1 ULB Nanohy niteny Joba ary nanao hoe: BSB BSB: And Job continued his discourse:
2 ULB "Eh, raha mba toy ny tamin'ireny volana lasa fony nikarakaran'Andriamanitra ahy ireny mantsy aho, BSB BSB: “How I long for the months gone by, for the days when God watched over me,
3 ULB fony namirapiratra teo an-dohako ny jirony, ary fony namakivaky ny aizina tamin'ny fahazavany aho. BSB BSB: when His lamp shone above my head, and by His light I walked through the darkness,
4 ULB Eh, raha mba toy ny tamin'ny andron'ny fatoizako fony ny fisakaizan'Andriamanitra tao an-tranoko ireny mantsy aho; BSB BSB: when I was in my prime, when the friendship of God rested on my tent,
5 ULB fony mbola niaraka tamiko ny Tsitoha, ary mbola nanodidina ahy ireo zanako, BSB BSB: when the Almighty was still with me and my children were around me,
6 ULB fony voarakotra ronono ny lalako, ary ny vatolampy nandrotsaka rian-diloilo ho ahy! BSB BSB: when my steps were bathed in cream and the rock poured out for me streams of oil!
7 ULB Raha nivoaka ny vavahadin'ny tanàna aho, raha nipetraka tamin'ny toerako teo an-kianjan'ny tanàna aho, BSB BSB: When I went out to the city gate and took my seat in the public square,
8 ULB dia nahita ahy ary nijanona lavitra ahy tamim-panajana ireo tovolahy, ary ny olona antitra nitsangana ka nijoro ho ahy. BSB BSB: the young men saw me and withdrew, and the old men rose to their feet.
9 ULB Nijanona tsy niteny ny andriandahy rehefa tonga aho; nanampina ny vavany tamin'ny tanany izy ireo. BSB BSB: The princes refrained from speaking and covered their mouths with their hands.
10 ULB Nangina ny feon'ireo olo-manan-kaja, ary niraikitra teo amin'ny lanilaniny ny lelan'izy ireo. BSB BSB: The voices of the nobles were hushed, and their tongues stuck to the roofs of their mouths.
11 ULB Fa rehefa avy nandre ahy ny sofiny, dia nitso-drano ahy izy ireo; rehefa avy nahita ahy ny masony, dia nijoro vavolombelona ho ahy sy nanaiky ahy izy ireo BSB BSB: For those who heard me called me blessed, and those who saw me commended me,
12 ULB satria nanavotra ny olona izay nahantra aho rehefa nitaraina izy, ary ny olona izay kamboty ray rehefa tsy nanana na iza na iza hanampy azy izy. BSB BSB: because I rescued the poor who cried out and the fatherless who had no helper.
13 ULB Ny tso-dranon'izay efa ho faty dia tonga tamiko; nahatonga ny fon'ireo mpitondrantena hihira fifaliana aho. BSB BSB: The dying man blessed me, and I made the widow’s heart sing for joy.
14 ULB Mitafy fahamarinana aho, ary nampitafy ahy izany; ny fahamarinana dia toy ny akanjo lava sy satroka. BSB BSB: I put on righteousness, and it clothed me; justice was my robe and my turban.
15 ULB Maso ho an'ireo olona jamba aho; tongotra ho an'ireo olona malemy aho. BSB BSB: I served as eyes to the blind and as feet to the lame.
16 ULB Ray ho an'ireo olona ory aho; nandinika ny ady aho na dia ny an'ny olona izay tsy fantatro aza. BSB BSB: I was a father to the needy, and I took up the case of the stranger.
17 ULB Namotika ny valanoranon'ny olona tsy marina aho; nanongotra ny niharam-boina avy teo amin'ny nifiny aho. BSB BSB: I shattered the fangs of the unjust and snatched the prey from his teeth.
18 ULB Dia hoy aho hoe: 'Ho faty ao amin'ny akaniko aho; hampitombo ireo androko toy ny vovom-pasika aho. BSB BSB: So I thought: ‘I will die in my nest and multiply my days as the sand.
19 ULB Misandrahaka eo amin'ny rano ireo fakako, ary ny ando nitoetra teo amin'ireo rantsako ny alina tontolo. BSB BSB: My roots will spread out to the waters, and the dew will rest nightly on my branches.
20 ULB Ny voninahitra ao amiko dia vaovao lalandava, ary ny tsipìkan'ny heriko dia vaovao lalandava eo an-tanako.' BSB BSB: My glory is ever new within me, and my bow is renewed in my hand.’
21 ULB Nihaino ahy ireo olona; niandry ahy izy ireo; nangina mba hihaino ny toro-hevitro izy ireo. BSB BSB: Men listened to me with expectation, waiting silently for my counsel.
22 ULB Rehefa vita ny teniko, dia tsy niteny intsony izy ireo; nitete toy ny rano teo amin'izy ireo ny teniko. BSB BSB: After my words, they spoke no more; my speech settled on them like dew.
23 ULB Niandry ahy lalandava toy ny niandry orana izy ireo; nampisanasana ny vavany izy ireo mba hisotro ny teniko, tahaka izay hataon'izy ireo amin'ny fara-orana. BSB BSB: They waited for me as for rain and drank in my words like spring showers.
24 ULB Nitsiky tamin'izy ireo aho rehefa tsy nanampo izany izy ireo; tsy mba nandà ny fahazavan'ny tavako izy ireo. BSB BSB: If I smiled at them, they did not believe it; the light of my countenance was precious.
25 ULB Nifidy ny lalan'izy ireo aho ary nipetraka ho lehibeny; niaina toy ny mpanjaka omban'ny tafiny aho, toy ny olona izay mampionona ireo mpisaona. BSB BSB: I chose their course and presided as chief. So I dwelt as a king among his troops, as a comforter of the mourners.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.