2 ULB "Mijoroa eo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh ary ambarao ity teny ity! Lazao hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo ry Joda rehetra, ianareo izay miditra ao amin'ireo vavahady ireo mba hanompo an'i Yaveh. BSB BSB: “Stand in the gate of the house of the LORD and proclaim this message: Hear the word of the LORD, all you people of Judah who enter through these gates to worship the LORD.
3 ULB Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: amboary ny lalanareo ary manaova ny tsara, dia hanohy ny hiaina ao amin'ity toerana ity Aho. BSB BSB: Thus says the LORD of Hosts, the God of Israel: Correct your ways and deeds, and I will let you live in this place.
4 ULB Aza mitoky amin'ireo teny mamitaka manao hoe: "Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh!" BSB BSB: Do not trust in deceptive words, saying: ‘This is the temple of the LORD, the temple of the LORD, the temple of the LORD.’
5 ULB Fa raha manamboatra ny lalanareo tokoa ianareo sady manao ny tsara; raha tena manatanteraka feno ny rariny eo amin'ny olona sy ny mpiara-belona aminy tokoa ianareo— BSB BSB: For if you really correct your ways and deeds, if you act justly toward one another,
6 ULB raha tsy manararaotra ilay mijanona eo amin'ilay tany, ireo kamboty, na ireo mpitondratena ianareo ary aza mandatsa-dràn'olona tsy manan-tsiny eo amin'izany toerana izany, ary aza manaraka ireo andriamanin-kafa ampahory ny tenanareo ihany— BSB BSB: if you no longer oppress the foreigner and the fatherless and the widow, and if you no longer shed innocent blood in this place or follow other gods to your own harm,
7 ULB dia hamela anareo hitoetra eo amin'ity toerana ity Aho, any amin'ny tany izay nomeko an'ireo razanareo tamin'ny andro fahiny ary ho mandrakizay. BSB BSB: then I will let you live in this place, in the land that I gave to your fathers forever and ever.
8 ULB Indro! Ianareo dia matoky ireo teny fitaka izay tsy manampy anareo. BSB BSB: But look, you keep trusting in deceptive words to no avail.
9 ULB Moa ve ianareo mangalatra, mamono, sy mijanganjanga? Mianiana amin'ny fitaka ve ianareo ary manolotra ditin-kazo manitra ho an'i Bala ary manaraka ireo andriamanin-kafa izay tsy mbola fantatrareo? BSB BSB: Will you steal and murder, commit adultery and perjury, burn incense to Baal, and follow other gods that you have not known,
10 ULB Dia tonga hijoro eo anatrehako ato amin'ity trano ity izay nantsoina amin'ny anarako ve ianareo ary hiteny hoe: "Avotra izahay," mba ahafahanareo manao ireo fahavetavetana rehetra ireo? BSB BSB: and then come and stand before Me in this house, which bears My Name, and say, ‘We are delivered, so we can continue with all these abominations’?
12 ULB Koa mandehana any amin'ny fitoerako izay any Silo, izay namelako ny anarako hitoetra tany am-piandohana, ary jereo ny nanaovako azy nohon'ny faharatsian'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: But go now to the place in Shiloh where I first made a dwelling for My Name, and see what I did to it because of the wickedness of My people Israel.
13 ULB Koa ankehitriny, nohon'ny fanaovanareo ireo fanaonareo rehetra ireo— izao no fanambaran'i Yaveh—nilaza taminareo ombieny ombieny Aho, nefa tsy nihaino ianareo. Nampiantso anareo Aho, nefa tsy namaly ianareo. BSB BSB: And now, because you have done all these things, declares the LORD, and because I have spoken to you again and again but you would not listen, and I have called to you but you would not answer,
14 ULB Noho izany, izay nataoko tamin'i Silo, dia ho ataoko amin'ity trano izay nantsoina amin'ny anarako ity, ilay trano izay nitokianareo, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity. BSB BSB: therefore what I did to Shiloh I will now do to the house that bears My Name, the house in which you trust, the place that I gave to you and your fathers.
15 ULB Fa handroaka anareo tsy ho eto anatrehako Aho tahaka ny efa nandroahako ireo rahalahinareo rehetra, ireo taranak'i Efraima rehetra.' BSB BSB: And I will cast you out of My presence, just as I have cast out all your brothers, all the descendants of Ephraim.
16 ULB Raha ny aminao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity, ary aza manandratra ny fidradradradrana fitomaniana na manonona vavaka amin'ny anaran'izy ireo, aza mangataka amiko, fa tsy hihaino anao Aho. BSB BSB: As for you, do not pray for these people, do not offer a plea or petition on their behalf, and do not beg Me, for I will not listen to you.
17 ULB Moa ve tsy hitanao ny ataon'izy ireo ao amin'ireo tanànan'i Joda sy eny amin'ireo lalan'i Jerosalema? BSB BSB: Do you not see what they are doing in the cities of Judah and in the streets of Jerusalem?
18 ULB Manangona hazo ireo ankizy ary ireo ray mandrehatra afo! Ireo vehivavy mitoto koba hanaovana mofo mamy ho an'ny mpanjaka vavin'ny lanitra sy mandraraka fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba hiantsian'izy ireo Ahy. BSB BSB: The sons gather wood, the fathers light the fire, and the women knead the dough to make cakes for the Queen of Heaven; they pour out drink offerings to other gods to provoke Me to anger.
19 ULB Tena mihantsy Ahy tokoa ve izy ireo? —izao ny fanambaran'i Yaveh—moa ve tsy ny tenan'izy ireo ihany no hihantsian'izy ireo, koa ao amin'izy ireo ihany izany fahamenarana izany? BSB BSB: But am I the One they are provoking? declares the LORD. Is it not themselves they spite, to their own shame?
20 ULB Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako dia ho avy amin'ity toerana ity, amin'ny olona sy ny bibidia, amin'ny hazo eny amin'ireo saha sy ny voa eo amin'ny tany. Hirehitra izany ary tsy ho faty mihitsy.' BSB BSB: Therefore this is what the Lord GOD says: Behold, My anger and My fury will be poured out on this place, on man and beast, on the trees of the field and the produce of the land, and it will burn and not be extinguished.
21 ULB Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: 'Hatovano amin'ireo soronareo sy ny hena avy aminy ireo fanatitra doranareo. BSB BSB: This is what the LORD of Hosts, the God of Israel, says: Add your burnt offerings to your other sacrifices and eat the meat yourselves!
22 ULB Fa rehefa nitondra ny razanareo hiala avy tao amin'ny tany Egypta Aho, dia tsy nitaky na inona na inona tamin'izy ireo. Tsy nanome didy azy ireo momba ny raharahan'ny fanatitra dorana sy ny sorona Aho. BSB BSB: For when I brought your fathers out of the land of Egypt, I did not merely command them about burnt offerings and sacrifices,
23 ULB Izao didy izao ihany no nomeko azy ireo: "Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho oloko. Koa mandehana amin'ny lalana rehetra izay nandidiako anareo, mba hahitanareo soa." BSB BSB: but this is what I commanded them: Obey Me, and I will be your God, and you will be My people. You must walk in all the ways I have commanded you, so that it may go well with you.
24 ULB Kanefa tsy nihaino izy ireo ary tsy nitandrina. Niaina tamin'ny fikasan-dratsin'ny fon'izy ireo ihany izy ireo, ka nihemotra, fa tsy nandroso. BSB BSB: Yet they did not listen or incline their ear, but they followed the stubborn inclinations of their own evil hearts. They went backward and not forward.
25 ULB Hatramin'ilay andro nivoahan'ny razanareo avy tao amin'ny tany Egytpa ka hatramin'izao andro izao, dia efa nandefa ny tsirairay tamin'ireo mpanompoko, ireo mpaminaniko, tany aminareo Aho. Nikiry tamin'ny fandefasana azy ireo Aho. BSB BSB: From the day your fathers came out of the land of Egypt until this day, I have sent you all My servants the prophets again and again.
26 ULB Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo. Tsy niraharaha izy ireo. Fa kosa, nanamafy hatoka izy ireo. Ratsy fanahy mihoatra noho ny razambeny izy ireo.' BSB BSB: Yet they would not listen to Me or incline their ear, but they stiffened their necks and did more evil than their fathers.
27 ULB Koa ambarao amin'izy ireo ireo teny rehetra ire, fa tsy hihiaino anao izy ireo. Ambarao amin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, fa tsy hamaly anao izy ireo. BSB BSB: When you tell them all these things, they will not listen to you. When you call to them, they will not answer.
28 ULB Lazao izy ireo fa ity no firenena tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamaniny ary tsy mandray fananarana. Rava ny fahamarinana ary niala tamin'ny vavan'izy ireo. BSB BSB: Therefore you must say to them, ‘This is the nation that would not listen to the voice of the LORD their God and would not receive correction. Truth has perished; it has disappeared from their lips.
29 ULB Tapaho ny volonao dia arato ny tenanao, ary ario ny volonao. Mihirà hira fisaonana eny ankalamanjana. Fa Yaveh dia efa nandà sy nahafoy ity taranaka ity tamin'ny fahatezerany. BSB BSB: Cut off your hair and throw it away. Raise up a lamentation on the barren heights, for the LORD has rejected and forsaken the generation of His wrath.’
32 ULB Koa indro, ho avy ireo andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinema intsony izany. Ho lohasahan'ny famonoana izany; handevina ny faty ao Tofeta izy ireo mandra-paha tsy misy toerana intsony. BSB BSB: So behold, the days are coming, declares the LORD, when this place will no longer be called Topheth and the Valley of Ben-hinnom, but the Valley of Slaughter. For they will bury the dead in Topheth until there is no more room.
33 ULB Ny fatin'ity vahoaka ity dia ho sakafon'ny voron'ny lanitra sy ho an'ireo bibin'ny tany, ary tsy misy na iza na iza hampatahotra azy ireo intsony. BSB BSB: The corpses of this people will become food for the birds of the air and the beasts of the earth, and there will be no one to scare them away.
34 ULB Ho faranako ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema, ny feon'ny fifaliana sy ny feo ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, fa ho lao ny tany." BSB BSB: I will remove from the cities of Judah and the streets of Jerusalem the sounds of joy and gladness and the voices of the bride and bridegroom, for the land will become a wasteland.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.