1 ULB Ary namaly i Joba ka niteny hoe: BSB BSB: Then Job answered:
2 ULB "Efa nahare zavatra tahaka izany maro aho; mpampionona mahonena avokoa ianareo. BSB BSB: “I have heard many things like these; miserable comforters are you all.
3 ULB Mba hisy fiafarany ve ireo teny tsy misy fotony? Inona no olanao no dia mamaly tahaka izao ianao? BSB BSB: Is there no end to your long-winded speeches? What provokes you to continue testifying?
4 ULB Afaka miteny tahaka anareo ihany koa aho, raha ianareo no teo amin'ny toerako; afaka manangona sy manambatra teny aho entina hanoherana anareo ary hanifikifika ny lohako aminareo amin'ny eso. BSB BSB: I could also speak like you if you were in my place; I could heap up words against you and shake my head at you.
5 ULB Eh, te-hankahery anareo amin'ny vavako aho! Endrey ny ho fanamaivanan'ny fampiononan'ny molotro ny alahelonareo! BSB BSB: But I would encourage you with my mouth, and the consolation of my lips would bring relief.
6 ULB Raha miteny aho, dia tsy mihena ny alaheloko; raha mangina kosa aho, ahoana no hanampiana ahy? BSB BSB: Even if I speak, my pain is not relieved, and if I hold back, how will it go away?
7 ULB Fa ankehitriny, ry Andriamanitra, dia novizaninao aho; noravanao ny fianakaviako manontolo. BSB BSB: Surely He has now exhausted me; You have devastated all my family.
8 ULB Nohamaininao aho, izay vavolombelona manohitra ahy ihany; nitsangana hiampanga ahy ny fahiazan'ny vatako, ary vavolombelona manohitra ny tavako izany. BSB BSB: You have bound me, and it has become a witness; my frailty rises up and testifies against me.
9 ULB Tao anaty hatezerana no namotehan'Andriamanitra sy nanenjehany ahy; nihidy vazana tamiko Izy; dia nanondro maso ahy ny fahavaloko raha mbola nandrava ahy Izy. BSB BSB: His anger has torn me and opposed me; He gnashes His teeth at me. My adversary pierces me with His eyes.
10 ULB Nisanasana vava tamiko ny olona; nofelahan'izy ireo tamin'ny fanomezan-tsiny ny takolako; niara-nivondrona hanohitra ahy izy ireo. BSB BSB: They open their mouths against me and strike my cheeks with contempt; they join together against me.
11 ULB Atolotr'Andriamanitra eo amin'ny olona mpaniratsira aho, ary atsipiny eny an-tanan'ny olona ratsy fanahy. BSB BSB: God has delivered me to unjust men; He has thrown me to the clutches of the wicked.
12 ULB Nilamina aho, dia nopotehiny. Eny tokoa, noraisiny tamin'ny tenda aho ary nakapony ho potipotika; nataony marika ho kendreny ihany koa aho. BSB BSB: I was at ease, but He shattered me; He seized me by the neck and crushed me. He has set me up as His target;
13 ULB Manodidina ahy ireo mpanipy zana-tsipìkany; tsindronin'Andriamanitra tsy hananany hantra ny voako; ararany amin'ny tany ny aferoko. BSB BSB: His archers surround me. He pierces my kidneys without mercy and spills my gall on the ground.
14 ULB Velesiny hatrany hatrany ny rindriko; mihazakazaka manatona ahy toy ny mpiady Izy. BSB BSB: He breaks me with wound upon wound; He rushes me like a mighty warrior.
15 ULB Nozairiko teo an-koditro ny akanjo fisaonana; efa nalentiko tao amin'ny tany ny tandroko. BSB BSB: I have sewn sackcloth over my skin; I have buried my horn in the dust.
16 ULB Menan'ny tomany ny tarehiko; eo amin'ny hodimasoko ny aloky ny fahafatesana BSB BSB: My face is red with weeping, and deep shadows ring my eyes;
17 ULB na dia tsy misy herisetra aza ny tanako, ary madio ny fivavako. BSB BSB: yet my hands are free of violence and my prayer is pure.
18 ULB Ry tany o, aza rakofana ny ràko; aoka tsy hanana toerana hitsaharana ny fitomaniako. BSB BSB: O earth, do not cover my blood; may my cry for help never be laid to rest.
19 ULB Na ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny vavolombeloko; any amin'ny avo ilay mpiantoka ahy. BSB BSB: Even now my witness is in heaven, and my advocate is on high.
20 ULB Manesoeso ahy ireo namako, kanefa mandrotsa-dranomaso ho an'Andriamanitra ny masoko. BSB BSB: My friends are my scoffers as my eyes pour out tears to God.
21 ULB Mangataka izany vavolombelona tany an-danitra izany aho mba hiady ho an'ity lehilahy ity eo amin'Andriamanitra toy ny ataon'ny olona amin'ny mpiara-belona aminy aho! BSB BSB: Oh, that a man might plead with God as he pleads with his neighbor!
22 ULB Fa afaka taona vitsivitsy, dia ho any amin'ny toerana iray izay tsy hiverenako intsony aho. BSB BSB: For when only a few years are past I will go the way of no return.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.