1 ULB Dia namaly Bildada ilay Sohita ka niteny hoe: BSB BSB: Then Bildad the Shuhite replied:
2 ULB "Mandra-pahoviana no hiteny ireo zavatra ireo ianao? Mandra-pahoviana ny teny aloaky ny molotrao no ho lasa rivotra mahery? BSB BSB: “How long will you go on saying such things? The words of your mouth are a blustering wind.
3 ULB Mamadika ny rariny ve Andriamanitra? Mamadika ny fahamarinana ve ny Tsitoha? BSB BSB: Does God pervert justice? Does the Almighty pervert what is right?
4 ULB Efa nanota taminy ny zanakao; fantatsika izany, fa nomeny teo an-tanan'ny fahotany izy ireo. BSB BSB: When your children sinned against Him, He gave them over to their rebellion.
5 ULB Hevero fa nitady an'Andriamanitra mafy ianao ary nampiseho ny fangatahanao tamin'ilay Tsitoha. BSB BSB: But if you would earnestly seek God and ask the Almighty for mercy,
6 ULB Raha madio sy mahitsy ianao, dia azo antoka fa hiambina anao Izy ary hamerina anao eo amin'ny toeran'ny fahamarinanao. BSB BSB: if you are pure and upright, even now He will rouse Himself on your behalf and restore your righteous estate.
7 ULB Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. BSB BSB: Though your beginnings were modest, your latter days will flourish.
8 ULB Anontanio re ireo taranaka teo aloha, ary fantaro izay nianaran'ny razambenao. BSB BSB: Please inquire of past generations and consider the discoveries of their fathers.
9 ULB (Fa isika dia vao teraka omaly ary tsy mahalala na inona na inona satria aloka ny androntsika ety an-tany). BSB BSB: For we were born yesterday and know nothing; our days on earth are but a shadow.
10 ULB Tsy hampianatra anao ve izy ireo ka hilaza aminao? Tsy hiteny ireo teny avy ao am-pony ve izy ireo? BSB BSB: Will they not teach you and tell you, and speak from their understanding?
11 ULB Afaka mitombo ve ny zozoro raha tsy misy ketsaketsa? Afaka mitombo ve ny volotara raha tsy misy rano? BSB BSB: Does papyrus grow where there is no marsh? Do reeds flourish without water?
12 ULB Raha mbola maitso sy tsy voakapa izy ireo, dia malazo alohan'ny zava-maniry hafa. BSB BSB: While the shoots are still uncut, they dry up more quickly than grass.
13 ULB Toy izany koa ny lalan'ireo rehetra izay manadino an'Andriamanitra, ho levona ny fanantenan'ny mpaniratsira. BSB BSB: Such is the destiny of all who forget God; so the hope of the godless will perish.
14 ULB Hiala ny tokiny, ary ny fahatokiany dia marefo toy ny tranon-kala. BSB BSB: His confidence is fragile; his security is in a spider’s web.
15 ULB Hitehina amin'ny tranony izy, fa tsy hanohana azy izany; hihazona izany izy, nefa tsy hahazaka izany. BSB BSB: He leans on his web, but it gives way; he holds fast, but it does not endure.
16 ULB Eo ambanin'ny masoandro dia maitso izy, ary ny sampany mivoaka eo amin'ny zaridainany manontolo. BSB BSB: He is a well-watered plant in the sunshine, spreading its shoots over the garden.
17 ULB Ny fakany dia voafono korotam-bato; mitady toerana tsara eo amin'ny vato izy ireo. BSB BSB: His roots wrap around the rock heap; he looks for a home among the stones.
18 ULB Fa raha nopotehina hiala amin'ny toerany izany olona izany, dia handà azy izany toerana izany ka hiteny hoe: 'Tsy mbola nahita anao mihitsy aho.' BSB BSB: If he is uprooted from his place, it will disown him, saying, ‘I never saw you.’
19 ULB Indro, izany ny "fifalian'ny" fitondran-tenan'ny olona toy izany; ary hisy zava-maniry hafa hitsimoka eo amin'ny nofon-tany mitovy eo amin'ny toerany. BSB BSB: Surely this is the joy of his way; yet others will spring from the dust.
20 ULB Indro, Andriamanitra tsy hanary lehilahy iray tsy manan-tsiny; na hitantana ny tanan'ny mpanao ratsy BSB BSB: Behold, God does not reject the blameless, nor will He strengthen the hand of evildoers.
21 ULB Mbola ho fenoiny fiomehezana ihany ny vavanao, sy fihobiana ny molotrao. BSB BSB: He will yet fill your mouth with laughter, and your lips with a shout of joy.
22 ULB Ireo izay mankahala anao dia hitafy henatra; ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy." BSB BSB: Your enemies will be clothed in shame, and the tent of the wicked will be no more.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.