1 ULB Avy eo i Bilidada ilay Sohita namaly ary niteny hoe: BSB BSB: Then Bildad the Shuhite replied:
2 ULB "Rahoviana no hatsahatrao ny teninao? Diniho, ary aorian'izany dia hiteny izahay. BSB BSB: “How long until you end these speeches? Show some sense, and then we can talk.
3 ULB Nahoana izahay no heverina toy ny biby; nahoana izahay no nanjary adala eo imasonao? BSB BSB: Why are we regarded as cattle, as stupid in your sight?
4 ULB Ianao izay mamiravira ny tenanao amin'ny fahatezaranao, tokony hahafoy ho anao ve ny tany sa tokony ho esorina eo amin'ny toerany ireo vatolampy? BSB BSB: You who tear yourself in anger—should the earth be forsaken on your account, or the rocks be moved from their place?
5 ULB Eny tokoa, ho vonoina ny fahazavan'ny olona ratsy fanahy; tsy hamirapiratra ny pitik'afony. BSB BSB: Indeed, the lamp of the wicked is extinguished; the flame of his fire does not glow.
6 ULB Ho maizina ny fahazavana ao an-dainy; ary ny jiro eo amboniny dia ho vonoina. BSB BSB: The light in his tent grows dark, and the lamp beside him goes out.
7 ULB Hafohezina ny dingan'ny heriny; ny fikasany ihany no handrava azy. BSB BSB: His vigorous stride is shortened, and his own schemes trip him up.
8 ULB Fa hifatratra anaty harato amin'ny alalan 'ny tongony ihany izy; ary hilatsaka anaty vela-pandrika iray izy. BSB BSB: For his own feet lead him into a net, and he wanders into its mesh.
9 ULB Hisy fandrika hahazo azy amin'ny kitro; ary hihazona azy ny fandrika. BSB BSB: A trap seizes his heel; a snare grips him.
10 ULB Misy fandrika iray miafina ho azy eo amin'ny tany; ary fandrika iray ho azy eo amin'ny lalana. BSB BSB: A noose is hidden in the ground, and a trap lies in his path.
11 ULB Hampatahotra azy ny fampihorohoroana amin'ny sisiny rehetra; hanenjika azy amin'ny kitrony izy ireo. BSB BSB: Terrors frighten him on every side and harass his every step.
12 ULB Hivadika hanoanana ny hareny, ary ho vonona eo anilany ny loza. BSB BSB: His strength is depleted, and calamity is ready at his side.
13 ULB Ny ratsam-batany dia ho voarapaka; eny tokoa, ny voalohan-teraky ny fahafatesana dia handrapaka ny rantsany. BSB BSB: It devours patches of his skin; the firstborn of death devours his limbs.
14 ULB Voaviravira tsy ho amin'ny fiarovan'ny lainy izy ary hivoaka mankany amin'ilay mpanjakan'ny horohoro. BSB BSB: He is torn from the shelter of his tent and is marched off to the king of terrors.
15 ULB Ny olona izay tsy azy dia honina ao an-dainy aorian'ny hahitan'izy ireo fa niparitaka tao an-tranony ny solifara. BSB BSB: Fire resides in his tent; burning sulfur rains down on his dwelling.
16 ULB Ho maina avy any ambany ny fakany; ary eo ambony no hanapahana ireo sampany. BSB BSB: The roots beneath him dry up, and the branches above him wither away.
17 ULB Ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy; tsy hanana anarana eny an-dalana izy. BSB BSB: The memory of him perishes from the earth, and he has no name in the land.
18 ULB Ho entina avy amin'ny mazava ho any amin'ny aizina izy ary ho voaroaka eto amin'izao tontolo izao. BSB BSB: He is driven from light into darkness and is chased from the inhabited world.
19 ULB Tsy hanana zanaka na zafy eo amin'ny olony izy, na hanana sisa tavela amin'ireo fara-mandimby izay nijanonany. BSB BSB: He has no offspring or posterity among his people, no survivor where he once lived.
20 ULB Ireo izay monina any andrefana dia hiorin-koditra amin'izay hanjo azy indray andro any; ary ireo izay monina any atsinanana dia ho raiki-tahotra amin'izany. BSB BSB: Those in the west are appalled at his fate, while those in the east tremble in horror.
21 ULB Azo antoka fa tahaka izany ny tranon'ny olona tsy marina, dia ny toeran'ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra." BSB BSB: Surely such is the dwelling of the wicked and the place of one who does not know God.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.