1 ULB Ho an'i Moaba, Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely dia milaza izao: "Loza ho an'i Nebo, fa efa rava izany. Nosamborina i Kiriataima ary nalaim-baraka. Potika sy afa-baraka ny fiarovany mafy. BSB BSB: Concerning Moab, this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: “Woe to Nebo, for it will be devastated. Kiriathaim will be captured and disgraced; the fortress will be shattered and dismantled.
2 ULB Tsy misy intsony ny voninahitr'i Moaba. Nitetika hanao loza ho azy ireo fahavalon'izy ireo tao Hesbona. Hoy izy ireo: 'Avia aoka isika hamotika azy tahaka ny firenena. Ho faty ihany koa i Madmena—hanenjika anareo avy ao aoriana ny sabatra.' BSB BSB: There is no longer praise for Moab; in Heshbon they devise evil against her: ‘Come, let us cut her off from nationhood.’ You too, O people of Madmen, will be silenced; the sword will pursue you.
3 ULB Henoy! Tonga avy any Horonaima ny feon'ny hikiaka, izay misy faharavana sy fahasimbana lehibe any. BSB BSB: A voice cries out from Horonaim: ‘Devastation and great destruction!’
4 ULB Rava i Moaba. Hampandre ny fitarainany ireo zanany. BSB BSB: Moab will be shattered; her little ones will cry out.
5 ULB Hiakatra ny havoanan'i Lohita am-pitomaniana izy ireo, fa eny amin'ny lalam-pidinan'i Horonaima, dia ho re ireo antsoantso noho ny fahasimbana. BSB BSB: For on the ascent to Luhith they weep bitterly as they go, and on the descent to Horonaim cries of distress resound over the destruction:
6 ULB Mandosira! Vonjeo ny ainareo ary tongava ho toy ny kirihitr'anjavidy any an-tany efitra. BSB BSB: ‘Flee! Run for your lives! Become like a juniper in the desert.’
7 ULB Fa noho ny fahatokianao ireo fombanao sy ny harenao, no hisamborana anao koa. Ary i Kemosy dia handeha ho amin'ny fahababoana, miaraka amin'ireo mpisorony sy ireo mpitariny. BSB BSB: Because you trust in your works and treasures, you too will be captured, and Chemosh will go into exile with his priests and officials.
8 ULB Fa ho avy eny amin'ny tanàna rehetra ny mpandrava; tsy misy tanàna ho afa-mandositra. Ka ho levona ny lohasaha ary ho rava ny lemaka, araka ny nolazain'i Yaveh. BSB BSB: The destroyer will move against every city, and not one town will escape. The valley will also be ruined, and the high plain will be destroyed, as the LORD has said.
9 ULB Omeo elatra i Moaba, fa tsy maintsy hanidina tokoa izy. Ho lasa ngazana ireo tanànany, izay tsy misy na iza na iza monina ao amin'ireo. BSB BSB: Put salt on Moab, for she will be laid waste; her cities will become desolate, with no one to dwell in them.
10 ULB Aoka ho voaozona izay kamo amin'ny fanaovana ny asan'i Yaveh! Aoka ho voaozona izay mitàna ny sabany amin'ny fandatsahan-drà! BSB BSB: Cursed is the one who is remiss in doing the work of the LORD, and cursed is he who withholds his sword from bloodshed.
11 ULB Nahatsiaro ho voaaro i Moaba hatramin'ny naha-tanora azy. Tahaka ny divainy izay tsy mbola nararaka isaky ny vilany izy. Tsy mbola nandeha tamin'ny fahababoana izy. Noho izany dia tsara tsiro lalandava izy; mijanona tsy miova ny tsirony. BSB BSB: Moab has been at ease from youth, settled like wine on its dregs; he has not been poured from vessel to vessel or gone into exile. So his flavor has remained the same, and his aroma is unchanged.
12 ULB Koa indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa handefa aminy ireo izay hanilika azy sy handraraka ireo vilaniny rehetra ary hamaky ireo sininy Aho. BSB BSB: Therefore behold, the days are coming, declares the LORD, when I will send to him wanderers, who will pour him out. They will empty his vessels and shatter his jars.
13 ULB Dia ho menatra an'i Kemosy i Moaba tahaka ny nahamenaran'ny ankohonan' Israely an'i Betela, ny anton'ny fahatokian'izy ireo. BSB BSB: Then Moab will be ashamed of Chemosh, just as the house of Israel was ashamed when they trusted in Bethel.
14 ULB Ahoana no hilazanareo hoe: 'Izahay dia miaramila, lehilahy mpiady mahery'? BSB BSB: How can you say, ‘We are warriors, mighty men ready for battle’?
15 ULB Ho rava i Moaba ary hotafihana ireo tanànany. Fa ireo tovolahiny tsara indrindra dia efa nampidinina any amin'ny toeran'ny famonoana. Izany ny fanambaran'ny mpanjaka! Yaveh Tompon'ny maro no anarany. BSB BSB: Moab has been destroyed and its towns have been invaded; the best of its young men have gone down in the slaughter, declares the King, whose name is the LORD of Hosts.
16 ULB Hitranga tsy ho ela ny faharavan'i Moaba; ho avy faingana tsy ho ela ny loza. BSB BSB: Moab’s calamity is at hand, and his affliction is rushing swiftly.
17 ULB Ianareo rehetra manodidina an'i Moaba, mitomania; ary ianareo rehetra izay mahalala ny lazany, hiakiaho hoe: 'Loza, fa simba, ny tehana mahery, sy ny tsorakazo manam-boninahitra.' BSB BSB: Mourn for him, all you who surround him, everyone who knows his name; tell how the mighty scepter is shattered—the glorious staff!
18 ULB Midìna eny amin'ny toeranao be voninahitra ary mipetraha eo amin'ny tany maina, ianao zanaka vavy monina ao Dibona. Fa ilay handrava an'i Moaba no efa manafika anao, ilay handrava ireo fiarovanao mafy. BSB BSB: Come down from your glory; sit on parched ground, O daughter dwelling in Dibon, for the destroyer of Moab has come against you; he has destroyed your fortresses.
19 ULB Mijoroa eo amin'ny lalana ka tazano, ianareo vahoaka monina ao Aroera. Anontanio izay efa nandositra sy nitsoaka. Lazao hoe: 'Nisy inona?' BSB BSB: Stand by the road and watch, O dweller of Aroer! Ask the man fleeing or the woman escaping, ‘What has happened?’
20 ULB Tonga menatra i Moaba, fa notorotoroina izy. Midradradradrà ary mitomania; mihiakiaha famonjena. Ambarao amin'ny vahoaka eo amin'ny Renirano Arnona izany fa rava i Moaba. BSB BSB: Moab is put to shame, for it has been shattered. Wail and cry out! Declare by the Arnon that Moab is destroyed.
21 ULB Ankehitriny dia tonga ao amin'ny tany havoana ny fanasaziana, ho an'i Holona, Jahaza, ary Mefata, BSB BSB: Judgment has come upon the high plain—upon Holon, Jahzah, and Mephaath,
22 ULB ho an'i Dibona, Nebo, sy Beti-diblataima, BSB BSB: upon Dibon, Nebo, and Beth-diblathaim,
23 ULB ho an'i Kiriataima, Beti-gamola, ary Beti-meona, BSB BSB: upon Kiriathaim, Beth-gamul, and Beth-meon,
24 ULB ho an'i Keriota sy Bozra, ary ho an'ny tanàna rehetra amin'ny tanin'i Moaba_ireo tanàna lavitra indrindra sy ny akaiky indrindra. BSB BSB: upon Kerioth, Bozrah, and all the towns of Moab, those far and near.
25 ULB Notapahina ny tandrok'i Moaba; notapahina ny sandriny—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: The horn of Moab has been cut off, and his arm is broken,” declares the LORD.
26 ULB Ataovy mamo izy, satria niasa am-pireharehana hanohitra an'i Yaveh izy. Aoka hiosinkosina amin'ny loany i Moaba, ary aoka ho antom-panesoana izy. BSB BSB: “Make him drunk, because he has magnified himself against the LORD; so Moab will wallow in his own vomit, and he will also become a laughingstock.
27 ULB Fa tsy Israely ve no lasa antom-piomehezana ho anao? Tsy hita teo amin'ireo mpangalatra ve izy, ka nanozongozonanao ny lohanao taminy tahaka ny nitenenanao ny momba azy matetika? BSB BSB: Was not Israel your object of ridicule? Was he ever found among thieves? For whenever you speak of him you shake your head.
28 ULB Ilaozy ny tanàna ary mitobia eny amin'ireo hantsana, ry mponin'i Moaba. Tongava tahaka ny domohina izay manao ny ankaniny eny amin'ny vavan'ny lavaka eny amin'ireo vatolampy. BSB BSB: Abandon the towns and settle among the rocks, O dwellers of Moab! Be like a dove that nests at the mouth of a cave.
29 ULB Rentsika ny fireharehan'i Moaba—ny fiavonavonany, ny fiaingitrainginy, ny avonavony, ny fisehosehoany ary ny fieboeboan'ny fony. BSB BSB: We have heard of Moab’s pomposity, his exceeding pride and conceit, his proud arrogance and haughtiness of heart.
30 ULB Izao no fanambaran'i Yaveh—Izaho ihany no mahalala ny teniny manohitra, izay tsy misy sandany, tahaka ireo asany. BSB BSB: I know his insolence,” declares the LORD, “but it is futile. His boasting is as empty as his deeds.
31 ULB Ka hidradradradra fitomaniana ho an'i Moaba aho, ary hihiaka amin'ny alahelo ho an'i Moaba manontolo aho. Hitomany ho an'i vahoakan'i Kira-haresa Aho. BSB BSB: Therefore I will wail for Moab; I will cry out for all of Moab; I will moan for the men of Kir-heres.
32 ULB Hitomany ho anao mihoatra noho izay nataoko ho an'i Jazera Aho, ry voalobok'i Sibma! Manavatsava ny Ranomasina Masira ny rantsanao ary mahatratra hatrany Jazera. Nanafika ny voan'ny fahavaratrao sy ny divainao ireo mpandrava. BSB BSB: I will weep for you, O vine of Sibmah, more than I weep for Jazer. Your tendrils have extended to the sea; they reach even to Jazer. The destroyer has descended on your summer fruit and grape harvest.
33 ULB Ka dia nesorina lavitry ny hazo fihinam-boa sy ny tanin'i Moaba ny fankalazana sy ny hafaliana. Nanatsahatra ny famoloan-divain'izy ireo Aho. Tsy hanitsaka ny hiakiam-pifaliana izy ireo. Ny hiakiaka rehetra dia tsy ho hiakiam-pifaliana. BSB BSB: Joy and gladness are removed from the orchard and from the fields of Moab. I have stopped the flow of wine from the presses; no one treads them with shouts of joy; their shouts are not for joy.
34 ULB Avy any Hesbona ka hatrany Elale ireo hiakiaka, re any Jahaza ny feon'izy ireo, hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Elgata-selisia, fa na hatramin'ny ranon'i Nimrima aza dia maina. BSB BSB: There is a cry from Heshbon to Elealeh; they raise their voices to Jahaz, from Zoar to Horonaim and Eglath-shelishiyah; for even the waters of Nimrim have dried up.
35 ULB Fa hamarana ireo izay manao sorona eo amin'ny toerana avo sy mandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamaniny ao Moaba Aho_izany ny fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: In Moab, declares the LORD, I will bring an end to those who make offerings on the high places and burn incense to their gods.
36 ULB Ka mitomany an'i Moaba tahaka ny sodina ny foko. Mitomany tahaka ny sodina ho an'ny olona ao Kira-haresa ny foko. Lasa ireo harena izay azon'izy ireo. BSB BSB: Therefore My heart laments like a flute for Moab; it laments like a flute for the men of Kir-heres, because the wealth they acquired has perished.
37 ULB Fa sola ny loha rehetra ary niharatra ny volom-bava rehetra. Amin'ny tanana rehetra ireo ratra, ary manodidina ireo valahan'izy ireo ny lamba fisaonana. BSB BSB: For every head is shaved and every beard is clipped; on every hand is a gash, and around every waist is sackcloth.
38 ULB Misy fisaonana na aiza na aiza, dia eny amin'ny tapela-tafotrano sy eny amin'ireo toerana malalak'i Moaba. Fa nopotehako tahaka ny vilany izay tsy misy mpitia i Moaba—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: On all the rooftops of Moab and in the public squares, everyone is mourning; for I have shattered Moab like an unwanted jar,” declares the LORD.
39 ULB Endrey ny nanorotoroana izany! Endrey midradradradra amin'ny tomaniny izy ireo! Mampiodina ny lamosiny ho amin'ny henatra i Moaba! Ka ho tonga antom-pihomehezana sy fampihorohoroana ho an'ireo rehetra izay manodidina azy i Moaba." BSB BSB: “How shattered it is! How they wail! How Moab has turned his back in shame! Moab has become an object of ridicule and horror to all those around him.”
40 ULB Fa hoy Yaveh hoe: "Indro, ho avy hanidina toy ny voromahery ireo fahavalo, mamelatra ireo elany eo ambonin'i Moaba. BSB BSB: For this is what the LORD says: “Behold, an eagle swoops down and spreads his wings against Moab.
41 ULB Voasamboatra i Keriota, ary babo ireo fiarovany mafy. Fa amin'izany fotoana izany dia ho tonga tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza ny fon'ireo miaramilan'i Moaba. BSB BSB: Kirioth has been taken, and the strongholds seized. In that day the heart of Moab’s warriors will be like the heart of a woman in labor.
42 ULB Ka ho rava i Moaba ary tsy hisy vahoaka intsony, satria nanao ny tenany ho lehibe noho i Yaveh izy. BSB BSB: Moab will be destroyed as a nation because he vaunted himself against the LORD.
43 ULB Horohoro sy lavaka, ary fandrika no tonga eo aminareo, ry mponin'i Moaba—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Terror and pit and snare await you, O dweller of Moab,” declares the LORD.
44 ULB Izay mandositra noho ny fampihorohoroana dia hilatsaka ao anaty lavaka, ary ireo izay mihanika ny lavaka dia ho tratran'ny fandrika, fa hitondra izany eo amin'izy ireo Aho amin'ny taonan'ny valifatiko amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: “Whoever flees the panic will fall into the pit, and whoever climbs from the pit will be caught in the snare. For I will bring upon Moab the year of their punishment,” declares the LORD.
45 ULB Izay mandositra dia hijoro tsy manan-kery eo amin'ny alok'i Hesbona, fa hivoaka avy ao Hesbona ny afo, ny lelan'afo avy eo afovoan'i Sihona. Handevona ny handrin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny olona mpirehareha izany. BSB BSB: “Those who flee will stand helpless in Heshbon’s shadow, because fire has gone forth from Heshbon and a flame from within Sihon. It devours the foreheads of Moab and the skulls of the sons of tumult.
46 ULB Loza ho anao, ry Moaba! Rava ny olon'i Kemosy. Fa alain-ko babo ireo zanakao lahy ary ireo zanakao vavy ho amin'ny fahababoana. BSB BSB: Woe to you, O Moab! The people of Chemosh have perished; for your sons have been taken into exile and your daughters have gone into captivity.
47 ULB Fa haveriko ireo haren'i Moaba amin'ny andro farany—izany no fanambaran'i Yaveh." Tapitra eo ny fitsarana an'i Moaba. BSB BSB: Yet in the latter days I will restore Moab from captivity,” declares the LORD. Here ends the judgment on Moab.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.