1 ULB Dia namaly Joba ka nanao hoe: BSB BSB: Then Job answered:
2 ULB "Hafiriana no hampijalianareo ahy sy hamotipotehinareo ahy amin'ny teny? BSB BSB: “How long will you torment me and crush me with your words?
3 ULB Tamin'izay nandatsanareo ahy impolo izay; tsy mba menatra nampahory ahy ianareo. BSB BSB: Ten times now you have reproached me; you shamelessly mistreat me.
4 ULB Raha tena marina tokoa fa efa nania aho, dia hijanona ho ahy irery ny fahadisoako. BSB BSB: Even if I have truly gone astray, my error concerns me alone.
5 ULB Raha hanandratra ny tenanareo ho amboniko tokoa ianareo ary hampiasa ny fahafam-barakako hanohitra ahy, BSB BSB: If indeed you would exalt yourselves above me and use my disgrace against me,
6 ULB dia tokony ho fantatrareo fa Andriamanitra efa nanao ny tsy nety tamiko ary nahatratra ahy tamin'ny haratony. BSB BSB: then understand that it is God who has wronged me and drawn His net around me.
7 ULB Indro, mitaraina aho hoe: "Herisetra!" nefa tsy mahazo valiny aho. Niantso vonjy mafy aho, saingy tsy nahazo rariny. BSB BSB: Though I cry out, ‘Violence!’ I get no response; though I call for help, there is no justice.
8 ULB Nasiany rindrina ny lalako mba tsy hahafahako mandeha, ary nametraka ny aizina teo amin'ny lalako Izy. BSB BSB: He has blocked my way so I cannot pass; He has veiled my paths with darkness.
9 ULB Nesoriny tamiko ny voninahitro, ary efa nanaisotra ny satro-boninahitra tamin'ny lohako Izy. BSB BSB: He has stripped me of my honor and removed the crown from my head.
10 ULB Efa namotika ahy tamin'ny zorony rehetra Izy, dia lasa aho, nongotany tahaka ny hazo ny fanantenako. BSB BSB: He tears me down on every side until I am gone; He uproots my hope like a tree.
11 ULB Nampirehetiny tamiko ihany koa ny fahatezerany; raisiny tahaka ny iray amin'ireo fahavalony aho. BSB BSB: His anger burns against me, and He counts me among His enemies.
12 ULB Miara-tonga ireo tafiny; manangana dongon-tany hanafihana ahy izy ireo ka mitoby manodidina ny laiko. BSB BSB: His troops advance together; they construct a ramp against me and encamp around my tent.
13 ULB Nanaisotra ireo rahalahiko lavitra ahy Izy; nihafahafa tamiko tanteraka ireo olom-pantatro. BSB BSB: He has removed my brothers from me; my acquaintances have abandoned me.
14 ULB Nahafoy ahy ireo havako; efa nanadino ahy ireo namako akaiky. BSB BSB: My kinsmen have failed me, and my friends have forgotten me.
15 ULB Ireo izay nijanona mba ho vahiny tao an-tranoko fahizay sy ireo mpanompo vaviko dia mandray ahy toy ny tsy olom-patatra; vahiny aho eo imason'izy ireo. BSB BSB: My guests and maidservants count me as a stranger; I am a foreigner in their sight.
16 ULB Miantso ny mpanompoko aho, nefa tsy namaly ahy izy na dia miangavy azy amin'ny vavako aza aho. BSB BSB: I call for my servant, but he does not answer, though I implore him with my own mouth.
17 ULB Manafintohina ny vadiko ny fofonaiko; maharikoriko ireo izay nateraky ny kibon'ny reniko mihintsy aza aho. BSB BSB: My breath is repulsive to my wife, and I am loathsome to my own family.
18 ULB Na ireo ankizy aza manao tsinontsinona ahy; raha mitsangana hiteny aho, dia miteny manohitra ahy izy ireo. BSB BSB: Even little boys scorn me; when I appear, they deride me.
19 ULB Ireo namako nahazatra rehetra dia mankahala ahy; nivadika tamiko ireo izay tiako. BSB BSB: All my best friends despise me, and those I love have turned against me.
20 ULB Miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko ny taolako; ny hany ivelomako dia amin'ny hoditry ny nifiko. BSB BSB: My skin and flesh cling to my bones; I have escaped by the skin of my teeth.
21 ULB Manàna famindram-po amiko, manàna famindram-po amiko, ry namako, satria ny tanan'Andriamanitra dia efa nikasika ahy. BSB BSB: Have pity on me, my friends, have pity, for the hand of God has struck me.
22 ULB Nahoana ianareo no manenjika ahy tahaka ny hoe ianareo no Andriamanitra? Nahoana no tsy afa-po amin'ny fandevonana ny nofoko ianareo? BSB BSB: Why do you persecute me as God does? Will you never get enough of my flesh?
23 ULB Eh, enga anie ka ho voasoratra ny teniko ankehitriny! Eh, enga anie ka ho voarakitra ao anaty boky ireny! BSB BSB: I wish that my words were recorded and inscribed in a book,
24 ULB Eh, enga anie ka ho voasokitra amin'ny penina vy sy firaka eo amin'ny vatolampy mandrakizay ireny! BSB BSB: by an iron stylus on lead, or chiseled in stone forever.
25 ULB Nefa raha ny amiko, fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ary any am-parany dia hitsangana eo amin'ny tany Izy; BSB BSB: But I know that my Redeemer lives, and in the end He will stand upon the earth.
26 ULB aorian'izany ny hoditro, izany hoe, ity vatana ity, dia potika, ary dia ao amin'ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra. BSB BSB: Even after my skin has been destroyed, yet in my flesh I will see God.
27 ULB Hahita Azy amin'ny masoko mihintsy aho—Izaho, fa tsy olon-kafa. Efa sasa-miandry izany ny foko ato anatiko ato. BSB BSB: I will see Him for myself; my eyes will behold Him, and not as a stranger. How my heart yearns within me!
28 ULB Raha hoy ianareo hoe: 'Ahoana no hanenjehantsika azy! Ny fototr'ireo fahoriany dia ao aminy,' BSB BSB: If you say, ‘Let us persecute him, since the root of the matter lies with him,’
29 ULB ary matahora ny sabatra, satria ny fahatezerana dia hahatonga famaizana amin'ny sabatra, mba hahafantaranareo fa misy ny fitsaràna." BSB BSB: then you should fear the sword yourselves, because wrath brings punishment by the sword, so that you may know there is a judgment.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.