1 ULB Taorian'izany, nanokatra ny vavany i Joba ary nanozona ny andro nahaterahany. BSB BSB: After this, Job opened his mouth and cursed the day of his birth.
2 ULB Hoy izy hoe: BSB BSB: And this is what he said:
3 ULB "Ho foana anie ny andro ny nahaterahako, ny alina izay nanao hoe: "Misy zazalahy vao torontoronina.' BSB BSB: “May the day of my birth perish, and the night it was said, ‘A boy is conceived.’
4 ULB Ho maizina anie izany andro izany; tsy ho tsaroan'Andriamanitra avy any ambony anie izany, na hamirapiratra amin'izany ny masoandro. BSB BSB: If only that day had turned to darkness! May God above disregard it; may no light shine upon it.
5 ULB Ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana anie hilaza izany ho azy ireo manokana. Honina eo amin'izany anie ny rahona; ny zavatra rehetra izay mahatonga ny andro ho mainty anie hampihorohoro izany tokoa. BSB BSB: May darkness and gloom reclaim it, and a cloud settle over it; may the blackness of the day overwhelm it.
6 ULB Ny amin'izany alina izany, hisambotra izany anie ny aizim-pito. Tsy hifaly eo amin'ny andron'ny taona anie izany; tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana anie izany. BSB BSB: If only darkness had taken that night away! May it not appear among the days of the year; may it never be entered in any of the months.
7 ULB Indro, ho momba anie izany alina izany; tsy hisy feom-pifaliana anie ho tonga ao amin'izany. BSB BSB: Behold, may that night be barren; may no joyful voice come into it.
8 ULB Hanozona izany andro izany anie izy ireo, izy ireo izay mahalala ny fomba hamohazana ny Leviatana. BSB BSB: May it be cursed by those who curse the day—those prepared to rouse Leviathan.
9 ULB Ho maizina anie ireo kintan'ny andro vao mangiran-dratsin'izany. Hitady fahazavana anie izany andro izany, saingy tsy hahita; na hahita ireo hodi-mason'ny vao mangiran-dratsy, BSB BSB: May its morning stars grow dark; may it wait in vain for daylight; may it not see the breaking of dawn.
10 ULB satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ny reniko izany, ary satria tsy nanafina ireo fahoriana tsy ho eo imasoko izany. BSB BSB: For that night did not shut the doors of the womb to hide the sorrow from my eyes.
11 ULB Nahoana re aho no tsy maty rehefa nivoka avy tao an-kibo? Nahoana aho no tsy nandao ny fanahiko raha niteraka ahy ny reniko? BSB BSB: Why did I not perish at birth; why did I not die as I came from the womb?
12 ULB Nahoana no nitsena ahy ireo lohaliny? Nahoana no nandray ahy ireo nonony mba hahafahako mitsetsitra? BSB BSB: Why were there knees to receive me, and breasts that I should be nursed?
13 ULB Fa tahaka izay aho efa nandry am-pilaminana. Natory aho ary nitsahatra BSB BSB: For now I would be lying down in peace; I would be asleep and at rest
14 ULB niaraka tamin'ireo mpanjaka sy ireo mpanolo-tsain'ny tany, izay nanorina ireo fasana ho an'ny tenan'izy ireo izay efa rava ankehitriny. BSB BSB: with kings and counselors of the earth, who built for themselves cities now in ruins,
15 ULB Na efa nodimandry niaraka tamin'ireo andriandahy izay nanana volamena fahizay aho, izay nameno ireo tranony tamin'ny volafotsy. BSB BSB: or with princes who had gold, who filled their houses with silver.
16 ULB Na mety ho teraka tsy tonga volana aho, toy ireo zaza izay tsy mbola nahita ny hazavana mihitsy. BSB BSB: Or why was I not hidden like a stillborn child, like an infant who never sees daylight?
17 ULB Any no mitsahatra amin'ny fahoriana ny ratsy fanahy; any no mitsahatra ny reraka. BSB BSB: There the wicked cease from raging, and there the weary find rest.
18 ULB Any ireo voafonja dia hiaraka hitony; tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy ireo. BSB BSB: The captives enjoy their ease; they do not hear the voice of the oppressor.
19 ULB Samy any ny olona kely sy lehibe; ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony any. BSB BSB: Both small and great are there, and the slave is freed from his master.
20 ULB Nahoana ny fahazavana no omena azy izay ao anatin'ny fahoriana? Nahoana ny fiainana no omena an'izay mangidy fanahy, BSB BSB: Why is light given to the miserable, and life to the bitter of soul,
21 ULB ho an'ny iray izay miandry fatratra ny fahafatesana izay tsy ho avy; ho an'ny iray izay mihady fahafatesana mihoatra noho ny harena miafina? BSB BSB: who long for death that does not come, and search for it like hidden treasure,
22 ULB Nahoana ny fahazavana no omena ho an'ny iray izay feno hafaliana ary ravoravo rehefa hitany ny fasana? BSB BSB: who rejoice and greatly exult when they reach the grave?
23 ULB Nahoana ny fahazavana no omena ho an'ny olona iray izay miafina ny lalany, olona iray izay voafehin'Andriamanitra tao? BSB BSB: Why is life given to a man whose way is hidden, whom God has hedged in?
24 ULB Fa ny fisentoko dia miseho raha tokony hihinana; miraraka toy ny rano ny fitarainako. BSB BSB: I sigh when food is put before me, and my groans pour out like water.
25 ULB Fa ny zavatra izay natahorako dia tonga teo amiko; izay nampatahotra ahy dia tonga tamiko. BSB BSB: For the thing I feared has overtaken me, and what I dreaded has befallen me.
26 ULB Tsy milamina aho, tsy mangina aho, ary tsy manana fitsaharana aho; ny fahoriana indray no tonga." BSB BSB: I am not at ease or quiet; I have no rest, for trouble has come.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.