1 ULB "Mihazakazaha maneran'ireo lalan'i Jerosalema; mitadiava ihany koa eny an-kianjan'ny tanànany. Ary diniho sy eritrereto ny momba izao: raha mahita olona na iza na iza manao ny marina ary miezaka mandeha am-pahatokiana, dia hamela an'i Jerosalema aho. BSB BSB: “Go up and down the streets of Jerusalem. Look now and take note; search her squares. If you can find a single person, anyone who acts justly, anyone who seeks the truth, then I will forgive the city.
2 ULB Na dia miteny aza izy ireo hoe: 'Raha mbola velona Yaveh,' dia manao fianianana diso izy ireo." BSB BSB: Although they say, ‘As surely as the LORD lives,’ they are swearing falsely.”
3 ULB Ry Yaveh, moa ny masonao tsy mijery fahamarinana? Mamely ny olona Ianao, nefa tsy mahatsiaro fanaintainana izy ireo. Nandresy tanteraka azy ireo Ianao, nefa tsy mbola mety mandray fitsipika izy ireo. Manao ny tavany ho mafy noho ny vato izy ireo, satria mandà tsy hibebaka. BSB BSB: O LORD, do not Your eyes look for truth? You struck them, but they felt no pain. You finished them off, but they refused to accept discipline. They have made their faces harder than stone and refused to repent.
4 ULB Ka hoy aho hoe: "Azo antoka fa olona mahantra ihany ireo. Adala izy ireo, satria tsy mahalala ny lalan'i Yaveh, na ireo lalàn'ny Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: Then I said, “They are only the poor; they have played the fool, for they do not know the way of the LORD, the justice of their God.
5 ULB Handeha ho any amin'ny olona ambony aho ary hanambara ny hafatr'Andriamanitra amin'izy ireo, fa farafaharatsiny izy ireo mahalala ny lalan'i Yaveh, ireo lalàn'ny Andriamaniny." Kanefa niara-nandrava ny ziogany izy rehetra; nanapaka ny rojo vy izay namatotra azy ireo tamin'Andriamanitra izy rehetra. BSB BSB: I will go to the powerful and speak to them. Surely they know the way of the LORD, the justice of their God.” But they too, with one accord, had broken the yoke and torn off the chains.
6 ULB Noho izany dia hisy liona avy ao anaty kirihitrala hanafika azy ireo. Hisy amboadia avy any Arabaha handrava azy ireo. Hisy leoparda miafina ho avy hanohitra ny tanànan'izy ireo. Izay mandeha any ivelan'ny tanànany dia ho ravàna. Fa mitombo ny fandikan-dalàn'izy ireo. Tsy misy fetra ny asa fivadihan'izy ireo. BSB BSB: Therefore a lion from the forest will strike them down, a wolf from the desert will ravage them. A leopard will lie in wait near their cities, and everyone who ventures out will be torn to pieces. For their rebellious acts are many, and their unfaithful deeds are numerous.
7 ULB Nahoana aho no tokony hamela ireny olona ireny? Nandao ahy ireo zanakao ary nanao fianianana tamin'ireo izay tsy andriamanitra. Namahana feno azy ireo Aho, fa nijangajanga izy ireo ary nandeha maro an'isa tany amin'ireo tranon'ny mpivarotena. BSB BSB: “Why should I forgive you? Your children have forsaken Me and sworn by gods that are not gods. I satisfied their needs, yet they committed adultery and assembled at the houses of prostitutes.
8 ULB Soavaly ao anaty fahatairana izy ireo. Nivezivezy te hiray izy ireo. Ny lahy tsirairay dia samy nihika tamin'ny vadin'ny mpiara-monina azy avy. BSB BSB: They are well-fed, lusty stallions, each neighing after his neighbor’s wife.
9 ULB Koa tsy tokony hanasazy azy ireo ve Aho— izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy tokony hanao valifaty amin'ny firenena tahaka izany ve Aho? BSB BSB: Should I not punish them for these things?” declares the LORD. “Should I not avenge Myself on such a nation as this?
10 ULB Miakàra eny amin'ny tanim-boalobony mimanda ary poteho. Fa aza mamotika tanteraka azy ireo. Esory ny voalobok'izy ireo satria tsy avy amin'i Yaveh ireo voaloboka ireo. BSB BSB: Go up through her vineyards and ravage them, but do not finish them off. Strip off her branches, for they do not belong to the LORD.
11 ULB Fa namitaka Ahy tanteraka ny taranak'Israely sy Joda— izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: For the house of Israel and the house of Judah have been utterly unfaithful to Me,” declares the LORD.
12 ULB Niresaka diso momban'i Yaveh izy ireo ary hoy izy ireo hoe: "Tsy hanao na inona na inona Izy; tsy hisy ratsy ho avy amintsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika. BSB BSB: They have lied about the LORD and said: “He will not do anything; harm will not come to us; we will not see sword or famine.
13 ULB Ho tonga rivotra ireo mpaminany, tsy ao amin'izy ireo ny teny, koa aoka ho atao amin'izy ireo izay lazain'izy ireo." BSB BSB: The prophets are but wind, for the word is not in them. So let their own predictions befall them.”
14 ULB Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro dia milaza izao: "Satria nilaza izany ianao, dia indro, hapetrako ao am-bavanaro ny teniko. Ho tahaka ny afo izany, ary ity vahoaka ity ho tahaka ny hazo! Satria handevona azy ireo izany. BSB BSB: Therefore this is what the LORD God of Hosts says: “Because you have spoken this word, I will make My words a fire in your mouth and this people the wood it consumes.
15 ULB Indro! hitondra firenena avy lavitra hanohitra anareo Aho, ry taranak'Israely—izany no fanambaran'i Yaveh— firenena maharitra izany, firenena taloha! Izany dia firenena izay tsy fantatrareo ny fiteniny, na ho azonareo izay lazainy. BSB BSB: Behold, I am bringing a distant nation against you, O house of Israel,” declares the LORD. “It is an established nation, an ancient nation, a nation whose language you do not know and whose speech you do not understand.
16 ULB Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra. Miaramila avokoa izy rehetra. BSB BSB: Their quivers are like open graves; they are all mighty men.
17 ULB Noho izany dia ho levona ny vokatrareo, ny zanakareo lahy sy vavy ihany koa, ary ny sakafonareo. Hihinana ireo ondry aman'osy sy biby fiompinareo izy ireo; hihinana ny vokatra avy amin'ny voaloboka sy hazon'aviavinareo izy ireo. Handrava amin'ny sabatra ny tanàna mimandanareo izay itokianareo izy ireo. BSB BSB: They will devour your harvest and food; they will consume your sons and daughters; they will eat up your flocks and herds; they will feed on your vines and fig trees. With the sword they will destroy the fortified cities in which you trust.”
18 ULB Fa na dia tamin'ireo andro ireo aza— izao no fanambaran'i Yaveh— dia tsy manan-kevitry ny hamotika tanteraka anareo Aho. BSB BSB: “Yet even in those days,” declares the LORD, “I will not make a full end of you.
19 ULB Rehefa miteny ianareo, ry Israely sy Joda hoe: 'Nahoana Yaveh Andriamanintsika no nanao ireny zavatra rehetra ireny tamintsika?' ary avy eo ianao, ry Jeremia, hiteny amin'izy ireo hoe: 'Tahaka ny nafoizanareo an'i Yaveh sy nanompoanareo andriamanitra vahiny teo amin'ny taninareo, dia tsy maintsy hanompo vahiny eo amin'ny tany izay tsy anareo ihany koa ianareo.' BSB BSB: And when the people ask, ‘For what offense has the LORD our God done all these things to us?’ You are to tell them, ‘Just as you have forsaken Me and served foreign gods in your land, so will you serve foreigners in a land that is not your own.’”
20 ULB Tatero any amin'ny taranak'i Jakoba ity ary aoka izany ho ren'i Joda. Lazao hoe: BSB BSB: Declare this in the house of Jacob and proclaim it in Judah:
21 ULB 'Henoy ity, ianareo ry vahoaka adala izay tsy manana fahazavan-tsaina; izay manana maso fa tsy afa-mahita, ary manana sofina ianareo fa tsy afa-mandre. BSB BSB: “Hear this, O foolish and senseless people, who have eyes but do not see, who have ears but do not hear.
22 ULB Tsy matahotra Ahy ve ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—na mangovitra manoloana ny tavako? Nametraka tora-pasika nanohitra ny ranomasina Aho, lalàna efa mihatra izay tsy afaka dikaina izany— na dia manonjanonja aza ny ranomasina, dia tsy mbola mahadika azy izany. Na dia manonja mierona aza izany, dia tsy hihoatra an'izany. BSB BSB: Do you not fear Me?” declares the LORD. “Do you not tremble before Me, the One who set the sand as the boundary for the sea, an enduring barrier it cannot cross? The waves surge, but they cannot prevail. They roar but cannot cross it.
23 ULB Fa manana fo mafy ity vahoaka ity. Mivily any amin'ny fikomiana izany ary dia nandao. BSB BSB: But these people have stubborn and rebellious hearts. They have turned aside and gone away.
24 ULB Satria izy ireo dia tsy niteny tao am-pon'izy ireo hoe: "Aoka isika hatahotra an'i Yaveh Andriamanintsika, ilay mitondra ny orana —ilay loha-orana sy fara-orana— amin'ny fotoanan'izany, mihazona ireo herinandro voatondron'ny vokatra ho antsika." BSB BSB: They have not said in their hearts, ‘Let us fear the LORD our God, who gives the rains, both autumn and spring, in season, who keeps for us the appointed weeks of harvest.’
25 ULB Nihazona ireo zavatra ireo tsy hitranga ny helokareo. Nanakana ny tsara ho avy aminareo ny fahotanareo. BSB BSB: Your iniquities have diverted these from you; your sins have deprived you of My bounty.
26 ULB Satria hitako teo amin'ny oloko ny ratsy fanahy. Mijery toy ny olona mamitsaka hisambotra vorona izy ireo; nametraka fandrika izy ireo ary nisambotra olona. BSB BSB: For among My people are wicked men; they watch like fowlers lying in wait; they set a trap to catch men.
27 ULB Tahaka ny akany feno vorona, dia feno fitaka ny tranon'izy ireo. Koa miha mitombo izy ireo ary lasa manan-karena. BSB BSB: Like cages full of birds, so their houses are full of deceit. Therefore they have become powerful and rich.
28 ULB Niha natavy izy ireo; namirapiratra amin'ny fahamandinana. Niampita ny faharatsiana rehetra izy ireo. Tsy mitaraina amin'ny raharahan'ny olona izy ireo, na ny raharahan'ny kamboty. Ambinina izy ireo na dia tsy nanome rariny ny olona mila fanampiana aza. BSB BSB: They have grown fat and sleek, and have excelled in the deeds of the wicked. They have not taken up the cause of the fatherless, that they might prosper; nor have they defended the rights of the needy.
29 ULB Tsy tokony hanasazy azy ireo noho ireo zavatra ireo ve Aho— izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy hamaly faty ny firenena tahaka ity ve Aho? BSB BSB: Should I not punish them for these things?” declares the LORD. “Should I not avenge Myself on such a nation as this?
30 ULB Habibiana sy horohoro no nitranga teo amin'ilay tany. BSB BSB: A horrible and shocking thing has happened in the land.
31 ULB Maminany amim-pitaka ireo mpaminany, ary manapaka amin'ny fahefany manokana ireo mpisorona. Tian'ny oloko izany, fa inona no hitranga amin'ny farany?"' BSB BSB: The prophets prophesy falsely, and the priests rule by their own authority. My people love it so, but what will you do in the end?
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.