1 ULB Ary nisy lehilahy iray narary antsoina hoe Lazarosy. Avy ao Betania izy, tanànan'i Maria sy Marta rahavaviny. BSB BSB: At this time a man named Lazarus was sick. He lived in Bethany, the village of Mary and her sister Martha.
2 ULB Maria no nanosotra menaka manitra ny Tompo sy nanadio ny tongony tamin'ny volony, ary Lazarosy anadahiny no narary. BSB BSB: (Mary, whose brother Lazarus was sick, was to anoint the Lord with perfume and wipe His feet with her hair.)
3 ULB Ary ireo mpirahavavy naniraka olona ho any amin'i Jesosy, nilaza hoe: "Tompo, jereo, fa marary ilay tianao." BSB BSB: So the sisters sent word to Jesus, “Lord, the one You love is sick.”
4 ULB Rehefa ren'i Jesosy izany, dia hoy Izy hoe: "Tsy fahafatesana no hiafaran'ity aretina ity, fa kosa ho fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra mba hanandratana ny Zanak'Andriamanitra amin'ny alalan'izany." BSB BSB: When Jesus heard this, He said, “This sickness will not end in death. No, it is for the glory of God, so that the Son of God may be glorified through it.”
5 ULB Ary Jesosy dia tia an'i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy. BSB BSB: Now Jesus loved Martha and her sister and Lazarus.
6 ULB Ka rehefa nandre Jesosy fa marary Lazarosy, dia mbola nijanona roa andro tao amin'ny toerana nizy Azy Izy. BSB BSB: So on hearing that Lazarus was sick, He stayed where He was for two days,
7 ULB Ary taorian'izany, dia niteny tamin'ireo mpianatra Izy hoe: "Andeha isika ho any Jodia indray." BSB BSB: and then He said to the disciples, “Let us go back to Judea.”
8 ULB Hoy ireo mpianatra taminy hoe: "Raby, amin'izao dia mikasa ny hitora-bato Anao ireo Jiosy, ka mbola hiverina ho any indray ve Ianao?" BSB BSB: “Rabbi,” they replied, “the Jews just tried to stone You, and You are going back there?”
9 ULB Ary namaly Jesosy hoe: "Tsy roa ambin'ny folo ora ve ny fahazavan'ny andro? Raha misy olona mandeha amin'ny andro mazava, dia tsy ho tafintohina izy, satria mahita ny fahazavan'izao tontolo izao. BSB BSB: Jesus answered, “Are there not twelve hours of daylight? If anyone walks in the daytime, he will not stumble, because he sees by the light of this world.
10 ULB Kanefa, raha mandeha amin'ny alina izy, dia ho tafintohina satria tsy ao aminy ny fahazavana." BSB BSB: But if anyone walks at night, he will stumble, because he has no light.”
11 ULB Nilaza ireo zavatra ireo Izy, ary taorian'ireo zavatra ireo, dia hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Resin-tory Lazarosy namantsika, fa handeha Aho mba hafahako mamoha azy amin'ny torimaso." BSB BSB: After He had said this, He told them, “Our friend Lazarus has fallen asleep, but I am going there to wake him up.”
12 ULB Ka hoy ireo mpianatra taminy hoe: "Tompo, raha resitory izy, dia ho tsara." BSB BSB: His disciples replied, “Lord, if he is sleeping, he will get better.”
13 ULB Kanefa Jesosy nilaza ny fahafatesany, saingy noheverin'izy ireo fa fialan-tsasatra amin'ny torimaso no nolazainy. BSB BSB: They thought that Jesus was talking about actual sleep, but He was speaking about the death of Lazarus.
14 ULB Avy eo Jesosy niteny tsotra tamin'izy ireo hoe: "Maty Lazarosy. BSB BSB: So Jesus told them plainly, “Lazarus is dead,
15 ULB Faly aho, nohon'ny aminareo, fa tsy tany Aho mba hahatonga anareo hino. Andeha isika ho any aminy." BSB BSB: and for your sake I am glad I was not there, so that you may believe. But let us go to him.”
16 ULB Tomasy, izay antsoina hoe Didymo, dia niteny tamin'ireo mpianatra namany hoe: "Andeha koa isika mba hiara-maty amin'i Jesosy." BSB BSB: Then Thomas called Didymus said to his fellow disciples, “Let us also go, so that we may die with Him.”
17 ULB Rehefa tonga Jesosy, dia hitany fa efa nalevina efatr'andro tao am-pasana Lazarosy. BSB BSB: When Jesus arrived, He found that Lazarus had already spent four days in the tomb.
18 ULB Ary Betania dia efa akaiky an'i Jerosalema, eo amin'ny dimy ambin'ny folo stadio eo no elanelany. BSB BSB: Now Bethany was near Jerusalem, a little less than two miles away,
19 ULB Maro ireo Jiosy tonga tao amin'i Marta sy Maria, mba hampahery azy ireo nohon'ny fahafatesan'ny anadahin'izy ireo. BSB BSB: and many of the Jews had come to Martha and Mary to console them in the loss of their brother.
20 ULB Avy eo Marta, rehefa nandre fa tonga Jesosy, dia nandeha nitsena Azy, fa Maria kosa nipetraka tao an-trano. BSB BSB: So when Martha heard that Jesus was coming, she went out to meet Him, but Mary stayed at home.
21 ULB Dia niteny tamin'i Jesosy Marta hoe: "Tompo, raha teto ianao, dia tsy maty ny anadahiko. BSB BSB: Martha said to Jesus, “Lord, if You had been here, my brother would not have died.
22 ULB Nefa na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona angatahinao amin'Andriamanitra, dia homeny anao izany." BSB BSB: But even now I know that God will give You whatever You ask of Him.”
23 ULB Hoy Jesosy taminy hoe: "Ny anadahinao dia hitsangan-ko velona indray." BSB BSB: “Your brother will rise again,” Jesus told her.
24 ULB Marta niteny taminy hoe: "Fantatro fa hitsangana indray izy amin'ny fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany." BSB BSB: Martha replied, “I know that he will rise again in the resurrection at the last day.”
25 ULB Dia hoy Jesosy taminy hoe: "Izaho no fananganana ny maty ary fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza izy, dia ho velona; BSB BSB: Jesus said to her, “I am the resurrection and the life. Whoever believes in Me will live, even though he dies.
26 ULB ary na iza na iza velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany ve ianao?" BSB BSB: And everyone who lives and believes in Me will never die. Do you believe this?”
27 ULB Hoy izy taminy hoe: "Eny, Tompo, mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ilay ho tonga eto amin'izao tontolo izao." BSB BSB: “Yes, Lord,” she answered, “I believe that You are the Christ, the Son of God, who was to come into the world.”
28 ULB Rehefa voalazany izany, dia lasa izy niantso mangingina an'i Maria rahavaviny. Hoy izy hoe: "Tonga ny Mpampianatra ary miantso anao izy." BSB BSB: After Martha had said this, she went back and called her sister Mary aside to tell her, “The Teacher is here and is asking for you.”
29 ULB Rehefa ren'i Maria izany, dia nitsangana faingana izy dia nankany aminy. BSB BSB: And when Mary heard this, she got up quickly and went to Him.
30 ULB Ary Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna fa mbola teo amin'ilay toerana nihaonan'i Marta taminy ihany. BSB BSB: Now Jesus had not yet entered the village, but was still at the place where Martha had met Him.
31 ULB Noho izany ireo Jiosy, izay niaraka taminy tao an-trano sy nampahery azy, rehefa nahita an'i Maria nitsangana faingana ka lasa nivoaka, dia nanaraka azy, nihevitra fa handeha hitomany any amin'ny fasana izy. BSB BSB: When the Jews who were in the house consoling Mary saw how quickly she got up and went out, they followed her, supposing she was going to the tomb to mourn there.
32 ULB Rehefa tonga teo amin'ny toerana nisy an'i Jesosy i Maria ka nahita Azy, dia niankohoka izy ary niteny taminy hoe: "Tompo, raha teto ianao, dia tsy maty ny anadahiko." BSB BSB: When Mary came to Jesus and saw Him, she fell at His feet and said, “Lord, if You had been here, my brother would not have died.”
34 ULB dia hoy Izy hoe: "Taiza no nandevenanareo azy?" Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Tompo, avia ary jereo." BSB BSB: “Where have you put him?” He asked. “Come and see, Lord,” they answered.
36 ULB Avy eo hoy ireo Jiosy hoe: "Jereo ny haben'ny fitiavany an'i Lazarosy!" BSB BSB: Then the Jews said, “See how He loved him!”
37 ULB Fa ny sasany tamin'izy ireo niteny hoe: "Moa ve tsy hain'ity lehilahy ity, izay nampahiratra ny mason'ilay jamba, ny manao izay tsy ho nahafaty ity lehilahy ity koa?" BSB BSB: But some of them asked, “Could not this man who opened the eyes of the blind also have kept Lazarus from dying?”
38 ULB Avy eo indray Jesosy, raha mbola vonto ny fanahiny, dia nankeny amin'ny fasana. Ary zohy izany, ary misy vato manarona azy. BSB BSB: Jesus, once again deeply moved, came to the tomb. It was a cave with a stone laid across the entrance.
39 ULB Hoy Jesosy hoe: "Esory hiala ny vato." Marta, anabavin'i Lazarosy, ilay maty, niteny tamin'i Jesosy hoe: "Tompo, efa maimbo ny vatany raha amin'izao fotoana izao, satria efatr'andro izao no nahafatesany." BSB BSB: “Take away the stone,” Jesus said. “Lord, by now he stinks,” said Martha, the sister of the dead man. “It has already been four days.”
40 ULB Ary Jesosy niteny taminy hoe: "Tsy efa nolazaiko anao ve fa, raha nino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?" BSB BSB: Jesus replied, “Did I not tell you that if you believed, you would see the glory of God?”
41 ULB Dia nohesorin'izy ireo ny vato. Jesosy nanandratra ny masony ka niteny hoe: "Ray ô, misaotra Anao Aho satria nihaino Ahy Ianao. BSB BSB: So they took away the stone. Then Jesus lifted His eyes upward and said, “Father, I thank You that You have heard Me.
42 ULB Fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao, fa nohon'ny vahoaka mijoro manodidina Ahy no nilazako izany, mba hafahan'izy ireo mino fa Ianao no naniraka Ahy." BSB BSB: I knew that You always hear Me, but I say this for the benefit of the people standing here, so they may believe that You sent Me.”
43 ULB Rehefa avy niteny izany Izy, dia niantso tamin'ny feo mafy hoe: "Lazarosy, mivoaha!" BSB BSB: After Jesus had said this, He called out in a loud voice, “Lazarus, come out!”
44 ULB Nivoaka ilay lehilahy maty; nisy fehim-paty ny tongony sy ny tanany, ary voafehy lamba koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Vahao izy ary avelao handeha." BSB BSB: The man who had been dead came out with his hands and feet bound in strips of linen, and his face wrapped in a cloth. “Unwrap him and let him go,” Jesus told them.
45 ULB Avy eo maro tamin'ireo Jiosy izay tonga tao amin'i Maria sy nahita ny nataon'i Jesosy, no nino Azy; BSB BSB: Therefore many of the Jews who had come to Mary, and had seen what Jesus did, believed in Him.
46 ULB Fa ny sasany tamin'izy ireo kosa lasa nandeha nankany amin'ny Fariseo ary nilaza tamin'izy ireo ny zavatra nataon'i Jesosy. BSB BSB: But some of them went to the Pharisees and told them what Jesus had done.
47 ULB Avy eo ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo namory ny Synedriona niaraka ary nanao hoe: "Inona no hataontsika? Ity lehilahy ity dia manao famantarana maro. BSB BSB: Then the chief priests and Pharisees convened the Sanhedrin and said, “What are we to do? This man is performing many signs.
48 ULB Raha avelantsika amin'izao Izy, dia hino Azy ny rehetra; ary ho avy ny Romana haka ny tananàntsika sy ny firenentsika." BSB BSB: If we let Him go on like this, everyone will believe in Him, and then the Romans will come and take away both our place and our nation.”
49 ULB Kanefa, nisy lehilahy iray tamin'izy ireo, Kaiafa, izay mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao tamin'izy ireo hoe: "Ianareo dia tsy mahalala na inona na inona. BSB BSB: But one of them, named Caiaphas, who was high priest that year, said to them, “You know nothing at all!
50 ULB Tsy mieritreritra akory ianareo fa tsara ho anareo raha lehilahy iray no maty ho an'ny olona toy izay ny firenena manontolo no ringana." BSB BSB: You do not realize that it is better for you that one man die for the people than that the whole nation perish.”
51 ULB Ary izay nolazainy dia tsy nataony ho azy ihany. Fa kosa, noho izy mpisoronabe tamin'io taona io, dia naminany fa tokony ho faty ho an'ny firenena Jesosy; BSB BSB: Caiaphas did not say this on his own. Instead, as high priest that year, he was prophesying that Jesus would die for the nation,
52 ULB ary tsy ho an'ny firenena fotsiny ihany, fa mba hampiray ny zanak'Andriamanitra izay niparitaka koa. BSB BSB: and not only for the nation, but also for the scattered children of God, to gather them together into one.
53 ULB Ka nanomboka tamin'io andro io dia nanao tetika ny fomba hamonoana an'i Jesosy izy ireo. BSB BSB: So from that day on they plotted to kill Him.
54 ULB Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin'ireo Jiosy intsony, fa niala teo Izy nankany amin'ny tany akaikin'ny efitra ho any an-tanàna atao hoe Efraima. Ary nonina tao Izy sy ireo mpianatra. BSB BSB: As a result, Jesus no longer went about publicly among the Jews, but He withdrew to a town called Ephraim in an area near the wilderness. And He stayed there with the disciples.
55 ULB Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ary maro tamin'ireo tany ivelan'ny tanàna no niakatra tao Jerosalema mialohan'ny Paska mba hanadio ny tenan'izy ireo. BSB BSB: Now the Jewish Passover was near, and many people went up from the country to Jerusalem to purify themselves before the Passover.
56 ULB Nitady an'i Jesosy izy ireo, ary nijoro teo amin'ny Tempoly nifampiresaka hoe: "Inona no eritreretinareo? Hoe tsy ho tonga amin'ny andro firavoravoana ve Izy?" BSB BSB: They kept looking for Jesus and asking one another as they stood in the temple courts, “What do you think? Will He come to the feast at all?”
57 ULB Ary efa nanome baiko ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo fa raha misy mahalala ny misy an'i Jesosy, dia tokony milaza izy mba hisamboran'izy ireo Azy. BSB BSB: But the chief priests and Pharisees had given orders that anyone who knew where He was must report it, so that they could arrest Him.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.