1 ULB Moa ve ny olona tsy manana asa mafy eto an-tany? Moa ve ny androny tsy mitovy amin'ny andron'ny lehilahy iray nokaramaina? BSB BSB: “Is not man consigned to labor on earth? Are not his days like those of a hired hand?
2 ULB Toy ny andevo iray maniry fatratra ny aloky ny hariva, toy ny lehilahy iray mitady ny karamany— BSB BSB: Like a slave he longs for shade; like a hireling he waits for his wages.
3 ULB koa dia natao mba hiaritra ny volan'ny fahoriana aho; efa nomena alina feno fikorontanana aho. BSB BSB: So I am allotted months of futility, and nights of misery are appointed to me.
4 ULB Rehefa mandry aho, dia milaza amin'ny tenako hoe: 'Rahoviana aho no hifoha ary rahoviana ny alina no ho lasa?' Nivadibadika ambony ambany aho mandra-parainan'ny andro. BSB BSB: When I lie down I think: ‘When will I get up?’ But the night drags on, and I toss and turn until dawn.
5 ULB Nitafy kankana sy baingan-tany ny nofoko; maina ny fery tamin'ny hoditro ary avy eo dia afaka ary miverina indray. BSB BSB: My flesh is clothed with worms and encrusted with dirt; my skin is cracked and festering.
6 ULB Haingam-pandeha noho ny famahanan-tenona ny androko; mandalo tsy misy fanantenana ireo. BSB BSB: My days are swifter than a weaver’s shuttle; they come to an end without hope.
7 ULB Ry Andriamanitra, tsarovy fa ny fiainako dia fofonaina iray ihany; tsy hahita soa intsony ny masoko. BSB BSB: Remember that my life is but a breath. My eyes will never again see happiness.
8 ULB Ny mason'Andriamanitra, izay mahita ahy, dia tsy hahita ahy intsony; ny mason'Andriamanitra dia ho eo amiko, saingy tsy hisy aho. BSB BSB: The eye that beholds me will no longer see me. You will look for me, but I will be no more.
9 ULB Tahaka ny rahona levona sy mihelina, dia toy izany koa no tsy hiakaran'izay midina any amin'ny Fiainan-tsy hita intsony. BSB BSB: As a cloud vanishes and is gone, so he who goes down to Sheol does not come back up.
10 ULB Tsy hiverina any an-tranony intsony izy; na ny fonenany aza tsy hahalala azy intsony. BSB BSB: He never returns to his house; his place remembers him no more.
11 ULB Noho izany tsy hanakombona ny vavako aho; fa hiteny amin'ny fangirifirian'ny fanahiko; hitaraina amin'ny fangidian'ny fanahiko aho. BSB BSB: Therefore I will not restrain my mouth; I will speak in the anguish of my spirit; I will complain in the bitterness of my soul.
12 ULB Moa ve ranomasina aho na biby masiaka an-dranomasina no asinao fiambenana eo amiko? BSB BSB: Am I the sea, or the monster of the deep, that You must keep me under guard?
13 ULB Rehefa milaza aho hoe: 'Hampionona ahy ny farafarako, ary ny fandriako hampitony ny fitarainako,' BSB BSB: When I think my bed will comfort me and my couch will ease my complaint,
14 ULB dia mampatahotra ahy amin'ny nofy sy mampihorohoro ahy amin'ny alalan'ny fahitana Ianao, BSB BSB: then You frighten me with dreams and terrify me with visions,
15 ULB mba hisafidianako ny fanakendana sy ny fahafatesana toy izay miaro ireto taolako ireto. BSB BSB: so that I would prefer strangling and death over my life in this body.
16 ULB Halako ny fiainako; tsy maniry ny ho velona lalandava aho; avelao irery aho fa tsy misy dikany ny androko. BSB BSB: I loathe my life! I would not live forever. Leave me alone, for my days are but a breath.
17 ULB Inona moa ny olona no tokony hiahianao, no tokony ho rarahianao, BSB BSB: What is man that You should exalt him, that You should set Your heart upon him,
18 ULB no tokony ho dinihanao isa-maraina sy tsapainao amin'ny fotoana rehetra? BSB BSB: that You attend to him every morning, and test him every moment?
19 ULB Mandra-pahoviana izany mialohan'ny hialanao amiko, mialohan'ny hamelanao ahy irery ampy hitelomako ny iviko? BSB BSB: Will You never look away from me, or leave me alone to swallow my spittle?
20 ULB Na dia nanota aza aho, dia ho inonao moa izany, Ianao izay mandinika ny olona? Nahoana Ianao no nikendry ahy, mba ho enta-mavesatra ho anao? BSB BSB: If I have sinned, what have I done to You, O watcher of mankind? Why have You made me Your target, so that I am a burden to You?
21 ULB Nahoana Ianao no tsy mamela ny hadisoako sy manala ny heloko? Fa ankehitriny aho dia handry amin'ny vovoka; hitady ahy fatratra Ianao, fa tsy hisy aho." BSB BSB: Why do You not pardon my transgression and take away my iniquity? For soon I will lie down in the dust; You will seek me, but I will be no more.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.