1 ULB Raha ny momban'ny vahoakan'i Amona, izao no ambaran'i Yaveh: "tsy manan-janaka ve ny Israely? Moa tsy misy olona iray handova na inona na inona any Israely ve? Nahoana Malkana no hibodo an'i Gada, ary ny vahoakany honina any amin'ny tanànany? BSB BSB: Concerning the Ammonites, this is what the LORD says: “Has Israel no sons? Is he without heir? Why then has Milcom taken possession of Gad? Why have his people settled in their cities?
2 ULB Koa indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hampaneno ny feo famantarana ho an'ny ady hanohitra an'i Raba eo amin'ny vahoakan'i Amona Aho, koa ho tonga atontan-paharavana izany ary ny zana-bohitrany dia ho dorana amin'ny afo. Fa Israely hanana ireo izay tsy nananany," Hoy Yaveh. BSB BSB: Therefore, behold, the days are coming, declares the LORD, when I will sound the battle cry against Rabbah of the Ammonites. It will become a heap of ruins, and its villages will be burned. Then Israel will drive out their dispossessors, says the LORD.
3 ULB "Midradradradrà amin'ny fitarainana, ry Hesbona, fa ho rava i Ay! Mihikià, ry zanaka vavin'i Raba! Manaova lamba fisaonana. Manaova fitarainana ary mihazakazaha fahatany, fa i Malkana dia ho lasan-ko babo, miaraka amin'ireo mpisorony sy mpitarikany rehetra. BSB BSB: Wail, O Heshbon, for Ai has been destroyed; cry out, O daughters of Rabbah! Put on sackcloth and mourn; run back and forth within your walls, for Milcom will go into exile together with his priests and officials.
4 ULB Nahoana ianao no mirehareha amin'ireo lohasahanao, ireo lohasahanao izay tena mahavokatra be, ry zanaka vavy tsy manam-pinoana? Ianao izay mitoky amin'ny harenao ka manao hoe, 'Iza no ho avy hanohitra ahy?' BSB BSB: Why do you boast of your valleys—your valleys so fruitful, O faithless daughter? You trust in your riches and say, ‘Who can come against me?’
5 ULB Indro, hitondra fampihorohorona aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—izany fampihorohorona izany dia ho tonga amin'ireo izay manodidina anao rehetra. Ny tsirairay aminareo dia hiparitaka manoloana izany. Tsy hisy na iray aza hanangona ireo izay mitsoaka. BSB BSB: Behold, I am about to bring terror upon you, declares the Lord GOD of Hosts, from all those around you. You will each be driven headlong, with no one to regather the fugitives.
6 ULB Nefa aorin'izany dia hamerina ireo harenan'ny vahoakan'i Amona Aho—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: Yet afterward I will restore the Ammonites from captivity,” declares the LORD.
7 ULB Ny amin'i Edoma, izao no ambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: "tsy misy fahendrena intsony ve hita ao Temana? Nisy toro-hevitra tsara ve avy amin'ireo izay nanana fahazavan-tsaina? Niha-simba ve ny fahendren'izy ireo? BSB BSB: Concerning Edom, this is what the LORD of Hosts says: “Is there no longer wisdom in Teman? Has counsel perished from the prudent? Has their wisdom decayed?
8 ULB Mandosira! miverena! mitoera any an-davaky ny tany, ry mponin'i Dedana. Fa mitondra ny lozan'i Esao eo aminy Aho amin'ny fotoana izay hamaizako azy. BSB BSB: Turn and run! Lie low, O dwellers of Dedan, for I will bring disaster on Esau at the time I punish him.
9 ULB Raha tonga aminao ny mpioty voaloboka, moa tsy hanajanona kely amin'izany ve izy ireo? Raha tonga amin'ny alina ny mpangalatra, tsy hangalatra mihoatra noho izay ilainy ve izy ireo? BSB BSB: If grape gatherers came to you, would they not leave some gleanings? Were thieves to come in the night, would they not steal only what they wanted?
10 ULB Fa efa nampitanjaka an'i Esao Aho. Nampiseho ireo toerany miafina Aho. Ary tsy ho afaka hanafina ny tenany izy. Ny zanany, ireo rahalahiny, ary ireo mpiara-monina aminy dia noravana, dia lasa izy. BSB BSB: But I will strip Esau bare; I will uncover his hiding places, and he will be unable to conceal himself. His descendants will be destroyed along with his relatives and neighbors, and he will be no more.
11 ULB Ilaozy aoriana ireo kambotinao. Hiahy ny fiainan'izy ireo Aho, ary ny mpitondratenanao dia afaka mitoky amiko." BSB BSB: Abandon your orphans; I will preserve their lives. Let your widows trust in Me.”
12 ULB Fa izao no fanambaran'i Yaveh: "Indro, ireo izay tsy mendrika izany dia tokony hisotro amin'ny kapoaka tokoa. Mieritreritra ve ny tenanao fa handeha tsy ho saziana ianao? tsia, satria hisotro tokoa ianao. BSB BSB: For this is what the LORD says: “If those who do not deserve to drink the cup must drink it, can you possibly remain unpunished? You will not go unpunished, for you must drink it too.
13 ULB Fa efa nianiana tamin'ny tenako Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Bozra dia ho lasa horohoro, ho fahafaham-baraka, hampalahelo be, ary ho zavatra fanozonana. Ny tanàna rehetra ho tonga faharavana mandrakizay. BSB BSB: For by Myself I have sworn, declares the LORD, that Bozrah will become a desolation, a disgrace, a ruin, and a curse, and all her cities will be in ruins forever.”
14 ULB Nandre vaovao tamin'i Yaveh Aho, ary nisy iraka nalefa tany amin'ireo firenena, 'Mivondrona ary tafio izy. Mivonòna amin'ny ady.' BSB BSB: I have heard a message from the LORD; an envoy has been sent to the nations: “Assemble yourselves to march against her! Rise up for battle!”
15 ULB "Fa indro, nataoko kely ianao raha ampitahaina amin'ireo firenena hafa, ary tsinotsiniavin'ny amin'ny olona. BSB BSB: “For behold, I will make you small among nations, despised among men.
16 ULB Raha ny fahatahorana anao, dia namitaka anao ny avonavon'ny fonao, ry mponina eny amin'ny toeran'ny hantsana, ianao izay nibahana ny havoana ambony indrindra mba hanaovanao ny akaninao ho ambony toy ny an'ny voromahery. Ho ampidiniko avy eny ianao—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: The terror you cause and the pride of your heart have deceived you, O dwellers in the clefts of the rocks, O occupiers of the mountain summit. Though you elevate your nest like the eagle, even from there I will bring you down,” declares the LORD.
17 ULB Ho horohoro ho an'izay mandalo eny amin'izany i Edoma. Ny olona rehetra toy izany dia hangovitra ary hisiotsioka noho ny amin'ireo loza rehetra ireo. BSB BSB: “Edom will become an object of horror. All who pass by will be appalled and will scoff at all her wounds.
18 ULB Toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora ary ireo mpiara-belona aminy, "hoy Yaveh, "tsy hisy olona honina any; tsy misy vahoaka hijanona any. BSB BSB: As Sodom and Gomorrah were overthrown along with their neighbors,” says the LORD, “no one will dwell there; no man will abide there.
19 ULB Indro, hiakatra toy ny liona avy any amin'ny alan'i Jordana izy ho any amin'ireo tanin'ahi-maitso. Fa ho ampandosiriko haingana amin'izany i Edoma, ary hametraka olona izay handray an-tanana izany aho. Fa iza no toa ahy, ary iza no hiantso ahy? Mpiandry ondry iza no afaka hanohitra ahy?" BSB BSB: Behold, one will come up like a lion from the thickets of the Jordan to the watered pasture. For in an instant I will chase Edom from her land. Who is the chosen one I will appoint for this? For who is like Me, and who can challenge Me? What shepherd can stand against Me?”
20 ULB "Koa henoy ny hevitra izay notapahin'i Yaveh hanoherana an'i Edoma, ny fikasana izay efa nataony hanoherana ireo mponin'i Temana. Ho taritarisiny eny rehetra eny tokoa izy ireo, na dia ny kely indrindra amin'ny ondry aza. Ireo tanin'ahiny ho tonga toerana noravaina. BSB BSB: Therefore hear the plans that the LORD has drawn up against Edom and the strategies He has devised against the people of Teman: Surely the little ones of the flock will be dragged away; certainly their pasture will be made desolate because of them.
21 ULB Nihozongozona ny tany tamin'ny feon'ny fianjeran'izy ireo. Ny feon'ny fitarainana dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena. BSB BSB: At the sound of their fall the earth will quake; their cry will resound to the Red Sea.
22 ULB Indro, misy olona hanafika toy ny voromahery, ka hidina ary hamelatra ny elany eo amin'i Bozra. Ary amin'izany andro izany, ny fon'ireo miaramilan'i Edoma dia ho tonga toy ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza." BSB BSB: Look! An eagle will soar and swoop down, spreading its wings over Bozrah. In that day the hearts of Edom’s mighty men will be like the heart of a woman in labor.
23 ULB Ny amin'i Damaskosy: "Ho menatra i Hamata sy Arpada, fa nahare ny vaovao momba ny loza izy ireo. Ketraka izy ireo! hangovitra noho ny ranomasina izy ireo, izay tsy mety tony. BSB BSB: Concerning Damascus: “Hamath and Arpad are put to shame, for they have heard a bad report; they are agitated like the sea; their anxiety cannot be calmed.
24 ULB Mihaosa tokoa Damaskosy. Mivily handositra izany; azon'ny horohoro izany. Azon'ny fahoriana sy fanaintainana izany, toy ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka. BSB BSB: Damascus has become feeble; she has turned to flee. Panic has gripped her; anguish and pain have seized her like a woman in labor.
25 ULB Nahoana no tsy nafoy ny tanàna fiderana, ny tanàn-dehiben'ny fifaliako? BSB BSB: How is the city of praise not forsaken, the town that brings Me joy?
26 ULB Noho izany dia ho lavo eo amin'ny toerany ireo tovolahy, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia ho faty amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro." BSB BSB: For her young men will fall in the streets, and all her warriors will be silenced in that day,” declares the LORD of Hosts.
27 ULB "Fa handrehitra afo eo amin'ny rindrin'i Damaskosy Aho, ary handevona ireo fiarovana mafy ho an'i Beni-hadada izany." BSB BSB: “I will set fire to the walls of Damascus; it will consume the fortresses of Ben-hadad.”
28 ULB Ny amin'ny Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izao no nambaran'i Yaveh tamin'i Nebokadnezara(ary Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia hanafika ireo toerana ireo): "Mitsangana ka tafio Kedara ary aringano ireo vahoakan'ny atsinanana. BSB BSB: Concerning Kedar and the kingdoms of Hazor, which Nebuchadnezzar king of Babylon defeated, this is what the LORD says: “Rise up, advance against Kedar, and destroy the people of the east!
29 ULB Ho alaina ireo lainy sy ireo ondry aman'osiny, miaraka amin'ireo lainy lamba ary ireo fitaovany rehetra; ho alaina amin'izy ireo ireo ramevany, ary hanao hiaka fifaliana amin'izy ireo ny olona, "Horohoro no eo amin'ny manodidina rehetra!" BSB BSB: They will take their tents and flocks, their tent curtains and all their goods. They will take their camels for themselves. They will shout to them: ‘Terror is on every side!’
30 ULB Mandosira! mandehana alavitra! Mijanona eo amin'ny ireo lavakin'ny tany, ry mponin'i Hazora—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia efa nanao tetika hanoherana anao. Mandosira! miverena! BSB BSB: Run! Escape quickly! Lie low, O residents of Hazor,” declares the LORD, “for Nebuchadnezzar king of Babylon has drawn up a plan against you; he has devised a strategy against you.
31 ULB Mitsangana! tafio ny firenena ao am-pitoniana, izay miaina amin'ny fiarovana," Hoy Yaveh. "Tsy manana vavahady na fanidiana any aminy izy ireo, ary ireo olony dia miaina amin'izy ireo. BSB BSB: Rise up, advance against a nation at ease, one that dwells securely,” declares the LORD. “They have no gates or bars; they live alone.
32 ULB Ho robaina ireo ramevany, ary horobaina amin'ny ady ireo fananany maro be. Ary haeliko eny amin'ny rivotra rehetra eny ireo izay nanety ny sisim-bolony, ary hitondra loza amin'zy ireo eo amin'ny lafiny rehetra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Their camels will become plunder, and their large herds will be spoil. I will scatter to the wind in every direction those who shave their temples; I will bring calamity on them from all sides,” declares the LORD.
33 ULB Ho tonga fonenan'ny ambodia i Hazora, ho tany ngazana maharitra. Tsy misy honina any, tsy misy olona hijanona any." BSB BSB: “Hazor will become a haunt for jackals, a desolation forever. No one will dwell there; no man will abide there.”
34 ULB Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama. Izao no nitranga tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'ny Joda, ary hoy izy: BSB BSB: This is the word of the LORD that came to Jeremiah the prophet concerning Elam at the beginning of the reign of Zedekiah king of Judah.
35 ULB "Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: Indro, hanapaka ireo mpandefa tsipìka an'i Elama Aho, ain-dehibe ny herin'izy ireo. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “Behold, I will shatter Elam’s bow, the mainstay of their might.
36 ULB Fa hitondra ireo rivotra efatra avy any amin'ny zoron'ny lanitra efatra Aho, ary hampiely ny vahoakan'i Elama amin'izany rivotra rehetra izany aho. Tsy misy firenena izay tsy ho alehan'ireo izay nahely tao Elama ireo. BSB BSB: I will bring the four winds against Elam from the four corners of the heavens, and I will scatter them to all these winds. There will not be a nation to which Elam’s exiles will not go.
37 ULB Ary hanorotoro an'i Elama eo anoloan'ireo fahavalony Aho ary eo anoloan'ireo izay mitady ny ainy. Fa hitondra loza hanoherana azy ireo Aho, ny fahatezerana amin'ny fahavinirako—izany no fanambaran'i Yaveh— ary handefa ny sabatra amin'izy ireo aho mandra-pahalany tamingana azy ireo. BSB BSB: So I will shatter Elam before their foes, before those who seek their lives. I will bring disaster upon them, even My fierce anger,” declares the LORD. “I will send out the sword after them until I finish them off.
38 ULB Dia hametraka ny seza fiandrianako eo amin'i Elama Aho ary handringana ny mpanjakany sy ireo mpitarika avy ao—izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: I will set My throne in Elam, and destroy its king and officials,” declares the LORD.
39 ULB ary hitsangana izany amin'ny andro farany izay hitondrako hiverina ireo harenan'i Elama—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: “Yet in the last days, I will restore Elam from captivity,” declares the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.