1 ULB Dia nanatona an'i Jeremia mpaminany ny mpifehy tafika rehetra sy i Johanana zanaka lahin'i Karea, Jazania zanaka lahin'i Hosaia, sy ny vahoaka rehetra nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. BSB BSB: Then all the commanders of the forces, along with Johanan son of Kareah, Jezaniah son of Hoshaiah, and all the people from the least to the greatest, approached
2 ULB Hoy izy ireo taminy hoe: "Aoka ho tonga eo anatrehanao ny talahonay. Mivavaha ho anay amin'i Yaveh Andriamanitrao noho ireo vahoaka sisa ireo satria vitsy anisa loatra izahay, araka izao hitanao izao. BSB BSB: Jeremiah the prophet and said, “May our petition come before you; pray to the LORD your God on behalf of this entire remnant. For few of us remain of the many, as you can see with your own eyes.
3 ULB Lazao i Yaveh Andriamanitrao mba hiteny aminay ny lalana tokony halehanay sy izay tokony hataonay." BSB BSB: Pray that the LORD your God will tell us the way we should walk and the thing we should do.”
4 ULB Koa dia hoy Jeremia mpaminany tamin'izy ireo hoe: "Efa reko ianareo. Indro, hivavaka amin'i Yaveh Andriamanitrareo araka izay efa nangatahinareo aho. Na inona na inona havalin'i Yaveh, dia ho teneniko aminareo. Tsy hihazona na inona na inona aminareo aho." BSB BSB: “I have heard you,” replied Jeremiah the prophet. “I will surely pray to the LORD your God as you request, and I will tell you everything that the LORD answers. I will not withhold a word from you.”
5 ULB Hoy izy ireo tamin'i Jeremia hoe: "Yaveh anie ho vavolombelona marina sy tsy mivadika ho antsika raha tsy manao izay rehetra lazain'i Yaveh Andriamanitrao ho ataonay izahay." BSB BSB: Then they said to Jeremiah, “May the LORD be a true and faithful witness against us if we do not act upon every word that the LORD your God sends you to tell us.
6 ULB Na ho tsara na ho ratsy izany, dia hankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay, izay hanirahanay anao, mba hahasoa anay rehefa mankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay." BSB BSB: Whether it is pleasant or unpleasant, we will obey the voice of the LORD our God to whom we are sending you, so that it may go well with us when we obey the voice of the LORD our God!”
7 ULB Tamin'ny fiafaran'ny andro fahafolo, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh. BSB BSB: After ten days the word of the LORD came to Jeremiah,
8 ULB Koa dia niantso an'i Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo mpifehy tafika miaraka aminy rehetra i Jeremia, ary ny vahoaka rehetra nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra. BSB BSB: and he summoned Johanan son of Kareah, all the commanders of the forces who were with him, and all the people from the least to the greatest.
9 ULB Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely—izay nanirahanareo ahy mba ahafahako mametraka ny talahonareo eo anatrehany—manao hoe: BSB BSB: Jeremiah told them, “Thus says the LORD, the God of Israel, to whom you sent me to present your petition:
10 ULB "Raha miverina sy mitoetra eto amin'ity tany ity ianareo, dia hanarina anareo Aho fa tsy hamotika anareo; hamboly anareo Aho fa tsy hanongotra anareo, fa hanala ny loza izay efa nentiko teo aminareo Aho. BSB BSB: ‘If you will indeed stay in this land, then I will build you up and not tear you down; I will plant you and not uproot you, for I will relent of the disaster I have brought upon you.
11 ULB Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona, izay atahoranareo. Aza matahotra azy—izany no fanambaran'i Yaveh—satria Izaho momba anareo mba hamonjy sy hanavotra anareo eny an-tanany. Fa Izaho hanome anareo famindram-po. BSB BSB: Do not be afraid of the king of Babylon, whom you now fear; do not be afraid of him, declares the LORD, for I am with you to save you and deliver you from him.
12 ULB Hanana fangoraham-po aminareo Aho, ary Izaho hitondra anareo hiverina amin'ny taninareo. BSB BSB: And I will show you compassion, and he will have compassion on you and restore you to your own land.’
13 ULB Nefa raha hoy ianareo hoe: "Tsy hitoetra eto amin'ity tany ity izahay"—raha tsy mihaino ny feoko, izay feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. BSB BSB: But if you say, ‘We will not stay in this land,’ and you thus disobey the voice of the LORD your God,
14 ULB Raha hoy ianareo hoe: "Tsia! Handeha ho any amin'ny tany Egypta izahay, izay tsy hahitanay ady, izay tsy handrenesanay ny feon'ny trompetra, ary tsy ho noana hanina izahay. Hitoetra any izahay." BSB BSB: and if you say, ‘No, but we will go to the land of Egypt and live there, where we will not see war or hear the sound of the ram’s horn or hunger for bread,’
15 ULB Ankehitriny mihainoa izao tenin'i Yaveh izao, ianareo izay sisan'i Joda. Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza hoe: "Raha hiainga handeha ho any Egypta tokoa ianareo, handeha sy hitoetra any, BSB BSB: then hear the word of the LORD, O remnant of Judah! This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘If you are determined to go to Egypt and reside there,
16 ULB dia hanenjika anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo. Hanaraka anareo any ny mosary izay ahianareo, ka ho faty any ianareo. BSB BSB: then the sword you fear will overtake you there, and the famine you dread will follow on your heels into Egypt, and you will die there.
17 ULB Ary ny lehilahy rehetra izay niainga ho any Egypta mba hitoetra any dia ho fatin'ny sabatra, mosary, na areti-mandringana. Tsy hisy sisa velona izy ireo, tsy hisy ho afa-mandositra ny fahavoazana izay entiko izy ireo. BSB BSB: So all who resolve to go to Egypt to reside there will die by sword and famine and plague. Not one of them will survive or escape the disaster I will bring upon them.’
18 ULB Fa milaza izao Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, hoe: "Toy ny firotsaky ny fahatezerako sy ny fahavinirako teo amin'ny mponin'i Jerosalema, dia tahaka izany koa ny fomba hirotsahan'ny fahatezerako aminareo raha mandeha any Egypta ianareo. Ho tonga zava-panozonana sy horohoro ianareo, zavatra hitenenana ozona, ary zavatra tsy mendrika, ka tsy ho hitanareo intsony izao toerana izao.'" BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘Just as My anger and wrath were poured out on the residents of Jerusalem, so will My wrath be poured out on you if you go to Egypt. You will become an object of cursing and horror, of vilification and disgrace, and you will never see this place again.’
19 ULB Dia hoy i Jeremia hoe: "Yaveh dia efa niteny mahakasika anareo—ianareo izay sisan'i Joda. Aza mandeha any Egypta! Fantatrareo tokoa fa efa vavolombelonareo Aho androany. BSB BSB: The LORD has told you, O remnant of Judah, ‘Do not go to Egypt.’ Know for sure that I have warned you today!
20 ULB Fa namitaka mafy ny tenanareo ianareo rehefa nandefa ahy ho any amin'i Yaveh Andriamanitrareo ka niteny hoe: 'Mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitsika ho anay. Izay rehetra lazain'Andriamanitra, dia ambarao anay, ary dia ho tanterahinay izany.' BSB BSB: For you have deceived yourselves by sending me to the LORD your God, saying, ‘Pray to the LORD our God on our behalf, and as for all that the LORD our God says, tell it to us and we will do it.’
21 ULB Fa efa notateriko taminareo androany, nefa ianareo tsy mba nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo na tamin'ny zavatra momba izay nanirahany ahy ho aminareo. BSB BSB: For I have told you today, but you have not obeyed the voice of the LORD your God in all He has sent me to tell you.
22 ULB Koa ankehitriny, tokony ho fantatrareo tokoa fa ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay irianareo hitoerana." BSB BSB: Now therefore, know for sure that by sword and famine and plague you will die in the place where you desire to go to reside.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.