1 ULB "Amin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'Yaveh—ho entin'izy ireo hivoaka ireo fasana ny taolan'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo manam-pahefany, ireo taolan'ireo mpisorona sy ireo mpaminany, ary ireo taolan'ireo mponin'i Jerosalema. BSB BSB: “At that time,” declares the LORD, “the bones of the kings of Judah, the bones of the officials, the bones of the priests, the bones of the prophets, and the bones of the people of Jerusalem will be removed from their graves.
2 ULB Ary ho aparitak'izy ireo eo amin'ny fahazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana rehetra eny amin'ny lanitra ireo; ireo zavatra eny amin'ny lanitra izay narahin'izy ireo sy notompoiny, izay notompoiny sy nofotopotorin'izy ireo, ary niankohofan'izy ireo. Tsy hangonina ireo taolana ary tsy halevina intsony. Ho tahaka ny zezika eny amin'ny velaran-tany izy ireo. BSB BSB: They will be exposed to the sun and moon, and to all the host of heaven which they have loved, served, followed, consulted, and worshiped. Their bones will not be gathered up or buried, but will become like dung lying on the ground.
3 ULB Eny amin'ny toerana rehetra sisa tavela izay nitondrako azy ireo, dia hifidy ny fahafatesana izy ireo fa tsy ny miaina, ny rehetra mbola velona amin'ity firenena ratsy ity—izany no fanambaran'Yaveh tompon'ny maro. BSB BSB: And wherever I have banished them, the remnant of this evil family will choose death over life,” declares the LORD of Hosts.
4 ULB Koa lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Nisy nianjera ve ka tsy niarina? Nisy olona very ve ka tsy nanandrana ny hiverina? BSB BSB: So you are to tell them this is what the LORD says: “Do men fall and not get up again? Does one turn away and not return?
5 ULB Fa nahoana ity vahoaka ity, ry Jerosalema, no nivily maharitra tamin'ny tsy fananam-pinoana? Mifikitra amin'ny fitaka izy ireo ary mandà ny hibebaka. BSB BSB: Why then have these people turned away? Why does Jerusalem always turn away? They cling to deceit; they refuse to return.
6 ULB Nitandrina tsara Aho ary nihaino, fa tsy niteny marina izy ireo; tsy nisy niala tsiny tamin'ny haratsiany, tsy nisy na iray aza milaza hoe: "Inona no nataoko?" Nandeha tany amin'izay niriany avy Izy rehetra, tahaka ny soavaly lahy mihazakazaka amin'ny ady. BSB BSB: I have listened and heard; they do not speak what is right. No one repents of his wickedness, asking, ‘What have I done?’ Everyone has pursued his own course like a horse charging into battle.
7 ULB Na ny vano eny amin'ny lanitra aza mahalala ny fotoana mety; sy ireo domoina, sidintsidina, ary ny vanobe. Mandeha amin'ny fifindra-moniny izy ireo amin'ny fotoana mety, fa ny oloko dia tsy mahalala ny didin'i Yaveh. BSB BSB: Even the stork in the sky knows her appointed seasons. The turtledove, the swift, and the thrush keep their time of migration, but My people do not know the requirements of the LORD.
8 ULB Ahoana no hilazanareo hoe: "Hendry isika, fa ny lalàn'Yaveh dia momba antsika"? Eny tokoa, indro! Ny penina mpamitakin'ny mpanora-dalàna dia efa namorona fitaka. BSB BSB: How can you say, ‘We are wise, and the Law of the LORD is with us,’ when in fact the lying pen of the scribes has produced a deception?
9 ULB Ny lehilahy hendry dia ho afa-baraka. Raiki-tahotra izy ireo ary voafandrika. Indro! Nandà ny tenin'i Yaveh izy ireo, koa atao inona ny fahendren'izy ireo? BSB BSB: The wise will be put to shame; they will be dismayed and trapped. Since they have rejected the word of the LORD, what wisdom do they really have?
10 ULB Ka hanome ny vadin'izy ireo ho an'ny hafa Aho, ary ireo tanimbolin'izy ireo ho an'izay manana ireo ho fananana, satria manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, izy rehetra dia tia vola azo avy amin'ny tsy rariny. Hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisorona, izy rehetra dia manao fitaka. BSB BSB: Therefore I will give their wives to other men and their fields to new owners. For from the least of them to the greatest, all are greedy for gain; from prophet to priest, all practice deceit.
11 ULB Nanasitrana ny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny izy ireo, niteny hoe: "Fiadanana, fiadanana," tamin'ny tsy nisy fiadanana tao. Menatra ve izy ireo rehefa nanao ireo fahavetavetana? BSB BSB: They dress the wound of the daughter of My people with very little care, saying, ‘Peace, peace,’ when there is no peace at all.
12 ULB Tsy menatra izy ireo; tsy fantatr'izy ireo izay hoe mivoara-mena! Ka hianjera eo amin'ireo lavo izy ireo; ho entina midina izy ireo rehefa voasazy, hoy Yaveh. BSB BSB: Are they ashamed of the abomination they have committed? No, they have no shame at all; they do not even know how to blush. So they will fall among the fallen; when I punish them, they will collapse, says the LORD.
14 ULB Nahoana isika no mipetraka eto? Andeha hiaraka; handeha isika ho any amin'ireo tanàna voaaro mafy, ary hanjary hangina amin'ny fahafatesana any isika. Fa hampangina antsika i Yaveh Andriamanitsika. Hampisotro rano misy poizina antsika Izy, satria efa nanota Taminy isika. BSB BSB: Why are we just sitting here? Gather together, let us flee to the fortified cities and perish there, for the LORD our God has doomed us. He has given us poisoned water to drink, because we have sinned against the LORD.
15 ULB Manantena fiadanana isika, nefa tsy hisy zavatra tsara. Manantena fotoam-panasitranana isika, nefa indro, hisy horohoro. BSB BSB: We hoped for peace, but no good has come, for a time of healing, but there was only terror.
16 ULB Re avy any Dana ny feonfiefon'ireo soavaly lahiny. Mihozongozona ny tany manontolo noho ny feon'ny fieron'ireo soavaly matanjaka. Fa ho avy izy ireo ary hamotika ny tany sy ny hareny, ny tanàna sy ireo izay mipetraka ao. BSB BSB: The snorting of enemy horses is heard from Dan. At the sound of the neighing of mighty steeds, the whole land quakes. They come to devour the land and everything in it, the city and all who dwell in it.
17 ULB Fa indro, handefa bibilava aminareo Aho, dia vipera izay tsy ho azonareo tambatambazana. Hanaikitra anareo ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.'" BSB BSB: “For behold, I will send snakes among you, vipers that cannot be charmed, and they will bite you,” declares the LORD.
18 ULB Tsy manam-pahataperana ny alaheloko, ary marary ny foko. BSB BSB: My sorrow is beyond healing; my heart is faint within me.
19 ULB Indro! Ny feo mihiakan'ny zanakavavin'ny vahoakako avy any an-tany lavitra! Tsy ao Ziona ve Yaveh? Na tsy ao ve ny mpanjakany? Nahoana izany izy ireo no manafintohina ahy amin'ireo endrik'asa voasokiny sy ireo sampy vahiny tsy misy dikany? BSB BSB: Listen to the cry of the daughter of my people from a land far away: “Is the LORD no longer in Zion? Is her King no longer there?” “Why have they provoked Me to anger with their carved images, with their worthless foreign idols?”
20 ULB Efa nandalo ny fotoam-pijinjana, tapitra ny fahavaratra. Nefa tsy voavonjy isika. BSB BSB: “The harvest has passed, the summer has ended, but we have not been saved.”
21 ULB Naratra aho nohon'ny ratran'ny zanaka vavin'ny vahoakako. Malahelo ny amin'ireo zavatra mahatsiravina izay nahazo azy aho; raiki-tahotra aho. BSB BSB: For the brokenness of the daughter of my people I am crushed. I mourn; horror has gripped me.
22 ULB Tsy misy fanafody ve ao Gileada? Tsy misy mpanasitrana ve ao? Nahoana no tsy hitranga ny fanasitranana ny vahoakako? BSB BSB: Is there no balm in Gilead? Is no physician there? Why then has the health of the daughter of my people not been restored?
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.