, O devastated one, what will you do, though you dress yourself in scarlet, though you adorn yourself with gold jewelry, though you enlarge your eyes with paint? You adorn yourself in vain; your lovers despise you; they want to take your life.
31 ULB Koa reko ny feon'ny fangirifiriana, fahoriana tahaka ny amin'ny fahaterahan'ny zaza voalohan-teraka, dia ny feon'ny zanaka vavin'i Ziona. Misefosefo izy. Mamelatra ny tanany izy hoe: 'Loza ho ahy! Ketrak'ireo mpamono olona ireo aho."' BSB BSB: For I hear a cry like a woman in labor, a cry of anguish like one bearing her first child—the cry of the Daughter of Zion gasping for breath, stretching out her hands to say, “Woe is me, for my soul faints before the murderers!”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.