1 ULB Ary nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo izay nolazainy taminy mba ho teneniny amin'ny vahoaka rehetra. BSB BSB: When Jeremiah had finished telling all the people all the words of the LORD their God—everything that the LORD had sent him to say—
2 ULB Azaria zanaka lahin'i Hosaia, Johanana zanaka lahin'i Karea, ary ny olona miavonavona rehetra dia niteny tamin'i Jeremia hoe: "Milaza lainga ianao. Yaveh Andriamanitray dia tsy naniraka anao hilaza hoe: 'Aza mandeha mitoetra any Egypta.' BSB BSB: Azariah son of Hoshaiah, Johanan son of Kareah, and all the arrogant men said to Jeremiah, “You are lying! The LORD our God has not sent you to say, ‘You must not go to Egypt to reside there.’
3 ULB Fa i Baroka zanaka lahin'i Neria dia niantsy anao hanohitra anay mba hanafaka anay eo an-tanan'ireo Kaldeana, satria ianao no mahatonga ny fahafatesanay ary manao anay ho babo any Babylona." BSB BSB: Rather, Baruch son of Neriah is inciting you against us to deliver us into the hands of the Chaldeans, so that they may put us to death or exile us to Babylon!”
4 ULB Koa nandà ny hihaino ny feon'i Yaveh mba hitoetra any amin'ny tanin'i Joda i Johanana zanaka lahin'i Karea, ireo andrian'ny tafika rehetra, ary ireo vahoaka rehetra. BSB BSB: So Johanan son of Kareah and all the commanders of the forces disobeyed the command of the LORD to stay in the land of Judah.
5 ULB Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo lehiben'ny tafika rehetra dia nitondra izay tavela rehetra tamin'i Joda izay niverina avy any amin'ny firenena rehetra tany amin'izay nanaparitahana azy ireo mba hitoetra any amin'ny tanin'ny Joda. BSB BSB: Instead, Johanan son of Kareah and all the commanders of the forces took the whole remnant of Judah, those who had returned to the land of Judah from all the nations to which they had been scattered,
6 ULB Nalain'izy ireo ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy sy ireo zanaka vavin'ny mpanjaka, ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, mpifehy ireo mpiambin'ny mpanjaka tamin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana. Nalain'izy ireo ihany koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka zanaka lahin'i Neria. BSB BSB: the men, the women, the children, the king’s daughters, and everyone whom Nebuzaradan captain of the guard had allowed to remain with Gedaliah son of Ahikam, the son of Shaphan, as well as Jeremiah the prophet and Baruch son of Neriah.
7 ULB Nankany amin'ny tany Egypta izy ireo, any Tapanesa, satria izy ireo dia tsy nihaino ny feon'i Yaveh. BSB BSB: So they entered the land of Egypt because they did not obey the voice of the LORD, and they went as far as Tahpanhes.
8 ULB Ka tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tany Tapanesa, nanao hoe: BSB BSB: Then the word of the LORD came to Jeremiah at Tahpanhes:
9 ULB 'Mandraisa vato lehibe maromaro amin'ny tananao, ary, afeno eo imason'ny vahoakan'i Joda ao amin'ny fetan'ny rarivato eo amin'ny fidirana mankany amin'ny tranon'i Farao any Tapanesa ireo." BSB BSB: “In the sight of the Jews, pick up some large stones and bury them in the clay of the brick pavement at the entrance to Pharaoh’s palace at Tahpanhes.
10 ULB Ary lazao izy ireo hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: 'Indro, handefa iraka haka an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona toy ny mpanompoko Aho. Ho apetrako eo amin'ireo vato ireo ny seza fiandrianany izay nalevinao, ry Jeremia. Hametraka ny lainy eo amin'izy ireo i Nebokadnezara. BSB BSB: Then tell them that this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: ‘I will send for My servant Nebuchadnezzar king of Babylon, and I will set his throne over these stones that I have embedded, and he will spread his royal pavilion over them.
11 ULB Fa ho avy izy ary hanafika ny tanin'i Egypta. Izay voatendry ho faty dia ho atolotra ho vonoina. Izay voatendry ho babo dia hotratra babo. Izay voatendry ho amin'ny sabatra dia homena ny sabatra. BSB BSB: He will come and strike down the land of Egypt, bringing death to those destined for death, captivity to those destined for captivity, and the sword to those destined for the sword.
12 ULB Dia handrehitra afo eo amin'ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta aho. Nebokadnezara dia handoro azy ireo na hisambotra azy ireo. Hanadio ny tanin'i Egypta tahaka ireo mpiandry ondry manadio ny bibikely amin'ny akanjon'izy ireo izy. Dia hivoaka amin'izany toerana izany amin'ny fandresena izy. BSB BSB: I will kindle a fire in the temples of the gods of Egypt, and Nebuchadnezzar will burn those temples and take their gods as captives. So he will wrap himself with the land of Egypt as a shepherd wraps himself in his garment, and he will depart from there unscathed.
13 ULB Hamotika ny tsangam-bato any Neopolisa any amin'ny tanin'i Egypta izy. Handoro ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta izy.'" BSB BSB: He will demolish the sacred pillars of the temple of the sun in the land of Egypt, and he will burn down the temples of the gods of Egypt.’”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.