1 ULB Nanohy ihany Eliho ary niteny hoe: BSB BSB: And Elihu continued:
2 ULB "Mamelà ahy hiteny lavalava kokoa, dia haneho zavatra anao aho satria mbola misy kely ho teneniko ho fiarovana an'Andriamanitra. BSB BSB: “Bear with me a little longer, and I will show you that there is more to be said on God’s behalf.
3 ULB Hahazo ny fahalalako avy lavitra aho; hiaiky aho fa ny fahamarinana dia an'ny Mpahary ahy. BSB BSB: I get my knowledge from afar, and I will ascribe justice to my Maker.
4 ULB Fa eny tokoa, tsy ho diso ireo teniko; olona matotra ao amin'ny fahalalana no eto aminao. BSB BSB: For truly my words are free of falsehood; one perfect in knowledge is with you.
5 ULB Indro, Andriamanitra dia mahery, ary tsy mamingavinga na iza na iza; mahery amin'ny herin'ny fahazavan-tsaina Izy. BSB BSB: Indeed, God is mighty, but He despises no one; He is mighty in strength of understanding.
6 ULB Tsy miaro ny ain'ny olona ratsy fanahy Izy fa kosa manao izay marina ho an'ireo izay mijaly. BSB BSB: He does not keep the wicked alive, but He grants justice to the afflicted.
7 ULB Tsy manala ny masony amin'ireo olona marina Izy fa kosa mametraka azy ireo mandrakizay eo amin'ireo seza fiandrianana toy ny mpanjaka, ka misandratra izy ireo. BSB BSB: He does not take His eyes off the righteous, but He enthrones them with kings and exalts them forever.
8 ULB Raha voafatotra tamin'ny rojo ary voafandrika tamin'ny tadin'ny fampijaliana izy ireo, BSB BSB: And if men are bound with chains, caught in cords of affliction,
9 ULB dia ambarany amin'izy ireo izay nataony, sy ny helok'izy ireo ary ny fieboeboan'izy ireo. BSB BSB: then He tells them their deeds and how arrogantly they have transgressed.
10 ULB Manokatra ny sofin'izy ireo ho amin'ny fampianarany ihany koa Izy, ary mandidy azy ireo mba hiala amin'ny heloka. BSB BSB: He opens their ears to correction and commands that they turn from iniquity.
11 ULB Raha mihaino Azy sy manompo Azy izy ireo, dia handany ny andron'izy ireo amin'ny fanambinana, sy ny taonan'izy ireo amin'ny fifaliana. BSB BSB: If they obey and serve Him, then they end their days in prosperity and their years in happiness.
12 ULB Na izany aza, raha tsy mihaino izy ireo, dia ho vonoina amin-tsabatra; ho faty izy ireo satria tsy manam-pahalalana. BSB BSB: But if they do not obey, then they perish by the sword and die without knowledge.
13 ULB Mitahiry ny hatezerany ireo izay mpaniratsira am-po; tsy miantso vonjy izy ireo na dia mamatotra azy ireo aza Andriamanitra. BSB BSB: The godless in heart harbor resentment; even when He binds them, they do not cry for help.
14 ULB Maty eo amin'ny fahatanorany izy ireo; tapitra eo amin'ireo mpijangajanga amin'ny fivavahana ny andron'izy ireo. BSB BSB: They die in their youth, among the male shrine prostitutes.
15 ULB Andriamanitra mamonjy ireo olona nampahoriana amin'ny alalan'ny fahorian'izy ireo; manokatra ny sofin'izy ireo amin'ny alalan'ny fampahoriana azy ireo Izy. BSB BSB: God rescues the afflicted by their affliction and opens their ears in oppression.
16 ULB Eny tokoa, te-hanala anao amin'ny fahoriana ho any amin'ny toerana malalaka izay tsy misy zava-tsarotra sy izay androsoana sakafo feno sabora amin'ny latabatrao Izy. BSB BSB: Indeed, He drew you from the jaws of distress to a spacious and broad place, to a table full of richness.
17 ULB Nefa ianao dia feno fitsaràna ny olona ratsy fanahy; nitana anao ny fitsaràna sy ny rariny. BSB BSB: But now you are laden with the judgment due the wicked; judgment and justice have seized you.
18 ULB Aza avela hitaona anao ho amin'ny fanesoana ny hatezeranao, na hampivily anao ny halehiben'ny vidim-panavotana. BSB BSB: Be careful that no one lures you with riches; do not let a large bribe lead you astray.
19 ULB Afaka manome tombony anao ve ny harenao, mba tsy ho ao anatin'ny fahoriana ianao, sa afaka manampy anao ve ny herin'ny fahatanjahanao rehetra? BSB BSB: Can your wealth or all your mighty effort keep you from distress?
20 ULB Aza maniry ny alina, mba hanotana hanoherana ireo hafa, rehefa esorina eo amin'ny toeran'izy ireo ny olona. BSB BSB: Do not long for the night, when people vanish from their homes.
21 ULB Mitandrema mba tsy hiverina hanota ianao satria efa nosedraina tamin'ny fampijaliana ianao mba hanalaviranao ny fahotana. BSB BSB: Be careful not to turn to iniquity, for this you have preferred to affliction.
22 ULB Indro, misandratra amin'ny heriny Andriamanitra; iza no mpampianatra toa Azy? BSB BSB: Behold, God is exalted in His power. Who is a teacher like Him?
23 ULB Iza no efa nampianatra Azy ny amin'ny lalany? Iza no mba afaka hiteny Azy hoe: 'Efa nanao ny tsy marina Ianao?' BSB BSB: Who has appointed His way for Him, or told Him, ‘You have done wrong’?
24 ULB Tsarovy ny midera ireo asany, izay nohirain'ny olona. BSB BSB: Remember to magnify His work, which men have praised in song.
25 ULB Efa nijery ireo asa ireo ny olona rehetra, nefa avy eny lavitra ihany no ahitany ireo asa ireo. BSB BSB: All mankind has seen it; men behold it from afar.
26 ULB Indro, lehibe Andriamanitra, nefa tsy azontsika tsara Izy; tsy hay kajiana ny isan'ny taonany. BSB BSB: Indeed, God is great—beyond our knowledge; the number of His years is unsearchable.
27 ULB Fa efa manala ireo rano nitete izay natsikany ho orana avy amin'ny entony Izy, BSB BSB: For He draws up drops of water which distill the rain from the mist,
28 ULB izay arotsaky ny rahona sy atondrany be amin'ny olombelona. BSB BSB: which the clouds pour out and shower abundantly on mankind.
29 ULB Eny tokoa, misy olona mahatakatra ny halehiben'ny fielezan'ny rahona sy ny kotroka avy ao amin'ny tranony ve? BSB BSB: Furthermore, who can understand how the clouds spread out, how the thunder roars from His pavilion?
30 ULB Indro, manaparitaka ny tselany manodidina Azy Izy ary mandrakotra ireo fanambanin'ny ranomasina. BSB BSB: See how He scatters His lightning around Him and covers the depths of the sea.
31 ULB Amin'izany fomba izany no hitsarany ireo olona sy hanomezany sakafo mitafotafo. BSB BSB: For by these He judges the nations and provides food in abundance.
32 ULB Mameno tselatra ny tanany Izy mandra-pandidiany izany mba hamely ny marik'izany. BSB BSB: He fills His hands with lightning and commands it to strike its mark.
33 ULB Ny kotrok'izany dia mampitandrina ny amin'ny tafio-drivotra, ny biby fiompy ihany koa dia afaka mandre fa tamy izany. BSB BSB: The thunder declares His presence; even the cattle regard the rising storm.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.