1 ULB Dia namaly i Elifaza ilay Temanita ka nanao hoe: BSB BSB: Then Eliphaz the Temanite replied:
2 ULB "Raha misy olona manandrana miresaka aminao, dia tsy haharitra ve ianao? Nefa iza no afaka handrara ny tenany tsy hiteny? BSB BSB: “If one ventures a word with you, will you be wearied? Yet who can keep from speaking?
3 ULB Indro, maro ireo efa nampianarinao; efa nampatanjaka ny tanana malemy ianao. BSB BSB: Surely you have instructed many, and have strengthened their feeble hands.
4 ULB Nihazona izay nianjera ireo teninao; efa nohamafisinao ny malemy lohalika. BSB BSB: Your words have steadied those who stumbled; you have braced the knees that were buckling.
5 ULB Kanefa izao tonga aminao ny fahoriana, ary ketraka ianao; mikasika anao izany, ary ory ianao. BSB BSB: But now trouble has come upon you, and you are weary. It strikes you, and you are dismayed.
6 ULB Moa tsy ny fahatahoranao no tokinao, ary ny fahitsian'ny lalanao no fanantenanao? BSB BSB: Is your reverence not your confidence, and the uprightness of your ways your hope?
7 ULB Mba saino re izao: iza no efa ringana tsy nanan-tsiny? Na oviana ireo olo-marina no nopotehina? BSB BSB: Consider now, I plead: Who, being innocent, has ever perished? Or where have the upright been destroyed?
8 ULB Araka izay efa hitako, ireo izay mamboly heloka sy mamafy olana no mijinja izany. BSB BSB: As I have observed, those who plow iniquity and those who sow trouble reap the same.
9 ULB Amin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra no haharingana azy ireo; amin'ny fipoahan'ny hatezerany no hahalevona azy ireo. BSB BSB: By the breath of God they perish, and by the blast of His anger they are consumed.
10 ULB Ny fieron'ny liona, ny feon'ny liona masiaka, ireo nifin'ny liona tanora—potika ireo. BSB BSB: The lion may roar, and the fierce lion may growl, yet the teeth of the young lions are broken.
11 ULB Ringana ny liona antitra nohon'ny tsy fahampian'ireo haza, ireo zanaky ny liona vavy dia miparitaka eny rehetra eny. BSB BSB: The old lion perishes for lack of prey, and the cubs of the lioness are scattered.
12 ULB Nisy raharaha nentina mangingina teto amiko, ary nahare bitsika momba izany ny sofiko. BSB BSB: Now a word came to me secretly; my ears caught a whisper of it.
13 ULB Dia nisy eritreritra tonga avy tamin'ny fahitanna amin'ny alina, rehefa tafalatsaka tamin'ny olona ny torimaso lalina. BSB BSB: In disquieting visions in the night, when deep sleep falls on men,
14 ULB Tanaty alina no nahatongavan'ny tahotra sy horohoro tamiko, ary nangovitra ny taolako rehetra. BSB BSB: fear and trembling came over me and made all my bones shudder.
15 ULB Ary nisy fanahy nandalo teo anoloan'ny tavako, ary nitsangana ny volo tamin'ny vatako. BSB BSB: Then a spirit glided past my face, and the hair on my body bristled.
16 ULB Nijanona ilay fanahy, saingy tsy nety voafaritro ny endriny. Endrika iray no teo anoloan'ny masoko; nisy fahanginana, ary nahare feo aho nanao hoe: BSB BSB: It stood still, but I could not discern its appearance; a form loomed before my eyes, and I heard a whispering voice:
17 ULB "Afaka ny ho marina kokoa noho Andriamanitra ve ny olona mety maty? Afaka ny ho madio noho ny Mpamorona azy ve ny olona iray? BSB BSB: ‘Can a mortal be more righteous than God, or a man more pure than his Maker?
18 ULB Indro, raha tsy mametraka fitokisana amin'ireo mpanompony Andriamanitra; raha miampanga ireo anjeliny nohon'ny fahadalana Izy, BSB BSB: If God puts no trust in His servants, and He charges His angels with error,
19 ULB hatraiza ny fahamarinan'ireo izay monina anaty trano vita amin'ny tanimanga, izay ao amin'ny vovoka ny fototra iorenany, izay potika mialohan'ny kalalao? BSB BSB: how much more those who dwell in houses of clay, whose foundations are in the dust, who can be crushed like a moth!
20 ULB Potehina eo anelanelan'ny maraina sy hariva izy ireo; ringana mandrakizay tsy misy mahatsikaritra akory izy ireo. BSB BSB: They are smashed to pieces from dawn to dusk; unnoticed, they perish forever.
21 ULB Tsy voaongotra tamin'izy ireo ve ny tadin-dain'izy ireo? Maty izy ireo; maty tsy misy fahendrena izy ireo. BSB BSB: Are not their tent cords pulled up, so that they die without wisdom?’
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.