1 ULB Nisy lehilahy iray tao amin'ny tanin'i Oza izay Joba no anarany; ary i Joba dia tsy misy tsiny sady mahitsy, izay natahotra an'Andriamanitra ary nifady ny ratsy. BSB BSB: There was a man in the land of Uz whose name was Job. And this man was blameless and upright, fearing God and shunning evil.
2 ULB Izy dia nanan-janaka lahy fito sy vavy telo. BSB BSB: He had seven sons and three daughters,
3 ULB Izy dia nanana ondry fito arivo, rameva telo arivo, omby lahy sy vavy dimanjato, sy boriky dimanjato ary mpanompo maro be. Izy no lehilahy lehibe indrindra tamin'ireo olona Tatsinana rehetra. BSB BSB: and he owned 7,000 sheep, 3,000 camels, 500 yoke of oxen, 500 female donkeys, and a very large number of servants. Job was the greatest man of all the people of the East.
4 ULB Isaky ny andro voatendry ho an'ny zanany lahy, dia nanao firavoravoana tao an-tranony izy. Izy ireo dia naniraka ka niantso ireo anabaviny telo mba hiaraka hihinana sy hisotro amin'izy ireo. BSB BSB: Job’s sons would take turns holding feasts in their homes, and they would invite their three sisters to eat and drink with them.
5 ULB Rehefa nifarana ny firavoravoana, dia nampiantso ary nanamasina azy ireo i Joba. Nifoha maraina be izy ary nanao fanatitra dorana ho an'ireo zanany tsirairay avy, fa hoy izy hoe: "Mety efa nanota na nanozona an'Andriamanitra tany am-pony ireo zanako." Nanao izany foana i Joba. BSB BSB: And when the days of feasting were over, Job would send for his children to purify them, rising early in the morning to offer burnt offerings for all of them. For Job thought, “Perhaps my children have sinned and cursed God in their hearts.” This was Job’s regular practice.
6 ULB Ary tamin'izany andro izany dia tonga niseho teo anatrehan'i Yaveh ireo zanak'Andriamanitra. Dia tonga niaraka tamin'izy ireo koa i Satana. BSB BSB: One day the sons of God came to present themselves before the LORD, and Satan also came with them.
7 ULB Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Avy aiza no niavinao?" Ary Satana namaly an'i Yaveh ka nanao hoe: "Avy nirenireny teto an-tany, nivezivezy teo aminy." BSB BSB: “Where have you come from?” said the LORD to Satan. “From roaming through the earth,” he replied, “and walking back and forth in it.”
8 ULB Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Efa nandinika an'i Joba mpanompoko ve ianao? Satria tsy misy toa azy eto ambonin'ny tany, lehilahy tsy misy tsiny sady mahitsy, izay matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy." BSB BSB: Then the LORD said to Satan, “Have you considered My servant Job? For there is no one on earth like him, a man who is blameless and upright, who fears God and shuns evil.”
9 ULB Avy eo Satana namaly an'i Yaveh ka niteny hoe: "Matahotra an'Andriamanitra amin'ny tsy misy antony ve i Joba? BSB BSB: Satan answered the LORD, “Does Job fear God for nothing?
10 ULB Tsy nasianao fefy ve manodidina azy, manodidina ny tranony, ary manodidina izay azy rehetra? Efa notahianao ireo asan'ny tanany, ary nitombo ireo biby fiompiny eto amin'ny tany. BSB BSB: Have You not placed a hedge on every side around him and his household and all that he owns? You have blessed the work of his hands, and his possessions have increased in the land.
11 ULB Fa ankehitriny ahinjiro ny tananao ary kasiho izay rehetra hananany, ary jereo raha tsy manozona Anao eo amin'ny tavanao izy. BSB BSB: But stretch out Your hand and strike all that he has, and he will surely curse You to Your face.”
12 ULB Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Indro, eo am-pelatananao izay rehetra hananany. Fa izy tenany ihany no aza haninjiranao ny tananao." Dia niala teo anatrehan'i Yaveh i Satana. BSB BSB: “Very well,” said the LORD to Satan. “Everything he has is in your hands, but you must not lay a hand on the man himself.” Then Satan went out from the presence of the LORD.
13 ULB Ary indray andro, nihinana sy nisotro divay tany an-tranon'ny lahimatoany ireo zanany lahy sy vavy. BSB BSB: One day, while Job’s sons and daughters were eating and drinking wine in their oldest brother’s house,
14 ULB Nisy mpitondra hafatra iray nanatona an'i Joba ary niteny hoe: "Niasa tany ireo omby ary ireo boriky dia nihinana teo anilan'ireo. BSB BSB: a messenger came and reported to Job: “While the oxen were plowing and the donkeys were grazing nearby,
15 ULB Nanafika azy ireo ireo Sabeana ary nisambotra azy ireo. Raha ny amin'ireo mpanompo, dia novelesin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao." BSB BSB: the Sabeans swooped down and took them away. They put the servants to the sword, and I alone have escaped to tell you!”
16 ULB Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon'Andriamanitra ary nandoro ireo ondry sy ireo mpanompo. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao." BSB BSB: While he was still speaking, another messenger came and reported: “The fire of God fell from heaven. It burned and consumed the sheep and the servants, and I alone have escaped to tell you!”
17 ULB Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Nizara vondrona telo ireo Kaldeana ka nanafika ireo rameva, ary nisambotra ireo. Raha ny amin'ireo mpanompo, dia novelesin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra. Izaho irery no tafatsoaka mba ampandre anao." BSB BSB: While he was still speaking, another messenger came and reported: “The Chaldeans formed three bands, raided the camels, and took them away. They put the servants to the sword, and I alone have escaped to tell you!”
18 ULB Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Ireo zanakao lahy sy vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny lahimatoan'izy ireo. BSB BSB: While he was still speaking, another messenger came and reported: “Your sons and daughters were eating and drinking wine in their oldest brother’s house,
19 ULB Nisy rivotra mahery tonga avy tany an'efitra nikapoka ny zorony efatr'ilay trano. Nilatsaka tamin'ireo zatovo izany, ary dia maty izy ireo. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao." BSB BSB: when suddenly a mighty wind swept in from the desert and struck the four corners of the house. It collapsed on the young people and they are dead, and I alone have escaped to tell you!”
20 ULB Dia nitsangana i Joba, nandrovitra ny akanjony, nanaratra ny lohany, niankohoka teo amin'ny tany, ary nidera an'Andriamanitra. BSB BSB: Then Job stood up, tore his robe, and shaved his head. He fell to the ground and worshiped,
21 ULB Hoy izy hoe: "Nitanjaka aho raha nivoaka tao an-kibon'ny reniko, ary hitanjaka aho rehefa hiverina ao. Yaveh no nanome, ary Yaveh no naka. Isaorana anie ny anaran'i Yaveh." BSB BSB: saying: “Naked I came from my mother’s womb, and naked I will return. The LORD gave, and the LORD has taken away. Blessed be the name of the LORD.”
22 ULB Tamin'ireo zava-nitranga rehetra ireo, dia tsy nanota i Joba, na koa niampanga an'Andriamanitra ho nanao ny tsy mety. BSB BSB: In all this, Job did not sin or charge God with wrongdoing.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.