1 ULB Eny tokoa, mihorohoro amin'izany ny foko; miala amin'ny toerany. BSB BSB: “At this my heart also pounds and leaps from its place.
2 ULB Henoy, oh, henoy ny fikotaban'ny feony, ny feo izay mivoaka avy amin'ny vavany. BSB BSB: Listen closely to the thunder of His voice and the rumbling that comes from His mouth.
3 ULB Mandefa izany eny ambany lanitra manontolo Izy, ary mandefa ny tselam-pahazavany hatrany amin'ny sisin-tany. BSB BSB: He unleashes His lightning beneath the whole sky and sends it to the ends of the earth.
4 ULB Misy feo mierona aorian'izany; mikotrokotroka amin'ny feon'ny voninahiny Izy; tsy manakana ny tsela-pahazavana hitselatra Izy rehefa re ny feony. BSB BSB: Then there comes a roaring sound; He thunders with His majestic voice. He does not restrain the lightning when His voice resounds.
5 ULB Mahatalanjona ny fikotrokotroky ny feon'Andriamanitra; manao zavatra lehibe izay tsy takatsika Izy. BSB BSB: God thunders wondrously with His voice; He does great things we cannot comprehend.
6 ULB Fa hoy Izy amin'ny oram-panala: "Milatsaha eny amin'ny tany"; toy izany koa ny ranon'orana: 'Tongava ho rotsak'orana mivatravatra be'. BSB BSB: For He says to the snow, ‘Fall on the earth,’ and to the gentle rain, ‘Pour out a mighty downpour.’
7 ULB Mampitsahatra ny tanan'ny lehilahy tsirairay amin'ny asany Izy, mba hahafahan'ny olona rehetra izay namboariny hahita ireo asany. BSB BSB: He seals up the hand of every man, so that all men may know His work.
8 ULB Dia miditra ao amin'ny fiafenany koa ireo bibidia ka mamitsaka any an-johiny. BSB BSB: The wild animals enter their lairs; they settle down in their dens.
9 ULB Ny tafio-drivotra tonga avy any amin'ny efiny avy any atsimo, ary ny hatsiaka avy amin'ny fiparitahan'ny rivotra avy any avaratra. BSB BSB: The tempest comes from its chamber, and the cold from the driving north winds.
10 ULB Amin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra no mampisy ny ranomandry. Mivaingana toy ny vy ny rano be midadasika. BSB BSB: By the breath of God the ice is formed and the watery expanses are frozen.
11 ULB Manavesatra ny rahona matevina amin'ny hamandoana tokoa Izy; mampiely ny tsela-pahazavany amin'ny rahona Izy. BSB BSB: He loads the clouds with moisture; He scatters His lightning through them.
12 ULB Manodikodina ny rahona araka ny fitarihany Izy, mba hahafahan'izy ireo manao izay andidiany azy ireo eo ambonin'ny velaran'izao tontolo izao. BSB BSB: They swirl about, whirling at His direction, accomplishing all that He commands over the face of all the earth.
13 ULB Ataony miseho izany rehetra izany; indraindray dia mitranga izany ho fanitsiana, indraindray ho an'ny taniny, ary indraindray ho ny asan'ny fanekena mahatoky. BSB BSB: Whether for punishment or for His land, He accomplishes this in His loving devotion.
14 ULB Henoy izao, ry Joba; mijanòna ary saino ny momban'ireo asa mahagagan'Andriamanitra. BSB BSB: Listen to this, O Job; stand still and consider the wonders of God.
15 ULB Fantatrao ve ny faneren'Andriamanitra amin'ny sitrapony amin'ny rahona sy fanaovany ny tsela-pahazavana hitselatra ao amin'ireo? BSB BSB: Do you know how God dispatches the clouds or makes the lightning flash?
16 ULB Takatrao ve ny fihevahevan'ny rahona, ireo asa mahagagan'Andriamanitra, izay tonga lafatra amin'ny fahalalana? BSB BSB: Do you understand how the clouds float, those wonders of Him who is perfect in knowledge?
17 ULB Takatrao ve ny mahatonga ireo akanjonao hafana rehefa tony ny tany satria tonga avy any atsimo ny rivotra? BSB BSB: You whose clothes get hot when the land lies hushed under the south wind,
18 ULB Ianao ve afaka mamelatra ny habakabaka toy ny ataony— dia ny habakabaka, izay mafy toy ny fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika? BSB BSB: can you, like Him, spread out the skies, as strong as a mirror of bronze?
19 ULB Mba ampianaro anay ary izay tokony ho lazainay aminy, fa izahay tsy mahavita mandahatra ireo tohan-kevitray nohon'ny fahamaizinan'ny fisainanay. BSB BSB: Teach us what we should say to Him; we cannot draw up our case because of our darkness.
20 ULB Tokony hilazana izay tiako lazaina aminy ve Izy? Misy olona maniry ny ho voatelina ve? BSB BSB: Should He be told that I want to speak? Would a man ask to be swallowed up?
21 ULB Ankehitriny, tsy afaka mijery ny masoandro rehefa mamiratra eny amin'ny habakabaka ve ny olona aorian'ny fandalovan'ny rivotra ka nampisavany ny rahony. BSB BSB: Now no one can gaze at the sun when it is bright in the skies after the wind has swept them clean.
22 ULB Avy any avaratra no hihavian'ny famirapiratana volamena— voninahitra mampatahotra no eo amin'Andriamanitra. BSB BSB: Out of the north He comes in golden splendor; awesome majesty surrounds Him.
23 ULB Raha ny amin'ilay Tsitoha, tsy afaka mahita Azy isika! Izy dia lehibe amin'ny fahefana; tsy mampahory ny rariny Izy ary be fahamarinana. BSB BSB: The Almighty is beyond our reach; He is exalted in power! In His justice and great righteousness He does not oppress.
24 ULB Noho izany, matahotra Azy ny olona. Tsy mijery ireo izay mihevi-tena ho hendry akory Izy." BSB BSB: Therefore, men fear Him, for He is not partial to the wise in heart.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.