1 ULB Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia mahakasika ny Jiosy rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta, dia ireo olona nitoetra tao Migdola, Tapanesa, Memfisa, ary tao amin'ny tany Patrosa. BSB BSB: This is the word that came to Jeremiah concerning all the Jews living in the land of Egypt—in Migdol, Tahpanhes, and Memphis—and in the land of Pathros:
2 ULB "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao izao: Ianareo mihitsy no efa nahita ireo loza rehetra izay nentiko tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra. Indro, rava izy ireo ankehitriny. Tsy misy olona mipetraka ao amin'izy ireo. BSB BSB: “This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: You have seen all the disaster that I brought against Jerusalem and all the cities of Judah; and behold, they lie today in ruins and desolation
3 ULB Izany dia nohon'ireo zavatra ratsy nataon'izy ireo mba hanafintohinana Ahy tamin'ny nandehanany nandoro ditin-kazo manitra sy nanompoany ireo andriamanin-kafa. Ireo dia andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo, na ianareo, na ireo razambenareo. BSB BSB: because of the evil they have done. They provoked Me to anger by continuing to burn incense and to serve other gods that neither they nor you nor your fathers ever knew.
4 ULB Ka nirahiko matetika ho any amin'izy ireo mpanompoko mpaminany rehetr. Nirahiko izy ireo mba hiteny hoe: 'Atsaharo ny fanaovana izao zava-betaveta izay halako izao.' BSB BSB: Yet I sent you all My servants the prophets again and again, saying: ‘Do not do this detestable thing that I hate.’
5 ULB Nefa tsy nihaino izy ireo. Nandà tsy hihaino izy ireo na niala tamin'ny faharatsiany tamin'ny fandorana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa. BSB BSB: But they did not listen or incline their ears; they did not turn from their wickedness or stop burning incense to other gods.
6 ULB Koa niraraka ny fahavinirako sy ny fahatezerako ary nandrehitra afo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Koa nanjary faharavana sy fahapotehana, tahaka ny amin'izao andro anio izao ireo." BSB BSB: Therefore My wrath and anger poured out and burned in the cities of Judah and in the streets of Jerusalem, so that they have become the desolate ruin they are today.
7 ULB "Koa ankehitriny, dia milaza izao Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely: "Nahoana no manao faharatsiana lehibe amin'ny tenanareo ianareo? Nahoana ianareo no manao izay hahafongotra anareo amin'ireo Joda—dia ireo vehivavy sy lehilahy, ireo ankizy sy zaza? Tsy hisy ho tavela aminareo. BSB BSB: So now, this is what the LORD God of Hosts, the God of Israel, says: Why are you doing such great harm to yourselves by cutting off from Judah man and woman, child and infant, leaving yourselves without a remnant?
8 ULB Tamin'ny faharatsianareo no nanafintohinanareo Ahy noho ireo asan'nny tananareo, tamin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa tany amin'ny tany Egypta, izay nandehananareo hitoerana. Nandeha tany ianareo mba ho potehina, mba hanozonana sy hanalana baraka anareo eo amin'ireo firenen'ny tany rehetra. BSB BSB: Why are you provoking Me to anger by the work of your hands by burning incense to other gods in the land of Egypt, where you have gone to reside? As a result, you will be cut off and will become an object of cursing and reproach among all the nations of the earth.
9 ULB Moa ve adinonareo ny faharatsiana nataon'ireo razambenareo sy ny faharatsiana nataon'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo vadiny? Moa ve adinonareo ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo tany amin'ny tanin'ny Joda sy ireo lalamben'i Jerosalema? BSB BSB: Have you forgotten the wickedness of your fathers and of the kings of Judah and their wives, as well as the wickedness that you and your wives committed in the land of Judah and in the streets of Jerusalem?
10 ULB Mandrak'androany, dia tsy mbola nanetry tena izy ireo. Tsy manaja ny lalàko na ireo didiko izay napetrako teo anoloan'izy ireo sy ny razambeny izy ireo, na mandeha amin'ireny." BSB BSB: To this day they have not humbled themselves or shown reverence, nor have they followed My instruction or the statutes that I set before you and your fathers.
11 ULB Noho izany Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: "Indro, efa hanapa-kevitra ny hanandrina ny tavako aminao Ah. BSB BSB: Therefore this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: I will set My face to bring disaster and to cut off all Judah.
12 ULB Fa halaiko ny tavela amin'ny Joda izay navoaka handeha ho any amin'ny tany Egypta mba hitoetra any. Hataoko izany mba hahafatesan'izy rehetra any amin'ny tany Egypta. Ho lavon'ny sabatra sy mosary izy ireo. Manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra dia ho fatin-tsabatra sy mosary. Ho faty izy ireo ary ho tonga zavatra fianianana, fanozonana, fandatsana, ary zavatra mampihorohoro. BSB BSB: And I will take away the remnant of Judah who have resolved to go to the land of Egypt to reside there; they will meet their end. They will all fall by the sword or be consumed by famine. From the least to the greatest, they will die by sword or famine; and they will become an object of cursing and horror, of vilification and reproach.
13 ULB Fa hanafay ny olona monina ao amin'ny tany Egypta tahaka ny nanafaizako an'i Jerosalema tamin'ny tsabatra, mosary, ary aretin-mandringana Aho. BSB BSB: I will punish those who live in the land of Egypt, just as I punished Jerusalem, by sword and famine and plague,
14 ULB Tsy hisy ho tafatsoaka na ho velona ireo sisan'ny Joda izay andeha mba hitoetra any ao amin'ny tany Egypta no ho tafaverina ao amin'ny tanin'i Joda, na dia te hiverina sy hitoetra any aza izy ireo. Tsy misy ho tafaverina izy ireo, afa-tsy izay vitsy handositra hiala eto." BSB BSB: so that none of the remnant of Judah who have gone to reside in Egypt will escape or survive to return to the land of Judah, where they long to return and live; for none will return except a few fugitives.”
15 ULB Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa ny vadin'izy ireo, sy ny vehivavy rehetra izay tao amin'ny fiangonana lehibe, ary ny olona rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta tany Patrosa dia namaly an'i Jeremia. BSB BSB: Then all the men who knew that their wives were burning incense to other gods, and all the women standing by—a great assembly—along with all the people living in the land of Egypt and in Pathros, said to Jeremiah,
16 ULB Hoy izy ireo: "Momba ny teny izay nambaranao taminay tamin'ny anaran'i Yaveh—dia tsy hihaino anao izahay. BSB BSB: “As for the word you have spoken to us in the name of the LORD, we will not listen to you!
17 ULB Fa ho ataonay avokoa ny zavatra rehetra izay nolazainay fa ho ataonay—dia handoro ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary handraraka fanatitra sotroina ho azy tahaka ny nataonay, ireo razambenay, ireo mpanjakanay, ary ireo mpitarikay tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Dia ho voky sakafo izahay ka ho ambinina, no sady tsy hiharan-doza. BSB BSB: Instead, we will do everything we vowed to do: We will burn incense to the Queen of Heaven and offer drink offerings to her, just as we, our fathers, our kings, and our officials did in the cities of Judah and in the streets of Jerusalem. At that time we had plenty of food and good things, and we saw no disaster.
18 ULB Raha nitsahatra tsy manao ireo zavatra ireo izahay, tsy nanolotra ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary tsy nandraraka fanatitra sotroina ho azy, dia nijaly tamin'ny fahantrana izahay ary ho fatin-tsabatra sy mosary." BSB BSB: But from the time we stopped burning incense to the Queen of Heaven and pouring out drink offerings to her, we have lacked everything and have been perishing by sword and famine.”
19 ULB Hoy ireo vehivavy: "Rehefa manao fanatitra ditin-kazo manitra eo anoloan'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra izahay ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy, moa ve hanohitra ny vadinay no nanaovanay ireo zavatra ireo, manao mofomamy amin'ny endriny ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy?" BSB BSB: “Moreover,” said the women, “when we burned incense to the Queen of Heaven and poured out drink offerings to her, was it without our husbands’ knowledge that we made sacrificial cakes in her image and poured out drink offerings to her?”
20 ULB Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra—tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy, ary tamin'ny vahoaka rehetra izay namaly azy—nanambara izy ka nanao hoe: BSB BSB: Then Jeremiah said to all the people, both men and women, who were answering him,
21 ULB "Moa ve tsy tsaroan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra izay nodoranareo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema—ianareo sy ireo razambenareo, ireo mpanjakanareo sy ireo mpitarika, ary ny mponin'ny tany rehetra? Fa efa nahatsiaro izany Yaveh; tonga tao an'eritreriny izany. BSB BSB: “As for the incense you burned in the cities of Judah and in the streets of Jerusalem—you, your fathers, your kings, your officials, and the people of the land—did the LORD not remember and bring this to mind?
22 ULB Koa tsy zakany intsony izany nohon'ny fanaovan-dratsinareo, nohon'ny fahavetavetana izay nataonareo. Dia hanjary ho lao, ho horohoro, ary ho ozona ny taninareo mba tsy hisian'ny mponina tahaka izao andro anio izao intsony. BSB BSB: So the LORD could no longer endure the evil deeds and detestable acts you committed, and your land became a desolation, a horror, and an object of cursing, without inhabitant, as it is this day.
23 ULB Satria nandoro ditin-kazo manitra ary nanota tamin'i Yaveh ianareo, ary satria tsy nihaino ny feony, ny lalàny, ny fitsipiny, na ireo lalàn'ny fanekeny ianareo, dia nitranga taminareo izao loza izao tahaka izao andro anio izao." BSB BSB: Because you burned incense and sinned against the LORD and did not obey the voice of the LORD or walk in His instruction, His statutes, and His testimonies, this disaster has befallen you, as you see today.”
24 ULB Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra sy ny vehivavy rehetra: "Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay ao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: Then Jeremiah said to all the people, including all the women, “Hear the word of the LORD, all those of Judah who are in the land of Egypt.
25 ULB Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao hoe: 'Ianareo sy ny vadinareo dia efa samy nilaza tamin'ny vavanareo ary nanatanteraka tamin'ny tananareo izay nolazainareo hoe: "Hotanterahinay tokoa ireo voady izay nataonay hanompoana ny Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba handraraka fanatitra sotroina ho azy." Ankehitriny efao ny voadinareo; tanteraho ireo.' BSB BSB: This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: As for you and your wives, you have spoken with your mouths and fulfilled with your hands your words: ‘We will surely perform our vows that we have made to burn incense to the Queen of Heaven and to pour out drink offerings to her.’ Go ahead, then, do what you have promised! Keep your vows!
26 ULB Koa dia, mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay mitoetra ao amin'ny tany Egypta, 'Indro, efa nianiana tamin'ny anarako lehibe Aho—hoy Yaveh. Tsy ho antsoina amin'ny vavan'ireo olon'i Joda ao amin'ny tany Egypta rehetra intsony ny anarako, dia ianareo izay miteny ankehitriny hoe: "Raha velona koa ny Tompo Yaveh." BSB BSB: Nevertheless, hear the word of the LORD, all you people of Judah living in Egypt: Behold, I have sworn by My great name, says the LORD, that never again will any man of Judah living in the land of Egypt invoke My name or say, ‘As surely as the Lord GOD lives.’
27 ULB Indro, miambina azy ireo ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Ny olon'i Joda rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho fatin-tsabatra sy mosary mandra-pahatapitra azy rehetra. BSB BSB: I am watching over them for harm and not for good, and every man of Judah who is in the land of Egypt will meet his end by sword or famine, until they are finished off.
28 ULB Ary ireo tsy matin-tsabatra dia hiverina avy ao amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ny vitsy an'isa amin'izy ireo ihany. Koa ny tavela tamin'ny Joda rehetra izay nandeha tany amin'ny tany Egypta mba honina any dia hahafantatra hoe ny tenin'iza no ho tanteraka: ny ahy sa ny azy ireo. BSB BSB: Those who escape the sword will return from Egypt to Judah, few in number, and the whole remnant of Judah who went to dwell in the land of Egypt will know whose word will stand, Mine or theirs!
29 ULB Izao no ho famantarana ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hanohitra anareo ao amin'izany toerana izany Aho, mba ahafantaranareo fa hamely anareo amin'ny loza tokoa ny teniko.' BSB BSB: This will be a sign to you that I will punish you in this place, declares the LORD, so that you may know that My threats of harm against you will surely stand.
30 ULB Izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, efa hanolotra an'i Farao-Hofra mpanjakan'i Egypta eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy Aho. Izany dia ho tahaka izay nanolorako an'i Zedekia mpanjakan'ny Joda teo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay fahavalony izay nifofo ny ainy." BSB BSB: This is what the LORD says: Behold, I will deliver Pharaoh Hophra king of Egypt into the hands of his enemies who seek his life, just as I delivered Zedekiah king of Judah into the hand of Nebuchadnezzar king of Babylon, the enemy who was seeking his life.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.