1 ULB Dia namaly i Zofara ilay Namatita ary niteny hoe: BSB BSB: Then Zophar the Naamathite replied:
2 ULB "Ireo eritreritro no mahatonga ahy hamaly haingana nohon'ny fitaintainana izay ao anatiko. BSB BSB: “So my anxious thoughts compel me to answer, because of the turmoil within me.
3 ULB Mandre teny mafy izay manala baraka ahy aho, saingy misy fanahy avy amin'ny fahazavan-tsaiko mamaly ahy. BSB BSB: I have heard a rebuke that insults me, and my understanding prompts a reply.
4 ULB Tsy fantatrao ve izao zava-misy izao hatramin'ny andro fahiny, raha nametraka ny olombelona teto an-tany Andriamanitra: BSB BSB: Do you not know that from antiquity, since man was placed on the earth,
5 ULB ny fandresen'ny olona ratsy fanahy dia fohy, ary ny hafalian'ny mpaniratsira dia maharitra fotoana fohy ihany? BSB BSB: the triumph of the wicked has been brief and the joy of the godless momentary?
6 ULB Na dia mahatakatra ny lanitra aza ny haavony, ary mananika ny rahona ny lohany, BSB BSB: Though his arrogance reaches the heavens, and his head touches the clouds,
7 ULB dia mbola ho levona toy ny malotony ny olona toy izany; ireo izay nahita azy dia hiteny hoe: 'Aiza izy?' BSB BSB: he will perish forever, like his own dung; those who had seen him will ask, ‘Where is he?’
8 ULB Hanidina toy ny nofy izy ary tsy ho hita; eny tokoa, ho enjehina toy ny fahitana amin'ny alina izy. BSB BSB: He will fly away like a dream, never to be found; he will be chased away like a vision in the night.
9 ULB Ny maso izay nahita azy dia tsy hahita azy intsony; ny toerany dia tsy hahita azy intsony. BSB BSB: The eye that saw him will see him no more, and his place will no longer behold him.
10 ULB Hiala tsiny amin'ny olona mahantra ireo zanany; tsy maintsy hamerina ny harena azony ny tanany. BSB BSB: His sons will seek the favor of the poor, for his own hands must return his wealth.
11 ULB Ireo taolany dia feno ny tanjaky ny fahatanorana, saingy handry miaraka aminy anaty vovoka izany. BSB BSB: The youthful vigor that fills his bones will lie down with him in the dust.
12 ULB Na dia mamy ao am-bavany aza ny faharatsiana, na dia manafina izany ao ambanin'ny lelany aza izy, BSB BSB: Though evil is sweet in his mouth and he conceals it under his tongue,
13 ULB na dia mihazona izany ao sady tsy mamela izany handeha fa mbola mihazona izany tsara ao am-bavany ihany aza izy— BSB BSB: though he cannot bear to let it go and keeps it in his mouth,
14 ULB dia mivadika mangidy ny sakafo ao anaty tsinainy; zary poizina avy amin'ny bibilava ao anatiny izany. BSB BSB: yet in his stomach his food sours into the venom of cobras within him.
15 ULB Mitelina harena izy, saingy handoa izany indray; havoakan'Andriamanitra avy ao amin'ny kibony izany. BSB BSB: He swallows wealth but vomits it out; God will force it from his stomach.
16 ULB Hitsetsitra ny poizin'ny bibilava izy; hamono azy ny lelan'ny menarana. BSB BSB: He will suck the poison of cobras; the fangs of a viper will kill him.
17 ULB Tsy hankafy ireo renirano, ireo riakan'ny tantely sy ero-dronono izy. BSB BSB: He will not enjoy the streams, the rivers flowing with honey and cream.
18 ULB Hamerina ny vokatra izay nisasarany izy ary tsy afaka ny hinana izany; tsy afaka ny hankafy ny harena azony tamin'ny varony izy. BSB BSB: He must return the fruit of his labor without consuming it; he cannot enjoy the profits of his trading.
19 ULB Satria izy nampahory sy nanao tsinontsinona ny olona mahantra; naka an-keriny ireo trano izay tsy naoriny izy. BSB BSB: For he has oppressed and forsaken the poor; he has seized houses he did not build.
20 ULB Satria izy tsy nahalala fahafaham-po tamin'ny tenany, dia tsy afaka ny hahavonjy ny zava-drehetra izay nakany fahafinaretana izy. BSB BSB: Because his appetite is never satisfied, he cannot escape with his treasure.
21 ULB Tsy misy izay tavela ka tsy nolevoniny; noho izany dia manam-petra ihany ny fahombiazany. BSB BSB: Nothing is left for him to consume; thus his prosperity will not endure.
22 ULB Hilatsaka anaty fahoriana amin'ny fahabetsahan'ny hareny izy; ny tanan'ny tsirairay izay ao anaty fahantrana dia ho avy hanohitra azy. BSB BSB: In the midst of his plenty, he will be distressed; the full force of misery will come upon him.
23 ULB Rehefa hameno ny kibony izy, dia hatorak'Andriamanitra aminy ny firehetan'ny fahatezerany; handrotsaka izany eo aminy Andriamanitra rehefa eo am-pihinanana izy. BSB BSB: When he has filled his stomach, God will vent His fury upon him, raining it down on him as he eats.
24 ULB Na dia hitsoaka ny fitaovam-piadiana vy aza izany lehilahy izany, dia hahavoa azy ny tsipìka varahina. BSB BSB: Though he flees from an iron weapon, a bronze-tipped arrow will pierce him.
25 ULB Hanindrona avy ao an-damosiny ny lefona ary ho tafavoaka; ary hivoaka avy ao amin'ny atiny tokoa ny tendrony manjelanjelatra; ho tonga eo aminy ny horohoro. BSB BSB: It is drawn out of his back, the gleaming point from his liver. Terrors come over him.
26 ULB Aizin-kitroka tanteraka no miandry ny hareny; ary afo tsy notsofina no handoro azy; handevona izay sisa tavela ao anatin'ny lainy izany. BSB BSB: Total darkness is reserved for his treasures. A fire unfanned will consume him and devour what is left in his tent.
27 ULB Hanambara ny helony ny lanitra, ary hijoro vavolombelona hanohitra azy ny tany. BSB BSB: The heavens will expose his iniquity, and the earth will rise up against him.
28 ULB Hielina ny harena ao an-tranony; hikoriana hiala aminy amin'ny andron'ny fahatezeran' Andriamanitra ireo fananany. BSB BSB: The possessions of his house will be removed, flowing away on the day of God’s wrath.
29 ULB Izany no anjaran'ny olona ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, ny lova voatokana ho azy avy amin'Andriamanitra." BSB BSB: This is the wicked man’s portion from God, the inheritance God has appointed him.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.