1 ULB Dia namaly Joba ka niteny hoe: BSB BSB: Then Job replied:
2 ULB "Eh, raha mba voalanja mantsy ny fangirifiriko; raha mba natao teo amin'ny mizana avokoa mantsy ny loza nanjo ahy rehetra! BSB BSB: “If only my grief could be weighed and placed with my calamity on the scales.
3 ULB Fa ankehitriny dia mavesatra kokoa noho ny fasi-dranomasina izany. Ka izany no mahatonga ireo teniko tsy am-piheverana. BSB BSB: For then it would outweigh the sand of the seas—no wonder my words have been rash.
4 ULB Fa ny zana-tsipìkan'ny Tsitoha dia ato amiko, misotro poizina ny fanahiko; ireo fampihorohoroan'Andriamanitra dia milahatra hanohitra ahy. BSB BSB: For the arrows of the Almighty have pierced me; my spirit drinks in their poison; the terrors of God are arrayed against me.
5 ULB Maneno fatratra ve ny ampondra-dia raha manana ahitra? Na ny omby hitrena nohon'ny hanoanana raha manam-bilona? BSB BSB: Does a wild donkey bray over fresh grass, or an ox low over its fodder?
6 ULB Ary izay tsy misy tsiro ve azo hohanina raha tsy misy sira? Na misy tsirony ve ny tapotsin'atody? BSB BSB: Is tasteless food eaten without salt, or is there flavor in the white of an egg?
7 ULB Mandà ny hikasika ireo aho; tahaka ny sakafo maharikoriko ahy ireo. BSB BSB: My soul refuses to touch them; they are loathsome food to me.
8 ULB Eh, enga anie ka ho azoko ny fangatahako; eh, enga anie ka homen'Andriamanitra ahy ny zavatra izay iriko mafy: BSB BSB: If only my request were granted and God would fulfill my hope:
9 ULB mba ho sitrak'Andriamanitra ny hanorotoro ahy indray mandeha, ka haninjtra ny tanany ary hanala ahy amin'ity fiainana ity Izy! BSB BSB: that God would be willing to crush me, to unleash His hand and cut me off!
10 ULB Aoka ho mbola fiononako izao— na dia mifaly ao amin'ny fanaintainana izay tsy mihena aza aho: fa tsy nandà ny tenin'ilay Iray Masina aho. BSB BSB: It still brings me comfort, and joy through unrelenting pain, that I have not denied the words of the Holy One.
11 ULB Inona moa no heriko, no mbola tokony hiezaka hiandry ihany aho? Inona no hiafarako, no tokony ho halavaiko ny androko? BSB BSB: What strength do I have, that I should still hope? What is my future, that I should be patient?
12 ULB Herim-bato ve ny heriko? Na vita amin'ny varahina ve ny nofoko? BSB BSB: Is my strength like that of stone, or my flesh made of bronze?
13 ULB Tsy marina ve fa tsy misy fanampiana intsony ao amin'ny tenako, ary izany fahendrena izany efa nesorina tamiko? BSB BSB: Is there any help within me now that success is driven from me?
14 ULB Ho an'ny olona izay efa ho ketraka, ny fahatokiana no tokony hasehon'ny namany; na dia amin'izay nahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha aza. BSB BSB: A despairing man should have the kindness of his friend, even if he forsakes the fear of the Almighty.
15 ULB Fa ireo rahalahiko dia nahatoky tamiko tahaka ny ranotrambo any an'efitra, tahaka ny lakan-drano izay mandalo fotsiny ihany, BSB BSB: But my brothers are as faithless as wadis, as seasonal streams that overflow,
16 ULB izay maizina nohon'ny ranomandry ao amin'izy ireo, ary tahaka ny oram-panala izay manafina ny tenany ao amin'izy ireo. BSB BSB: darkened because of the ice and the inflow of melting snow,
17 ULB Ary rehefa levona izy ireo, dia manjavona; rehefa mafana, dia mitsonika am-pitoerana. BSB BSB: but ceasing in the dry season and vanishing from their channels in the heat.
18 ULB Ny rodobe izay mandeha amin'ny lalany dia nivily hitady rano; mirenireny eny an-tany tsy mamokatra izy ireny ka dia ringana. BSB BSB: Caravans turn aside from their routes; they go into the wasteland and perish.
19 ULB Ny rodobe avy any Tema dia nitazana teny, raha nanantena azy ireo ny antokon'i Sheba. BSB BSB: The caravans of Tema look for water; the travelers of Sheba hope to find it.
20 ULB Diso fanantenana izy ireo nohon'ny fahatokiany fa hahita rano. Nandeha tany izy ireo, kanefa voafitaka. BSB BSB: They are confounded because they had hoped; their arrival brings disappointment.
21 ULB Fa ankehitriny ianareo namako dia tsinontsinona amiko; mahita ny zavatra mahatsiravina nanjo ahy ianareo ka matahotra. BSB BSB: For now you are of no help; you see terror, and you are afraid.
22 ULB Niteny taminareo ve aho hoe: 'omeo zavatra aho?' Na hoe: 'Hanolory fanomezana avy amin'ny harenareo aho?' BSB BSB: Have I ever said, ‘Give me something; offer me a bribe from your wealth;
23 ULB Na hoe: 'Avoty amin'ny tanan'ireo fahavaloko aho?' Na hoe: 'Afaho amin'ny tanan'ireo mpampahory ahy aho?' BSB BSB: deliver me from the hand of the enemy; redeem me from the grasp of the ruthless’?
24 ULB Ampianaro aho, dia ho tazoniko ny fahanginako; ataovy izay hahatakarako hoe taiza no nahadiso ahy. BSB BSB: Teach me, and I will be silent. Help me understand how I have erred.
25 ULB Endrey ny hararin'ny teny marina! Kanefa ny fandresen-dahatrareo, ahoana ny tena hananaran'ireo ahy? BSB BSB: How painful are honest words! But what does your argument prove?
26 ULB Mikasa ny hanao tsinontsinona ny teniko ve ianareo, manao ny tenin'ny olona mamoy fo ho toy ny rivotra? BSB BSB: Do you intend to correct my words, and treat as wind my cry of despair?
27 ULB Eny tokoa, miloka ny zaza kamboty ray ianareo, ary miady varotra amin'ny namanareo toy ny entam-barotra. BSB BSB: You would even cast lots for an orphan and barter away your friend.
28 ULB Koa ankehitriny, mba jereo re aho, fa tena tsy mba handainga eo anatrehan'ny tavanareo aho. BSB BSB: But now, please look at me. Would I lie to your face?
29 ULB Mitsahara, mitalaho aminareo aho; aoka tsy hisy tsy fahamarinana eo aminareo; eny tokoa, mitsahara, fa marina ny adiko. BSB BSB: Reconsider; do not be unjust. Reconsider, for my righteousness is at stake.
30 ULB Misy faharatsiana ve eo amin'ny lelako? Tsy afaka mamantatra ny zava-dratsy ve ny vavako? BSB BSB: Is there iniquity on my tongue? Can my mouth not discern malice?
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.