1 ULB Ny olona, izay natera-behivavy, dia miaina andro vitsy monja ary feno fahoriana. BSB BSB: “Man, who is born of woman, is short of days and full of trouble.
2 ULB Mitsimoka amin'ny tany toy ny voninkazo izy ary voakapa; mandositra toy ny aloka izy ary tsy maharitra. BSB BSB: Like a flower, he comes forth, then withers away; like a fleeting shadow, he does not endure.
3 ULB Mba mijery an'ireny ve Ianao? Moa entinao ho tsaraina miaraka aminao aho? BSB BSB: Do You open Your eyes to one like this? Will You bring him into judgment before You?
4 ULB Iza no afaka mitondra zavatra madio avy amin'ny zavatra maloto? Tsy misy. BSB BSB: Who can bring out clean from unclean? No one!
5 ULB Voafaritra ny andron'ny olona. Ianao no manapaka ny isan'ny volana iainany; ianao no nanondro ny fetrany izay tsy azony hihoarana. BSB BSB: Since his days are determined and the number of his months is with You, and since You have set limits that he cannot exceed,
6 ULB Mihodìna aminy mba hitsaharany, ka mba hankafizany ny androny toy ny mpikarama raha afaka manao izany izy. BSB BSB: look away from him and let him rest, so he can enjoy his day as a hired hand.
7 ULB Mety hisy fanantenana ny hazo; raha voakapa izany, dia mety hitsimoka indray, mba tsy hanjavona ny tahony tanora. BSB BSB: For there is hope for a tree: If it is cut down, it will sprout again, and its tender shoots will not fail.
8 ULB Na dia miha-antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny tany ny fotony, BSB BSB: If its roots grow old in the ground and its stump dies in the soil,
9 ULB nefa na dia mamofona rano fotsiny aza izany, dia hitsiry sy hisandrahaka tahaka ny zava-maniry izany. BSB BSB: at the scent of water it will bud and put forth twigs like a sapling.
10 ULB Fa maty ny olona; dia lasa malemy izy; eny tokoa, mitsahatra tsy miaina ny olona, ary aiza izy avy eo? BSB BSB: But a man dies and is laid low; he breathes his last, and where is he?
11 ULB Toy ny fanjavonan'ny rano amin'ny farihy, sy toy ny faharitan'ny renirano ka maina, BSB BSB: As water disappears from the sea and a river becomes parched and dry,
12 ULB dia toy izany koa no handrian'ny olona ary tsy mifoha intsony. Mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra intsony, dia tsy hifoha na hitsangana amin'ny torimasony izy ireo. BSB BSB: so a man lies down and does not rise. Until the heavens are no more, he will not be awakened or roused from sleep.
13 ULB Iriako ny mba hanafenanao ahy any amin'ny Fiainan-tsy hita lavitry ny fahoriana, ary mba hihazonanao ahy ao amin'ny miafina mandra-pitsahatry ny hatezeranao, sy hanendrenao fotoana voatondro ho ahy hijanonako any ary mba hahatsiarovanao ahy avy eo! BSB BSB: If only You would hide me in Sheol and conceal me until Your anger has passed! If only You would appoint a time for me and then remember me!
14 ULB Raha maty ny olona iray, moa mbola hiaina indray izy? Raha izany, dia maniry ny hiandry ny fotoam-paharerahako rehetra any aho mandra-pahatongan'ny fanafahana ahy. BSB BSB: When a man dies, will he live again? All the days of my hard service I will wait, until my renewal comes.
15 ULB Hiantso Ianao, dia hamaly Anao aho. Hanam-paniriana amin'ny asan'ny tananao Ianao. BSB BSB: You will call, and I will answer; You will desire the work of Your hands.
16 ULB Hanisa sy hiahy ny diako Ianao; tsy hitazona ny fahotako Ianao. BSB BSB: For then You would count my steps, but would not keep track of my sin.
17 ULB Ho voahisy tombo-kase ao anaty kitapo ny fandikan-dalàko; ary hanarona ny heloko Ianao. BSB BSB: My transgression would be sealed in a bag, and You would cover over my iniquity.
18 ULB Fa na ny tendrombohitra aza mianjera ary lasa tsinontsinona; BSB BSB: But as a mountain erodes and crumbles and a rock is dislodged from its place,
19 ULB na ny vatolampy aza voahozongozona amin'ny toerany; lanin'ny rano ny vato; lasan'ny riakany ny vovoky ny tany. Tahaka izany, no hamotehanao ny fanantenan'ny olona. BSB BSB: as water wears away the stones and torrents wash away the soil, so You destroy a man’s hope.
20 ULB Mandresy azy mandrakariva Ianao, ary lasana izy; ovainao ny tavany ary halefanao mba ho faty izy. BSB BSB: You forever overpower him, and he passes on; You change his countenance and send him away.
21 ULB Raha omem-boninahitra ireo zanany lahy, dia tsy fantany izany; ary raha haetry izy ireo, dia tsy hitany izany. BSB BSB: If his sons receive honor, he does not know it; if they are brought low, he is unaware.
22 ULB Ny fanaintainan'ny vatany manokana ihany no tsapany, ary misaona ho an'ny tenany ihany izy. BSB BSB: He feels only the pain of his own body and mourns only for himself.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.