1 ULB Izao ny teny nambaran'i Yaveh ny mahakasika an'i Babylona, ilay tanin'ireo Kaldeana, tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany: BSB BSB: This is the word that the LORD spoke through Jeremiah the prophet concerning Babylon and the land of the Chaldeans:
2 ULB "Tantero any amin'ireo firenena ary asaivo mihaino izy ireo. Asandrato ny famantarana ary asaivo mihaino izy ireo. Aza afenina izany. Lazao hoe: 'Babo i Babylona. Nalaina baraka i Bela. Nivadi-po i Merodaka. Nalaim-baraka ireo sampiny; nivadi-po ireo sarin-javany.' BSB BSB: “Announce and declare to the nations; lift up a banner and proclaim it; hold nothing back when you say, ‘Babylon is captured; Bel is put to shame; Marduk is shattered, her images are disgraced, her idols are broken in pieces.’
3 ULB Hitsangana hamely azy ny firenena avy any avaratra, mba hahatonga ny taniny ho faharavana. Tsy misy, na olona na biby, hiaina ao amin'izany. Handositra izy ireo. BSB BSB: For a nation from the north will come against her; it will make her land a desolation. No one will live in it; both man and beast will flee.”
4 ULB Amin'izany andro izany ary amin'izany fotoana izany—izany no fanambaran'i Yaveh_ny vahoakan'Israely sy ny vahoakan'i Joda dia hiara-tonga mba handeha amim-pitomaniana ary hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: “In those days and at that time, declares the LORD, the children of Israel and the children of Judah will come together, weeping as they come, and will seek the LORD their God.
5 ULB Hanontany ny lalana mankany Ziona izy ireo ary hamakivaky izany, manao hoe: Handeha izahay ary hanatona an'i Yaveh amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy ho adinoina." BSB BSB: They will ask the way to Zion and turn their faces toward it. They will come and join themselves to the LORD in an everlasting covenant that will never be forgotten.
6 ULB Ondry very ny oloko. Nitarika azy ireo any amin'ny lalan-diso any an-tendrombohitra ireo mpiandry ondrin'izy ireo; navilin'izy ireo erakin'ny havoana izy ireo. Nandeha izy ireo, ka nanadino ny toerana izay nonenany. BSB BSB: My people are lost sheep; their shepherds have led them astray, causing them to roam the mountains. They have wandered from mountain to hill; they have forgotten their resting place.
7 ULB Ny olona rehetra izay nivoaka teo amin'izy ireo dia namiravira azy ireo. Hoy ireo fahavalony hoe: "Tsy meloka izahay, satria izy ireo dia nanota tamin'i Yaveh, fonenany marina izy ireo—dia i Yaveh, ilay fanantenan'ireo razamben'izy ireo.' BSB BSB: All who found them devoured them, and their enemies said, ‘We are not guilty, for they have sinned against the LORD, their true pasture, the LORD, the hope of their fathers.’
8 ULB Mialà ao afovoan'i Babylona; mivoaha avy ao amin'ny tanin'ny Kaldeana, aoka ianareo ho tahaka ireo osy lahy izay miala alohan'ny andehanan'ny ondry sisa. BSB BSB: Flee from the midst of Babylon; depart from the land of the Chaldeans; be like the he-goats that lead the flock.
9 ULB Fa indro, efa an-dalam-pametrahana ny hetsika sy hanangana ny vondron'ireo firenena lehibe avy any avaratra hamely an'i Babylona Aho. Hifandamina hanohitra azy izy ireo. Ho samborina avy any i Babylona. Ho tahaka ny mpiady mahay izay tsy miverina tanam-polo ny zana-tsipìkan'izy ireo. BSB BSB: For behold, I stir up and bring against Babylon an assembly of great nations from the land of the north. They will line up against her; from the north she will be captured. Their arrows will be like skilled warriors who do not return empty-handed.
10 ULB Ho lasa babo i Kaldea. Ho afa-po ireo rehetra izay mambabo azy—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Chaldea will be plundered; all who plunder her will have their fill,” declares the LORD.
11 ULB Mifaly, mankalaza ny fahababoan'ny lovako ianareo; mitsambikimbikina tahaka ny zanak'ondry eny amin'ny fihinanam-bilony ianareo; maneno tahaka ny soavaly mahery ianareo. BSB BSB: “Because you rejoice, because you sing in triumph—you who plunder My inheritance—because you frolic like a heifer treading grain and neigh like stallions,
12 ULB Ka ho afa-baraka tokoa ny reninareo; izay niteraka anareo dia ho menatra. Indro, ho kely indrindra amin'ireo firenena izy, ho tany efitra, tany maina, ary tany hay. BSB BSB: your mother will be greatly ashamed; she who bore you will be disgraced. Behold, she will be the least of the nations, a wilderness, a dry land, and a desert.
13 ULB Nohon'ny fahatezeran'i Yaveh, dia tsy honenana intsony, fa ho faharavana tanteraka i Babylona. Ny olona rehetra izay mandalo dia hangovitra noho i Babylona ary hisiotsioka nohon'ny feriny rehetra. BSB BSB: Because of the wrath of the LORD, she will not be inhabited; she will become completely desolate. All who pass through Babylon will be horrified and will hiss at all her wounds.
14 ULB Mifandamìna hamely an'i Babylona sy ny manodidina azy rehetra ianareo. Tsy maintsy hitifitra azy ny olona rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Aza misy ajanona ny zana-tsìpikanareo, fa efa nanota tamin'i Yaveh izy. BSB BSB: Line up in formation around Babylon, all you who draw the bow! Shoot at her! Spare no arrows! For she has sinned against the LORD.
15 ULB Asandrato manodidina azy rehetra ny hiakiaka! Efa voadidina izy; efa nianjera ireo tilikambony; voarodana ireo mandany, fa izany no valifatin'i Yaveh. Manaova valifaty eo aminy! Dia ataovy tahaka izay efa nataony! BSB BSB: Raise a war cry against her on every side! She has thrown up her hands in surrender; her towers have fallen; her walls are torn down. Since this is the vengeance of the LORD, take out your vengeance upon her; as she has done, do the same to her.
16 ULB Aringano ny mpamboly izay mamafy ny voa sy izay mampiasa ny antsy fijinjana amin'ny fotoam-pijinjana ao Babylona. Aoka hiverina avy any amin'ny sabatry ny mpampahory ho any amin'ny vahoakany ny olona tsirairay; aoka izy ireo hiverina any amin'ny taniny. BSB BSB: Cut off the sower from Babylon, and the one who wields the sickle at harvest time. In the face of the oppressor’s sword, each will turn to his own people, each will flee to his own land.
17 ULB Israely dia ondry naparitaka sy noroahan'ny liona. Ny mpanjakan'i Asyria no namiravira azy ireo voalohany; ary taorian'izay, dia notapahin'i Nabokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo taolany. BSB BSB: Israel is a scattered flock, chased away by lions. The first to devour him was the king of Assyria; the last to crush his bones was Nebuchadnezzar king of Babylon.”
18 ULB Noho izany izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely: "Indro, efa manafay ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny Aho, tahaka ny namaizako ny mpanjakan'i Asyria. BSB BSB: Therefore this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: “I will punish the king of Babylon and his land as I punished the king of Assyria.
19 ULB Hamerina an'Israely any amin'ny tanindrazany Aho, hihinana Karmela sy Basana izy. Ary ho afa-po ao amin'ny tany havoan'i Efraima sy Gileada izy. BSB BSB: I will return Israel to his pasture, and he will graze on Carmel and Bashan; his soul will be satisfied on the hills of Ephraim and Gilead.
20 ULB Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy i Yaveh, ho tadiavina ao Israely ny heloka, nefa tsy hahita. Hanontany ny momban'ny fahotan'i Joda Aho, nefa tsy hahita, fa hamela heloka ny sisa tavela izay namindrako fo Aho." BSB BSB: In those days and at that time, declares the LORD, a search will be made for Israel’s guilt, but there will be none, and for Judah’s sins, but they will not be found; for I will forgive the remnant I preserve.
21 ULB "Mitsangàna hamely ny tanin'i Merataima, hamely izany sy ireo izay mponina Pekoda. Apetraho eo amin'ny sabatra izy ireo ary atokany ho an'ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—ataovy izay rehetra andidiako anareo. BSB BSB: Go up against the land of Merathaim, and against the residents of Pekod. Kill them and devote them to destruction. Do all that I have commanded you,” declares the LORD.
22 ULB Ao amin'ny tany ny feon'ny ady sy ny faharavana lehibe. BSB BSB: “The noise of battle is in the land—the noise of great destruction.
23 ULB Endrey ny nanapahana sy namotehana ny tantanan'ny tany rehetra. Indrisy fa tonga horohoro eo amin'ireo firenena i Babylona. BSB BSB: How the hammer of the whole earth lies broken and shattered! What a horror Babylon has become among the nations!
24 ULB Nametrahako fandrika ianao ka tratra, ry Babylona, ary tsy nahafantatra izany ianao! Tratra sy voasambotra ianao, satria nanohitra an'i Yaveh. BSB BSB: I laid a snare for you, O Babylon, and you were caught before you knew it. You were found and captured because you challenged the LORD.
25 ULB Efa nanokatra ny fitoeran'ny fitaovam-piadiany i Yaveh ary nentiny mivoaka ireo fitaovam-piadiana ho fanehoany ny fahatezerany. Misy asa ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tanin'ny Kaldeana. BSB BSB: The LORD has opened His armory and brought out His weapons of wrath, for this is the work of the Lord GOD of Hosts in the land of the Chaldeans.
26 ULB Tafio avy lavitra izy. Sokafy ny fitoeram-bokany ary akorotano tahaka ny antontam-bary izy. Atokano ho an'ny faharavana izy. Aza avela hisy tavela ny aminy. BSB BSB: Come against her from the farthest border. Break open her granaries; pile her up like mounds of grain. Devote her to destruction; leave her no survivors.
27 ULB Vonoy ny ombilahiny rehetra. Ampidino any amin'ny toerana famonoana ireo. Loza ho azy ireo, fa efa tonga ny androny—dia ny fotoana famaizana azy ireo. BSB BSB: Kill all her young bulls; let them go down to the slaughter. Woe to them, for their day has come—the time of their punishment.
28 ULB Injany ny feon'ny fandosiran'izy ireo, dia ireo sisa tsy maty, avy tany amin'ny tany Babylona. Izy ireo no hitatitra ny valifatin'i Yaveh Andriamanitsika ho an'i Ziona, sy valifaty ho an'ny tempoliny." BSB BSB: Listen to the fugitives and refugees from the land of Babylon, declaring in Zion the vengeance of the LORD our God, the vengeance for His temple.
29 ULB "Antsoy ireo mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona—ireo rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Mitobia hamely azy, ary aza avela hisy afa-mandositra. Valio amin'izay efa nataony izy. Ataovy aminy araka ny izay efa fataony. Fa efa niantsy an'i Yaveh izy, dia ilay Masin'Israely. BSB BSB: Summon the archers against Babylon, all who string the bow. Encamp all around her; let no one escape. Repay her according to her deeds; do to her as she has done. For she has defied the LORD, the Holy One of Israel.
30 ULB Ka dia ho lavo eny amin'ny zoron-tanàna ireo tovolahiny, ary ho ringana ireo lehilahy mpiadiny rehetra amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: Therefore, her young men will fall in the streets, and all her warriors will be silenced in that day,” declares the LORD.
31 ULB "Indro, mamely anao Aho, ry mpirehareha—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—fa efa tonga ny andronao, ry mpirehareha, dia ny fotoana izay hamaizako anao. BSB BSB: “Behold, I am against you, O arrogant one,” declares the Lord GOD of Hosts, “for your day has come, the time when I will punish you.
32 ULB Ka ho tafintohina sy ho lavo ireo mpirehareha. Tsy hisy hanangana azy ireo. Handrehitra afo eo amin'ireo tanànan'izy ireo Aho; handevona ny zava-drehetra manodidina azy izany. BSB BSB: The arrogant one will stumble and fall with no one to pick him up. And I will kindle a fire in his cities to consume all those around him.”
33 ULB Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Nampahoriana ireo vahoakan'Israely, miaraka amin'ireo vahoakan'i Joda. Mbola notanan'ireo rehetra nisambotra azy izy ireo; nandà ny hamela azy ireo andeha izy ireo. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “The sons of Israel are oppressed, and the sons of Judah as well. All their captors hold them fast, refusing to release them.
34 ULB Mahery Ilay mpamonjy azy ireo. Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. Handahatra ny amin'izy ireo marina Izy, mba hitondra fitsaharana ao amin'ny tany, ary mba hitondra fifandirana ho an'ireo mponin'i Babylona. BSB BSB: Their Redeemer is strong; the LORD of Hosts is His name. He will fervently plead their case so that He may bring rest to the earth, but turmoil to those who live in Babylon.
35 ULB Ny sabatra dia hamely an'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamely ny mponin'i Babylona, ireo mpitariny, ary ireo lehilahy hendriny. BSB BSB: A sword is against the Chaldeans, declares the LORD, against those who live in Babylon, and against her officials and wise men.
36 ULB Tonga hamely ireo izay manao tenin-tsikidy ny sabatra, mba hitonon-tena ho toy ny adala izy ireo. Tonga hamely ireo miaramilany ny sabatra, ka dia ho feno tahotra izy ireo. BSB BSB: A sword is against her false prophets, and they will become fools. A sword is against her warriors, and they will be filled with terror.
37 ULB Tonga hamely ireo soavaliny, ireo kalesiny ary ireo olona rehetra izay ao afovoan'i Babylona ny sabatra ka dia ho tonga tahaka ny vehivavy izy ireo. Tonga hamely ireo trano fitehirizany ny sabatra, ka ho voaroba izy ireo. BSB BSB: A sword is against her horses and chariots and against all the foreigners in her midst, and they will become like women. A sword is against her treasuries, and they will be plundered.
38 ULB Ho tonga eo amin'ireo ranony ny hain-tany, ka dia ho maina ireo. Fa tanin'ireo sampy tsy misy ilàna azy izy, ary miasa tahaka ny olona noverezin-tsain'ireo sampiny mahatsiravina izy ireo. BSB BSB: A drought is upon her waters, and they will be dried up. For it is a land of graven images, and the people go mad over idols.
39 ULB Ka ireo bibin'ny tany efitra miaraka amin'ireo ambodia no honina any, ary ny aostrisy tanora no hitoetra ao aminy. Fa amin'ny fotoana rehetra, dia tsy honenana intsony izy. Hatramin'ny taranaka fara mandimby, dia tsy honenana ao aminy. BSB BSB: So the desert creatures and hyenas will live there and ostriches will dwell there. It will never again be inhabited or lived in from generation to generation.
40 ULB Dia tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora ary ireo manodidina azy—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hisy honina ao; tsy hisy olona hijanona ao aminy." BSB BSB: As God overthrew Sodom and Gomorrah along with their neighbors,” declares the LORD, “no one will dwell there; no man will abide there.
41 ULB "Indro, tonga ny vahoaka avy any avaratra, ho an'ny firenena lehibe sy ireo mpanjaka maro efa nisandratra avy any an-tany lavitra. BSB BSB: Behold, an army is coming from the north; a great nation and many kings are stirred up from the ends of the earth.
42 ULB Haka tsipìka sy lefona izy ireo. Lozabe Izy ireo ary tsy manana fangoraham-po. Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina ny feon'izy ireo, ary mitaingin-tsoavaly mitan-dahatra tahaka ny lehilahy mpiady, hamely anareo izy ireo, ry zanaka vavin'i Babylona. BSB BSB: They grasp the bow and spear; they are cruel and merciless. Their voice roars like the sea, and they ride upon horses, lined up like men in formation against you, O Daughter of Babylon.
43 ULB Nandre ny tatitr'izy ireo ny mpanjakan'i Babylona, ary nalemy nohon'ny horohoro ny tanany. Namely azy tahaka ny vehivavy miteraka ny fahoriana. BSB BSB: The king of Babylon has heard the report, and his hands hang limp. Anguish has gripped him, pain like that of a woman in labor.
44 ULB Indro! Miakatra tahaka ny liona avy any ambonin'ny Jordana ho any amin'ny fitoeram-bilona maharitra izy. Fa ho ataoko mandositra faingana ao amin'izany izy ireo, ary hametraka olona voafidy hiandraikitra izany Aho. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hiantso Ahy? Mpiandry ondry tahaka ny ahoana no ahatohitra Ahy? BSB BSB: Behold, one will come up like a lion from the thickets of the Jordan to the watered pasture. For in an instant I will chase Babylon from her land. Who is the chosen one I will appoint for this? For who is like Me, and who can challenge Me? What shepherd can stand against Me?”
45 ULB Koa henoy ary ireo fikasana izay nataon'i Yaveh hamelezana an'i Babylona, ireo fikasana izay efa nalaminy hamelezana ny tanin'ireo Kaldeana. Ho viraviraina tokoa izy ireo, eny fa na dia ny ondry kely indrindra aza. Ho lasa toerana rava ny tany fihinanam-bilon'izy ireo. BSB BSB: Therefore hear the plans that the LORD has drawn up against Babylon and the strategies He has devised against the land of the Chaldeans: Surely the little ones of the flock will be dragged away; certainly their pasture will be made desolate because of them.
46 ULB Amin'ny feon'ny faharesen'i Babylona dia mihorohoro ny tany, ary re amin'ireo firenena ny hiakam-pahorian'izy ireo." BSB BSB: At the sound of Babylon’s capture the earth will quake; a cry will be heard among the nations.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.