2 ULB Izany dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. BSB BSB: He was with God in the beginning.
4 ULB Noho Izy no nisiam-piainana, ary io fiainana io no fahazavan'ny olona rehetra. BSB BSB: In Him was life, and that life was the light of men.
5 ULB Ny hazavana dia mamiratra ao anaty haizina, ary ny haizina tsy nandresy izany. BSB BSB: The Light shines in the darkness, and the darkness has not overcome it.
7 ULB Tonga izy mba ho vavolombelona hanambara ny momban'ny fahazavana, mba hinoan'ny rehetra amin'ny alalany. BSB BSB: He came as a witness to testify about the Light, so that through him everyone might believe.
8 ULB Tsy Jaona ilay fahazavana, fa kosa tonga mba hanambara ny momba ilay fahazavana izy. BSB BSB: He himself was not the Light, but he came to testify about the Light.
9 ULB Ny fahazavana marina, izay manome hazavana ny olona rehetra, dia tonga eto amin'izao tontolo izao. BSB BSB: The true Light, who gives light to everyone, was coming into the world.
10 ULB Teto amin'izao tontolo Izy, ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, ary izao tontolo izao tsy nahalala Azy. BSB BSB: He was in the world, and though the world was made through Him, the world did not recognize Him.
11 ULB Tonga tany amin'ny olony Izy, ary ny olony tsy nandray Azy. BSB BSB: He came to His own, and His own did not receive Him.
12 ULB Fa ireo maro nandray Azy, izay nino ny anarany, dia nomeny fahefana ho tonga zanak' Andriamanitra. BSB BSB: But to all who did receive Him, to those who believed in His name, He gave the right to become children of God—
13 ULB Ireo dia tsy nateraka tamin'ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa ny an'Andriamanitra. BSB BSB: children born not of blood, nor of the desire or will of man, but born of God.
15 ULB Jaona nanambara ny momba Azy ka nihiaka mafy, manao hoe: "Izy ilay iray izay efa nolazaiko hoe: 'Izy izay tonga aoriako dia lehibe noho izaho, satria talohako Izy."' BSB BSB: John testified concerning Him. He cried out, saying, “This is He of whom I said, ‘He who comes after me has surpassed me because He was before me.’”
16 ULB Fa avy amin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana hanampy fahasoavana. BSB BSB: From His fullness we have all received grace upon grace.
17 ULB Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy. Ny fahasoavana sy fahamarinana dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy kristy. BSB BSB: For the law was given through Moses; grace and truth came through Jesus Christ.
19 ULB Ary izao no fanambaran'i Jaona rehefa naniraka ireo mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankeo aminy ireo Jiosy mba hanontany azy hoe: "Iza moa ianoa?" BSB BSB: And this was John’s testimony when the Jews of Jerusalem sent priests and Levites to ask him, “Who are you?”
20 ULB Niteny tsotra izy, ary tsy nandà, fa namaly hoe: "Tsy kristy aho." BSB BSB: He did not refuse to confess, but openly declared, “I am not the Christ.”
22 ULB Avy eo izy ireo niteny taminy hoe: "Iza ianao, mba afahanay manome valin-teny an'ireo izay naniraka anay? Inona no hambaranao momban'ny tenanao?" BSB BSB: So they said to him, “Who are you? We need an answer for those who sent us. What do you say about yourself?”
23 ULB Hoy izy hoe: "Izao ilay feo, miantso mafy any an'efitra hoe: 'Ataovy mahitsy ny lalan'ny Tompo,' araka ny voalazan'Isaia mpaminany." BSB BSB: John replied in the words of Isaiah the prophet: “I am a voice of one calling in the wilderness, ‘Make straight the way for the Lord.’”
24 ULB Ary nisy iraka sasany avy amin'ireo fariseo nalefa, BSB BSB: Then the Pharisees who had been sent
25 ULB ary nanontany azy izy ireo ka niteny taminy hoe: "Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy Kristy ianao no sady tsy Elia no tsy ilay mpaminany?" BSB BSB: asked him, “Why then do you baptize, if you are not the Christ, nor Elijah, nor the Prophet?”
26 ULB Ary Jaona namaly azy ireo, manao hoe: "Manao batisa amin'ny rano aho. Fa eo anivonareo eo dia misy olona iray mijoro izay tsy fantatrareo. BSB BSB: “I baptize with water,” John replied, “but among you stands One you do not know.
27 ULB Izy ilay iray izay tonga avy ao aoriako, izay tsy mendrika ahy ny hamaha ny fehi-kapany." BSB BSB: He is the One who comes after me, the straps of whose sandals I am not worthy to untie.”
28 ULB Ireo zavatra ireo dia natao tany Betania tany andafin'i jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa. BSB BSB: All this happened at Bethany beyond the Jordan, where John was baptizing.
29 ULB Ny ampitso Jaona nahita an'i Jesosy nanatona azy ary nilaza hoe: "Jereo, indro ny zanak'ondrin'Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao! BSB BSB: The next day John saw Jesus coming toward him and said, “Look, the Lamb of God, who takes away the sin of the world!
30 ULB Ity ilay iray izay nolazaiko hoe: 'Ilay iray izay tonga avy aoriako dia lehibe noho izaho, satria talohako Izy.' BSB BSB: This is He of whom I said, ‘A man who comes after me has surpassed me because He was before me.’
31 ULB Ary izaho tsy nahalala Azy, fa mba ho voalaza amin'Isiraely izy no nihaviako hanao batisa amin'ny rano." BSB BSB: I myself did not know Him, but the reason I came baptizing with water was that He might be revealed to Israel.”
32 ULB Jaona nanambara, manao hoe: "Nahita ny Fanahy nidina avy any an-danitra tahaka ny voromailala aho, ary nioetra teo amboniny izany. BSB BSB: Then John testified, “I saw the Spirit descending from heaven like a dove and resting on Him.
33 ULB Tsy nahafantatra Azy aho, fa Izy izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano nilaza tamiko hoe: 'Eo ambonin'izay hitanao hidinan'ny Fanahy sy hitoerany eo aminy, izy ilay iray izay manao batisa amin'ny Fanahy Masina.' BSB BSB: I myself did not know Him, but the One who sent me to baptize with water told me, ‘The man on whom you see the Spirit descend and rest is He who will baptize with the Holy Spirit.’
34 ULB Sady nahita aho no nanambara fa izy ilay Zanak'Andriamanitra." BSB BSB: I have seen and testified that this is the Son of God.”
35 ULB Ny ampitso, indray, raha nijoro niaraka tamin'ny roa amin'ireo mpianany Jaona, BSB BSB: The next day John was there again with two of his disciples.
36 ULB dia nahita an'i Jesosy nandeha izy ireo, ka hoy Jaona hoe: "Jereo, ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra!" BSB BSB: When he saw Jesus walking by, he said, “Look, the Lamb of God!”
37 ULB Nandre azy niteny izany ireo mpianany roa ka nanaraka an'i Jesosy izy ireo. BSB BSB: And when the two disciples heard him say this, they followed Jesus.
38 ULB Avy eo Jesosy nitodika ka nahita azy ireo nanaraka Azy ka niteny azy ireo hoe: "Inona no ilainareo?" Namaly ireo hoe: "Raby (izay midika hoe mpampianatra), aiza Ianao no mitoetra?" BSB BSB: Jesus turned and saw them following. “What do you want?” He asked. They said to Him, “Rabbi” (which means Teacher), “where are You staying?”
39 ULB Namaly azy ireo Izy hoe: "Manatona ary jereo." Ary nanatona izy ireo ka nahita ny toerana izay nonenany; nitoetra niaraka Taminy tao izy ireo tamin'io andro io, fa tokony efa ho ora fahafolo tamin'izay. BSB BSB: “Come and see,” He replied. So they went and saw where He was staying, and spent that day with Him. It was about the tenth hour.
40 ULB Iray tamin'ireo mpianatra roa nandre an'i Jaona niteny ary nanaraka an'i Jesosy avy eo i Andrea, rahalahin'i Simona Petera. BSB BSB: Andrew, Simon Peter’s brother, was one of the two who heard John’s testimony and followed Jesus.
41 ULB Nitady an'i Simona rahalahiny aloha izy ary nilaza taminy hoe: "Hitanay ny Mesia" (izay adika hoe Kristy) BSB BSB: He first found his brother Simon and told him, “We have found the Messiah” (which is translated as Christ).
42 ULB Nitondra azy tany amin'i Jesosy izy, ary nijery azy Jesosy ka niteny hoe: "Ianao dia Simona zanak'i Jaona, ianao dia ho antsoina hoe Kefasy" (izay midika hoe: Petera). BSB BSB: Andrew brought him to Jesus, who looked at him and said, “You are Simon son of John. You will be called Cephas” (which is translated as Peter).
43 ULB Ny ampitso, raha te-hiala ho any Galilia Jesosy, dia nahita an'i Filipo Izy ary nilaza taminy hoe: "Manaraha Ahy." BSB BSB: The next day Jesus decided to set out for Galilee. Finding Philip, He told him, “Follow Me.”
45 ULB Nahita an'i Natanaela i Filipo ka niteny taminy hoe: "Izy izay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy ireo mpaminany, hitanay Izy, dia Jesosy zanak'i Josefa, avy any Nazareta." BSB BSB: Philip found Nathanael and told him, “We have found the One Moses wrote about in the Law, the One the prophets foretold—Jesus of Nazareth, the son of Joseph.”
46 ULB Natanaela niteny taminy hoe: "Moa hisy zava-tsoa avy ao Nazareta?" Filipo nilaza taminy hoe: "Manatona ary jereo." BSB BSB: “Can anything good come from Nazareth?” Nathanael asked. “Come and see,” said Philip.
47 ULB Jesosy nahita an'i Natanaela nanatona azy ary nilaza ireo mombamomba azy hoe: "Jereo, izany no tena isiraelita, izay tsy misy fitaka ao aminy!" BSB BSB: When Jesus saw Nathanael approaching, He said of him, “Here is a true Israelite, in whom there is no deceit.”
48 ULB Natanaela niteny Taminy hoe: "Ahoana no hahafantaranao ahy?" Jesosy namaly ka nilaza taminy hoe: "Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, raha teo ambanin'ny hazon'aviavy ianao, dia tazako." BSB BSB: “How do You know me?” Nathanael asked. Jesus replied, “Before Philip called you, I saw you under the fig tree.”
49 ULB Natanaela namaly hoe: "Raby, Ianao ilay zanak'Andriamanitra! Ianao no mpanjakan'Isiraely!" BSB BSB: “Rabbi,” Nathanael answered, “You are the Son of God! You are the King of Israel!”
50 ULB Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: "Satria ve Aho niteny taminao hoe: 'Nahita anao teo ambanin'ny hazon'aviavy Aho,' no hinoanao? Hahita zavatra tsara mihoatra noho izany ianao." BSB BSB: Jesus said to him, “Do you believe just because I told you I saw you under the fig tree? You will see greater things than these.”
51 ULB Avy eo Izy niteny hoe: "Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, fa hahita ny lanitra hisokatra ianareo, ary ireo anjelin'Andriamanitra hiakatra sy hidina eo ambonin'ny Zanak'Olona." BSB BSB: Then He declared, “Truly, truly, I tell you, you will all see heaven open and the angels of God ascending and descending on the Son of Man.”