1 ULB Dia namaly Elifaza ilay Temanita ka nanao hoe: BSB BSB: Then Eliphaz the Temanite replied:
2 ULB "Tokony hamaly amin'ny fahalalana tsy misy dikany ve ny olon-kendry iray ka hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinanana? BSB BSB: “Does a wise man answer with empty counsel or fill his belly with the hot east wind?
3 ULB Tokony handahatra amin'ny teny tsy mahasoa ve izy na amin'ny lahateny izay tsy hanasoavany akory? BSB BSB: Should he argue with useless words or speeches that serve no purpose?
4 ULB Eny tokoa, mampietry voninahitr'Andriamanitra ianao; manaisotra ny fanoloran-tena ho Azy ianao, BSB BSB: But you even undermine the fear of God and hinder meditation before Him.
5 ULB fa ny helokao no mampianatra ny vavanao; mifidy ny hanana ny lelan'ny olom-petsy ianao. BSB BSB: For your iniquity instructs your mouth, and you choose the language of the crafty.
6 ULB Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy ny ahy; ny molotrao ihany no miampanga anao. BSB BSB: Your own mouth, not mine, condemns you; your own lips testify against you.
7 ULB Moa ianao no olona teraka voalohany? Moa natao nisy talohan'ireo havoana angaha ianao? BSB BSB: Were you the first man ever born? Were you brought forth before the hills?
8 ULB Moa ve efa nandre ny fahalalana miafin'Andriamanitra ianao? Moa feranao ho amin'ny tenanao ihany ny fahendrena? BSB BSB: Do you listen in on the council of God or limit wisdom to yourself?
9 ULB Inona no fantatrao izay tsy fantatray? Inona no takatrao izay tsy aminay ihany koa? BSB BSB: What do you know that we do not? What do you understand that is not clear to us?
10 ULB Samy miaraka aminay ireo fotsy volo sy ireo lehilahy voky taona izay antitra mihoatra noho ny rainao. BSB BSB: Both the gray-haired and the aged are on our side—men much older than your father.
11 ULB Moa kely loatra ho anao ny fampiononan'Andriamanitra, dia ireo teny malefaka aminao? BSB BSB: Are the consolations of God not enough for you, even words spoken gently to you?
12 ULB Nahoana no mitondra anao hivily ny fonao? Nahoana ianao no mipipi-maso, BSB BSB: Why has your heart carried you away, and why do your eyes flash,
13 ULB hany ka mihodina amin'Andriamanitra ny fanahinao ka mamoaka teny toy izany avy amin'ny vavanao? BSB BSB: so that you turn your spirit against God and pour such words from your mouth?
14 ULB Inona moa ny olona no tokony hadio? Inona moa izay natera-behivavy no tokony ho marina? BSB BSB: What is man, that he should be pure, or one born of woman, that he should be righteous?
15 ULB Indro, Andriamanitra dia tsy mametraka fitokisana na dia amin'ireo masiny aza; eny tokoa, tsy madio eo imasony ny lanitra; BSB BSB: If God puts no trust in His holy ones, if even the heavens are not pure in His eyes,
16 ULB mainka fa ny hakelin'ny fahadiovanao izay maharikoriko sy ratsy toetra, lehilahy misotro heloka tahaka ny rano! BSB BSB: how much less man, who is vile and corrupt, who drinks injustice like water?
17 ULB Hasehoko anao; mihainoa ahy; hanambara aminao ireo zavatra izay hitako aho, BSB BSB: Listen to me and I will inform you. I will describe what I have seen,
18 ULB ireo zavatra izay nampitain'ny olon-kendry avy tamin'ireo rainy, ireo zavatra izay tsy mba nafenin'ny razambeny. BSB BSB: what was declared by wise men and was not concealed from their fathers,
19 ULB Ireo no razan'izy ireo, izay hany nomena ny tany, ary izay tsy mba nandalovan'ny vahiny mihintsy. BSB BSB: to whom alone the land was given when no foreigner passed among them.
20 ULB Ny olona ratsy fanahy dia mijaly am-panaintainana amin'ny androny rehetra, izay isan'ny taona napetraka hijalian'ny mpampahory. BSB BSB: A wicked man writhes in pain all his days; only a few years are reserved for the ruthless.
21 ULB Misy feon'horohoro eo an-tsofiny; raha hambinina izy, dia ho avy aminy ny mpandringana. BSB BSB: Sounds of terror fill his ears; in his prosperity the destroyer attacks him.
22 ULB Tsy mihevitra izy fa hiverina avy ao amin'ny aizina; miandry azy ny sabatra. BSB BSB: He despairs of his return from darkness; he is marked for the sword.
23 ULB Mandeha any amin'ny toerana isan-karazany izy mba hitady mofo, manao hoe: 'Aiza izany?' Fantany fa antomotra ny andron'ny fahamaizinana. BSB BSB: He wanders about as food for vultures; he knows the day of darkness is at hand.
24 ULB Mampatahotra azy ny fahoriana sy ny fangirifiriana; fa mandresy azy izy ireo, tahaka ny mpanjaka vonon-kiady. BSB BSB: Distress and anguish terrify him, overwhelming him like a king poised to attack.
25 ULB Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy ary nieboebo nanohitra ilay Tsitoha, BSB BSB: For he has stretched out his hand against God and has vaunted himself against the Almighty,
26 ULB dia mihazakazaka mankany amin'Andriamanitra amin'ny fahamafisan-katoka izany lehilahy ratsy fanahy izany, miaraka amin'ny apinga matevina. BSB BSB: rushing headlong at Him with a thick, studded shield.
27 ULB Marina izany, na dia nanafina ny tavany tamin'ny taviny sy namory tavy ho an'ny valahany aza izy, BSB BSB: Though his face is covered with fat and his waistline bulges with flesh,
28 ULB ary nonina tao amin'ny tanàna lao; tany amin'ny trano izay tsy misy mipetraka ankehitriny ary izay efa vonona ny ho natao korotam-bato. BSB BSB: he will dwell in ruined cities, in abandoned houses destined to become rubble.
29 ULB Tsy hanan-karena izy; tsy haharitra ny hareny; na ny alokany aza dia tsy haharitra eto an-tany. BSB BSB: He will no longer be rich; his wealth will not endure. His possessions will not overspread the land.
30 ULB Tsy hivoaka avy ao amin'ny aizina izy; hisy afo handevona ny mololony; ary amin'ny fofonaina avy amin'ny vavan'Andriamanitra no halasàny. BSB BSB: He will not escape from the darkness; the flame will wither his shoots, and the breath of God’s mouth will carry him away.
31 ULB Aoka izy tsy hatoky zava-poana, ka hamitaka ny tenany; fa ny zava-poana no ho valisoany. BSB BSB: Let him not deceive himself with trust in emptiness, for emptiness will be his reward.
32 ULB Hitranga mialohan'ny tokony hahatongavan'ny fotoana hahafatesany izany; ary tsy ho maitso ny sampany. BSB BSB: It will be paid in full before his time, and his branch will not flourish.
33 ULB Hanintsana ny voa tsy matoiny tahaka ny voaloboka izy; ary hampiraraka ny voniny tahaka ny hazon'oliva. BSB BSB: He will be like a vine stripped of its unripe grapes, like an olive tree that sheds its blossoms.
34 ULB Fa ny antokon'ny mpaniratsira dia ho momba; handevona ny lain'ny kolikoliny ny afo. BSB BSB: For the company of the godless will be barren, and fire will consume the tents of bribery.
35 ULB Sompatra no torotoroniny ary heloka no haterany; fitaka no torotoronin'ny kibon'izy ireo." BSB BSB: They conceive trouble and give birth to evil; their womb is pregnant with deceit.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.