1 ULB Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany mahakasika ireo firenena. BSB BSB: This is the word of the LORD about the nations—the word that came to Jeremiah the prophet
3 ULB Ataovy vonona ireo ampinga kely sy ireo ampinga lehibe, ary mandehana mandroso hiady. BSB BSB: “Deploy your shields, small and large; advance for battle!
4 ULB Apetraho eo ambonin'ny soavaly ireo fiadiana; miakara eo ambonin'ny soavaly ary raiso ny tsangananao miaraka amin'ny aro-loha eo amboniny; ranito ny lefonao ary apetraho eo amin'ny akanjo fiarovanao. BSB BSB: Harness the horses; mount the steeds; take your positions with helmets on! Polish your spears; put on armor!
5 ULB Fa inona izao hitako izao? Feno tahotra izy ireo ary mitsoaka, satria resy ny miaramilan'izy ireo. Mitsoaka hitady fiarovana izy ireo ka tsy mijery izay ao aoriana. Eny amin'ny manodidina rehetra eny ny horohoro—izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: Why am I seeing this? They are terrified, they are retreating; their warriors are defeated, they flee in haste without looking back; terror is on every side!” declares the LORD.
6 ULB tsy afa-mitsoaka ireo haingam-pandeha, ary tsy afa-mitsoaka ireo miaramila. Tafintohina tany avaratra izy ireo ary lavo teo akaikin'ny Onin'i Eofrata. BSB BSB: “The swift cannot flee, and the warrior cannot escape! In the north by the River Euphrates they stumble and fall.
7 ULB Iza ity miakatra tahaka an'i Neily ity, izay misamboaravoara miakatra sy midina tahaka ny renirano ny onjany? BSB BSB: Who is this, rising like the Nile, like rivers whose waters churn?
8 ULB Miakatra tahaka an'i Neily i Egypta, tahaka ny onja izay miakatra sy midina. Hoy i Egypta hoe: 'Hiakatra aho ary hanarona ny tany. Hanimba ireo tanàna sy ireo mponiny aho. BSB BSB: Egypt rises like the Nile, and its waters churn like rivers, boasting, ‘I will rise and cover the earth; I will destroy the cities and their people.’
9 ULB Miakàra, ry soavaly. Aoka ho tezitra, ianareo ry kalesy. Aoka hivoaka ireo miaramila, Kosy sy Pota, ireo lehilahy manam-pahaizana manokana amin'ny fampiasana ampinga, ary Loda, lehilahy manam-pahaizana amin'ny fanenjanana ny tsipìkan'izy ireo.' BSB BSB: Advance, O horses! Race furiously, O chariots! Let the warriors come forth—Cush and Put carrying their shields, men of Lydia drawing the bow.
10 ULB Tamin'io andro io no andron'ny valifatIn'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro, ary hamaly faty ireo fahavalony ho an'ny tenany izy. Handrapaka ny sabatra ka ho afa-po. Hisotro ny rà miboboka an'izy ireo izany. Fa hisy sorona ho an'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro any amin'ny tany avaratra amoron'ny Onin'i Eofrata BSB BSB: For that day belongs to the Lord GOD of Hosts, a day of vengeance against His foes. The sword will devour until it is satisfied, until it is quenched with their blood. For the Lord GOD of Hosts will hold a sacrifice in the land of the north by the River Euphrates.
11 ULB Miakàra any Gileada ary mangalà fanafody, ry zanaka vavy virijinin'i Egypta. Tsy misy dikany ny nametahanao fanafody maro tamin'ny tenanao. Tsy misy fanafana ho anao. BSB BSB: Go up to Gilead for balm, O Virgin Daughter of Egypt! In vain you try many remedies, but for you there is no healing.
12 ULB Nandre ny fahafaham-barakanao ireo firenena. Feno ny fitomanianao ny tany, fa nifandona tamin'ny miaramila iray ny miaramila iray; niara-lavo izy roa ireo." BSB BSB: The nations have heard of your shame, and your outcry fills the earth, because warrior stumbles over warrior and both of them have fallen together.”
13 ULB Izao no tenin'i Yaveh nolazaina tamin'i Jeremia mpaminany rehefa tonga sy nanafika ny tany Egypta i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona: BSB BSB: This is the word that the LORD spoke to Jeremiah the prophet about the coming of Nebuchadnezzar king of Babylon to strike the land of Egypt:
14 ULB "Ambarao ao Egypta, ary ambarao ao Migdola, Memfisa, ary Tapanesa izany. 'Raiso ny toeranao ary homano ny tenanao, fa handrapaka ireo manodidina anao ny sabatra.' BSB BSB: “Announce it in Egypt, and proclaim it in Migdol; proclaim it in Memphis and Tahpanhes: ‘Take your positions and prepare yourself, for the sword devours those around you.’
15 ULB Nahoana ireo maherinao no lavo amin'ny tany? Tsy hitsangana izy ireo, satria Izaho, Yaveh, no nanosika azy ireo ho amin'ny tany. BSB BSB: Why have your warriors been laid low? They cannot stand, for the LORD has thrust them down.
16 ULB Mampitombo ny isan'ireo tafintohina Izy. Ny miaramila tsirairay dia mifandimby lavon'ny hafa. Hoy izy ireo hoe: 'Mitsangàna. Andeha isika hody. Andeha isika hiverina any amin'ireo olontsika, any amin'ny tany nahaterahantsika. Andeha isika hamela ity sabatra izay mamely antsika ity.' BSB BSB: They continue to stumble; indeed, they have fallen over one another. They say, ‘Get up! Let us return to our people and to the land of our birth, away from the sword of the oppressor.’
17 ULB Nanambara tany izy ireo hoe: 'Farao mpanjakan'ny Joda dia tabataba fotsiny ihany, ilay iray izay namela ny irikany ho lasa fotsiny.' BSB BSB: There they will cry out: ‘Pharaoh king of Egypt was all noise; he has let the appointed time pass him by.’
18 ULB Raha mbola velona koa Aho—nanambara ny Mpanjaka, izay ny anarany dia i Yaveh tompon'ny maro—dia hisy olona iray izay ho tonga tahaka ny Tendrombohitra Tabara sy Tendrombohitra Karmela amoron'ny ranomasina. BSB BSB: As surely as I live, declares the King, whose name is the LORD of Hosts, there will come one who is like Tabor among the mountains and like Carmel by the sea.
19 ULB Omano ny entana ho entinareo any an-tsesitany, ianareo izay mipetraka any Egypta. Fa ho foana i Memfisa, handry amin'ny faharavana izy ary tsy hisy na iza na iza hipetraka any. BSB BSB: Pack your bags for exile, O daughter dwelling in Egypt! For Memphis will be laid waste, destroyed and uninhabited.
20 ULB Egypta dia ombivavy tanora tsara tarehy tokoa, kanefa hisy bibikely manindrona ho tonga avy any avaratra. Ho avy izany. BSB BSB: Egypt is a beautiful heifer, but a gadfly from the north is coming against her.
21 ULB Ireo miaramila nokaramaina eo anelanelany dia tahaka ny ombilahy matavy, fa izy ireo ihany koa anefa dia hihodina ary hitsoaka. Tsy hiara-hitsangana izy ireo, satria tonga ny andron'ny loza hamely azy ireo, ny fotoan'ny sazin'izy ireo. BSB BSB: Even the mercenaries among her are like fattened calves. They too will turn back; together they will flee, they will not stand their ground, for the day of calamity is coming upon them—the time of their punishment.
22 ULB Misioka tahaka ny bibilava i Egypta, ary mandady, fa ireo fahavalony kosa dia mizotra hanohitra azy ireo. Mankeny amin'izy ireo tahaka ny mpanapaka hazo miaraka amin'ny famaky izy ireo. BSB BSB: Egypt will hiss like a fleeing serpent, for the enemy will advance in force; with axes they will come against her like woodsmen cutting down trees.
23 ULB Hanapaka ny ala izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—na dia mikitroka tokoa aza izany. Fa ho maro noho ireo valala ireo fahavalo, tsy tambo isaina. BSB BSB: They will chop down her forest, declares the LORD, dense though it may be, for they are more numerous than locusts; they cannot be counted.
24 ULB Ho afa-baraka ny zanaka vavin'i Egypta. Ho atolotra eo an-tanan'ny vahoaka avy any avaratra izy." BSB BSB: The Daughter of Egypt will be put to shame; she will be delivered into the hands of the people of the north.”
25 ULB Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza hoe: "Indro, eo andalam-pamaizana an'i Amona avy any Teba, Farao, Egypta sy ireo andriamaniny, ireo Farao mpanjakany, ary ireo izay matoky azy ireo Aho. BSB BSB: The LORD of Hosts, the God of Israel, says: “Behold, I am about to punish Amon god of Thebes, along with Pharaoh, Egypt with her gods and kings, and those who trust in Pharaoh.
26 ULB Ho atolotra eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy izy ireo, ary eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo mpanompony. Aorian'izany dia tsy ho azo hipetrahana tahaka ny tamin'ny andro taloha i Egypta—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: I will deliver them into the hands of those who seek their lives—of Nebuchadnezzar king of Babylon and his officers. But after this, Egypt will be inhabited as in days of old, declares the LORD.
27 ULB Fa ianao, ry Jakoba mpanompoko, dia aza matahotra. Aza raiki-tahotra, ry Israely, fa indro, hamerina anao avy lavitra Aho, ary ny zanakao avy any amin'ny tany naha-babo azy ireo. Dia hiverina i Jakoba avy eo, hahita fiadanana, ary ho voaaro, ka tsy hisy na iza na iza hampihorohoro azy. BSB BSB: But you, O Jacob My servant, do not be afraid, and do not be dismayed, O Israel. For I will surely save you out of a distant place, your descendants from the land of their captivity! Jacob will return to quiet and ease, with no one to make him afraid.
28 ULB Ianao, ry Jakoba mpanompoko, aza matahotra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa miaraka aminao Aho, ka hitondra faharavana tanteraka amin'ireo firenena rehetra izay hampielezako anao Aho. Fa tsy hanimba anao tanteraka Aho. Hibedy anao araka ny rariny Aho ary tsy hamela anao ho afa-tsazy." BSB BSB: And you, My servant Jacob, do not be afraid, declares the LORD, for I am with you. Though I will completely destroy all the nations to which I have banished you, I will not completely destroy you. Yet I will discipline you justly, and will by no means leave you unpunished.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.