1 ULB Izao no ambaran'i Yaveh: "Indro, handeha hampitsoaka ny rivotra mpandringana amin'i Babylona sy ireo izay monina ao Leba-Kamay Aho. BSB BSB: This is what the LORD says: “Behold, I will stir up against Babylon and against the people of Leb-kamai the spirit of a destroyer.
2 ULB Handefa ireo vahiny ao Babylona Aho. Hanaparitaka azy izy ireo ary handravarava ny taniny, fa ho avy hanohitra azy avy amin'ny manodidina rehetra izy ireo amin'ny andron'ny loza. BSB BSB: I will send strangers to Babylon to winnow her and empty her land; for they will come against her from every side in her day of disaster.
3 ULB Aza avela handefa ireo zana-tsipíkany ireo mpandefa tsipíka, aza avela hanao ny akanjo fiarovany izy ireo. Aza mamindra fo amin'ireo tovolahiny; hatokany amin'ny fandravana ny tafiny rehetra. BSB BSB: Do not let the archer bend his bow or put on his armor. Do not spare her young men; devote all her army to destruction!
4 ULB Fa ny olona maratra dia hianjera ao amin'ny tanin'ireo Kaldeana, ireo izay voavono dia hianjera eny amin'ireo lalany. BSB BSB: And they will fall slain in the land of the Chaldeans, and pierced through in her streets.
5 ULB Fa Israely sy Joda dia tsy nafoin'ny Andriamaniny, Yaveh Tompon'ny maro, na dia feno ireo fandikan-dalàna manohitra ny Masin'Israely aza ny taniny. BSB BSB: For Israel and Judah have not been abandoned by their God, the LORD of Hosts, though their land is full of guilt before the Holy One of Israel.”
6 ULB Mandosira amin'ny afovoan'i Babylona. Aoka ny olona tsirairay samy hanavotra ny tenany. Aoka tsy ho ringana ao anatin'ny helony. Fa izao no fotoana hanaovan'Yaveh valifaty. Honerany ho azy ny rehetra amin'izany. BSB BSB: Flee from Babylon! Escape with your lives! Do not be destroyed in her punishment. For this is the time of the LORD’s vengeance; He will pay her what she deserves.
7 ULB Kapoaka volamena eo an-tanan'i Yaveh i Babylona izay nahamamo izao tontolo izao; nisotro ny divainy ireo firenena ka lasa very saina. BSB BSB: Babylon was a gold cup in the hand of the LORD, making the whole earth drunk. The nations drank her wine; therefore the nations have gone mad.
8 ULB Hianjera tampoka Babylona ary ho ravaina. Midradradradrà ho azy! Omeo fanafody amin'ny fanaitainany izy; dia ho sitrana izy angamba. BSB BSB: Suddenly Babylon has fallen and been shattered. Wail for her; get her balm for her pain; perhaps she can be healed.
9 ULB 'Naniry ny hahasitrana an'i Babylona izahay, fa tsy sitrana izy. Aoka isika rehetra handao azy sy handeha lavitr, ho any amin'ny tanintsika. Fa mahatakatra lanitra ny helony; misavovona hatreny amin'ireo rahona izany. BSB BSB: “We tried to heal Babylon, but she could not be healed. Abandon her! Let each of us go to his own land, for her judgment extends to the sky and reaches to the clouds.”
10 ULB Efa nanambara ny tsy fananantsika tsiny Yaveh. Avia, andeha isika hilaza amin'i Ziona ireo asan'i Yaveh Andriamanitsika. BSB BSB: “The LORD has brought forth our vindication; come, let us tell in Zion what the LORD our God has accomplished.”
11 ULB Ranito ireo zana-tsipíka ary alaivo ireo ampinga. Yaveh dia misarika ny mpanjakan'i Medesa amin'ny fikasana hamotika an'i Babylona. Izany dia ho an'ny valifatin'Yaveh, famaliana faty tamin'ny nandravana ny tempoliny. BSB BSB: Sharpen the arrows! Fill the quivers! The LORD has aroused the spirit of the kings of the Medes, because His plan is aimed at Babylon to destroy her, for it is the vengeance of the LORD—vengeance for His temple.
12 ULB Manandrata faneva eo ambonin'ireo mandan'i Babylona. Hamafiso ny fiambenana; mametraha mpiambina; ataovy vonona ireo otrika; fa hotanterahin'ny TOMPO ireo izay nolazainy mahakasika ny mponin'i Babylona. BSB BSB: Raise a banner against the walls of Babylon; post the guard; station the watchmen; prepare the ambush. For the LORD has both devised and accomplished what He spoke against the people of Babylon.
13 ULB Ianareo mponina izay mipetraka eny amin'ireo moron-drano; Ianareo mponina izay manan-karena zava-tsarobidy, tonga ny fiafaranareo. Ny tadin'ny fiainanareo dia nafohezina ankehitriny. BSB BSB: You who dwell by many waters, rich in treasures, your end has come; the thread of your life is cut.
14 ULB Nianina tamin'ny ainy manontolo i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Ho fenoiko fahavalonao ianareo, tahaka ny fandringanan'ny valala; hanangana adim-pihorahana aminao izy ireo.' BSB BSB: The LORD of Hosts has sworn by Himself: “Surely I will fill you up with men as with locusts, and they will shout in triumph over you.”
15 ULB Nanao ny tany tamin'ny alalan'ny fahefany Izy; nametraka ny tany tamin'ny toerany izy avy tamin'ny fahendreny; namelatra ireo lanitra tamin'ny fahazavan-tsainy Izy. BSB BSB: The LORD made the earth by His power; He established the world by His wisdom and stretched out the heavens by His understanding.
16 ULB Rehefa mitrerona Izy, dia misy rano mierona any an-danitra, Fa mitondra ny zavona avy any am-paran'ny tany izy. Manao tselatra ho an'ny orana Izy ary mamoaka ireo tafio-drivotra ao amin'ireo trano fitehirizany. BSB BSB: When He thunders, the waters in the heavens roar; He causes the clouds to rise from the ends of the earth. He generates the lightning with the rain and brings forth the wind from His storehouses.
17 ULB Lasa bado ny olona rehetra, tsy manam-pahalalana. Ireo mpanefy vy rehetra dia ho menatra noho ireo sampiny. Fa fitaka ireo sarin-javatra an-idinany, ary tsy misy fiainana ao amin'izy ireny. BSB BSB: Every man is senseless and devoid of knowledge; every goldsmith is put to shame by his idols. For his molten images are a fraud, and there is no breath in them.
18 ULB Tsy ilaina izy ireny, ireo asan'ny mpaniratsira; ho faty izy ireo amin'ny fotoanan'ny famaizana azy. BSB BSB: They are worthless, a work to be mocked. In the time of their punishment they will perish.
19 ULB Fa Andriamanitra, ilay anjaran'i Jakoba, dia tsy mba tahaka izany, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely no fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. BSB BSB: The Portion of Jacob is not like these, for He is the Maker of all things, and of the tribe of His inheritance—the LORD of Hosts is His name.
20 ULB Fa Ianao no fitaovam-piadiko, langilangy amin'ny adiko. Ianao no hanorotoroko ireo firenena sy hamotehiko ireo fanjakana. BSB BSB: “You are My war club, My weapon for battle. With you I shatter nations; with you I bring kingdoms to ruin.
21 ULB Ianao no hanorotoroko ireo soavaly sy ireo mpitaingina azy; miaraka Aminao no hanorotoroko ireo kalesy sy ireo mpitondra azy. BSB BSB: With you I shatter the horse and rider; with you I shatter the chariot and driver.
22 ULB Ianao no hanorotoroko ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay avy; Ianao no hanorotoroko ny antitra sy ny tanora. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo zatovo lahy sy ireo virjiny vavy. BSB BSB: With you I shatter man and woman; with you I shatter the old man and the youth; with you I shatter the young man and the maiden.
23 ULB Miaraka aminao no hanorotoroko ireo mpiandry ondry sy ireo ondry aman'osiny. Miaraka aminao no hanorotoroko ny mpiasa tany sy ireo tariny. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo governora sy ireo manam-pahefana. BSB BSB: With you I shatter the shepherd and his flock; with you I shatter the farmer and his oxen; with you I shatter the governors and officials.
24 ULB Fa eo imasonao no hamaliko an'i Babylona sy ireo mponin'i Kaldea nohon'ny amin'ireo haratsiana rehetra izay nataon'izy ireo tao Ziona—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Before your very eyes I will repay Babylon and all the dwellers of Chaldea for all the evil they have done in Zion,” declares the LORD.
25 ULB Indro, manohitra anao Aho, ry tendrombohitry ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mandrava ny tany manontolo. Haninjitra ny tanako hanohitra anao Aho ary hampikodiadia anao any amin'ireo hantsana, ary hanao anao ho tendrombohitra mirehitra Aho. BSB BSB: “Behold, I am against you, O destroying mountain, you who devastate the whole earth, declares the LORD. I will stretch out My hand against you; I will roll you over the cliffs and turn you into a charred mountain.
26 ULB Ka tsy haka vato hanorenana zoron-trano sy fototra avy aminao izy ireo; fa ho lasa faharavana mandrakizay ianao_izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: No one shall retrieve from you a cornerstone or a foundation stone, because you will become desolate forever,” declares the LORD.
27 ULB Manangàna faneva manerana ny tany. Tsofy manerana ireo firenena ny anjomara. Antsoy ireo firenena hamely azy: Ararata, Miny ary Askenaza. Manendre mpibaiko hamely azy; mitondrà soavaly tahaka ireo valala voloina. BSB BSB: “Raise a banner in the land! Blow the ram’s horn among the nations! Prepare the nations against her. Summon the kingdoms against her—Ararat, Minni, and Ashkenaz. Appoint a captain against her; bring up horses like swarming locusts.
28 ULB Vonony ireo firenena hamely azy: ny mpanjakan'i Mediana sy ireo governorany, ny manam-pahefany rehetra ary ireo tany rehetra izay eo ambanin'ny fahefany. BSB BSB: Prepare the nations for battle against her—the kings of the Medes, their governors and all their officials, and all the lands they rule.
29 ULB Fa hihorohoro sy ho ao anaty hirifiry ny tany, satria nitohy ny fikasan'i Yaveh hanohitra an'i Babylona, mba hahatonga ny tanin'i Babylona ho tany ngazana izay tsy misy mponina. BSB BSB: The earth quakes and writhes because the LORD’s intentions against Babylon stand: to make the land of Babylon a desolation, without inhabitant.
30 ULB Efa nijanona nitolona ireo miaramilan'i Babylona; nijanona tao amin'ireo fiarovany mafy izy ireo. Lefy ny herin'izy ireo; lasa vehivavy izy ireo—mirehitra ny tranon'izy ireo, tapaka ireo hidim-bavahadiny. BSB BSB: The warriors of Babylon have stopped fighting; they sit in their strongholds. Their strength is exhausted; they have become like women. Babylon’s homes have been set ablaze, the bars of her gates are broken.
31 ULB Ny mpitondra hafatra mihazakazaka mba hanambara hafatra any amin'ny mpitondra hafatra iray hafa, ary ny mpihazakazaka iray miteny amin'ny mpihazakazaka iray hafa mba hitatitra any amin'ny mpanjakan'i Babylona fa ity tanàna ity dia efa voasambotra hatrany farany. BSB BSB: One courier races to meet another, and messenger follows messenger, to announce to the king of Babylon that his city has been captured from end to end.
32 ULB Ka azo ireo fiampitana eny ambonin'ny rano, mandoro ireo volotara amin'ny afo miheniheny ireo fahavalo, ary very hevitra ireo lehilahy mpiadin'i Babylona. BSB BSB: The fords have been seized, the marshes set on fire, and the soldiers are terrified.”
33 ULB Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, no miteny izao: tahaka ny famoloana ny zanaka vavin'ny Babylona. Fotoana hanosena azy izao. Ho avy aminy anaty fotoana fohy ny fotoam-pijinjana. BSB BSB: For this is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: “The Daughter of Babylon is like a threshing floor at the time it is trampled. In just a little while her harvest time will come.”
34 ULB Nolevonin'i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babylona aho; nitondra ahy amin'ny fahaverezan-kevitra izy. Ary nataony ho vilany foana aho, nanatelina ahy tahaka ny biby goavam-be izy; nameno ny kibony tamin'ny hanim-piako izy; nandroaka ahy izy. BSB BSB: “Nebuchadnezzar king of Babylon has devoured me; he has crushed me. He has set me aside like an empty vessel; he has swallowed me like a monster; he filled his belly with my delicacies and vomited me out.
35 ULB Izay monina ao Ziona hiteny hoe: "Aoka ny herisetra natao ahy sy tamin'ny nofoko ho amin'i Babylona." Ary hoy Jerosalema hoe: "Aoka ny rako ho amin'ireo mponin'i Kaldea." BSB BSB: May the violence done to me and to my flesh be upon Babylon,” says the dweller of Zion. “May my blood be on the dwellers of Chaldea,” says Jerusalem.
36 ULB Koa izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hisolo vava anao Aho ary hitondra valifaty ho anao. Fa ho ritiko ny ranon'i Babylona ary hanamaina ny loharanony Aho. BSB BSB: Therefore this is what the LORD says: “Behold, I will plead your case and take vengeance on your behalf; I will dry up her sea and make her springs run dry.
37 ULB Fa ho lasa korontam-bato i Babylona, lavaka fieren'ny ambodia, horohoro, zavatra mampisiotsioka, izay tsy misy mponina. BSB BSB: Babylon will become a heap of rubble, a haunt for jackals, an object of horror and scorn, without inhabitant.
38 ULB Hierona miaraka tahaka ireo liona tanora ireo Babyloniana. Hierona toy ny zana-diona izy. Raha lasa anaty fitiavam-bola tafahoatra izy ireo, hanao BSB BSB: They will roar together like young lions; they will growl like lion cubs.
39 ULB fihinanambe ho azy ireo Aho, hamamoiko izy ireo ka ho faly ary dia hatory anaty torimaso tsy mety tapitra ka tsy hifoha intsony—izany no fanambaran'i Yaveh— BSB BSB: While they are flushed with heat, I will serve them a feast, and I will make them drunk so that they may revel; then they will fall asleep forever and never wake up, declares the LORD.
40 ULB Ho alefako hidina any amin'ny famonoana tahaka ireo zanak'ondry, tahaka ny omby aman'ondry miaraka amin'ireo osy izy ireo. BSB BSB: I will bring them down like lambs to the slaughter, like rams with male goats.
41 ULB Endrey ny nahazoana an'i Babylona! Ka azo ny fideran'ny tany manontolo. Endrey fa tonga toerana ngazana eo amin'ireo firenena i Babylona. BSB BSB: How Sheshach has been captured! The praise of all the earth has been seized. What a horror Babylon has become among the nations!
42 ULB Miakatra manerana an'i Babylona ny ranomasina! Voarakotrin'ireo onjany mierona izy. BSB BSB: The sea has come up over Babylon; she is covered in turbulent waves.
43 ULB Tonga faharavana ireo tananany, tany maina sy efitra, tany izay tsy misy monina, ary tsy handalovana na olona iray aza. BSB BSB: Her cities have become a desolation, a dry and arid land, a land where no one lives, where no son of man passes through.
44 ULB Ka ho faiziko ao Babylona i Bela; ho entiko hivoaka ny vavany izay nateliny ary ireo firenena dia tsy hikoriana aminy miaraka amin'ireo fanatitr'izy ireo. Hirodana ny mandan'i Babylona. BSB BSB: I will punish Bel in Babylon. I will make him spew out what he swallowed. The nations will no longer stream to him; even the wall of Babylon will fall.
45 ULB Mivoaha eo amin'ny afovoany, ry oloko. Aoka ny tsirairay samy hanavotra ny tenany amin'ny fahaviniran'ny fahatezerako. BSB BSB: Come out of her, My people! Save your lives, each of you, from the fierce anger of the LORD.
46 ULB Aza avela ho menatra ny fonareo na hatahotra ny vaovao izay heno ao amin'ilay tany, fa ho avy amin'ny taona iray ireo vaovao. Aorian'izany amin'ny taona manaraka ihany koa dia hisy vaovao, ary ny herisetra dia ho ao amin'ny tany. Mpanapaka hanohitra mpanapaka. BSB BSB: Do not let your heart grow faint, and do not be afraid when the rumor is heard in the land; for a rumor will come one year—and then another the next year—of violence in the land and of ruler against ruler.
47 ULB Koa, indro, tonga ny andro izay hanafaizako ireo sampy voasokitr'i Babylona. Ho menatra ireo taniny rehetra, ary ireo fatiny rehetra dia hianjera eo afovoany. BSB BSB: Therefore, behold, the days are coming when I will punish the idols of Babylon. Her entire land will suffer shame, and all her slain will lie fallen within her.
48 ULB Ary ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra ao amin'izy ireo dia hifaly amin'ny Babylona. Fa ho avy aminy avy any avaratra ny mpandringana—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Then heaven and earth and all that is in them will shout for joy over Babylon because the destroyers from the north will come against her,” declares the LORD.
49 ULB "Tahaka ny nampianjeran'i Babylona ny Israely voavono, no hianjeran'ireo voavono tao amin'ny taniny rehetra ao Babylona." BSB BSB: “Babylon must fall on account of the slain of Israel, just as the slain of all the earth have fallen because of Babylon.
50 ULB Ry sisa velona amin'ny sabatra, mandeana! Aza mijanona. Tsarovy avy eny alavitra i Yaveh; aoka hotsaroina i Jerosalema. BSB BSB: You who have escaped the sword, depart and do not linger! Remember the LORD from far away, and let Jerusalem come to mind.”
51 ULB Menatra izahay, fa naheno ireo teny maloto; nandrakotra ny tavanay ny fanamelohana, fa niditra tao amin'ireo fitoerana Masin'ny tranon'i Yaveh ireo vahiny. BSB BSB: “We are ashamed because we have heard reproach; disgrace has covered our faces, because foreigners have entered the holy places of the LORD’s house.”
52 ULB Koa, indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanafaizako ireo sampy voasikony, dia hisento amin'ny taniny rehetra ny vahoaka maratra. BSB BSB: “Therefore, behold, the days are coming,” declares the LORD, “when I will punish her idols, and throughout her land the wounded will groan.
53 ULB Fa na dia miakatra eny amin'ny lanitra aza i Babylona na manamafy ireo fiarovany mafy avo indrindra aza izy, dia ho avy aminy ireo mpandringana avy amiko—izany no fanambaran'i Yaveh. BSB BSB: Even if Babylon ascends to the heavens and fortifies her lofty stronghold, the destroyers I send will come against her,” declares the LORD.
54 ULB Ny hiakan'ny fahoriana dia avy any Babylona, firodanana lehibe avy any amin'ny tanin'ireo Kaldeana. BSB BSB: “The sound of a cry comes from Babylon, the sound of great destruction from the land of the Chaldeans!
55 ULB Fa Yaveh dia mandrava an'i Babylona. Izy no mampitsahatra ireo fihorakorahana mafy. Mierona tahaka ireo onjan-drano ireo fahavalony; mihamafy ireo tabatabany. BSB BSB: For the LORD will destroy Babylon; He will silence her mighty voice. The waves will roar like great waters; the tumult of their voices will resound.
56 ULB Fa tonga hanohitra azy ny mpandringana—manohitra an'i Babylona! —ary ireo lehilahy mpiadiny dia efa voasambotra. Tapaka ireo tsipíkany, fa Yaveh no Andriamanitrin'ny famaliana; fa hitondra izany famaliana izany tokoa Izy. BSB BSB: For a destroyer is coming against her—against Babylon. Her warriors will be captured, and their bows will be broken, for the LORD is a God of retribution; He will repay in full.
57 ULB Fa hataoko mamo ireo andriandahiny, ireo olo-kendriny, ireo manam-pahefany, ary ireo miaramilany, dia hatory anaty torimaso tsy misy fiafarany izy ireo ary tsy hifoha intsony—izao no fanambaran'ny mpanjaka: Yaveh Tompon'ny maro no anarany. BSB BSB: I will make her princes and wise men drunk, along with her governors, officials, and warriors. Then they will fall asleep forever and not wake up,” declares the King, whose name is the LORD of Hosts.
58 ULB Yaveh Tompon'ny maro miteny izao: "Ho rava tanteraka ny manda matevin'i Babylona ary hodorana ireo vavahadiny avo. Dia ireo vahoaka izay tonga hanampy azy dia ho sasa-poana; ny zava-drehetra izay ezahin'ireo firenena atao ho azy dia hodorana." BSB BSB: This is what the LORD of Hosts says: “Babylon’s thick walls will be leveled, and her high gates consumed by fire. So the labor of the people will be for nothing; the nations will exhaust themselves to fuel the flames.”
59 ULB Izao no teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia rehefa nandeha ho any Babylona izy niaraka tamin'i Zedekia mpanjakan'ny Joda tamin'ny taona fahaefatra nanjakany. Fa tonga ho lehiben'ny manam-pahefana i Seraia. BSB BSB: This is the message that Jeremiah the prophet gave to the quartermaster Seraiah son of Neriah, the son of Mahseiah, when he went to Babylon with King Zedekiah of Judah in the fourth year of Zedekiah’s reign.
60 ULB Fa efa nanoratra ireo loza rehetra izay ho avy amin'i Babylona tao anaty horonan-taratasy i Jeremia—ireo teny rehetra izay voasoratra mahakasika an'i Babylona. BSB BSB: Jeremiah had written on a single scroll about all the disaster that would come upon Babylon—all these words that had been written concerning Babylon.
61 ULB Niteny tamin'i Seraia i Jeremia hoe: "Rehefa mankany Babylona ianao, dia hahita sy hamaky mafy ireo teny ireo. BSB BSB: And Jeremiah said to Seraiah, “When you get to Babylon, see that you read all these words aloud,
62 ULB Dia hiteny ianao hoe: "Yaveh, Ianao mihintsy no nanambara fa ho ravainao ity toerana ity, ary tsy hisy olona na biby hiaina ao aminy, ary ho rava mandrakizay izy. BSB BSB: and say, ‘O LORD, You have promised to cut off this place so that no one will remain—neither man nor beast. Indeed, it will be desolate forever.’
63 ULB Dia rehefa vitanao ny famakiana io horonan-taratasy io, dia afatory amin'ny vato izany ary atsipazo eny afovoan'ireo Eofrata. BSB BSB: When you finish reading this scroll, tie a stone to it and cast it into the Euphrates.
64 ULB Lazao hoe: "Ho rendrika tahaka izany i Babylona. Tsy ho tafatsangana izy noho ireo loza izay alefako hanohitra azy, dia hianjera izy." Tapitra eto ny tenin'i Jeremia. BSB BSB: Then you are to say, ‘In the same way Babylon will sink and never rise again, because of the disaster I will bring upon her. And her people will grow weary.’” Here end the words of Jeremiah.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.