1 ULB Ary tamin'izany andro izany, tonga niseho teo anatrehan'i Yaveh ireo zanak'Andriamanitra. Tonga niaraka tamin'izy ireo hiseho teo anatrehan'i Yaveh ihany koa i Satana. BSB BSB: On another day the sons of God came to present themselves before the LORD, and Satan also came with them to present himself before Him.
2 ULB Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Tonga avy aiza ianao?" Dia namaly an'i Yaveh i Satana ka nanao hoe: "Avy nirenireny teny an-tany, nivezivezy teny." BSB BSB: “Where have you come from?” said the LORD to Satan. “From roaming through the earth,” he replied, “and walking back and forth in it.”
3 ULB Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Moa ve efa nandinika an'i Joba mpanompoko Ianao? Satria tsy misy na iray aza eto an-tany ka mitovy aminy, lehilahy tsy misy tsiny sady marina, matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Mbola mihazona ny fahitsiany hatrany izy, na dia efa namily lalana Ahy hanohitra azy aza ianao, mba hamotika azy tsy amin'ny antony." BSB BSB: Then the LORD said to Satan, “Have you considered My servant Job? For there is no one on earth like him, a man who is blameless and upright, who fears God and shuns evil. He still retains his integrity, even though you incited Me against him to ruin him without cause.”
4 ULB Satana namaly an'i Yaveh ka nanao hoe: "Hoditra takalon'ny hoditra; eny tokoa; ny olona dia hanome izay rehetra hananany ho takalon'ny ainy. BSB BSB: “Skin for skin!” Satan replied. “A man will give up all he owns in exchange for his life.
5 ULB Fa ahinjiro ny tananao izao ary kasiho ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo amin'ny tavanao izy." BSB BSB: But stretch out Your hand and strike his flesh and bones, and he will surely curse You to Your face.”
6 ULB Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Indro, eo am-pelatananao izy; ny ainy ihany no aoka harovanao." BSB BSB: “Very well,” said the LORD to Satan. “He is in your hands, but you must spare his life.”
7 ULB Dia lasa Satana niala teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh. Namely vay ratsy an'i Joba hatreny am-paladia ka hatreny an-tampon-doha izy. BSB BSB: So Satan went out from the presence of the LORD and infected Job with terrible boils from the soles of his feet to the crown of his head.
8 ULB Naka vakim-bilany vita tamin'ny tanimanga i Joba hihaokaorany ny vatany, ary nipetraka teo afovoan'ny lavenona izy. BSB BSB: And Job took a piece of broken pottery to scrape himself as he sat among the ashes.
9 ULB Dia hoy ny vadiny taminy hoe: "Mbola mihazona ny fahitsinao ihany ve ianao? Ozony Andriamanitra ary matesa." BSB BSB: Then Job’s wife said to him, “Do you still retain your integrity? Curse God and die!”
10 ULB Fa hoy izy taminy hoe: "Miresaka toy ny firesaky ny vehivavy adala ianao. Ny tsara ihany ve no tokony ho raisintsika avy amin'Andriamanitra ka tsy ho raisina ny ratsy?" Noho izany rehetra izany, dia tsy nanota tamin'ny molony i Joba. BSB BSB: “You speak as a foolish woman speaks,” he told her. “Should we accept from God only good and not adversity?” In all this, Job did not sin in what he said.
11 ULB Ary rehefa nandre ny ratsy rehetra nanjo azy ireo naman'i Joba telo, dia samy tonga avy any amin'ny toerany avy izy ireo: Elifaza ilay Temanita, Bildada ilay Sohita, ary Zofara ilay Namatita. Nanokana fotoana izy ireo mba hiarahana ory aminy sy hampaherezana azy. BSB BSB: Now when Job’s three friends—Eliphaz the Temanite, Bildad the Shuhite, and Zophar the Naamathite—heard about all this adversity that had come upon him, each of them came from his home, and they met together to go and sympathize with Job and comfort him.
12 ULB Rehefa nitazana avy eny lavitra izy ireo, dia tsy nahafantatra azy. Nanandratra ny feony izy ireo ary nitomany; samy nandrovitra ny akanjony ary namafy vovoka teny amin'ny rivotra sy teo amin'ny lohany ihany ny tsirairay. BSB BSB: When they lifted up their eyes from afar, they could barely recognize Job. They began to weep aloud, and each man tore his robe and threw dust in the air over his head.
13 ULB Avy eo dia nipetraka tamin'ny tany niaraka taminy izy ireo nandritry ny fito andro sy fito alina. Tsy nisy niresaka taminy izy ireo, satria hitan'izy ireo fa tena lehibe tokoa ny alahelony. BSB BSB: Then they sat on the ground with him for seven days and seven nights, but no one spoke a word to him because they saw how intense his suffering was.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.